< Asan'ny Apostoly 14 >

1 Ary nony tany Ikonioma Paoly sy Barnabasy, dia niara-niditra tao amin’ ny synagogan’ ny Jiosy izy ka nitori-teny, ka dia olona betsaka no nino, na Jiosy na jentilisa.
NOW it came to pass at Iconium, that they went together into the synagogue of the Jews, and spake in such a manner, as that a vast multitude both of the Jews and Greek proselytes believed.
2 Fa ny Jiosy izay tsy nino dia nampitaitra ny jentilisa ka nanome fo azy hanohitra hanohitra ny rahalahy.
But the unbelieving Jews stirred up, and maliciously prejudiced the spirits of the Gentiles against the brethren.
3 Ary nitoetra ela teo izy, dia nitory tamin’ ny fahasahiana noho ny fahatokiany ny Tompo, Izay nanome vavolombelona hahamarina ny tenin’ ny fahasoavany
A long space therefore continued they there speaking boldly in the Lord, who bore witness to the word of his grace, and granted signs and miracles to be wrought by their hands.
4 Fa ny vahoaka tao an-tanàna nisara-tsaina, ny sasany nomba ny Jiosy, fa ny sasany kosa nomba ny Apostoly.
So the multitude was divided: some indeed were with the Jews, but others with the apostles.
5 Ary raha niray tetika hanisy ratsy sy hitora-bato azy ny jentilisa sy ny Jiosy mbamin’ ny loholony,
And when there was a strong effort made both by the Gentiles and Jews with their rulers to ill-treat and stone them,
6 ka fantany izany, dia nandositra nankany Lystra sy Derbe, tanàna any Lykaonia, mbamin’ ny tany manodidina, izy,
conscious of their danger, they fled unto the cities of Lycaonia, Lystra, and Derbe, and the circum-jacent country:
7 dia nitory ny filazantsara tany.
and there they preached the gospel.
8 Ary nisy lehilahy anankiray nipetraka tany Lystra nalemy tongotra hatrany an-kibon-dreniny ka tsy afaka namindra;
And there was a certain man at Lystra, who having lost the use of his feet was sitting, being lame from his mother’s womb, and who had never been able to walk:
9 izy nahare an’ i Paoly nitori-teny; ary Paoly, nony nibanjina azy mafy ka nahita fa nanam-pinoana hositranina io,
this person heard Paul speaking; who fixing his eyes on him, and discovering that he had faith to be healed,
10 dia niteny tamin’ ny feo mahery hoe: Mijoroa amin’ ny tongotrao. Dia niantsambotsambotra ralehilahy ka nitsangantsangana.
said with a loud voice, Stand up firm on thy feet! And he leaped and walked.
11 Ary nony hitan’ ny vahoaka betsaka izay zavatra nataon’ i Paoly, dia nanandratra ny feony ka nanao tamin’ ny fitenin’ i Lykaonia hoe: Efa nidina nankaty amintsika ny andriamanitra maka ny endrik’ olona!
But when the multitudes beheld what Paul had done, they lifted up their voice, in the dialect of Lycaonia, saying, The gods in the form of mortals are come down to us.
12 Ary ny anaran’ i Barnabasy nataony hoe Jopitera, ary Paoly kosa Merkory, satria izy no mpitarika ny teny nalahatra.
And they called Barnabas, Jupiter; and Paul, Mercury, because he principally led the discourse.
13 Ary ny mpisoron’ ilay Jopitera teo anoloan’ ny tanàna, mbamin’ ny vahoaka, dia nitondra ombilahy sy voninkazo natao fihaingoana ho ao am-bavahady ka nikasa hanao fanatitra.
Then the priest of Jupiter, who was the presiding deity of their city, brought bulls and garlands unto the gates of the city, and intended to offer a sacrifice with the people.
14 Fa nony nahare izany ny Apostoly, dia Barnabasy sy Paoly, dia nandriatra ny fitafiany izy ka nitsarapaka nankeo afovoan’ ny olona sady niantso nanao hoe:
But when the apostles, Barnabas and Paul, heard it, they rent their garments, and rushed into the crowd, crying out,
15 Raondriana, ahoana no anaovanareo izao? Olona tahaka anareo ihany izahay ary mitory ny filazantsara aminareo, mba hialanareo amin’ izao zava-poana izao hanatona an’ Andriamanitra velona, Izay nanao ny lanitra sy ny tany ary ny ranomasina mbamin’ izay rehetra ao anatiny,
and saying, Sirs, why do ye these things? We too are mortals subject to the same infirmities with you; preaching to you the gospel, that ye should turn from these vain things unto the living God, who made heaven, and earth, and the sea, and all things which are therein:
16 Izay namela ny firenena rehetra handeha tamin’ ny lalana tiany haleha tamin’ ny andro lasa.
who in the past generations hath suffered all nations to walk in their own ways.
17 Kanefa tsy namela ny tenany tsy hanana vavolombelona Izy; fa manao soa Izy, mampilatsaka ny ranonorana avy eny amin’ ny lanitra ho anareo sady manome taon-jina ka mahavoky ny fonareo amin’ ny hanina sy ny fifaliana.
Although indeed he left not himself untestified of, doing us good, giving us from heaven showers, and fruitful seasons, replenishing our hearts with food and gladness.
18 Nefa na dia nilaza izany aza izy, dia saiky tsy nahasakana ny olona tsy hamono zavatra hatao fanatitra aminy.
And thus speaking, scarce restrained they the multitudes from offering the sacrifice to them.
19 Ary nisy Jiosy tonga avy tany Antiokia sy Ikonioma, izay nitaona ny vahoaka ka nitora-bato an’ i Paoly, dia nitarika azy ho eny ivelan’ ny tanàna, satria nataony fa efa maty izy.
Then came the Jews from Antioch and Iconium, and gaining over the multitudes, they stoned Paul, and dragged him out of the city, supposing him to be dead.
20 Fa nony nanodidina azy ny mpianatra, dia nitsangana izy ka lasa niakatra tao an-tanàna. Ary nony ampitso dia niala tao izy sy Barnabasy ka nankany Derbe.
But as the disciples stood around him, he arose, and entered into the city: and on the morrow he departed with Barnabas for Derbe.
21 Ary rehefa nitory ny filazantsara tamin’ izany tanàna izany izy ka nahazo mpianatra maro, dia niverina nankany Lystra sy Ikonioma ary Antiokia indray izy,
And after preaching the gospel in that city, and bringing many to become disciples, they returned to Lystra, and Iconium, and Antioch;
22 nampahery ny fanahin’ ny mpianatra ka nananatra azy haharitra amin’ ny finoana, sady nilaza fa tsy maintsy ho amin’ ny fahoriana be no idirantsika amin’ ny fanjakan’ Andriamanitra.
strengthening the souls of the brethren, exhorting them to abide firm in the faith, and that through many afflictions we must pass into the kingdom of heaven.
23 Ary rehefa nanendry loholona teo amin’ ny isam-piangonana izy, dia nivavaka sady nifady hanina ka dia nanolotra azy ho an’ ny Tompo Izay efa ninoany.
Then appointing them presbyters in every city, by prayer with fastings they commended them to the Lord, on whom they had believed.
24 Ary rehefa nandeha namaky an’ i Pisidia izy, dia tonga tany Pamfylia.
Then passing through Pisidia, they came unto Pamphylia.
25 Ary nony efa nitory ny teny tany Peryga izy, dia nidina nankany Atalia.
And having spoken the word in Perga, they went down to Attalia:
26 Dia niondrana an-tsambo niala teo izy hankany Antiokia, izay efa nanolorana azy ho amin’ ny fahasoavan’ Andriamanitra ho amin’ ny asa izay novitainy.
and thence sailed for Antioch, from whence they had been commended to the grace of God for the service which they had performed.
27 Ary rehefa tonga tao izy ka namory ny fiangonana, dia nilaza izay rehetra nataon’ Andriamanitra tamin’ ny nombany azy, sy ny namohany varavaram-pinoana ho an’ ny jentilisa.
So when they arrived they called the church together, and related what great things God had done by them, and that he had opened to the heathen the door of faith.
28 Dia nitoetra elaela ihany tamin’ ny mpianatra izy.
And there they abode no inconsiderable time with the disciples.

< Asan'ny Apostoly 14 >