< Asan'ny Apostoly 2 >
1 Ary nony tonga ny Andro Pentekosta, dia teo amin’ ny fitoerana iray izy rehetra.
Siku ya Pentekoste ilipofika, waumini wote walikuwa wamekusanyika pamoja.
2 Ary nisy feo tonga tampoka avy tany an-danitra, toy ny rivotra mahery mifofofofo, ka nanenika ilay trano niangonany.
Ghafla, sauti ikasikika kutoka angani; sauti iliyokuwa kama ya upepo mkali, ikajaza ile nyumba yote walimokuwa wamekaa.
3 Ary nisy lela maro mitarehin’ afo niseho taminy, izay nizarazara; ary nipetraka tamin’ izy rehetra isan-olona izany.
Kisha, vikatokea vitu vilivyoonekana kama ndimi za moto, vikagawanyika na kutua juu ya kila mmoja wao.
4 Ary samy feno ny Fanahy Masìna izy rehetra, ka dia niteny tamin’ ny fiteny maro samy hafa, araka ny nampitenenan’ ny Fanahy Masìna azy.
Wote wakajazwa Roho Mtakatifu, wakaanza kusema lugha mbalimbali kadiri Roho alivyowawezesha.
5 Ary nisy Jiosy, mpivavaka tsara, nitoetra tany Jerosalema, avy tany amin’ ny firenena samy hafa rehetra ambanin’ ny lanitra.
Na huko Yerusalemu walikuwako Wayahudi, watu wamchao Mungu, waliotoka katika kila nchi duniani.
6 Ary nony re izany feo izany, dia niangona ny olona maro ka very hevitra, fa samy nahare azy ireo niteny tamin’ ny fiteniny avy izy rehetra.
Waliposikia sauti hiyo, kundi kubwa la watu lilikusanyika. Wote walishtuka sana kwani kila mmoja wao aliwasikia hao waumini wakisema kwa lugha yake mwenyewe.
7 Dia talanjona sady gaga izy rehetra ka nanao hoe: Indreo, tsy Galiliana va ireo rehetra miteny ireo?
Walistaajabu na kushangaa, wakisema, “Je, hawa wote tunaowasikia wakisema hivi, si wenyeji wa Galilaya?
8 Koa ahoana no andrenesantsika amin’ ny fitenintsika avy izay nahabe antsika
Imekuwaje, basi, kwamba kila mmoja wetu anawasikia wakisema kwa lugha yake mwenyewe?
9 ― dia Partiana sy Mediana sy Elamita, ary mponina any Mesopotamia, sy Jodia sy Kapadokia sy Ponto sy Asia
Baadhi yetu ni Waparthi, Wamedi na Waelami; wengine ni wenyeji wa Mesopotamia, Yudea, Kapadokia, Ponto na Asia,
10 sy Frygia sy Pamfylia, sy Egypta sy ny tany Libya izay manodidina an’ i Kyrena, ary vahiny avy any Roma, na Jiosy na proselyta,
Frugia na Pamfulia, Misri na sehemu za Libya karibu na Kurene; wengine wetu ni wageni kutoka Roma,
11 Kretana sy Arabo ― koa ahoana no andrenesantsika ireo miteny amin’ ny fitenintsika avy ny asa lehibe ataon’ Andriamanitra?
Wayahudi na watu walioongokea dini ya Kiyahudi; wengine wametoka Krete na Arabia. Sisi sote tunasikia wakisema kwa lugha zetu wenyewe mambo makuu ya Mungu.”
12 Dia talanjona izy rehetra ka niahanahana sady niresaka hoe: Ahoana no tokony ho hevitr’ izany?
Wote walishangaa na kufadhaika huku wakiulizana, “Hii ina maana gani?”
13 Fa ny sasany nihomehy ka nanao hoe: Leon-divay mamy ireo.
Lakini wengine wakawadhihaki wakisema, “Watu hawa wamelewa divai mpya!”
14 Fa nitsangana Petera sy ny iraika ambin’ ny folo lahy, dia nanandra-peo izy ka nanao taminy hoe: Ry lehilahy Jiosy sy izay rehetra monina eto Jerosalema, aoka ho fantatrareo izao, ka henoy ny teniko:
Lakini Petro alisimama pamoja na wale kumi na mmoja akaanza kuwahutubia watu kwa sauti kubwa: “Ndugu Wayahudi nanyi nyote mnaokaa hapa Yerusalemu, sikilizeni kwa makini maneno yangu.
15 Tsy mamo araka ny hevitrareo tsy akory ireo, fa vao ora fahatelo ihany izao ny andro.
Watu hawa hawakulewa kama mnavyodhani; mbona ni saa tatu tu asubuhi?
16 Fa izao ilay nampilazaina an’ i Joela mpaminany hoe:
Ukweli ni kwamba jambo hili ni lile alilosema nabii Yoeli:
17 Ary amin’ ny andro farany, hoy Andriamanitra, No handatsahako ny Fanahiko amin’ ny nofo rehetra; Ary ny zanakalahinareo sy ny zanakavavinareo haminany, Ary ny zatovonareo hahita fahitana, Ary ny lahiantitrareo hanonofy;
Katika siku zile za mwisho, asema Bwana, nitawamiminia binadamu wote Roho wangu. Watoto wenu, wanaume kwa wanawake, watautangaza ujumbe wangu; vijana wenu wataona maono, na wazee wenu wataota ndoto.
18 Ary ny mpanompoko, na lahy na vavy, Dia handatsahako ny Fanahiko amin’ izany andro izany, Ka dia haminany izy;
Naam, hata watumishi wangu, wanaume kwa wanawake, nitawamiminia Roho wangu, siku zile, nao watautangaza ujumbe wangu.
19 Ary hanisy fahagagana eny amin’ ny lanitra ambony Aho sy famantarana amin’ ny tany ambany, Dia rà sy afo ary zavon’ ny setroka;
Nitatenda miujiza juu angani, na ishara chini duniani; kutakuwa na damu, moto na moshi mzito;
20 Ny masoandro hampodina ho aizina, Ary ny volana ho rà, Alohan’ ny hahatongavan’ ny andron’ i Jehovah, Dia ilay sady lehibe no malaza;
jua litatiwa giza, na mwezi utakuwa mwekundu kama damu, kabla ya kutokea ile siku kuu na tukufu ya Bwana.
21 Ary na zovy na zovy no hiantso ny anaran’ i Jehovah dia hovonjena.
Hapo, yeyote atakayeomba kwa jina la Bwana, ataokolewa.
22 Ry lehilahy Isiraely, mihainoa izao teny izao: Jesosy avy any Nazareta, lehilahy nasehon’ Andriamanitra teo aminareo tamin’ ny asa lehibe sy ny fahagagana ary ny famantarana izay nampanaovin’ Andriamanitra Azy teo aminareo, tahaka ny fantatrareo ihany,
“Wananchi wa Israeli, sikilizeni maneno haya! Yesu wa Nazareti alikuwa mtu ambaye mamlaka yake ya kimungu yalithibitishwa kwenu kwa miujiza, maajabu na ishara Mungu alizofanya kati yenu kwa njia yake, kama mnavyojua.
23 Izy efa natolotra araka ny saina niniana sy ny fahalalan’ Andriamanitra rahateo, dia nohomboanareo sy novonoinareo tamin’ ny tanan’ ny olona tsy tan-dalàna;
Kufuatana na mpango wake mwenyewe Mungu alikwisha amua kwamba Yesu angetiwa mikononi mwenu; nanyi mkamuua kwa kuwaachia watu wabaya wamsulubishe.
24 fa Andriamanitra nanangana Azy, rehefa nahafaka ny fanaintainan’ ny fahafatesana, satria tsy laitr’ izany hohazonina Izy.
Lakini Mungu alimfufua kutoka wafu akamwokoa katika maumivu ya kifo kwa maana haingewezekana kabisa kifo kimfunge.
25 Fa Davida milaza Azy hoe: Nijery an’ i Jehovah teo anatrehako mandrakariva aho; Satria eo ankavanako Izy, mba tsy hangozohozo aho,
Maana Daudi alisema juu yake hivi: Nilimwona Bwana mbele yangu daima; yuko nami upande wangu wa kulia, na hivyo sitatikisika.
26 Dia izany no nifalian’ ny foko sy niravoravoan’ ny lelako; Ny nofoko koa hitoetra amin’ ny fanantenana;
Kwa hiyo, moyo wangu ulifurahi; tena nilipiga vigelegele vya furaha. Mwili wangu utakaa katika tumaini;
27 Fa tsy ho foinao ho any amin’ ny fiainan-tsi-hita ny aiko; Ary tsy hamela ny Iray Masinao ho tratry ny lò Hianao; (Hadēs )
kwa kuwa hutaiacha roho yangu katika kuzimu, wala kumruhusu mtakatifu wako aoze. (Hadēs )
28 Nampahafantatra ahy ny lalan’ aina Hianao; Hampifaly ahy indrindra amin’ ny tavanao.
Umenionyesha njia za kuufikia uzima, kuwako kwako kwanijaza furaha!
29 Ry rahalahy, aoka aho mba hilaza aminareo marimarina ny amin’ i Davida patriarka, fa efa maty izy ka nalevina koa, ary ny fasany eto amintsika mandraka androany.
“Ndugu zangu, napenda kuwaambieni waziwazi juu ya mambo yaliyompata Daudi, babu yetu. Yeye alikufa, akazikwa, tena kaburi lake liko papa hapa petu mpaka leo.
30 Ary satria mpaminany izy ka nahalala fa Andriamanitra efa nanao fianianana taminy fa izay hateraky ny kibony no hipetraka eo ambonin’ ny seza fiandrianany,
Lakini kwa vile Daudi alikuwa nabii, alijua kuwa Mungu alimwapia kiapo kwamba atamtawaza mmoja wa uzawa wake kuwa mfalme mahali pake.
31 koa raha nahita rahateo izy, dia nilaza ny fitsanganan’ i Kristy, fa tsy nafoy ho any amin’ ny fiainan-tsi-hita Izy, ary ny nofony tsy tratry ny lò. (Hadēs )
Daudi aliona kabla mambo yatakayofanywa na Mungu na hivyo akasema juu ya ufufuo wa Kristo wakati aliposema: Hakuachwa kuzimu, mwili wake haukuoza. (Hadēs )
32 Izany Jesosy izany dia efa natsangan’ Andriamanitra, ary vavolombelon’ izany izahay rehetra.
Basi, Mungu alimfufua huyo Yesu na sisi sote ni mashahidi wa tukio hilo.
33 Ary rehefa nasandratry ny tanana ankavanan’ Andriamanitra Izy, ary nandray tamin’ ny Ray ny Fanahy Masìna Izay nokasainy, dia efa nampilatsaka izao hitanareo sy renareo izao Izy.
Yesu aliinuliwa juu mpaka upande wa kulia wa Mungu, akapokea kutoka kwa Baba ile zawadi aliyoahidi yaani Roho Mtakatifu; na mnachoona sasa na kusikia ni mmiminiko wa huyo Roho.
34 Fa tsy Davida no niakatra tany an-danitra; fa hoy izy: Jehovah nilaza tamin’ ny Tompoko hoe: Mipetraha eo an-tanako ankavanana
Maana Daudi mwenyewe, hakupanda mpaka mbinguni; ila yeye alisema: Bwana alimwambia Bwana wangu: Keti upande wangu wa kulia,
35 Ambara-panaoko ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao.
hadi nitakapowafanya adui zako kibao cha kukanyagia miguu yako.
36 Koa aoka ho fantatry ny taranak’ isiraely rehetra marimarina fa iny Jesosy nohomboanareo tamin’ ny hazo fijaliana iny dia efa nataon’ Andriamanitra ho Tompo sy Kristy.
“Watu wote wa Israeli wanapaswa kufahamu kwa hakika kwamba huyo Yesu mliyemsulubisha ninyi, ndiye huyo ambaye Mungu amemfanya kuwa Bwana na Kristo.”
37 Ary raha nandre izany ny olona, dia voatsindrona tam-pony ka nanao tamin’ i Petera sy ny Apostoly namany hoe: Ry rahalahy, inona no hataonay?
Basi, watu waliposikia hayo, walichomwa moyo, wakawauliza Petro na wale mitume wenzake: “Ndugu zetu, tufanye nini?”
38 Ary hoy Petera taminy: Mibebaha, ary aoka samy hatao batisa amin’ ny anaran’ i Jesosy Kristy ianareo rehetra mba hahazo famelana ny helokareo; ary ianareo handray ny fanomezana, dia ny Fanahy Masìna;
Petro akajibu, “Tubuni na kila mmoja wenu abatizwe kwa jina la Yesu Kristo ili mpate kuondolewa dhambi zenu na kupokea ile zawadi ya Roho Mtakatifu.
39 fa ny teny fikasana dia ho anareo sy ny zanakareo ary ho an’ izay rehetra lavitra, na iza na iza hantsoin’ i Jehovah Andriamanitsika hanatona Azy.
Maana, ahadi ile ilikuwa kwa ajili yenu, kwa ajili ya watoto wenu, kwa ajili ya wote wanaokaa mbali; na kwa ajili ya kila mtu ambaye Bwana Mungu wetu atamwita kwake.”
40 Ary nanambara sy nananatra azy tamin’ ny teny maro hafa koa izy ka nanao hoe: Aoka hovonjena ho afaka amin’ ity taranaka maditra ity ianareo.
Kwa maneno mengine mengi, Petro alisisitiza na kuwahimiza watu akisema, “Jiokoeni katika kizazi hiki kiovu.”
41 Ary izay nandray tsara ny teniny dia natao batisa; ary tokony ho telo arivo no olona nanampy ho isany tamin’ izany andro izany.
Wengi waliyakubali maneno yake, wakabatizwa. Watu wapatao elfu tatu wakaongezeka katika kile kikundi siku hiyo.
42 Ary izy ireo naharitra tamin’ ny fampianaran’ ny Apostoly sy ny fiombonana sy ny famakiana ny mofo ary ny fivavahana.
Hawa wote waliendelea kujifunza kutoka kwa mitume, kuishi pamoja kidugu, kumega mkate na kusali.
43 Dia raiki-tahotra ny olona rehetra teo, ary fahagagana sy famantarana maro no nataon’ ny Apostoly.
Miujiza na maajabu mengi yalifanyika kwa njia ya mitume hata kila mtu akajawa na hofu.
44 Ary izay rehetra nino dia niray toerana, sady niombonany avokoa ny fananany rehetra,
Waumini wote waliendelea kuwa kitu kimoja na mali zao waligawana pamoja.
45 ary namidiny ny taniny sy ny fananany ka nozarainy tamin’ izy rehetra araka izay nilainy avy.
Walikuwa wakiuza mali na vitu vyao kisha wakagawana fedha kadiri ya mahitaji ya kila mmoja.
46 Ary dia niray saina isan’ andro izy ka nazoto nankeo an-kianjan’ ny tempoly ary namaky mofo tao an-trano ka nihinan-kanina tamin’ ny fifaliana sy ny fahatsaram-po,
Waliendelea kukutana pamoja kila siku Hekaluni. Lakini wakati wa kumega mkate, walikutana katika nyumba zao na wakakishiriki chakula hicho kwa furaha na moyo mkunjufu.
47 nidera an’ Andriamanitra sady nahita fitia tamin’ ny vahoaka rehetra. Ary ny olom-bonjena dia nanampin’ ny Tompo isan’ andro ho isan’ ireo.
Walimtukuza Mungu, wakapendwa na watu wote. Kila siku Bwana aliwaongezea idadi ya watu waliokuwa wakiokolewa.