< Asan'ny Apostoly 19 >
1 Ary raha mbola tany Korinto Apolosy, dia nitety ny tany ambony Paoly ka tonga tany Efesosy, dia nahita mpianatra sasany teo izy
It fortuned whyll Appollo was at Corinthum that Paul passed thorow the vpper costes and came to Ephesus and foude certayne disciples
2 ka nanao taminy hoe: Efa noraisinareo va ny Fanahy Masìna, fony vao nino ianareo? Fa ireo nanao taminy hoe: Tsy renay akory fa efa nomena ny Fanahy Masìna.
and sayd vnto them: have ye receaved the holy gost sence ye beleved? And they sayde vnto him: no we have not hearde whether ther be eny holy goost or no.
3 Ary hoy Paoly: Ho amin’ inona ary no nanaovana batisa anareo? Dia hoy ireo: Ho amin’ ny batisan’ i Jaona.
And he sayd vnto them: wher wt were ye then baptised? And they sayd: with Iohns baptim
4 Fa hoy Paoly: Jaona nanao ny batisan’ ny fibebahana ka nilaza tamin’ ny olona hino Izay ho avy manaraka azy, dia Jesosy.
Then sayde Paul: Iohn verely bapiised with the baptim of repentaunce sayinge vnto the people that they shuld beleve on him which shuld come after him: that is on Christ Iesus.
5 Ary raha nahare izany izy, dia natao batisa ho amin’ ny anaran’ i Jesosy Tompo.
When they hearde that they were baptised in the name of the lorde Iesu.
6 Ary rehefa nametrahan’ i Paoly tanana izy, dia nilatsaka taminy ny Fanahy Masìna; ary niteny tamin’ ny teny tsy fantatra izy sady naminany.
And Paul layde his hondes apon them and the holy gost came on them and they spake with tonges and prophesied
7 Ary tokony ho roa ambin’ ny folo lahy no isan’ izy rehetra.
and all the men were aboute. xii.
8 Ary Paoly niditra tao amin’ ny synagoga ka niteny tamin’ ny fahasahiana, dia niady hevitra telo volana ka nampanaiky ny amin’ ny fanjakan’ Andriamanitra.
And he went into the synagoge and behaved him selfe boldely for the space of thre monethes disputynge and gevynge them exhortacions of the kyngdome of God.
9 Fa raha nikiribiby ny sasany ka tsy nanaiky, fa niteny ratsy izany fampianarana izany teo imason’ ny olona maro, dia niala tamin’ ireo izy ka nitondra ny mpianatra nitokana, dia niady hevitra isan’ andro tao amin’ ny trano fampianaran’ i Tyrano.
When dyvers wexed harde herted and beleved not but spake evyll of the waye and that before the multitude: he departed from them and seperated the disciples. And disputed dayly in ye scole of one called Tyranus.
10 Ary naharitra roa taona ngarangidina izany, ka dia nandre ny tenin’ ny Tompo izay rehetra nonina tany Asia, na Jiosy na jentilisa.
And this contynued by the space of two yeares: so yt all they which dwelt in Asia hearde the worde of the lorde Iesu bothe Iewes and Grekes.
11 Ary ny tànan’ i Paoly no nanaovan’ Andriamanitra fahagagana lehibe maro,
And god wrought no small miracles by the hondes of Paul:
12 ka dia ny mosara sy ny fiaron’ akanjo teny aminy no nentina hatao amin’ ny marary, dia sitrana ny aretiny, ary nivoaka ny fanahy ratsy.
so that from his body were brought vnto the sicke napkyns or partlettes and the diseases departed from the and the evyll spretes went out of them.
13 Ary nisy Jiosy sasany, mpiriorio mamoaka fanahy ratsy, izay ninia nanonona ny anaran’ i Jesosy Tompo koa teo ambonin’ ny manana fanahy ratsy ka nanao hoe: Mampianiana anareo amin’ i Jesosy Izay torin’ i Paoly aho.
Then certayne of the vagabounde Iewes exorcistes toke apon them to call over them which had evyll spretes the name of the lorde Iesus sayinge: We adiure you by Iesu who Paul preacheth.
14 Ary nisy fito mirahalahy, zanak’ i Skeva, Jiosy, lohan’ ny mpisorona, izay nanao izany.
And ther were seven sonnes of one Sceva a Iewe and chefe of the prestes which dyd so.
15 Ary ny fanahy ratsy namaly ka nanao taminy hoe: Fantatro Jesosy, ary fantatro koa Paoly; fa mba iza kosa moa ianareo?
And the evyll sprete answered and sayde: Iesus I knowe and Paul I knowe: but who are ye?
16 Ary ny lehilahy izay nanana ny fanahy ratsy dia niantsambotra tamin’ ireo ary nahery ka naharesy azy roa lahy, dia nandositra niala tamin’ izany trano izany ireo sady nitanjaka no voaratra.
And ye man in who the evyll sprete was ranne on the and overcame the and prevayled agaynst them so that they fledde out of that housse naked and wouded.
17 Ary fantatry ny Jiosy sy ny jentilisa rehetra izay nonina tany Efesosy izany; dia raiki-tahotra ny olona rehetra ka nankalaza ny anaran’ i Jesosy Tompo.
And this was knowen to all ye Iewes and Grekes also which dwelt at Ephesus and feare came on them all and they magnified the name of ye lorde Iesus.
18 Ary maro izay nino dia tonga ka niaiky sy nilaza ny asany.
And many yt beleved came and confessed and shewed their workes.
19 Ary maro ny mpanao ody no nanangona ny bokiny ka nandoro azy teo imason’ ny olona rehetra; ary nony voatontaly ny tokom-bidiny, dia hita fa volafotsy dimy alina izany.
Many of the which vsed curious craftes brought their bokes and burned the before all men and they counted the price of the and foude it fifty thousande silverlynges.
20 Fatratra toy izany no fandroson’ ny tenin’ Andriamanitra sy ny heriny.
So myghtely grewe ye worde of god and prevayled.
21 Ary rehefa vita izany zavatra izany, Paoly dia nikasa tao am-pony handeha hamaky an’ i Makedonia sy Akaia aloha vao hankany Jerosalema ka nanao hoe: Rehefa tonga any aho, dia tsy maintsy hahita an’ i Roma koa.
After these thinges were ended Paul purposed in the sprete to passe over Macedonia and Achaia and to goo to Ierusalem saying: After I have bene there I must also se Rome.
22 Ary ny roa lahy tamin’ izay nanompo ary, dia Timoty sy Erasto, no nirahiny nankany Makedonia; fa izy mbola nitoetra tany Asia andro vitsivitsy kosa.
So sent he into Macedonia two of the that ministred vnto him Timotheus and Erastus: but he him selfe remayned in Asia for a season.
23 Ary tamin’ izany andro izany dia nisy tabataba be ihany ny amin’ izany fampianarana izany.
The same tyme ther arose no lytell a do aboute that waye.
24 Fa nisy lehilahy anankiray atao hoe Demetrio, mpanefy volafotsy, izay nanao sarin’ ny tempolin’ i Diana tamin’ ny volafotsy, dia nampahazo harena be ny mpanefy;
For a certayne man named Demetrius a silvermyth which made silver schrynes for Diana was not a lytell beneficiall vnto the craftes men.
25 ireny mbamin’ ny mpanao zavatra hafa koa toy izany dia nantsoiny hiangona ka nilazany hoe: Tompokolahy, fantatrareo fa amin’ izao tao-zavatra izao no ahazoantsika harena.
Which he called to geder with the worke men of lyke occupacion and sayd: Syrs ye knowe that by this crafte we have vauntage.
26 Ary hitanareo sy renareo fa tsy eto Efesosy ihany, fa saiky manerana an’ i Asia rehetra dia mitaona olona betsaka izany Paoly izany ka mampivily ny samy manao hoe: Tsy Andriamanitra izay zavatra nataon-tanana.
Moreover ye se and heare that not alone at Ephesus but almost thorowe oute all Asia this Paul hath persuaded and turned awaye moche people saying yt they be not goddes which are made wt hondes.
27 Ka dia tsy izao raharahantsika izao ihany no ahina hatao ho zava-poana; fa ny tempolin’ i Diana, andriamani-bavy lehibe, dia hatao tsinontsinona koa aza, ka ho afa-boninahitra ilay ivavahan’ i Asia rehetra sy izao tontolo izao.
So that not only this oure crafte cometh into parell to be set at nought: but also that ye temple of ye greate goddas Diana shuld be despysed and her magnificence shuld be destroyed which all Asia and the worlde worshippeth.
28 Ary rehefa nandre izany izy ireo, dia tezitra loatra ka niantso hoe: Lehibe Dianan’ ny Efesiana!
When they hearde these sayinges they were full of wrathe and cryed out saying: Greate is Diana of the Ephesians.
29 Ary nanerana ny tanàna ny tabataba; ary rehefa nisarika an’ i Gaio sy Aristarko, lehilahy Makedoniana niara-dia tamin’ i Paoly, izy, dia niray saina niriotra ho ao an-trano filalaovana.
And all the cite was on a roore and they russhed in to the comen hall with one assent and caught Gayus and Aristarcus men of Macedonia Pauls companios.
30 Ary raha te-hiditra ho any amin’ ny olona Paoly, dia tsy navelan’ ny mpianatra.
When Paul wolde have entred in vnto the people ye disciples suffered him not.
31 Ary ny lehibe sasany tany Asia, izay sakaizany, dia nampitondra teny nananatra azy mba tsy ho sahy hiditra ao an-trano filalaovana.
Certayne also of ye chefe of Asia which were his frendes sent vnto him desyrynge him that he wolde not preace into the comen hall.
32 Ary ny sasany niantso zavatra iray, ary ny sasany kosa zavatra hafa; fa nihorikorika ny olona vory; koa ny ankamaroany tsy nahalala izay anton’ ny niangonany teo.
Some cryed one thinge and some another and the congregacion was all out of quiet and ye moare parte knewe not wherfore they were come togeder.
33 Ary nisy nisarika an’ i Aleksandro avy teo amin’ ny vahoaka, fa ny Jiosy nanesika azy handroso. Ary Aleksandro nanofa tanana, fa ta-handaha-teny hiala tsiny tamin’ ny olona.
Some of the company drue forth Alexander the Iewes thrustynge him forwardes. Alexander beckened with the honde and wolde have geven ye people an answer.
34 Fa rehefa fantatry ny olona fa Jiosy, izy dia niredona niantso tokony ho ora roa izy rehetra hoe: Lehibe Dianan’ ny Efesiana!
When they knewe ye he was a Iewe ther arose a shoute almost for the space of two houres of all men cryinge greate is Diana of the Ephesians.
35 Ary ny mpitahiry ny didy dia nampangina ny olona ka nanao hoe: Ry lehilahy Efesiana, iza no olona tsy mahalala fa ny tanànan’ ny Efesiana no mpitahiry an’ i Diana lehibe sy ny sarin-javatra izay latsaka avy tamin’ i Jopitera?
When the toune clarcke had ceased the people he sayd: ye men of Ephesus what man is it that knoweth not how that the cite of the Ephesians is a worshipper of the great goddas Diana and of ye ymage which came fro heven.
36 Ary satria tsy azo toherina izany, dia tokony hangina ianareo ka tsy hanao na inona na inona an-kamehana.
Seinge then yt no man sayth here agaynst ye ought to be content and to do nothinge rasshly:
37 Fa nentinareo etỳ ireo lehilahy ireo, izay tsy nandroba tempoly, na niteny ratsy ny andriamanitsika.
For ye have brought hyther these me whiche are nether robbers of churches nor yet despisers of youre goddes.
38 Koa raha manan-teny hifamaliana amin’ olona Demetrio sy ny mpanefy izay momba azy, aoka hifandahatra izy, fa misy ihany ny andro hitsarana, ary ao ihany koa ireo governora.
Wherfore yf Demetrius and the craftes men which are wt him have eny sayinge to eny man the lawe is open and ther are ruelars let the accuse one another.
39 Fa raha mitady zavatra hafa kosa ianareo, dia hotsaraina amin’ izay fivoriana voatendrin’ ny lalàna.
Yf ye goo about eny other thinge it maye be determined in a lawfull cogregacion
40 Fa andrao ampangaina isika noho ny tabataba tsy misy antony izay niseho androany, ka tsy hita izay hilazantsika izao fampitairana izao.
For we are in ieoperdy to be accused of this dayes busines: for as moche as ther is no cause wherby we maye geve a rekenynge of this concourse of people.
41 Ary rehefa nilaza izany izy, dia nampirava ny olona vory teo.
And when he had thus spoken he let the congregacion departe.