< Asan'ny Apostoly 17 >

1 Ary rehefa nandeha namaky an’ i Amfipolia sy Apolonia izy, dia tonga tao Tesalonika, ary nisy synagogan’ ny Jiosy tao.
เปาลสีเลา อามฺผิปลฺยาปโลฺลนิยานคราภฺยำ คตฺวา ยตฺร ยิหูทียานำ ภชนภวนเมกมฺ อาเสฺต ตตฺร ถิษลนีกีนคร อุปสฺถิเตาฯ
2 Ary Paoly dia niditra tao araka ny fanaony; ary Sabata telo no niadiany hevitra avy amin’ ny Soratra Masìna tamin’ ny olona tao.
ตทา เปาล: สฺวาจารานุสาเรณ เตษำ สมีปํ คตฺวา วิศฺรามวารตฺรเย ไต: สารฺทฺธํ ธรฺมฺมปุสฺตกียกถายา วิจารํ กฺฤตวานฺฯ
3 Dia nanambara izy ka naneho marimarina fa tsy maintsy nijaly sy nitsangana tamin’ ny maty Kristy; ary Jesosy, Izay toriko aminareo, hoy izy, no Kristy.
ผลต: ขฺรีษฺเฏน ทุ: ขโภค: กรฺตฺตวฺย: ศฺมศานทุตฺถานญฺจ กรฺตฺตวฺยํ ยุษฺมากํ สนฺนิเธา ยสฺย ยีโศ: ปฺรสฺตาวํ กโรมิ ส อีศฺวเรณาภิษิกฺต: ส เอตา: กถา: ปฺรกาศฺย ปฺรมาณํ ทตฺวา สฺถิรีกฺฤตวานฺฯ
4 Ary ny sasany tamin’ ireo dia nino ka nanampy ho isan’ ny mpianatr’ i Paoly sy Silasy, ary maro be koa tamin’ ny jentilisa izay mpivavaka, ary tsy vitsy tamin’ ny vehivavy nanan-kaja.
ตสฺมาตฺ เตษำ กติปยชนา อนฺยเทศียา พหโว ภกฺตโลกา พหฺย: ปฺรธานนารฺยฺยศฺจ วิศฺวสฺย เปาลสีลโย: ปศฺจาทฺคามิโน ชาตา: ฯ
5 Fa nialona ny Jiosy ka naka olona ratsy fanahy teny an-tsena ary nahavory vahoaka betsaka, dia nampitabataba ny tanàna ka namely ny tranon’ i Jasona ary nitady hamoaka azy roa lahy ho ao amin’ ny olona.
กินฺตุ วิศฺวาสหีนา ยิหูทียโลกา อีรฺษฺยยา ปริปูรฺณา: สนฺโต หฏฏฺสฺย กตินยลมฺปฏโลกานฺ สงฺคิน: กฺฤตฺวา ชนตยา นครมเธฺย มหากลหํ กฺฤตฺวา ยาโสโน คฺฤหมฺ อากฺรมฺย เปฺรริตานฺ ธฺฤตฺวา โลกนิวหสฺย สมีปมฺ อาเนตุํ เจษฺฏิตวนฺต: ฯ
6 Ary raha tsy nahita azy roa lahy izy, dia nisarika an’ i Jasona sy ny rahalahy sasany ho ao amin’ ny lehiben’ ny tanàna ka niantso mafy hoe: Tongay koa ireo lehilahy namadika izao tontolo izao ireo;
เตษามุทฺเทศมฺ อปฺราปฺย จ ยาโสนํ กติปยานฺ ภฺราตฺฤํศฺจ ธฺฤตฺวา นคราธิปตีนำ นิกฏมานีย โปฺรจฺไจ: กถิตวนฺโต เย มนุษฺยา ชคทุทฺวาฏิตวนฺตเสฺต 'ตฺราปฺยุปสฺถิตา: สนฺติ,
7 ary efa nampandrosoin’ i Jasona izy, ka izy rehetra ireo manohitra ny tenin’ i Kaisara, satria izy milaza fa misy mpanjaka hafa, dia Jesosy.
เอษ ยาโสนฺ อาติถฺยํ กฺฤตฺวา ตานฺ คฺฤหีตวานฺฯ ยีศุนามก เอโก ราชสฺตีติ กถยนฺตเสฺต ไกสรสฺยาชฺญาวิรุทฺธํ กรฺมฺม กุรฺวฺวติฯ
8 Dia taitra ny vahoaka sy ny lehiben’ ny tanàna, raha nahare izany.
เตษำ กถามิมำ ศฺรุตฺวา โลกนิวโห นคราธิปตยศฺจ สมุทฺวิคฺนา อภวนฺฯ
9 Ary rehefa nasainy nametraka antoka Jasona sy ny sasany teo aminy, dia navelany handeha izy.
ตทา ยาโสนสฺตทเนฺยษาญฺจ ธนทณฺฑํ คฺฤหีตฺวา ตานฺ ปริตฺยกฺตวนฺต: ฯ
10 Ary Paoly sy Silasy dia nampandehanin’ ny rahalahy niaraka tamin’ izay nony alina hankany Beria; koa raha tonga tany izy, dia niditra tao amin’ ny synagogan’ ny Jiosy.
ตต: ปรํ ภฺราตฺฤคโณ รชนฺยำ เปาลสีเลา ศีฆฺรํ พิรยานครํ เปฺรษิตวานฺ เตา ตโตฺรปสฺถาย ยิหูทียานำ ภชนภวนํ คตวนฺเตาฯ
11 Ary ny toe-panahin’ ireo dia tsara noho ny tao Tesalonika; satria nandray ny teny tamin’ ny zotom-po indrindra ireo ka nandinika ny Soratra Masìna isan’ andro, na marina izany, na tsia.
ตตฺรสฺถา โลกา: ถิษลนีกีสฺถโลเกโภฺย มหาตฺมาน อาสนฺ ยต อิตฺถํ ภวติ น เวติ ชฺญาตุํ ทิเน ทิเน ธรฺมฺมคฺรนฺถสฺยาโลจนำ กฺฤตฺวา ไสฺวรํ กถามฺ อคฺฤหฺลนฺฯ
12 Koa maro tamin’ ireo no nino, ary tsy vitsy tamin’ ny vehivavy jentilisa nanan-kaja sy ny lehilahy.
ตสฺมาทฺ อเนเก ยิหูทียา อนฺยเทศียานำ มานฺยา สฺตฺริย: ปุรุษาศฺจาเนเก วฺยศฺวสนฺฯ
13 Fa raha ren’ ny Jiosy tany Tesalonika fa Paoly nitory ny tenin’ Andriamanitra tany Beria, dia nankany izy ka nampikotrana sy nampitabataba ny vahoaka.
กินฺตุ พิรยานคเร เปาเลเนศฺวรียา กถา ปฺรจารฺยฺยต อิติ ถิษลนีกีสฺถา ยิหูทียา ชฺญาตฺวา ตตฺสฺถานมปฺยาคตฺย โลกานำ กุปฺรวฺฤตฺติมฺ อชนยนฺฯ
14 Ary niaraka tamin’ izay dia nasain’ ny rahalahy nandeha hatrany amoron-dranomasina Paoly; fa Silasy sy Timoty kosa dia mbola nijanona teo ihany.
อเตอว ตสฺมาตฺ สฺถานาตฺ สมุเทฺรณ ยานฺตีติ ทรฺศยิตฺวา ภฺราตร: กฺษิปฺรํ เปาลํ ปฺราหิณฺวนฺ กินฺตุ สีลตีมถิเยา ตตฺร สฺถิตวนฺเตาฯ
15 Ary izay nanatitra an’ i Paoly dia nitondra azy nankany Atena; ary rehefa nahazo teny holazainy amin’ i Silasy sy Timoty izy mba hankanesan’ izy roa lahy any aminy faingana, dia lasa nandeha ireo.
ตต: ปรํ เปาลสฺย มารฺคทรฺศกาสฺตมฺ อาถีนีนคร อุปสฺถาปยนฺ ปศฺจาทฺ ยุวำ ตูรฺณมฺ เอตตฺ สฺถานํ อาคมิษฺยถ: สีลตีมถิเยา ปฺรตีมามฺ อาชฺญำ ปฺราปฺย เต ปฺรตฺยาคตา: ฯ
16 Ary raha niandry azy tany Atena Paoly, dia taitra tao anatiny ny fanahiny, raha nahita ny tanàna feno sampy izy.
เปาล อาถีนีนคเร ตาวเปกฺษฺย ติษฺฐนฺ ตนฺนครํ ปฺรติมาภิ: ปริปูรฺณํ ทฺฤษฺฏฺวา สนฺตปฺตหฺฤทโย 'ภวตฺฯ
17 Ary izy niady hevitra tamin’ ny Jiosy sy ny proselyta tao amin’ ny synagoga sy tamin’ izay tafavory tany an-tsena isan’ andro.
ตต: ส ภชนภวเน ยานฺ ยิหูทียานฺ ภกฺตโลกำศฺจ หฏฺเฏ จ ยานฺ อปศฺยตฺ ไต: สห ปฺรติทินํ วิจาริตวานฺฯ
18 Ary ny olon-kendry sasany tamin’ ny Epikoreana sy ny Stoika nanohitra azy koa, ka hoy ny sasany: Inona no tian’ io mpibedibedy io holazaina? Ary hoy kosa ny sasany: Toa mitory andriamani-baovao izy, satria Jesosy sy ny fitsanganan’ ny maty no notoriny.
กินฺตฺวิปิกูรียมตคฺรหิณ: โสฺตยิกียมตคฺราหิณศฺจ กิยนฺโต ชนาเสฺตน สารฺทฺธํ วฺยวทนฺตฯ ตตฺร เกจิทฺ อกถยนฺ เอษ วาจาล: กึ วกฺตุมฺ อิจฺฉติ? อปเร เกจิทฺ เอษ ชน: เกษาญฺจิทฺ วิเทศียเทวานำ ปฺรจารก อิตฺยนุมียเต ยต: ส ยีศุมฺ อุตฺถิติญฺจ ปฺรจารยตฺฯ
19 Ary ireo naka azy, dia nitondra azy ho any Areopago ka nanao hoe: Moa mba mahazo mahafantatra izany fampianarana vaovao lazainao izany izahay?
เต ตมฺ อเรยปาคนาม วิจารสฺถานมฺ อานีย ปฺราโวจนฺ อิทํ ยนฺนวีนํ มตํ ตฺวํ ปฺราจีกศ อิทํ กีทฺฤศํ เอตทฺ อสฺมานฺ ศฺราวย;
20 Fa mampandre ny sofinay zavatra hafahafa izay tsy fantatray ianao; koa tianay ho fantatra izay hevitr’ izany zavatra izany.
ยามิมามฺ อสมฺภวกถามฺ อสฺมากํ กรฺณโคจรีกฺฤตวานฺ อสฺยา ภาวารฺถ: ก อิติ วยํ ชฺญาตุมฺ อิจฺฉาม: ฯ
21 (Fa ny Ateniana rehetra sy ny vahiny izay nitoetra teo tsy nandany ny androny tamin’ ny zavatra hafa, afa-tsy ny hilaza na hihaino zava-baovao.)
ตทาถีนีนิวาสินสฺตนฺนครปฺรวาสินศฺจ เกวลํ กสฺยาศฺจน นวีนกถายา: ศฺรวเณน ปฺรจารเณน จ กาลมฺ อยาปยนฺฯ
22 Ary Paoly nitsangana teo afovoan’ i Areopago ka nanao hoe: Ry lehilahy Ateniana, hitako fa amin’ ny zavatra rehetra dia fatra-pivavaka amin’ ny andriamanitrareo indrindra ianareo.
เปาโล'เรยปาคสฺย มเธฺย ติษฺฐนฺ เอตำ กถำ ปฺรจาริตวานฺ, เห อาถีนียโลกา ยูยํ สรฺวฺวถา เทวปูชายามฺ อาสกฺตา อิตฺยห ปฺรตฺยกฺษํ ปศฺยามิฯ
23 Fa raha nandeha aho ka nandinika izay zavatra ivavahanareo, dia nahita alitara anankiray misy izao soratra izao: HO AN’ IZAY ANDRIAMANITRA TSY FANTATRA. Koa izay ivavahanareo, kanefa tsy fantatrareo, dia izany no toriko aminareo,
ยต: ปรฺยฺยฏนกาเล ยุษฺมากํ ปูชนียานิ ปศฺยนฺ ‘อวิชฺญาเตศฺวราย’ เอตลฺลิปิยุกฺตำ ยชฺญเวทีเมกำ ทฺฤษฺฏวานฺ; อโต น วิทิตฺวา ยํ ปูชยเธฺว ตไสฺยว ตตฺวํ ยุษฺมานฺ ปฺรติ ปฺรจารยามิฯ
24 dia Andriamanitra Izay nanao izao tontolo izao sy ny ao aminy rehetra, Izy no Tompon’ ny lanitra sy ny tany ka tsy mba mitoetra ao anaty tempoly nataon-tanana,
ชคโต ชคตฺสฺถานำ สรฺวฺววสฺตูนาญฺจ สฺรษฺฏา ย อีศฺวร: ส สฺวรฺคปฺฤถิโวฺยเรกาธิปติ: สนฺ กรนิรฺมฺมิตมนฺทิเรษุ น นิวสติ;
25 sady tsy mba tompoin’ ny tànan’ olona toa mila zavatra, fa Izy ihany no manome izao rehetra izao aina sy fofon’ aina ary ny zavatra rehetra;
ส เอว สรฺเวฺวโภฺย ชีวนํ ปฺราณานฺ สรฺวฺวสามคฺรีศฺจ ปฺรททาติ; อเตอว ส กสฺยาศฺจิตฺ สามคฺยฺรา อภาวเหโต รฺมนุษฺยาณำ หไสฺต: เสวิโต ภวตีติ นฯ
26 ary ny firenena rehetra avy amin’ ny iray ihany dia namponeniny ambonin’ ny tany rehetra, ary efa notendreny ny fotoan’ andro sy ny faritry ny fonenany,
ส ภูมณฺฑเล นิวาสารฺถมฺ เอกสฺมาตฺ โศณิตาตฺ สรฺวฺวานฺ มนุษฺยานฺ สฺฤษฺฏฺวา เตษำ ปูรฺวฺวนิรูปิตสมยํ วสติสีมาญฺจ นิรจิโนตฺ;
27 mba hitady an’ Andriamanitra izy, raha tàhiny hahatsapa ka hahita Azy, kanefa tsy mba lavitra antsika rehetra Izy;
ตสฺมาตฺ โลไก: เกนาปิ ปฺรกาเรณ มฺฤคยิตฺวา ปรเมศฺวรสฺย ตตฺวํ ปฺราปฺตุํ ตสฺย คเวษณํ กรณียมฺฯ
28 fa Izy no ivelomantsika sy ihetsehantsika ary iainantsika; araka ny nataon’ ny mpanao tonon-kira sasany teo aminareo hoe: Fa terany koa isika.
กินฺตุ โส'สฺมากํ กสฺมาจฺจิทปิ ทูเร ติษฺฐตีติ นหิ, วยํ เตน นิศฺวสนปฺรศฺวสนคมนาคมนปฺราณธารณานิ กุรฺมฺม: , ปุนศฺจ ยุษฺมากเมว กติปยา: กวย: กถยนฺติ ‘ตสฺย วํศา วยํ โสฺม หิ’ อิติฯ
29 Ary satria terak’ Andriamanitra isika, dia tsy mety raha ny fomban’ Andriamanitra no ataontsika ho tahaka ny volamena, na volafotsy, na vato voasoratry ny fahaizana aman-tsain’ olombelona.
อเตอว ยทิ วยมฺ อีศฺวรสฺย วํศา ภวามสฺตรฺหิ มนุไษฺย รฺวิทฺยยา เกาศเลน จ ตกฺษิตํ สฺวรฺณํ รูปฺยํ ทฺฤษทฺ ไวเตษามีศฺวรตฺวมฺ อสฺมาภิ รฺน ชฺญาตวฺยํฯ
30 Ary Andriamanitra ninia tsy nijery ny andron’ ny tsi-fahalalana; fa ankehitriny Izy mandidy ny olona rehetra amin’ izao tontolo izao hibebaka,
เตษำ ปูรฺวฺวียโลกานามฺ อชฺญานตำ ปฺรตีศฺวโร ยทฺยปิ นาวาธตฺต ตถาปีทานีํ สรฺวฺวตฺร สรฺวฺวานฺ มน: ปริวรฺตฺตยิตุมฺ อาชฺญาปยติ,
31 satria Izy efa nanendry andro iray, izay hitsarany izao tontolo izao amin’ ny fahamarinana amin’ ny alalan’ ny Lehilahy iray voatendriny, koa efa nanome vavolombelona hampino ny olona rehetra izany Izy tamin’ ny nananganany Azy tamin’ ny maty.
ยต: สฺวนิยุกฺเตน ปุรุเษณ ยทา ส ปฺฤถิวีสฺถานำ สรฺวฺวโลกานำ วิจารํ กริษฺยติ ตทฺทินํ นฺยรูปยตฺ; ตสฺย ศฺมศาโนตฺถาปเนน ตสฺมินฺ สรฺเวฺวภฺย: ปฺรมาณํ ปฺราทาตฺฯ
32 Ary raha nahare ny amin’ ny fitsanganan’ ny maty izy, dia nihomehy ny sasany; ary ny sasany kosa nanao hoe: Mbola hihaino anao indray izahay ny amin’ izany zavatra izany.
ตทา ศฺมศานาทฺ อุตฺถานสฺย กถำ ศฺรุตฺวา เกจิทฺ อุปาหมนฺ, เกจิทวทนฺ เอนำ กถำ ปุนรปิ ตฺวตฺต: โศฺรษฺยาม: ฯ
33 Ary Paoly dia niala teo aminy.
ตต: เปาลเสฺตษำ สมีปาตฺ ปฺรสฺถิตวานฺฯ
34 Anefa ny olona sasany niray taminy ka nino; mba naman’ izany Dionysio Areopagita sy ny vehivavy anankiray atao hoe Damary ary ny sasany koa.
ตถาปิ เกจิโลฺลกาเสฺตน สารฺทฺธํ มิลิตฺวา วฺยศฺวสนฺ เตษำ มเธฺย 'เรยปาคียทิยนุสิโย ทามารีนามา กาจินฺนารี กิยนฺโต นราศฺจาสนฺฯ

< Asan'ny Apostoly 17 >