< Asan'ny Apostoly 16 >
1 Dia tonga tany Derbe sy Lystra koa izy; ary, indro, nisy mpianatra anankiray teo atao hoe Timoty ― zanaky ny vehivavy Jiosy izay nino, fa jentilisa rainy ―
ⲁ̅ⲀϤⲒ ⲆⲈ ⲈϨⲢⲎⲒ ⲈⲦⲔⲈⲦⲈⲢⲂⲎ ⲚⲈⲘ ⲖⲨⲤⲦⲢⲀ ⲞⲨⲞϨ ⲒⲤ ⲞⲨⲘⲀⲐⲎⲦⲎⲤ ⲈⲚⲀϤⲬⲎ ⲘⲘⲀⲨ ⲈⲠⲈϤⲢⲀⲚ ⲠⲈ ⲦⲒⲘⲞⲐⲈⲞⲤ ⲠϢⲎⲢⲒ ⲚⲞⲨⲤϨⲒⲘⲒ ⲚⲒⲞⲨⲆⲀⲒ ⲘⲠⲒⲤⲦⲎ ⲠⲈϤⲒⲰⲦ ⲆⲈ ⲚⲈⲞⲨⲈⲒⲚⲒⲚ ⲠⲈ.
2 ary tsara laza teo amin’ ny rahalahy tany Lystra sy Ikonioma izy.
ⲃ̅ⲪⲀⲒ ⲚⲀⲨⲈⲢⲘⲈⲐⲢⲈ ⲈⲐⲂⲎⲦϤ ⲚϪⲈⲚⲒⲤⲚⲎⲞⲨ ⲈⲦϦⲈⲚ ⲖⲨⲤⲦⲢⲀ ⲚⲈⲘ ⲒⲔⲞⲚⲒⲞⲚ.
3 Koa tian’ i Paoly ho entiny miaraka aminy izy; dia nalainy izy ka noforany noho ny Jiosy tany amin’ izany tany izany, satria fantatr’ izy rehetra fa jentilisa rainy.
ⲅ̅ⲪⲀⲒ ⲀϤⲞⲨⲰϢ ⲚϪⲈⲠⲀⲨⲖⲞⲤ ⲈⲐⲢⲈϤⲒ ⲈⲂⲞⲖ ⲚⲈⲘⲀϤ ⲞⲨⲞϨ ⲈⲦⲀϤⲞⲖϤ ⲀϤⲤⲞⲨⲂⲎⲦϤ ⲈⲐⲂⲈ ⲚⲒⲒⲞⲨⲆⲀⲒ ⲈⲦϢⲞⲠ ϦⲈⲚⲠⲒⲘⲀ ⲈⲦⲈⲘⲘⲀⲨ ⲚⲀⲨⲤⲰⲞⲨⲚ ⲄⲀⲢ ⲦⲎⲢⲞⲨ ϪⲈ ⲠⲈϤⲒⲰⲦ ⲞⲨⲞⲨⲈⲒⲚⲒⲚ ⲠⲈ.
4 Ary raha nandeha nitety ny tanàna tao izy, dia natolony hotandreman’ ny olona ireo didy navoaky ny Apostoly sy ny loholona tany Jerosalema.
ⲇ̅ⲈⲨⲔⲰϮ ⲆⲈ ϦⲈⲚⲚⲒⲠⲞⲖⲒⲤ ⲚⲀⲨϮ ⲘⲘⲞⲤ ⲈⲦⲞⲦⲞⲨ ⲈⲀⲢⲈϨ ⲈⲚⲒϨⲰⲚ ⲈⲦⲀⲨⲤⲈⲘⲚⲎ ⲦⲞⲨ ⲈⲂⲞⲖ ϨⲒⲦⲞⲦⲞⲨ ⲚⲚⲒⲀⲠⲞⲤⲦⲞⲖⲞⲤ ⲚⲈⲘ ⲚⲒⲠⲢⲈⲤⲂⲨⲦⲈⲢⲞⲤ ⲈⲦϦⲈⲚ ⲒⲈⲢⲞⲤⲀⲖⲎⲘ.
5 Ary nihanahery finoana ny fiangonana sady nihamaro isan’ andro.
ⲉ̅ⲚⲒⲈⲔⲔⲖⲎⲤⲒⲀ ⲘⲈⲚ ⲞⲨⲚ ⲚⲀⲨⲚⲎⲞⲨ ⲚⲦⲀϪⲢⲞ ϦⲈⲚⲠⲒⲚⲀϨϮ ⲞⲨⲞϨ ⲚⲀⲨⲚⲎⲞⲨ ⲚⲀϢⲀⲒ ϦⲈⲚⲦⲞⲨⲎⲠⲒ ⲘⲘⲎⲚⲒ.
6 Ary rehefa noraran’ ny Fanahy Masìna tsy hitory ny teny tany Asia izy, dia nandeha namaky ny tany Frygia sy Galatia
ⲋ̅ⲀⲨⲤⲒⲚⲒ ⲆⲈ ⲈⲂⲞⲖ ϨⲒⲦⲈⲚ ϮⲪⲢⲒⲔⲒⲀ ⲚⲈⲘ ϮⲬⲰⲢⲀ ⲚⲦⲈϮⲄⲀⲖⲀⲦⲒⲀ ⲈⲀϤⲦⲀϨⲚⲞ ⲘⲘⲰⲞⲨ ⲚϪⲈⲠⲒⲠⲚⲈⲨⲘⲀⲈⲐⲞⲨⲀⲂ ⲈϢⲦⲈⲘⲤⲀϪⲒ ⲘⲠⲒⲤⲀϪⲒ ⲚⲦⲈⲪⲚⲞⲨϮ ϦⲈⲚϮⲀⲤⲒⲀ.
7 ka efa tonga tany an-tsisin’ i Mysia, dia nitady hankany Bitynia izy, fa tsy navelan’ ny Fanahin’ i Jesosy.
ⲍ̅ⲈⲦⲀⲨⲒ ⲆⲈ ⲈϨⲢⲎⲒ ⲈⲚⲒⲘⲀ ⲚⲦⲈϮⲘⲨⲤⲒⲀ ⲚⲀⲨϬⲰⲚⲦ ⲘⲘⲰⲞⲨ ⲈϢⲈ ⲈϮⲂⲎⲐⲈⲚⲒⲀ ⲞⲨⲞϨ ⲚⲀϤⲬⲰ ⲘⲘⲰⲞⲨ ⲀⲚ ⲠⲈ ⲚϪⲈⲠⲒⲠⲚⲈⲨⲘⲀⲚⲦⲈⲒⲎⲤⲞⲨⲤ.
8 Ary rehefa nandalo an’ i Mysia izy, dia nidina nankany Troasy.
ⲏ̅ⲈⲦⲀⲨⲤⲒⲚⲒ ⲆⲈ ⲈⲂⲞⲖ ϦⲈⲚϮⲘⲨⲤⲒⲀ ⲀⲨⲒ ⲈϨⲢⲎⲒ ⲈⲦⲢⲰⲀⲤ.
9 Ary nony alina dia nisy fahitana niseho tamin’ i Paoly, koa, indro, nisy lehilahy Makedoniana nitsangana teo ka nangataka azy hoe: Mità mankaty Makedonia, ka vonjeo izahay!
ⲑ̅ⲞⲨⲞϨ ⲀϤⲞⲨⲞⲚϨ ⲈⲠⲀⲨⲖⲞⲤ ⲚϪⲈⲞⲨϨⲞⲢⲀⲘⲀ ⲘⲠⲒⲈϪⲰⲢϨ ⲞⲨⲢⲰⲘⲒ ⲘⲘⲀⲔⲈⲆⲰⲚ ⲈϤⲞϨⲒ ⲈⲢⲀⲦϤ ⲈϤⲦⲰⲂϨ ⲘⲘⲞϤ ⲈϤϪⲰ ⲘⲘⲞⲤ ϪⲈ ⲀⲘⲞⲨ ⲈⲐⲘⲀⲔⲈⲆⲞⲚⲒⲀ ⲀⲢⲒⲂⲞⲎⲐⲒⲚ ⲈⲢⲞⲚ.
10 Ary nony nahita ny fahitana izy, dia nitady handeha niaraka tamin’ izay hankany Makedonia izahay, satria nataonay fa Andriamanitra no efa niantso anay hitory ny filazantsara amin’ ny olona any.
ⲓ̅ϨⲰⲤ ⲆⲈ ⲈⲦⲀⲚⲚⲀⲨ ⲈⲠⲒϨⲞⲢⲀⲘⲀ ⲤⲀⲦⲞⲦⲈⲚ ⲀⲚⲔⲰϮ ⲚⲤⲀⲒⲈⲐⲘⲀⲔⲈⲆⲞⲚⲒⲀ ⲈⲚⲤⲞϬⲚⲒ ϪⲈ ⲈⲦⲀ ⲪⲚⲞⲨϮ ⲐⲀϨⲘⲈⲚ ⲈϨⲒϢⲈⲚⲚⲞⲨϤⲒ ⲚⲰⲞⲨ.
11 Ary nony niondrana an-tsambo niala tany Troasy izahay, dia nizotra nankany Samotrakia; ary nony ampitso dia nankany Neapolia.
ⲓ̅ⲁ̅ⲈⲦⲀⲚⲒ ⲆⲈ ⲈⲂⲞⲖ ϦⲈⲚⲦⲢⲰⲀⲤ ⲀⲚϢⲈ ⲚⲬⲰⲖⲈⲘ ⲈⲤⲀⲘⲞⲐⲢⲀⲔⲎ ⲠⲈϤⲢⲀⲤϮ ⲆⲈ ⲀⲚⲒ ⲈϨⲢⲎⲒ ⲈⲚⲈⲀⲠⲞⲖⲒⲤ.
12 Ary nony niala teo izahay, dia nankany Filipy, izay tanàna voalohany amin’ izany zara-tanin’ i Makedonia izany sady zana-panjakana; ary nitoetra teo amin’ izany tanàna izany andro vitsivitsy izahay.
ⲓ̅ⲃ̅ⲞⲨⲞϨ ⲈⲂⲞⲖ ⲘⲘⲀⲨ ⲀⲚⲒ ⲈⲪⲒⲖⲒⲠⲠⲞⲒⲤ ⲈⲦⲈ ⲚⲐⲞⲤ ⲦⲈ ϮϨⲞⲨⲒϮ ⲚⲦⲈϮⲦⲞⲒ ⲚⲦⲈⲐⲘⲀⲔⲈⲆⲞⲚⲒⲀ ⲞⲨⲠⲞⲖⲒⲤ ⲚⲔⲞⲖⲰⲚⲒⲀ ⲚⲀⲚϢⲞⲠ ⲆⲈ ⲠⲈ ϦⲈⲚϮⲠⲞⲖⲒⲤ ⲈⲦⲈⲘⲘⲀⲨ ⲚϨⲀⲚⲈϨⲞⲞⲨ.
13 Ary tamin’ ny andro Sabata dia nivoaka teo ivelan’ ny vavahady izahay nankeny amoron’ ony, izay nataonay fa nisy fitoerana fivavahana; ary nipetraka teo izahay ka niresaka tamin’ ny vehivavy vory teo.
ⲓ̅ⲅ̅ⲚϨⲢⲎⲒ ⲆⲈ ϦⲈⲚⲠⲒⲈϨⲞⲞⲨ ⲚⲦⲈⲚⲒⲤⲀⲂⲂⲀⲦⲞⲚ ⲀⲚⲒ ⲤⲀⲂⲞⲖ ⲚϮⲠⲞⲖⲒⲤ ϦⲀⲦⲈⲚ ⲪⲒⲀⲢⲞ ⲠⲒⲘⲀ ⲈⲚⲀⲚⲘⲈⲨⲒ ϪⲈ ⲞⲨⲞⲚ ⲞⲨⲠⲢⲞⲤⲈⲨⲬⲎ ⲚⲀϢⲰⲠⲒ ⲘⲘⲀⲨ ⲞⲨⲞϨ ⲈⲦⲀⲚϨⲈⲘⲤⲒ ⲚⲀⲚⲤⲀϪⲒ ⲚⲈⲘ ⲚⲒϨⲒⲞⲘⲒ ⲈⲦⲀⲨⲒ ⲈⲂⲞⲖ.
14 Ary nisy vehivavy atao hoe Lydia, mpivarotra lamba volomparasy, avy any an-tanàna Tyatira, izay nivavaka tamin’ Andriamanitra, dia nihaino izy, ary ny Tompo nanokatra ny fony hitandrina ny teny izay nolazain’ i Paoly.
ⲓ̅ⲇ̅ⲞⲨⲞϨ ⲞⲨⲤϨⲒⲘⲒ ⲈⲠⲈⲤⲢⲀⲚ ⲠⲈ ⲖⲨⲆⲒⲀ ⲈⲞⲨⲤⲀⲚϬⲎϪⲒ ⲦⲈ ⲚⲦⲈⲞⲨⲠⲞⲖⲒⲤ ϪⲈ ⲐⲨⲀⲦⲎⲢⲰⲚ ⲈⲤⲈⲢⲤⲈⲂⲈⲤⲐⲈ ⲘⲪⲚⲞⲨϮ ⲚⲀⲤⲤⲰⲦⲈⲘ ⲐⲀⲒ Ⲁ- ⲪⲚⲞⲨϮ ⲞⲨⲰⲚ ⲘⲠⲈⲤϨⲎⲦ ⲈϮϨⲐⲎⲤ ⲈⲚⲎ ⲈⲚⲀⲢⲈ ⲠⲀⲨⲖⲞⲤ ϪⲰ ⲘⲘⲰⲞⲨ.
15 Ary rehefa natao batisa ravehivavy mbamin’ ny ankohonany, dia nangataka izy nanao hoe: Raha ataonareo ho mahatoky amin’ ny Tompo aho, dia midìra ao an-tranoko ka mitoera ao. Dia nanery anay izy.
ⲓ̅ⲉ̅ⲈⲦⲀⲤϬⲒⲰⲘⲤ ⲆⲈ ⲚⲈⲘ ⲠⲈⲤⲎⲒ ⲀⲤϮϨⲞ ⲈⲢⲞⲚ ⲈⲤϪⲰ ⲘⲘⲞⲤ ϪⲈ ⲒⲤϪⲈ ⲀⲦⲈⲦⲈⲚⲞⲠⲦ ⲈⲞⲨⲠⲒⲤⲦⲎ ⲘⲠϬⲞⲒⲤ ⲀⲘⲰⲒⲚⲒ ⲈϦⲞⲨⲚ ⲈⲠⲀⲎⲒ ϢⲰⲠⲒ ⲞⲨⲞϨ ⲀⲤϬⲒⲦⲦⲈⲚ ⲚϪⲞⲚⲤ.
16 Ary raha nandeha ho any amin’ ilay fitoerana fivavahana izahay, dia nisy ankizivavy anankiray nanam-panahy mahavaly nifanena taminay, ary ny faminaniana nataony no nahazoan’ ny tompony harena be.
ⲓ̅ⲋ̅ⲀⲤϢⲰⲠⲒ ⲆⲈ ⲈⲚⲚⲀ ⲈϮⲠⲢⲞⲤⲈⲨⲬⲎ ⲀⲤⲒ ⲈⲂⲞⲖ ⲈϨⲢⲀⲚ ⲚϪⲈⲞⲨⲀⲖⲞⲨ ⲘⲂⲰⲔⲒ ⲈⲞⲨⲞⲚ ⲞⲨⲠⲚⲈⲨⲘⲀⲚⲢⲈϤϢⲒⲚⲒ ⲚⲈⲘⲀⲤ ⲐⲀⲒ ⲈⲚⲀⲤϮ ⲚⲞⲨⲘⲎϢ ⲚⲈⲢⲄⲀⲤⲒⲀ ⲚⲚⲈⲤϬⲒⲤⲈⲨ ⲈⲤⲞⲒ ⲚⲢⲈϤϢⲒⲚⲒ.
17 Izy nanaraka an’ i Paoly sy izahay ka niantso hoe: Ireo lehilahy ireo dia mpanompon’ Andriamanitra Avo Indrindra, izay manoro anareo lalam-pamonjena.
ⲓ̅ⲍ̅ⲐⲀⲒ ⲈⲦⲀⲤⲘⲞϢⲒ ⲚⲤⲀⲠⲀⲨⲖⲞⲤ ⲚⲈⲘⲀⲚ ⲚⲀⲤⲰϢ ⲈⲂⲞⲖ ⲈⲤϪⲰ ⲘⲘⲞⲤ ϪⲈ ⲚⲀⲒⲢⲰⲘⲒ ϨⲀⲚⲈⲂⲒⲀⲒⲔ ⲚⲦⲈⲪⲚⲞⲨϮ ⲈⲦϬⲞⲤⲒ ⲚⲈⲚⲀⲒ ⲈⲦϨⲒⲰⲒϢ ⲚⲰⲦⲈⲚ ⲚⲞⲨⲘⲰⲒⲦ ⲚⲞⲨϪⲀⲒ.
18 Ary nataony tamin’ ny andro maro izany. Ary sosotra Paoly, dia nitodika ka nanao tamin’ ny fanahy hoe: Mandidy anao amin’ ny anaran’ i Jesosy Kristy aho hivoaka aminy. Dia nivoaka tamin’ izany ora izany indrindra izy.
ⲓ̅ⲏ̅ⲪⲀⲒ ⲆⲈ ⲚⲀⲤⲢⲀ ⲘⲘⲞϤ ⲚⲞⲨⲘⲎϢ ⲚⲈϨⲞⲞⲨ ⲈⲦⲀϤⲈⲢⲘⲔⲀϨ ⲚϨⲎⲦ ⲆⲈ ⲚϪⲈⲠⲀⲨⲖⲞⲤ ⲞⲨⲞϨ ⲈⲦⲀϤⲔⲞⲦϤ ⲈⲠⲒⲠⲚⲈⲨⲘⲀⲠⲈϪⲀϤ ϪⲈ ϮϨⲞⲚϨⲈⲚ ⲚⲀⲔ ϦⲈⲚⲪⲢⲀⲚ ⲚⲒⲎⲤⲞⲨⲤ ⲠⲬⲢⲒⲤⲦⲞⲤ ⲈⲒ ⲈⲂⲞⲖ ⲚϦⲎⲦⲤ ⲞⲨⲞϨ ⲀϤⲒ ⲈⲂⲞⲖ ⲚϮⲞⲨⲚⲞⲨ ⲈⲦⲈⲘⲘⲀⲨ.
19 Ary nony hitan’ ireo tompony fa very ny fanantenany hahazoany harena, dia nisambotra an’ i Paoly sy Silasy izy ka nitondra azy ho any an-tsena any amin’ ny lehibe;
ⲓ̅ⲑ̅ⲈⲦⲀⲨⲚⲀⲨ ⲆⲈ ⲚϪⲈⲚⲈⲤϬⲒⲤⲈⲨ ϪⲈ ⲀⲤⲒ ⲈⲂⲞⲖ ⲚϦⲎⲦⲤ ⲚϪⲈⲦϨⲈⲖⲠⲒⲤ ⲚⲦⲈⲠⲞⲨϨⲰⲂ ⲀⲨⲀⲘⲞⲚⲒ ⲘⲠⲀⲨⲖⲞⲤ ⲚⲈⲘ ⲤⲒⲖⲀⲤ ⲀⲨⲰϢϮ ⲘⲘⲰⲞⲨ ⲈⲂⲞⲖ ⲈϮⲀⲄⲞⲢⲀ ϢⲀ ⲚⲒⲀⲢⲬⲰⲚ
20 ary rehefa nentiny tany amin’ ireo governora izy roa lahy, dia nolazainy hoe: Ireto lehilahy Jiosy ireto mampitabataba ny tanànantsika loatra
ⲕ̅ⲞⲨⲞϨ ⲈⲦⲀⲨⲈⲚⲞⲨ ϨⲀ ⲚⲒⲤⲀⲦⲎⲄⲞⲨⲤ ⲠⲈϪⲰⲞⲨ ϪⲈ ⲚⲀⲒⲢⲰⲘⲒ ⲤⲈϢⲐⲞⲢⲦⲈⲢ ⲚⲦⲈⲚⲠⲞⲖⲒⲤ ⲈϨⲀⲚⲒⲞⲨⲆⲀⲒ ⲚⲈ.
21 ka mampianatra fanao tsy mety horaisintsika na hataontsika, fa Romana isika.
ⲕ̅ⲁ̅ⲞⲨⲞϨ ⲤⲈϨⲒⲰⲒϢ ⲚⲀⲚ ⲚϨⲀⲚⲔⲈⲔⲀϨⲤ ⲚⲀⲒ ⲈⲦⲈⲤϢⲈ ⲚⲀⲚ ⲀⲚ ⲈϢⲞⲠⲞⲨ ⲞⲨⲆⲈ ⲈⲀⲒⲦⲞⲨ ⲈⲀⲚⲞⲚ ϨⲀⲚⲢⲰⲘⲈⲞⲤ.
22 Ary ny vahoaka niara-nitsangana hamely azy; ary ireo governora nanaisotra ny lambany, ka nasainy nokapohina tamin’ ny hazo izy.
ⲕ̅ⲃ̅ⲞⲨⲞϨ ⲀϤⲦⲰⲚϤ ⲈϨⲢⲎⲒ ⲈϪⲰⲞⲨ ⲚϪⲈⲠⲒⲘⲎϢ ⲞⲨⲞϨ ⲚⲒⲤⲀⲦⲎⲄⲞⲨⲤ ⲀⲨⲪⲰϦ ⲚⲚⲞⲨϨⲂⲰⲤ ⲀⲨⲈⲢⲔⲈⲖⲈⲨⲒⲚ ⲚⲤⲈϨⲒⲞⲨⲒ ⲈⲢⲰⲞⲨ ⲘⲠϢⲂⲰⲦ.
23 Ary nony efa nokapohiny mafy dia mafy izy, dia nataony tao an-tranomaizina, ka nasainy niambina azy tsara ny mpiandry tranomaizina.
ⲕ̅ⲅ̅ⲈⲦⲀⲨϮ ⲚⲞⲨⲘⲎϢ ⲚϢⲀϢ ⲚⲰⲞⲨ ⲀⲨϨⲒⲦⲞⲨ ⲈⲠⲒϢⲦⲈⲔⲞ ⲈⲀⲨϨⲞⲚϨⲈⲚ ⲈⲦⲞⲦϤ ⲘⲠⲒⲢⲈϤⲀⲢⲈϨ ⲚⲦⲈⲠⲒⲘⲀ ⲚⲤⲰⲚϨ ⲈⲀⲢⲈϨ ⲈⲢⲰⲞⲨ ϦⲈⲚⲞⲨⲦⲀϪⲢⲞ.
24 Ary rehefa nahazo teny toy izany ralehilahy, dia nataony tao amin’ ny tranomaizina anatiny indrindra izy, ary ny tongony nobolokiny mafy tamin’ ny boloky hazo.
ⲕ̅ⲇ̅ⲪⲀⲒ ⲈⲦⲀϤϬⲒ ⲚⲞⲨϨⲞⲚϨⲈⲚ ⲘⲠⲀⲒⲢⲎϮ ⲀϤϨⲒⲦⲞⲨ ⲈϦⲞⲨⲚ ⲈⲠⲒϢⲦⲈⲔⲞ ⲈⲦⲤⲀϦⲞⲨⲚ ⲞⲨⲞϨ ⲀϤⲦⲀϪⲢⲞ ⲚⲚⲞⲨϬⲀⲖⲀⲨϪ ⲈⲠⲒϢⲈ.
25 Ary nony mamatonalina, dia nivavaka sy nihira fiderana an’ Andriamanitra Paoly sy Silasy; ary nihaino azy ny mpifatotra.
ⲕ̅ⲉ̅ⲚϨⲢⲎⲒ ⲆⲈ ϦⲈⲚⲦⲪⲀϢⲒ ⲘⲠⲒⲈϪⲰⲢϨ ⲠⲀⲨⲖⲞⲤ ⲚⲈⲘ ⲤⲒⲖⲀⲤ ⲈⲨⲈⲢⲠⲢⲞⲤⲈⲨⲬⲈⲤⲐⲈ ⲚⲀⲨⲤⲘⲞⲨ ⲈⲪⲚⲞⲨϮ ⲚⲀⲨⲤⲰⲦⲈⲘ ⲈⲢⲰⲞⲨ ⲚϪⲈⲚⲎ ⲈⲦⲤⲞⲚϨ.
26 Ary nisy horohorontany mafy dia mafy avy tampoka, ka nihozongozona ny fanorenan’ ny tranomaizina; dia nivoha niaraka tamin’ izay ny varavarana rehetra, ary nivaha avokoa ny fatoran’ izy rehetra.
ⲕ̅ⲋ̅ⲚⲞⲨϨⲞϮ ϦⲈⲚⲞⲨϨⲞϮ ⲀϤϢⲰⲠⲒ ⲚϪⲈⲞⲨⲚⲒϢϮ ⲘⲘⲞⲚⲘⲈⲚ ϨⲰⲤⲆⲈ ⲚⲤⲈⲔⲒⲘ ⲚϪⲈⲚⲒⲤⲈⲚϮ ⲚⲦⲈⲠⲒⲘⲀ ⲚⲤⲰⲚϨ ⲚϮⲞⲨⲚⲞⲨ ⲆⲈ ⲀⲨⲞⲨⲰⲚ ⲚϪⲈⲚⲒⲢⲰⲞⲨ ⲦⲎⲢⲞⲨ ⲞⲨⲞϨ ⲚⲒⲤⲚⲀⲨϨ ⲚⲦⲰⲞⲨ ⲦⲎⲢⲞⲨ ⲀⲨⲂⲰⲖ ⲈⲂⲞⲖ.
27 Dia nahatsiaro ny mpiandry tranomaizina ka nahita ny varavaran’ ny tranomaizina nivoha, dia nanatsoaka ny sabany izy ka saiky hamono tena, satria nataony fa efa nandositra ny mpifatotra.
ⲕ̅ⲍ̅ⲈⲦⲀϤⲚⲈϨⲤⲒ ⲆⲈ ⲚϪⲈⲠⲒⲢⲈϤⲀⲢⲈϨ ⲚⲦⲈⲠⲒⲘⲀ ⲚⲤⲰⲚϨ ⲞⲨⲞϨ ⲈⲦⲀϤⲚⲀⲨ ⲈⲚⲒⲢⲰⲞⲨ ⲚⲦⲈⲠⲒϢⲦⲈⲔⲞ ⲈⲨⲞⲨⲎⲚ ⲀϤⲐⲰⲔⲈⲘ ⲚⲦⲈϤⲤⲎϤⲒ ⲈϤⲚⲀϦⲞⲐⲂⲈϤ ⲈϤⲘⲈⲨⲒ ϪⲈ ⲀⲨⲪⲰⲦ ⲚϪⲈⲚⲎ ⲈⲦⲤⲰⲚϨ.
28 Fa Paoly niantso tamin’ ny feo mahery ka nanao hoe: Aza mamono tena, fa ato ihany izahay rehetra.
ⲕ̅ⲏ̅ⲀϤⲰϢ ⲆⲈ ⲈⲂⲞⲖ ⲚϪⲈⲠⲀⲨⲖⲞⲤ ϦⲈⲚⲞⲨⲚⲒϢϮ ⲚⲤⲘⲎ ⲈϤϪⲰ ⲘⲘⲞⲤ ϪⲈ ⲘⲠⲈⲢⲈⲢ ϨⲖⲒ ⲘⲠⲈⲦϨⲰⲞⲨ ⲚⲀⲔ ⲦⲈⲚⲘⲠⲀⲒⲘⲀ ⲄⲀⲢ ⲦⲎⲢⲞⲨ.
29 Ary izy niantso jiro, dia nikaretsaka niditra sady tora-kovitra ka niankohoka teo anatrehan’ i Paoly sy Silasy.
ⲕ̅ⲑ̅ⲀϤϬⲒ ⲆⲈ ⲚⲞⲨⲰⲒⲚⲒ ⲀϤϬⲞϪⲒ ⲈϦⲞⲨⲚ ⲞⲨⲞϨ ⲈⲦⲀϤϢⲰⲠⲒ ϦⲈⲚⲞⲨⲤⲐⲈⲢⲦⲈⲢ ⲀϤϨⲒⲦϤ ⲈϦⲢⲎⲒ ϦⲀⲢⲀⲦϤ ⲘⲠⲀⲨⲖⲞⲤ ⲚⲈⲘ ⲤⲒⲖⲀⲤ.
30 Ary rehefa nentiny nivoaka izy roa lahy, dia hoy izy: Tompoko, inona no mety hataoko, mba hovonjena aho?
ⲗ̅ⲞⲨⲞϨ ⲈⲦⲀϤⲈⲚⲞⲨ ⲈⲂⲞⲖ ⲠⲈϪⲀϤ ⲚⲰⲞⲨ ϪⲈ ⲚⲀϬⲒⲤⲈⲨ ⲞⲨ ⲠⲈⲦⲤⲈⲘⲠϢⲀ ⲚⲦⲀⲀⲒϤ ϨⲒⲚⲀ ⲚⲦⲀⲚⲞϨⲈⲘ.
31 Dia hoy izy roa lahy: Minoa an’ i Jesosy Tompo, dia hovonjena ianao sy ny ankohonanao.
ⲗ̅ⲁ̅ⲚⲐⲰⲞⲨ ⲆⲈ ⲠⲈϪⲰⲞⲨ ϪⲈ ⲚⲀϨϮ ⲈⲠϬⲞⲒⲤ ⲒⲎⲤⲞⲨⲤ ⲞⲨⲞϨ ⲈⲔⲈⲚⲞϨⲈⲘ ⲚⲐⲞⲔ ⲚⲈⲘ ⲠⲈⲔⲎⲒ.
32 Ary izy roa lahy nitory ny tenin’ ny Tompo taminy sy tamin’ izay rehetra tao an-tranony.
ⲗ̅ⲃ̅ⲞⲨⲞϨ ⲀⲨⲤⲀϪⲒ ⲚⲈⲘⲀϤ ⲘⲠⲒⲤⲀϪⲒ ⲚⲦⲈⲠϬⲞⲒⲤ ⲚⲐⲞϤ ⲚⲈⲘ ⲠⲈϤⲎⲒ ⲦⲎⲢϤ.
33 Ary nandray azy roa lahy izy tamin’ izany ora amin’ ny alina izany ka nanasa ny dian-kapoka; ary natao batisa tamin’ izay izy mbamin’ izay azy rehetra.
ⲗ̅ⲅ̅ⲞⲨⲞϨ ⲀϤⲞⲖⲞⲨ ⲚϮⲞⲨⲚⲞⲨ ⲈⲦⲈⲘⲘⲀⲨ ⲚⲦⲈⲠⲒⲈϪⲰⲢϨ ⲀϤϪⲞⲔⲘⲞⲨ ⲈⲂⲞⲖ ϦⲈⲚⲚⲞⲨⲈⲢϦⲰⲦ ⲞⲨⲞϨ ⲀϤϬⲒⲰⲘⲤ ⲚⲐⲞϤ ⲚⲈⲘ ⲠⲈϤⲎⲒ ⲦⲎⲢϤ.
34 Ary rehefa nentiny niakatra ho ao an-trano izy roa lahy, dia norosoany hanina teo anoloany, dia nifaly indrindra izy mbamin’ izay rehetra tao an-tranony, satria efa nino an’ Andriamanitra.
ⲗ̅ⲇ̅ⲈⲦⲀϤⲈⲚⲞⲨ ⲆⲈ ⲈϦⲞⲨⲚ ⲈⲠⲈϤⲎⲒ ⲀϤⲬⲀ ⲞⲨⲦⲢⲀⲠⲈⲌⲀ ϦⲀⲦⲞⲦⲞⲨ ⲞⲨⲞϨ ⲚⲀϤⲐⲈⲖⲎ ⲖⲘⲘⲞϤ ⲚⲈⲘ ⲠⲈϤⲎⲒ ⲦⲎⲢϤ ⲈⲦⲀϤⲚⲀϨϮ ⲈⲪⲚⲞⲨϮ.
35 Ary rehefa maraina ny andro, ireo governora dia naniraka ny mpitan-defona ka nanao hoe: Alefaso ireo olona ireo.
ⲗ̅ⲉ̅ⲈⲦⲀ ⲠⲒⲈϨⲞⲞⲨ ⲆⲈ ϢⲰⲠⲒ ⲀⲨⲞⲨⲰⲢⲠ ⲚϪⲈⲚⲒⲤⲀⲦⲎⲄⲞⲨⲤ ⲚϨⲀⲚⲢⲀⲂⲆⲞⲨⲬⲞⲤ ⲈⲨϪⲰ ⲘⲘⲞⲤ ϪⲈ ⲬⲀ ⲚⲒⲢⲰⲘⲒ ⲈⲦⲈⲘⲘⲀⲨ ⲈⲂⲞⲖ.
36 Ary ny mpiandry tranomaizina nilaza izany teny izany tamin’ i Paoly hoe: Ireo governora efa naniraka handefa anareo, koa ankehitriny mivoaha ianareo ka mandehana soa aman-tsara.
ⲗ̅ⲋ̅ⲀϤⲦⲀⲘⲈ ⲠⲀⲨⲖⲞⲤ ⲆⲈ ⲈⲚⲀⲒⲤⲀϪⲒ ⲚϪⲈⲠⲒⲢⲈϤⲀⲢⲈϨ ⲚⲦⲈⲠⲒⲘⲀ ⲚⲤⲰⲚϨ ϪⲈ Ⲁ- ⲚⲒⲤⲀⲦⲎⲄⲞⲨⲤ ⲞⲨⲰⲢⲠ ϨⲒⲚⲀ ⲚⲤⲈⲬⲀ ⲐⲎⲚⲞⲨ ⲈⲂⲞⲖ ϮⲚⲞⲨ ⲞⲨⲚ ⲀⲘⲰⲒⲚⲒ ⲈⲂⲞⲖ ⲘⲀϢⲈ ⲚⲰⲦⲈⲚ ϦⲈⲚⲞⲨϨⲒⲢⲎⲚⲎ.
37 Fa hoy Paoly taminy: Efa nokapohiny tsy voatsara teo amin’ ny miharihary izahay, kanefa Romana izahay, ka nataony tao an-tranomaizina, ary ankehitriny moa mamoaka anay mangingina va izy? Tsia, fa aoka izy ihany ho hankatỳ hamoaka anay.
ⲗ̅ⲍ̅ⲠⲀⲨⲖⲞⲤ ⲆⲈ ⲠⲈϪⲀϤ ⲚⲰⲞⲨ ϪⲈ ⲈⲦⲀⲨϨⲒⲞⲨⲒ ⲈⲢⲞⲚ ⲚⲆⲎⲘⲞⲤⲒⲀ ⲈⲀⲚⲞⲚ ϨⲀⲚⲢⲰⲘⲒ ⲚⲢⲰⲘⲈⲞⲤ ⲚⲦⲈⲚⲈⲢⲠⲔⲈϨⲰⲞⲨⲒ ⲘⲠϨⲀⲠ ⲀⲚ ⲀⲨϨⲒⲦⲦⲈⲚ ⲈⲠϢⲦⲈⲔⲞ ⲞⲨⲞϨ ⲤⲈϨⲒⲞⲨⲒ ⲘⲘⲞⲚ ⲈⲂⲞⲖ ⲚⲬⲰⲠ ⲘⲘⲞⲚ ⲀⲖⲖⲀ ⲘⲀⲢⲞⲨⲒ ⲚⲐⲰⲞⲨⲒ ⲚⲤⲈⲈⲚⲦⲈⲚ ⲈⲂⲞⲖ.
38 Ary ny mpitan-defona nilaza izany teny izany tamin’ ireo governora; dia natahotra izy, raha nahare fa Romana izy roa lahy.
ⲗ̅ⲏ̅ⲀⲨⲦⲀⲘⲈ ⲚⲒⲤⲀⲦⲎⲄⲞⲨⲤ ⲆⲈ ⲈⲚⲀⲒⲤⲀϪⲒ ⲚϪⲈⲚⲒⲢⲀⲂⲆⲞⲨⲬⲞⲤ ⲀⲨⲈⲢϨⲞϮ ⲆⲈ ⲈⲦⲀⲨⲤⲰⲦⲈⲘ ϪⲈ ϨⲀⲚⲢⲰⲘⲈⲞⲤ ⲚⲈ.
39 Dia tonga izy ka nanony azy sady nitondra azy nivoaka ary nangataka azy handeha hiala ao an-tanàna.
ⲗ̅ⲑ̅ⲞⲨⲞϨ ⲈⲦⲀⲨⲒ ⲀⲨϦⲰⲚϪ ⲈⲢⲰⲞⲨ ⲞⲨⲞϨ ⲈⲦⲀⲨⲈⲚⲞⲨ ⲈⲂⲞⲖ ⲀⲨϮϨⲞ ⲈⲢⲰⲞⲨ ⲈⲐⲢⲞⲨϢⲈ ⲚⲰⲞⲨ ⲈⲂⲞⲖ ϦⲈⲚⲦⲞⲨⲠⲞⲖⲒⲤ.
40 Dia niala tao an-tranomaizina izy ka niditra tao an-tranon’ i Lydia; ary rehefa nahita ny rahalahy izy, dia nananatra azy ka lasa nandeha.
ⲙ̅ⲈⲦⲀⲨⲒ ⲆⲈ ⲈⲂⲞⲖ ϦⲈⲚⲠⲒϢⲦⲈⲔⲞ ⲀⲨϢⲈ ⲈϦⲞⲨⲚ ⲈⲠⲎⲒ ⲚⲖⲨⲆⲒⲀ ⲞⲨⲞϨ ⲈⲦⲀⲨⲚⲀⲨ ⲀⲨϮⲚⲞⲘϮ ⲚⲚⲒⲤⲚⲎⲞⲨ ⲞⲨⲞϨ ⲀⲨⲒ ⲈⲂⲞⲖ.