< Asan'ny Apostoly 15 >

1 Ary ny olona sasany izay nidina avy tany Jodia nampianatra ny rahalahy hoe: Raha tsy forana araka ny fanaon’ i Mosesy ianareo, dia tsy azo vonjena.
בזמן שבר־נבא ופולוס היו באנטיוכיה, הגיעו לשם מספר אנשים מיהודה, והחלו ללמד את המאמינים שאם לא יקפידו לקיים את ברית המילה כדת משה וישראל, לא יוכלו להיוושע.
2 Ary rehefa nifanditra sy niady hevitra be ihany tamin’ ireo Paoly sy Barnabasy, dia nifanarahana ny hiakaran’ izy roa lahy sy ny sasany koa hankany Jerosalema ho any amin’ ny Apostoly sy ny loholona hanadina izany teny niadian-kevitra izany.
פולוס ובר־נבא התווכחו איתם על כך בלהט רב, ולכן החליטה הקהילה המקומית לשלוח אותם לירושלים, יחד עם אחדים מחברי הקהילה, כדי לדון בשאלה זאת עם השליחים והזקנים שם.
3 Ary rehefa nanatitra azy ny fiangonana, dia nandeha namaky an’ i Foinika sy Samaria izy ka nilaza ny niovan’ ny jentilisa; dia nampifaly ny rahalahy rehetra indrindra izy.
הקהילה כולה ליוותה אותם אל מחוץ לעיר, והנציגים יצאו בדרכם לירושלים. הם התעכבו בדרך בערי החוף של לבנון ובשומרון, כדי לבקר את המאמינים, ולשמחת כולם סיפרו להם שגם הגויים חוזרים בתשובה.
4 Ary rehefa tonga tany Jerosalema izy, dia noraisin’ ny fiangonana sy ny Apostoly ary ny loholona, ka dia nilaza izay rehetra efa nataon’ Andriamanitra tamin’ ny nombany azy.
בהגיעם לירושלים קיבלו את פניהם חברי הקהילה, השליחים והזקנים, ופולוס ובר־נבא דיווחו להם כיצד ה׳ פעל באמצעותם.
5 Fa ny mino sasany, izay isan’ ny antokon’ ny Fariseo kosa, dia nitsangana ka nanao hoe: Tsy maintsy forana ireny ka asaina mitandrina ny lalàn’ i Mosesy.
אולם מאמינים אחדים, שהשתייכו בעבר לכת הפרושים, קמו על רגליהם וטענו שכל המאמינים מבין הגויים חייבים לשמור את התורה ולקיים ברית מילה.
6 Ary dia nivory ny Apostoly sy ny loholona mba hihevitra izany zavatra izany.
לכן כינסו השליחים והזקנים אסיפה מיוחדת כדי לדון בבעיה זאת.
7 Ary rehefa nisy ady hevitra be ihany, dia nitsangana Petera ka nanao taminy hoe: Ry rahalahy, fantatrareo fa hatramin’ ny ela Andriamanitra dia efa nifidy teo aminareo fa amin’ ny vavako no handrenesan’ ny jentilisa ny tenin’ ny filazantsara ka hinoany.
לאחר דיון ארוך ומייגע קם שמעון על רגליו ופנה אל המאמינים:”אחים, כולכם יודעים שעוד לפני זמן רב בחר בי אלוהים לבשר לגויים את הבשורה, כדי שגם הם יאמינו בו.
8 Ary Andriamanitra, Izay mahalala ny fo, dia vavolombelony tamin’ ny nanomezany azy ny Fanahy Masìna tahaka antsika koa;
אלוהים, המכיר והיודע את לב האדם, אישר שהוא מקבל גם את הגויים. כיצד הוא אישר זאת? בכך שנתן להם את רוח הקודש בדיוק כשם שנתן אותו לנו.
9 fa tsy nataony misy hafa isika sy izy, fa nodioviny tamin’ ny finoana ny fony.
אלוהים לא הבדיל בינינו לביניהם, משום שהוא טיהר את לבם, על־ידי האמונה, בדיוק כפי שטיהר את לבנו.
10 Koa nahoana ianareo no maka fanahy an’ Andriamanitra amin’ ny fametrahanareo zioga amin’ ny vozon’ ny mpianatra, izay tsy zakan’ ny razantsika na isika ho entina?
האם אתם רוצים עתה לתקן את מעשיו של אלוהים? מדוע אתם מעמיסים על הגויים עול שאנחנו ואבותינו לא יכולנו לשאת?
11 Fa mino isika fa ny fahasoavan’ i Jesosy Tompo no hamonjena antsika, dia tahaka ny azy ihany koa.
האם אינכם מאמינים שכולנו נושענו באותה הדרך – כלומר בחסדו של האדון ישוע?“
12 Dia nangina ny olona rehetra ka nihaino an’ i Barnabasy sy Paoly, izay nilaza ny famantarana sy ny fahagagana nampanaovin’ Andriamanitra azy tany amin’ ny jentilisa.
הויכוח פסק, וכל האחים הקשיבו בדומיה לדיווח של פולוס ובר־נבא על הנסים והנפלאות שחולל אלוהים באמצעותם בין הגויים.
13 Ary rehefa nitsahatra tsy niteny izy roa lahy, dia namaly Jakoba ka nanao hoe: Ry rahalahy, mihainoa ahy:
כשסיימו השניים את דיווחם נטל יעקב את רשות הדיבור.”אחים, “אמר,”הקשיבו לדברי!
14 Simeona efa nanambara izay nitsinjovan’ Andriamanitra ny jentilisa tamin’ ny voalohany hanalany olona aminy hankalazana ny anarany.
שמעון פטרוס הסביר לכם זה עתה כיצד אלוהים גילה תחילה את דאגתו לגויים, וכיצד בחר מקרבם אנשים שיאמינו בו ושיפארו את שמו.
15 Ary mifanaraka amin’ izany ny tenin’ ny mpaminany, araka ny voasoratra hoe:
עובדה זאת של ישועת הגויים עולה למעשה בקנה אחד עם דברי הנביאים. קחו למשל את נבואתו של עמוס:
16 Rehefa afaka izany, dia hiverina Aho Ka hanangana ny trano-lain’ i Davida izay efa nianjera; Ary hanangana izay efa rava ao Aho Ka hanamboatra azy indray;
’ביום ההוא אקים את סכת דויד הנפלת, וגדרתי את פרציהן והריסותיו אקים, ובניתיה כימי עולם,
17 Mba hitady ny Tompo ny olona sisa sy ny jentilisa rehetra, Izay efa niantsoana ny anarako, hoy Jehovah,
למען ידרשו את־ה׳ שארית אדם וכל הגויים אשר נקרא שמי עליהם, נאום ה׳ עושה כל־אלה‘.”כלומר, אלוהים הבטיח לחדש את ברית דוד המופרת, כדי שגם הגויים – אלה שבחר בהם – יוושעו!
18 Izay manao izany zavatra fantatra hatramin’ ny voalohany indrindra izany. (aiōn g165)
אלה דברי אלוהים אשר גילה אותם עוד לפני זמן רב. (aiōn g165)
19 Koa dia izao no hevitro: Tsy mety raha isika manome fahasahiranana ny avy amin’ ny jentilisa izay miverina ho amin’ Andriamanitra;
”על כן אני פוסק שאל לנו לדרוש מהגויים השבים אל ה׳ לקיים את חוקי התורה.
20 fa aoka hanoratra epistily aminy isika mba hifadiany ny hena fahavetavetana aterina amin’ ny sampy sy ny fijangajangana ary ny zavatra kendaina sy ny rà.
הבה נסתפק בכך שנכתוב להם לא לאכול בשר שהוקרב לאלילים ולא בשר טרף של בעל חיים שנחנק, לא לאכול בשר עם דם, ולהתרחק מהזנות על כל צורותיה.
21 Fa hatramin’ ny razana fahiny dia manana izay mitory azy ao amin’ ny isan-tanàna Mosesy, fa vakina ao amin’ ny synagoga rehetra isan-tSabata ny teniny.
כי עוד מימי קדם נקראה תורת משה מדי שבת בבתי־כנסת בכל עיר ועיר.“
22 Ary sitraky ny Apostoly sy ny loholona mbamin’ ny fiangonana rehetra ny hifidy olona amin’ ny namany mba hirahina hiaraka amin’ i Paoly sy Barnabasy hankany Antiokia, dia Joda, izay atao hoe Barnabasy, sy Silasy, izay lehilahy samy tsara laza eo amin’ ny rahalahy;
השליחים, הזקנים וכל חברי הקהילה החליטו לשלוח משלחת לאנטיוכיה יחד עם פולוס ובר־נבא, כדי לדווח על החלטתם. הם בחרו בשניים ממנהיגי הקהילה, ביהודה (המכונה”בר־שבא“) ובסילא,
23 ary nanoratra taratasy izy ho entin’ ireo, dia izao: Ny Apostoly sy ny rahalahy loholona miarahaba ny rahalahy avy amin’ ny jentilisa izay any Antiokia sy Syria ary Kilikia.
ושלחו בידם את המכתב הבא:”מאת: השליחים, זקני הקהילה והאחים בירושלים.”אל: אחינו המאמינים מן הגויים באנטיוכיה, בסוריה ובקיליקיה, שלום לכם!
24 Satria efa renay fa ny sasany izay avy tany aminay efa nanao teny nampitabataba anareo ka namadika ny sainareo, kanefa tsy nasainay nanao izany izy,
נודע לנו שמספר אנשים מקהילתנו בלבלו אתכם והטילו ספק בכם, אולם דעו לכם שלא אנחנו שלחנו אותם – הם באו אליכם על דעת עצמם.
25 dia sitrakay, rehefa nifanara-kevitra, ny hifidy olona hirahina hankatỳ aminareo hiaraka amin’ i Barnabasy sy Paoly malalanay,
משום כך החלטנו פה־אחד לשלוח אליכם שני נציגים רשמיים שלנו, יחד עם אחינו האהובים פולוס ובר־נבא.
26 lehilahy izay nanao ny ainy tsy ho zavatra ho voninahitry ny anaran’ i Jesosy Kristy Tompontsika.
נציגים אלה, יהודה וסילא, אשר סיכנו את חייהם למען שם אדוננו ישוע המשיח, יאשרו לפניכם בעל־פה את החלטתנו.
27 Dia nirahinay Joda sy Silasy, sady hilaza vava izany teny izany koa izy.
28 Fa sitraky ny Fanahy Masìna sy izahay tsy hampitondra enta-mavesatra anareo afa-tsy izao zavatra tsy maintsy hotandremana izao ihany:
”רוח הקודש ואנחנו מצאנו לנכון שלא להכביד עליכם בחובות מיותרים של שמירת מצוות התורה, אלא רק לדרוש מכם
29 dia ny hifadianareo ny hena aterina amin’ ny sampy sy ny rà sy ny zavatra kendaina ary ny fijangajangana; raha mahatandrin-tena hifady izany ianareo, dia ho soa. Veloma ianareo.
שתימנעו מאכילת מזון שהוקרב לאלילים, מאכילת בשר של בעל־חיים שנחנק, מאכילת בשר עם דם, ושתתרחקו מן הזנות. טוב תעשו אם תשמרו דברים אלה. – שלום לכם.“
30 Ary rehefa nalefany izy ireo, dia nidina nankany Antiokia; ary namory ny olona maro izy, dia natolony ilay epistily.
ארבעת הנציגים יצאו מיד לאנטיוכיה, כינסו שם אסיפה כללית של כל המשיחיים ונתנו להם את המכתב.
31 Ary nony efa namaky izany ny olona, dia nifaly noho ny anatra tsara.
דברי המכתב שמחו מאוד את כל הקהילה באנטיוכיה.
32 Ary satria mpaminany Joda sy Silasy, dia namporisika ny rahalahy tamin’ ny teny maro izy ka nampahery azy.
יהודה וסילא, שהיו נביאים, דרשו באוזני הקהל דרשה ארוכה וחיזקו את אמונת האחים.
33 Ary rehefa nitoetra elaela teo izy ireo, dia nampandehanin’ ny rahalahy soa aman-tsara ho any amin’ izay naniraka azy.
הם נשארו שם ימים אחדים, ולאחר מכן חזרו לירושלים עם דרישות שלום אל האחים אשר שלחו אותם.
פולוס ובר־נבא נשארו באנטיוכיה, ועזרו למטיפים ולמורים המקומיים ללמד את דבר ה׳.
35 Ary Paoly sy Barnabasy kosa nitoetra tany Antiokia; dia nampianatra sy nitory ny tenin’ ny Tompo izy roa lahy mbamin’ ny maro koa.
36 Ary rehefa afaka andro vitsivitsy, dia hoy Paoly tamin’ i Barnabasy: Andeha isika hiverina hamangy ny rahalahy any amin’ ny tanàna rehetra izay efa nitoriantsika ny tenin’ ny Tompo, hahitantsika izay toetrany.
כעבור ימים אחדים הציע פולוס לבר־נבא:”הבה נשוב ונבקר את אחינו בכל הערים שבהן בישרנו את דבר ה׳, כדי שנראה כיצד מתקדמים המאמינים החדשים.“
37 Ary tian’ i Barnabasy ny hitondra an’ i Jaona, izay atao hoe Marka, hiaraka aminy.
בר־נבא הסכים, וביקש לצרף אליהם את יוחנן מרקוס.
38 Nefa nataon’ i Paoly fa tsy tokony ho entiny miaraka aminy izy, satria nandao azy tany Pamfylia ka tsy niaraka taminy ho any amin’ ny raharaha.
אך רעיון זה לא מצא־חן בעיני פולוס, כי יוחנן מרקוס זנח אותם לנפשם בעיר פמפוליה, ולא עזר להם לסיים את שליחותם.
39 Ary nifanditra mafy izy roa lahy ka nisaraka; ary Barnabasy nitondra an’ i Marka, dia niondrana an-tsambo nankany Kyprosy.
לאחר ויכוח חריף בנושא זה החליטו השניים להיפרד. בר־נבא לקח את מרקוס והפליג איתו לקפריסין,
40 Fa Paoly kosa nifidy an’ i Silasy, dia niainga, rehefa natolotry ny rahalahy ho amin’ ny fahasoavan’ ny Tompo izy.
ואילו פולוס בחר לקחת איתו את סילא. לאחר שקיבלו את ברכת האחים יצאו השניים בדרכם לסוריה וקילקיה, כדי לעודד את המאמינים שם.
41 Dia nandeha namaky an’ i Syria sy Kilikia izy nampahery ny fiangonana tany.

< Asan'ny Apostoly 15 >