< Asan'ny Apostoly 19 >

1 Ary raha mbola tany Korinto Apolosy, dia nitety ny tany ambony Paoly ka tonga tany Efesosy, dia nahita mpianatra sasany teo izy
Lokacin da Afollos yake a Korint, Bulus ya bi hanyar da ta ratsa ta Asiya ya zo Afisa. A can ya sadu da waɗansu almajirai,
2 ka nanao taminy hoe: Efa noraisinareo va ny Fanahy Masìna, fony vao nino ianareo? Fa ireo nanao taminy hoe: Tsy renay akory fa efa nomena ny Fanahy Masìna.
sai ya tambaye, su ya ce, “Kun karɓi Ruhu Mai Tsarki sa’ad da kuka gaskata?” Suka amsa suka ce, “A’a, ba mu ma san akwai Ruhu Mai Tsarki ba.”
3 Ary hoy Paoly: Ho amin’ inona ary no nanaovana batisa anareo? Dia hoy ireo: Ho amin’ ny batisan’ i Jaona.
Saboda haka Bulus ya yi tambaya ya ce, “To, wace baftisma aka yi muku?” Suka ce, “Baftismar Yohanna.”
4 Fa hoy Paoly: Jaona nanao ny batisan’ ny fibebahana ka nilaza tamin’ ny olona hino Izay ho avy manaraka azy, dia Jesosy.
Bulus ya ce, “Ai, baftismar Yohanna, baftisma ce ta tuba. Ya ce wa mutane su gaskata a wani wanda yake zuwa bayansa, wato, Yesu.”
5 Ary raha nahare izany izy, dia natao batisa ho amin’ ny anaran’ i Jesosy Tompo.
Da ji wannan, sai aka yi musu baftisma a cikin sunan Ubangiji Yesu.
6 Ary rehefa nametrahan’ i Paoly tanana izy, dia nilatsaka taminy ny Fanahy Masìna; ary niteny tamin’ ny teny tsy fantatra izy sady naminany.
Da Bulus ya ɗibiya musu hannuwansa, sai Ruhu Mai Tsarki ya sauka musu, suka kuwa yi magana da harsuna, suka kuma yi annabci.
7 Ary tokony ho roa ambin’ ny folo lahy no isan’ izy rehetra.
Mutane kuwa su wajen mutum goma sha biyu ne.
8 Ary Paoly niditra tao amin’ ny synagoga ka niteny tamin’ ny fahasahiana, dia niady hevitra telo volana ka nampanaiky ny amin’ ny fanjakan’ Andriamanitra.
Bulus ya shiga majami’a ya yi magana gabagadi a can na watanni uku, yana muhawwara yana kuma rinjayarsu game da mulkin Allah.
9 Fa raha nikiribiby ny sasany ka tsy nanaiky, fa niteny ratsy izany fampianarana izany teo imason’ ny olona maro, dia niala tamin’ ireo izy ka nitondra ny mpianatra nitokana, dia niady hevitra isan’ andro tao amin’ ny trano fampianaran’ i Tyrano.
Amma waɗansunsu suka taurara; suka ƙi su gaskata kuma a gaban jama’a suka yi baƙar magana game da Hanyar. Bulus kuwa ya bar su. Ya tafi tare da almajirai ya dinga tattaunawa da su kullum a babban ɗakin jawabi na Tirannus.
10 Ary naharitra roa taona ngarangidina izany, ka dia nandre ny tenin’ ny Tompo izay rehetra nonina tany Asia, na Jiosy na jentilisa.
Wannan ya ci gaba har shekara biyu, sai da ya sa dukan Yahudawa da Hellenawa da suke zaune a lardin Asiya suka ji maganar Ubangiji.
11 Ary ny tànan’ i Paoly no nanaovan’ Andriamanitra fahagagana lehibe maro,
Allah ya yi ayyukan banmamakin da suka wuce misali ta hannu Bulus,
12 ka dia ny mosara sy ny fiaron’ akanjo teny aminy no nentina hatao amin’ ny marary, dia sitrana ny aretiny, ary nivoaka ny fanahy ratsy.
har ma ana kai hankicif da adikan da suka taɓa jikinsa wa marasa lafiya, suka kuwa warke daga cututtukansu mugayen ruhohi kuma suka rabu da su.
13 Ary nisy Jiosy sasany, mpiriorio mamoaka fanahy ratsy, izay ninia nanonona ny anaran’ i Jesosy Tompo koa teo ambonin’ ny manana fanahy ratsy ka nanao hoe: Mampianiana anareo amin’ i Jesosy Izay torin’ i Paoly aho.
Waɗansu Yahudawa masu yawo gari-gari suna fitar da mugayen ruhohi suka yi ƙoƙari su yi amfani da sunan Ubangiji Yesu a kan waɗanda suke da aljanu. Suna cewa, “A cikin sunan Yesu wanda Bulus yake wa’azi, na umarce ku, ku fito.”
14 Ary nisy fito mirahalahy, zanak’ i Skeva, Jiosy, lohan’ ny mpisorona, izay nanao izany.
’Ya’ya bakwai maza na Sikeba, wani babban firist na Yahudawa, suna yin haka.
15 Ary ny fanahy ratsy namaly ka nanao taminy hoe: Fantatro Jesosy, ary fantatro koa Paoly; fa mba iza kosa moa ianareo?
Wata rana mugun ruhu ya amsa musu ya ce, “Yesu kam na sani, Bulus kuma na sani, amma ku kuma su wane ne?”
16 Ary ny lehilahy izay nanana ny fanahy ratsy dia niantsambotra tamin’ ireo ary nahery ka naharesy azy roa lahy, dia nandositra niala tamin’ izany trano izany ireo sady nitanjaka no voaratra.
Sai mutumin da yake da mugun ruhun ya fāɗa musu ya sha ƙarfinsu duka. Ya yi musu dūkan tsiya har suka fita a guje daga gidan tsirara jini yana zuba.
17 Ary fantatry ny Jiosy sy ny jentilisa rehetra izay nonina tany Efesosy izany; dia raiki-tahotra ny olona rehetra ka nankalaza ny anaran’ i Jesosy Tompo.
Da Yahudawa da Hellenawan da suke zama a Afisa suka ji wannan labari sai duk tsoro ya kama su, aka kuwa darjanta sunan Ubangiji Yesu ƙwarai.
18 Ary maro izay nino dia tonga ka niaiky sy nilaza ny asany.
Da yawa cikin waɗanda suka gaskata yanzu suka zo a fili suka furta mugayen ayyukansu.
19 Ary maro ny mpanao ody no nanangona ny bokiny ka nandoro azy teo imason’ ny olona rehetra; ary nony voatontaly ny tokom-bidiny, dia hita fa volafotsy dimy alina izany.
Waɗansu masu yin sihiri suka kawo naɗaɗɗun littattafansu wuri ɗaya suka kuwa ƙone su a gaban jama’a. Sa’ad da aka lissafta yawan kuɗin naɗaɗɗun littattafan nan, sai jimillar ta kai darik dubu hamsin.
20 Fatratra toy izany no fandroson’ ny tenin’ Andriamanitra sy ny heriny.
Ta haka maganar Ubangiji ta bazu ko’ina ta kuma yi ƙarfi.
21 Ary rehefa vita izany zavatra izany, Paoly dia nikasa tao am-pony handeha hamaky an’ i Makedonia sy Akaia aloha vao hankany Jerosalema ka nanao hoe: Rehefa tonga any aho, dia tsy maintsy hahita an’ i Roma koa.
Bayan dukan wannan ya faru, sai Bulus ya yanke shawara ya ratsa Makidoniya da Akayya in za shi Urushalima. Ya kuma ce, “Bayan na tafi can, dole in ziyarci Roma ita ma.”
22 Ary ny roa lahy tamin’ izay nanompo ary, dia Timoty sy Erasto, no nirahiny nankany Makedonia; fa izy mbola nitoetra tany Asia andro vitsivitsy kosa.
Sai ya aiki biyu daga cikin masu taimakonsa, Timoti da Erastus, zuwa Makidoniya, yayinda shi kuwa ya ɗan dakata a lardin Asiya.
23 Ary tamin’ izany andro izany dia nisy tabataba be ihany ny amin’ izany fampianarana izany.
Kusan wannan lokaci sai aka yi wani babban hargitsi game da wannan Hanyar.
24 Fa nisy lehilahy anankiray atao hoe Demetrio, mpanefy volafotsy, izay nanao sarin’ ny tempolin’ i Diana tamin’ ny volafotsy, dia nampahazo harena be ny mpanefy;
Wani maƙerin azurfa, mai suna Demetiriyus wanda yake ƙera siffar ɗakunan tsafin Artemis da azurfa, ba ƙaramin ciniki yake kawo wa mutane masu sana’an nan ba.
25 ireny mbamin’ ny mpanao zavatra hafa koa toy izany dia nantsoiny hiangona ka nilazany hoe: Tompokolahy, fantatrareo fa amin’ izao tao-zavatra izao no ahazoantsika harena.
Sai ya tara su wuri ɗaya, tare da masu irin wannan sana’ar ya ce, “Ku jama’a, kun san muna samun kuɗin shiga sosai daga wannan sana’a.
26 Ary hitanareo sy renareo fa tsy eto Efesosy ihany, fa saiky manerana an’ i Asia rehetra dia mitaona olona betsaka izany Paoly izany ka mampivily ny samy manao hoe: Tsy Andriamanitra izay zavatra nataon-tanana.
Kuma kuna ji kuna gani yadda Bulus ɗin nan ya shawo kan mutane da yawa ya kuma sa suka bauɗe a nan a Afisa da dukan lardin Asiya. Yana cewa alloli da mutum ya ƙera ba alloli ba ne ko kaɗan.
27 Ka dia tsy izao raharahantsika izao ihany no ahina hatao ho zava-poana; fa ny tempolin’ i Diana, andriamani-bavy lehibe, dia hatao tsinontsinona koa aza, ka ho afa-boninahitra ilay ivavahan’ i Asia rehetra sy izao tontolo izao.
Akwai hatsari, ba kawai cewa sana’armu za tă rasa sunanta mai daraja ba, amma za a yi banza da ɗakin tsafin Artemis alliyarmu mai girma, alliyar kanta wadda ake bauta a ko’ina a yankin Asiya da kuma duniya, za a raba ta da darajarta.”
28 Ary rehefa nandre izany izy ireo, dia tezitra loatra ka niantso hoe: Lehibe Dianan’ ny Efesiana!
Da suka ji haka, sai suka yi fushi ƙwarai suka fara ihu suna cewa, “Girma ta tabbata ga Artemis ta Afisawa!”
29 Ary nanerana ny tanàna ny tabataba; ary rehefa nisarika an’ i Gaio sy Aristarko, lehilahy Makedoniana niara-dia tamin’ i Paoly, izy, dia niray saina niriotra ho ao an-trano filalaovana.
Jim kaɗan sai hayaniya ta tashi a dukan birnin. Sai mutane suka cafke Gayus da Aristarkus, abokan tafiyar Bulus daga Makidoniya, suka ruga da zuwa fili da nufi ɗaya.
30 Ary raha te-hiditra ho any amin’ ny olona Paoly, dia tsy navelan’ ny mpianatra.
Bulus ya so ya bayyana a gaban taron, amma almajirai ba su bar shi ba.
31 Ary ny lehibe sasany tany Asia, izay sakaizany, dia nampitondra teny nananatra azy mba tsy ho sahy hiditra ao an-trano filalaovana.
Har waɗansu shugabannin lardin ma, abokan Bulus, suka aika masa suna roƙonsa kada yă kuskura ya shiga filin nan.
32 Ary ny sasany niantso zavatra iray, ary ny sasany kosa zavatra hafa; fa nihorikorika ny olona vory; koa ny ankamaroany tsy nahalala izay anton’ ny niangonany teo.
Taron kuwa ya ruɗe. Waɗansu suna ihu suna ce abu kaza, waɗansu kuma wani abu dabam. Yawancin mutane kuma ba su ma san abin da ya sa suke a wurin ba.
33 Ary nisy nisarika an’ i Aleksandro avy teo amin’ ny vahoaka, fa ny Jiosy nanesika azy handroso. Ary Aleksandro nanofa tanana, fa ta-handaha-teny hiala tsiny tamin’ ny olona.
Yahudawa suka tura Alekzanda gaba, sai waɗansu a taron suka riƙa yin masa ihu. Sai ya ɗaga hannu don a yi shiru don yă kāre kansa a gaban mutane.
34 Fa rehefa fantatry ny olona fa Jiosy, izy dia niredona niantso tokony ho ora roa izy rehetra hoe: Lehibe Dianan’ ny Efesiana!
Amma sa’ad da suka gane shi mutumin Yahuda ne, sai duk suka yi ihu gaba ɗaya na kusa sa’a biyu, suna cewa, “Girma ta tabbata ga Artemis ta Afisawa!”
35 Ary ny mpitahiry ny didy dia nampangina ny olona ka nanao hoe: Ry lehilahy Efesiana, iza no olona tsy mahalala fa ny tanànan’ ny Efesiana no mpitahiry an’ i Diana lehibe sy ny sarin-javatra izay latsaka avy tamin’ i Jopitera?
Sai magatakardar birnin ya sa taron su yi shiru, sa’an nan ya ce, “Mutanen Afisa, ashe duk duniya ba tă san cewa birnin Afisa ce mai lura da haikalin Artemis mai girma da kuma siffarta da ya fāɗi daga sama ba?
36 Ary satria tsy azo toherina izany, dia tokony hangina ianareo ka tsy hanao na inona na inona an-kamehana.
Saboda haka, da yake ba dama a yi mūsun wannan gaskiya, ya kamata ku natsu kada ku yi kome da garaje.
37 Fa nentinareo etỳ ireo lehilahy ireo, izay tsy nandroba tempoly, na niteny ratsy ny andriamanitsika.
Kun kawo mutanen nan a nan, gashi kuwa ba su yi fashin haikali ba, ba su kuwa saɓa wa alliyarmu ba.
38 Koa raha manan-teny hifamaliana amin’ olona Demetrio sy ny mpanefy izay momba azy, aoka hifandahatra izy, fa misy ihany ny andro hitsarana, ary ao ihany koa ireo governora.
To, in haka ne, in Demetiriyus da abokan sana’arsa suna da wata magana game da wani ai, kotuna suna nan a buɗe, akwai kuma muƙaddasai. Suna iya kai ƙara.
39 Fa raha mitady zavatra hafa kosa ianareo, dia hotsaraina amin’ izay fivoriana voatendrin’ ny lalàna.
In kuma akwai wani abu har yanzu da kuke so ku kawo, dole a daidaita shi a majalisa.
40 Fa andrao ampangaina isika noho ny tabataba tsy misy antony izay niseho androany, ka tsy hita izay hilazantsika izao fampitairana izao.
Yadda yake a yanzu, muna a hatsarin amsa zargin ta da hargitsi saboda abin da ya faru yau. Da yake ba za mu iya ba da dalilin da ya sa aka yi wannan hargitsi ba.”
41 Ary rehefa nilaza izany izy, dia nampirava ny olona vory teo.
Bayan da ya faɗi haka, sai ya sallami taron.

< Asan'ny Apostoly 19 >