< Asan'ny Apostoly 2 >
1 Ary nony tonga ny Andro Pentekosta, dia teo amin’ ny fitoerana iray izy rehetra.
And when the day of Pentecost was fully come, they were all met together with one accord.
2 Ary nisy feo tonga tampoka avy tany an-danitra, toy ny rivotra mahery mifofofofo, ka nanenika ilay trano niangonany.
And suddenly there was a sound from heaven as of a strong rushing wind, and it filled all the house where they were sitting.
3 Ary nisy lela maro mitarehin’ afo niseho taminy, izay nizarazara; ary nipetraka tamin’ izy rehetra isan-olona izany.
And there appeared unto them divided tongues, as it were of fire, and it sat upon each of them:
4 Ary samy feno ny Fanahy Masìna izy rehetra, ka dia niteny tamin’ ny fiteny maro samy hafa, araka ny nampitenenan’ ny Fanahy Masìna azy.
and they were all filled with the holy Spirit, and began to speak in other languages, as the Spirit gave them utterance.
5 Ary nisy Jiosy, mpivavaka tsara, nitoetra tany Jerosalema, avy tany amin’ ny firenena samy hafa rehetra ambanin’ ny lanitra.
Now there were at Jerusalem Jews, devout men, from every nation under heaven.
6 Ary nony re izany feo izany, dia niangona ny olona maro ka very hevitra, fa samy nahare azy ireo niteny tamin’ ny fiteniny avy izy rehetra.
And when this rumor was spread, the multitude came together and were astonished; for every one heard them speaking in his own language.
7 Dia talanjona sady gaga izy rehetra ka nanao hoe: Indreo, tsy Galiliana va ireo rehetra miteny ireo?
And they were all amazed and wondered, saying to one another, Behold, are not all these, that are speaking, Galileans?
8 Koa ahoana no andrenesantsika amin’ ny fitenintsika avy izay nahabe antsika
and how do we every one hear them in our own native tongue?
9 ― dia Partiana sy Mediana sy Elamita, ary mponina any Mesopotamia, sy Jodia sy Kapadokia sy Ponto sy Asia
Parthians and Medes and Elamites, and those that dwell in Mesopotamia, and Judea, and Capadocia, Pontus and Asia, Phrygia and Pamphylia,
10 sy Frygia sy Pamfylia, sy Egypta sy ny tany Libya izay manodidina an’ i Kyrena, ary vahiny avy any Roma, na Jiosy na proselyta,
Egypt and the parts of Libya about Cyrene, and strangers from Rome, Jews and proselytes,
11 Kretana sy Arabo ― koa ahoana no andrenesantsika ireo miteny amin’ ny fitenintsika avy ny asa lehibe ataon’ Andriamanitra?
Cretans and Arabians, we hear them speaking in our own tongues the wonderful works of God.
12 Dia talanjona izy rehetra ka niahanahana sady niresaka hoe: Ahoana no tokony ho hevitr’ izany?
And they were all amazed and in doubt, saying one to another, What can this mean?
13 Fa ny sasany nihomehy ka nanao hoe: Leon-divay mamy ireo.
but others scoffing said, they are full of sweet wine.
14 Fa nitsangana Petera sy ny iraika ambin’ ny folo lahy, dia nanandra-peo izy ka nanao taminy hoe: Ry lehilahy Jiosy sy izay rehetra monina eto Jerosalema, aoka ho fantatrareo izao, ka henoy ny teniko:
But Peter standing up with the eleven, raised his voice and said unto them, Ye men of Judea, and all ye that dwell at Jerusalem, be this known unto you, and listen to my words:
15 Tsy mamo araka ny hevitrareo tsy akory ireo, fa vao ora fahatelo ihany izao ny andro.
for these men are not drunk, as ye suppose; for it is but the third hour of the day.
16 Fa izao ilay nampilazaina an’ i Joela mpaminany hoe:
But this is that which was spoken of by the prophet Joel,
17 Ary amin’ ny andro farany, hoy Andriamanitra, No handatsahako ny Fanahiko amin’ ny nofo rehetra; Ary ny zanakalahinareo sy ny zanakavavinareo haminany, Ary ny zatovonareo hahita fahitana, Ary ny lahiantitrareo hanonofy;
"And it shall come to pass in the last days (saith God) that I will pour out of my Spirit upon all flesh, and your sons and your daughters shall prophesy; and your young men shall see visions, and your old men shall dream dreams:
18 Ary ny mpanompoko, na lahy na vavy, Dia handatsahako ny Fanahiko amin’ izany andro izany, Ka dia haminany izy;
yea and on my servants and on my handmaids, in those days, I will pour out of my Spirit, and they also shall prophesy.
19 Ary hanisy fahagagana eny amin’ ny lanitra ambony Aho sy famantarana amin’ ny tany ambany, Dia rà sy afo ary zavon’ ny setroka;
And I will give prodigies in the heaven, and signs upon the earth; blood, and fire, and smoky vapour.
20 Ny masoandro hampodina ho aizina, Ary ny volana ho rà, Alohan’ ny hahatongavan’ ny andron’ i Jehovah, Dia ilay sady lehibe no malaza;
The sun shall be turned into darkness, and the moon into blood, before that great and illustrious day of the Lord come.
21 Ary na zovy na zovy no hiantso ny anaran’ i Jehovah dia hovonjena.
And whosoever shall call on the name of the Lord, shall be saved."
22 Ry lehilahy Isiraely, mihainoa izao teny izao: Jesosy avy any Nazareta, lehilahy nasehon’ Andriamanitra teo aminareo tamin’ ny asa lehibe sy ny fahagagana ary ny famantarana izay nampanaovin’ Andriamanitra Azy teo aminareo, tahaka ny fantatrareo ihany,
Ye men of Israel, hear these words; Jesus of Nazareth, a man approved of God among you, by miracles, and prodigies, and signs, which God wrought by Him in the midst of you,
23 Izy efa natolotra araka ny saina niniana sy ny fahalalan’ Andriamanitra rahateo, dia nohomboanareo sy novonoinareo tamin’ ny tanan’ ny olona tsy tan-dalàna;
(as ye yourselves also know, ) Him being given up by the determinate counsel and fore-knowlege of God ye have taken, and by wicked hands have crucified and slain.
24 fa Andriamanitra nanangana Azy, rehefa nahafaka ny fanaintainan’ ny fahafatesana, satria tsy laitr’ izany hohazonina Izy.
Whom God hath raised up again, having loosed the pains of death, because it was not possible that He should be held by it.
25 Fa Davida milaza Azy hoe: Nijery an’ i Jehovah teo anatrehako mandrakariva aho; Satria eo ankavanako Izy, mba tsy hangozohozo aho,
For David saith concerning Him, "I set the Lord always before me, for He is at my right hand, that I should not be moved: therefore my heart rejoiced, and my tongue was glad;
26 Dia izany no nifalian’ ny foko sy niravoravoan’ ny lelako; Ny nofoko koa hitoetra amin’ ny fanantenana;
and my flesh shall rest in hope,
27 Fa tsy ho foinao ho any amin’ ny fiainan-tsi-hita ny aiko; Ary tsy hamela ny Iray Masinao ho tratry ny lò Hianao; (Hadēs )
that Thou wilt not leave my soul in the invisible state, nor suffer thine holy one to see corruption. (Hadēs )
28 Nampahafantatra ahy ny lalan’ aina Hianao; Hampifaly ahy indrindra amin’ ny tavanao.
Thou hast made known to me the ways of life; and Thou wilt fill me with joy by the light of thy countenance."
29 Ry rahalahy, aoka aho mba hilaza aminareo marimarina ny amin’ i Davida patriarka, fa efa maty izy ka nalevina koa, ary ny fasany eto amintsika mandraka androany.
Men and brethren, allow me to speak with freedom to you concerning the patriarch David, that he is dead and buried, and his sepulchre is among us to this day.
30 Ary satria mpaminany izy ka nahalala fa Andriamanitra efa nanao fianianana taminy fa izay hateraky ny kibony no hipetraka eo ambonin’ ny seza fiandrianany,
Therefore being a prophet; and knowing that God had sworn to him with an oath, that of the fruit of his loins, according to the flesh, he would raise up the Messiah, to sit on his throne;
31 koa raha nahita rahateo izy, dia nilaza ny fitsanganan’ i Kristy, fa tsy nafoy ho any amin’ ny fiainan-tsi-hita Izy, ary ny nofony tsy tratry ny lò. (Hadēs )
foreseeing this he spake of the resurrection of Christ, when he said, that his soul was not left in the invisible state, nor did his flesh see corruption. (Hadēs )
32 Izany Jesosy izany dia efa natsangan’ Andriamanitra, ary vavolombelon’ izany izahay rehetra.
This Jesus hath God raised up from the dead, of which we all are witnesses.
33 Ary rehefa nasandratry ny tanana ankavanan’ Andriamanitra Izy, ary nandray tamin’ ny Ray ny Fanahy Masìna Izay nokasainy, dia efa nampilatsaka izao hitanareo sy renareo izao Izy.
Therefore being exalted by the right hand of God, and having received of the Father the promise of the holy Spirit, He hath poured forth this gift, which ye now see and hear.
34 Fa tsy Davida no niakatra tany an-danitra; fa hoy izy: Jehovah nilaza tamin’ ny Tompoko hoe: Mipetraha eo an-tanako ankavanana
For David is not ascended into the heavens: but he himself says, "The Lord said to my Lord,
35 Ambara-panaoko ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao.
Sit thou at my right hand, till I make thine enemies thy footstool."
36 Koa aoka ho fantatry ny taranak’ isiraely rehetra marimarina fa iny Jesosy nohomboanareo tamin’ ny hazo fijaliana iny dia efa nataon’ Andriamanitra ho Tompo sy Kristy.
Therefore let all the house of Israel know assuredly, that God hath made this very Jesus, whom ye crucified, both Lord and Christ.
37 Ary raha nandre izany ny olona, dia voatsindrona tam-pony ka nanao tamin’ i Petera sy ny Apostoly namany hoe: Ry rahalahy, inona no hataonay?
Now when they heard this, they were pricked to the heart, and said unto Peter, and to the rest of the apostles, Brethren, what shall we do?
38 Ary hoy Petera taminy: Mibebaha, ary aoka samy hatao batisa amin’ ny anaran’ i Jesosy Kristy ianareo rehetra mba hahazo famelana ny helokareo; ary ianareo handray ny fanomezana, dia ny Fanahy Masìna;
And Peter said unto them, Repent and be baptized every one of you in the name of Jesus Christ, for the remission of your sins, and ye shall receive the gift of the holy Spirit:
39 fa ny teny fikasana dia ho anareo sy ny zanakareo ary ho an’ izay rehetra lavitra, na iza na iza hantsoin’ i Jehovah Andriamanitsika hanatona Azy.
for the promise is to you and to your children, yea and to all that are afar off, even as many as the Lord our God shall call.
40 Ary nanambara sy nananatra azy tamin’ ny teny maro hafa koa izy ka nanao hoe: Aoka hovonjena ho afaka amin’ ity taranaka maditra ity ianareo.
And with many other words did he press and exhort them, saying, Save yourselves from this perverse generation.
41 Ary izay nandray tsara ny teniny dia natao batisa; ary tokony ho telo arivo no olona nanampy ho isany tamin’ izany andro izany.
They therefore that received his word with readiness were baptized: and in that same day there were added unto them about three thousand souls.
42 Ary izy ireo naharitra tamin’ ny fampianaran’ ny Apostoly sy ny fiombonana sy ny famakiana ny mofo ary ny fivavahana.
And they continued stedfast in the apostles doctrine, and fellowship, and in the breaking of bread, and in prayers.
43 Dia raiki-tahotra ny olona rehetra teo, ary fahagagana sy famantarana maro no nataon’ ny Apostoly.
And fear came upon all the people: and many miracles and signs were wrought by the apostles.
44 Ary izay rehetra nino dia niray toerana, sady niombonany avokoa ny fananany rehetra,
And all that believed were together, and had all things common.
45 ary namidiny ny taniny sy ny fananany ka nozarainy tamin’ izy rehetra araka izay nilainy avy.
And they sold their possessions and goods, and distributed to all, according as any one had need.
46 Ary dia niray saina isan’ andro izy ka nazoto nankeo an-kianjan’ ny tempoly ary namaky mofo tao an-trano ka nihinan-kanina tamin’ ny fifaliana sy ny fahatsaram-po,
And continuing daily with one accord in the temple, and breaking bread from house to house, they partook of their food with gladness and simplicity of heart,
47 nidera an’ Andriamanitra sady nahita fitia tamin’ ny vahoaka rehetra. Ary ny olom-bonjena dia nanampin’ ny Tompo isan’ andro ho isan’ ireo.
praising God, and having favor with all the people. And the Lord added to the church daily such as should be saved.