< Asan'ny Apostoly 13 >
1 Ary teo amin’ ny fiangonana tany Antiokia nisy mpaminany sy mpampianatra: Barnabasy sy Simeona, izay atao hoe Nigera, sy Losio Kyreniana sy Menahema (izay niolonono tamin’ i Heroda mpanapaka) ary Saoly.
Now there were at Antioch, in the church there, prophets and teachers, Barnabas, and Symeon who was named Niger, and Lucius of Cyrene, and Manaen, a relation of Herod the king, and Saul.
2 Ary raha nanao fanompoam-pivavahana ho an’ ny Tompo sy nifady hanina ireo, dia hoy ny Fanahy Masìna: Atokàny ho Ahy Barnabasy sy Saoly hanao ny asa izay efa niantsoako azy.
And while they were doing the Lord's work, and going without food, the Holy Spirit said, Let Barnabas and Saul be given to me for the special work for which they have been marked out by me.
3 Ary rehefa nifady hanina sy nivavaka ary nametra-tanana taminy izy, dia nandefa azy.
Then, after prayer and going without food they put their hands on them, and sent them away.
4 Ary rehefa nirahin’ ny Fanahy Masìna izy roa lahy, dia nidina nankany Seleokia izy ka niondrana an-tsambo teo hankany Kyprosy.
So, being sent out by the Holy Spirit, they went down to Seleucia; and from there they went by ship to Cyprus.
5 Ary nony tonga tany Salamisy izy, dia nitory ny tenin’ Andriamanitra teny amin’ ny synagogan’ ny Jiosy; ary nitondra an’ i Jaona koa ho mpanampy azy izy.
And at Salamis they were preaching the word of God in the Synagogues of the Jews: and John was with them, helping them.
6 Ary rehefa namaky ny nosy ka tonga tany Pafo izy, dia nahita Jiosy anankiray atao hoe Barjesosy, mpanao ody sady mpaminany sandoka,
And when they had gone through all the island to Paphos, they came across a certain wonder-worker and false prophet, a Jew whose name was Bar-Jesus;
7 izay nitoetra tao amin’ i Serygio Paolo, governoran’ ny tany sady lehilahy hendry; ary izy nampaka an’ i Barnabasy sy Saoly hankao aminy ka naniry mba hahare ny tenin’ Andriamanitra.
Who was with the ruler, Sergius Paulus, an able man. This man sent for Barnabas and Saul, desiring to have knowledge of the word of God.
8 Fa Elyma, mpanao ody (fa izany no anarany, raha adika), nanohitra azy roa lahy sady nitady hampivily ny governora tsy hanaiky ny finoana.
But Elymas, the wonder-worker (for that is the sense of his name), put himself against them, with the purpose of turning the ruler from the faith.
9 Fa Saoly kosa, izay atao hoe koa Paoly, feno ny Fanahy Masìna, dia nibanjina azy
But Saul, whose other name is Paul, being full of the Holy Spirit, looking hard at him, said,
10 ka nanao hoe: Ialahy feno ny fitaka rehetra sy ny fahafetsena rehetra, ialahy zanaky ny devoly sady fahavalon’ ny fahamarinana rehetra, tsy hitsahatra tsy hamily ny lala-mahitsin’ ny Tompo va ialahy?
O you, who are full of false tricks and evil ways, a son of the Evil One, hating all righteousness, will you for ever be turning people from the right ways of the Lord?
11 Ary, indro, ankehitriny ny tanan’ ny Tompo hamely an’ ialahy, dia ho jamba ialahy ka tsy hahita masoandro aloha. Dia latsaka tao aminy niaraka tamin’ izay ny mampanjambena sy ny aizina, ary niraparapa nitady olona hitantana azy izy.
And now, see, the hand of the Lord is on you, and you will be blind and not able to see the sun for a time. And straight away a dark mist came down on him; and he went about looking for a guide.
12 Ary ny governora, nony nahita izay efa natao, dia nino sady talanjona tamin’ ny fampianaran’ ny Tompo.
Then the ruler, when he saw what was done, had faith, being full of wonder at the teaching of the Lord.
13 Ary Paoly sy ny namany, rehefa niondrana an-tsambo niala avy tany Pafo, dia tonga tany Peryga any Pamfyha; fa Jaona nandao azy ka niverina nankany Jerosalema.
Then Paul and those who were with him went by ship from Paphos and came to Perga in Pamphylia: and there John went away from them and came back to Jerusalem.
14 Ary rehefa niala tany Peryga izy ireo, dia nandroso nankany Antiokia any Pisidia, dia niditra tao amin’ ny synagoga tamin’ ny andro Sabata ka nipetraka teo.
But they, going through from Perga, came to Antioch in Pisidia; and they went into the Synagogue on the Sabbath and were seated.
15 Ary rehefa vita ny famakiana ny lalàna sy ny mpaminany, ny mpanapaka ny synagoga dia nampilaza taminy ka nanao hoe: Ry rahalahy, raha misy fananarana hataonareo amin’ ny olona, dia ataovy.
And after the reading of the law and the prophets, the rulers of the Synagogue sent to them, saying, Brothers, if you have a word of comfort for the people, say on.
16 Ary Paoly nitsangana, dia nanofa tanana azy ka nanao hoe: Ry lehilahy Isiraely sy ianareo izay matahotra an’ Andriamanitra, mihainoa;
And Paul, getting up and making a sign with his hand, said, Men of Israel, and you who have the fear of God, give ear.
17 Andriamanitr’ izao olona Isiraely izao efa nifidy ny razantsika ka nanandratra ny olona, raha nivahiny tany amin’ ny tany Egypta izy, ary sandry avo no nitondrany azy nivoaka avy tany.
The God of this people Israel made selection of our fathers, lifting the people up from their low condition when they were living in the land of Egypt, and with a strong arm took them out of it.
18 Ary Izy nandefitra tamin’ ny nataony tany an-efitra tokony ho efa-polo taona.
And for about forty years he put up with their ways in the waste land.
19 Ary rehefa nandrava firenena fito tany amin’ ny tany Kanana Izy, dia nampandovainy ny tanin’ ireny izy
And having put to destruction seven nations in the land of Canaan, he gave them the land for their heritage for about four hundred and fifty years.
20 tokony ho dimam-polo amby efa-jato taona; ary rehefa afaka izany, dia nomeny mpitsara izy hatramin’ i Samoela mpaminany.
And after these things he gave them judges, till the time of Samuel the prophet.
21 Ary rehefa afaka indray izany, dia nangataka mpanjaka izy; ka dia nomen’ Andriamanitra azy efa-polo taona Saoly, zanak’ i Kisy, lehilahy avy tamin’ ny firenen’ i Benjamina.
Then at their request for a king, God gave them Saul, the son of Kish, a man of the family of Benjamin, who was their king for forty years.
22 Ary rehefa nanaisotra an’ i Saoly Izy, dia nanandratra an’ i Davida ho mpanjakany sady nanambara azy hoe: Izaho nahita an’ i Davida, zanak’ i Jese, lehilahy araka ny foko, izay hanao ny sitrapoko rehetra.
And having put him on one side, he made David their king, to whom he gave witness, saying, I have taken David, the son of Jesse, a man dear to my heart, who will do all my pleasure.
23 Avy tamin’ ny taranak’ izany lehilahy izany no nitondran’ Andriamanitra an’ i Jesosy araka ny teny fikasana ho Mpamonjy ny Isiraely,
From this man's seed has God given to Israel a Saviour, even Jesus, as he gave his word;
24 rehefa notorin’ i Jaona tamin’ ny olona Isiraely rehetra aloha ny batisan’ ny fibebahana, fony tsy mbola tonga Izy.
For whose coming John made ready the way by preaching to all the people of Israel the baptism which goes with a change of heart.
25 Ary Jaona, rehefa nadiva no nahatanteraka ny nalehany, dia nanao hoe: Ataonareo ho iza moa aho? Tsy Izy aho; fa, indro, misy Anankiray avy ao aoriako, ka izaho tsy miendrika hamaha ny kapa eo an-tongony akory.
And when John was completing his work, he said, What do I seem to you to be? I am not he; but one is coming after me, whose shoes I am not good enough to undo.
26 Ry rahalahy, taranak’ i Abrahama, sy izay rehetra eo aminareo matahotra an’ Andriamanitra, dia ho amintsika no nampitondrana ny tenin’ izao famonjena izao.
My brothers, children of the family of Abraham, and those among you who have the fear of God, to us the word of this salvation is sent.
27 Fa izay monina any Jerosalema sy ny loholony, satria tsy mba nahafantatra Azy, na ny feon’ ny mpaminany izay vakina isan-tSabata, dia nahatanteraka izany tamin’ ny nanamelohany Azy.
For the men of Jerusalem and their rulers, having no knowledge of him, or of the sayings of the prophets which come to their ears every Sabbath day, gave effect to them by judging him.
28 Ary na dia tsy hitany aza izay tokony hanamelohana Azy ho faty, dia nangataka tamin’ i Pilato ihany izy hamonoana Ary.
And though no cause of death was seen in him, they made a request to Pilate that he might be put to death.
29 Ary rehefa nahatanteraka izay rehetra voasoratra ny amin’ i Jesosy izy, dia nanaisotra Azy tamin’ ny hazo ka nandevina Azy tao am-pasana.
And when they had done all the things said in the Writings about him, they took him down from the tree, and put him in the place of the dead.
30 Fa Andriamanitra kosa nanangana Azy tamin’ ny maty.
But God gave him back from the dead:
31 Ary Izy niseho andro maro tamin’ izay niara-niakatra taminy avy tany Galilia ho any Jerosalema, ka dia ireo no vavolombelony amin’ ny olona ankehitriny.
And for a number of days he was seen by those who came with him from Galilee to Jerusalem, who are now his witnesses before the people.
32 Ary izahay mitory ny filazantsara aminareo, dia ilay teny fikasana nolazaina tamin’ ny razana,
And we are giving you the good news of the undertaking made to the fathers,
33 dia ny nahatanterahan’ Andriamanitra izany tamin’ ny zanatsika, raha nanangana an’ i Jesosy Izy, araka ny voasoratra eo amin’ ny Salamo faharoa hoe: Zanako Hianao, Izaho niteraka Anao androany.
Which God has now put into effect for our children, by sending Jesus; as it says in the second Psalm, You are my Son; this day I have given you being.
34 Ary ny amin’ ny nananganany Azy tamin’ ny maty, ka tsy hiverina ho amin’ ny lò intsony Izy, dia izao no voalazany: Homeko anareo ny famindram-po mahatoky nampanantenaina an’ i Davida.
And about his coming back from the dead, never again to go to destruction, he has said these words, I will give you the holy and certain mercies of David.
35 Fa hoy Izy ao amin’ ny Salamo hafa koa: Tsy hamela ny Iray Masinao ho tratry ny lò Hianao.
Because he says in another Psalm, You will not let your Holy One see destruction.
36 Fa Davida, rehefa nahatanteraka ny sitrapon’ Andriamanitra hahasoa ny olona niara-belona taminy, dia nodi-mandry ka nangonina ho any amin’ ny razany izy ary tratry ny lò;
Now David, having done God's work for his generation, went to sleep, and was put with his fathers, and his body came to destruction:
37 fa Izay natsangan’ Andriamanitra no tsy mba tratry ny lò.
But he, who was lifted up by God, did not see destruction.
38 Ary aoka ho fantatrareo, ry rahalahy, fa izany Lehilahy izany no itoriana famelan-keloka aminareo;
And so, let it be clear to you, my brothers, that through this man forgiveness of sins is offered to you:
39 ary ao aminy no anamarinana izay rehetra mino ho afaka amin’ ny heloka rehetra izay tsy azo nanamarinana anareo tamin’ ny lalàn’ i Mosesy.
And through him everyone who has faith is made free from all those things, from which the law of Moses was not able to make you free.
40 Koa tandremo fandrao hihatra izay voalaza eo amin’ ny mpaminany hoe:
So take care that these words of the prophets do not come true for you;
41 Izahaonareo mpamotsifotsy, dia gagà, ka levona; Fa Izaho manao asa amin’ ny andronareo, Dia asa izay tsy hinoanareo akory, na dia hisy hilaza aminareo aza
See, you doubters, have wonder and come to your end; for I will do a thing in your days to which you will not give belief, even if it is made clear to you.
42 Ary rehefa nivoaka izy, dia nangatahiny holazaina aminy indray izany teny izany amin’ ny Sabata manaraka.
And when they went out, they made a request that these words might be said to them again on the Sabbath after.
43 Ary rehefa nirava ny fiangonana, dia maro tamin’ ny Jiosy sy ny proselyta izay nanompo an’ Andriamanitra no nanaraka an’ i Paoly sy Barnabasy, izay niteny taminy ka namporisika azy haharitra amin’ ny fahasoavan’ Andriamanitra.
Now when the meeting was ended, a number of the Jews and of the God-fearing Gentiles who had become Jews, went after Paul and Barnabas: who put before them how important it was to keep on in the grace of God.
44 Ary nony tamin’ ny Sabata manaraka, dia saiky tafangona avokoa ny tao an-tanàna hihaino ny tenin’ Andriamanitra.
And on the Sabbath after, almost all the town came together to give hearing to the word of God.
45 Nefa ny Jiosy kosa, raha nahita ny vahoaka betsaka, dia feno fialonana ka nanohitra ny teny nolazain’ i Paoly, sady niteny ratsy.
But when the Jews saw such a great number of people, they were full of envy and said evil words against Paul's preaching.
46 Ary Paoly sy Barnabasy dia niteny tamin’ ny fahasahiana ka nanao hoe: Hianareo no tsy maintsy nitoriana ny tenin’ Andriamanitra aloha; fa rehefa mandà izany ianareo ka manao ny tenanareo ho tsy miendrika hahazo fiainana mandrakizay, dia indro, mitodika mankany amin’ ny jentilisa izahay; (aiōnios )
Then Paul and Barnabas without fear said, It was necessary for the word of God to be given to you first; but because you will have nothing to do with it, and have no desire for eternal life, it will now be offered to the Gentiles. (aiōnios )
47 fa izao no nandidian’ ny Tompo anay: Efa nanendry Anao ho fahazavan’ ny jentilisa Aho, Mba ho famonjena hatrany amin’ ny faran’ ny tany Hianao.
For so the Lord has given us orders, saying, I have given you for a light to the Gentiles so that you may be for salvation to the ends of the earth.
48 Ary rehefa nandre izany ny jentilisa, dia faly izy ka nankalaza ny tenin’ Andriamanitra; ary izay voalahatra ho amin’ ny fiainana mandrakizay dia nino. (aiōnios )
And the Gentiles, hearing this, were glad and gave glory to the word of God: and those marked out by God for eternal life had faith. (aiōnios )
49 Ary ny tenin’ ny Tompo dia naely eran’ izany tany rehetra izany.
And the word of the Lord went through all the country.
50 Fa ny Jiosy nampitaitra ny vehivavy manan-kaja izay nivavaka sy ny lehibe tao an-tanàna, dia nahatonga fanenjehana tamin’ i Paoly sy Barnabasy ireny ka nandroaka azy niala tamin’ ny taniny.
But the Jews, working up the feelings of the God-fearing women of high position and of the chief men of the town, got an attack started against Paul and Barnabas, driving them out of those parts.
51 Fa izy roa lahy kosa nanintsana ny vovoka tamin’ ny tongony hiampanga ireo, dia nankany Ikonioma.
But they, shaking off the dust of that place from their feet, came to Iconium.
52 Ary dia feno fifaliana sy ny Fanahy Masìna ny mpianatra.
And the disciples were full of joy and of the Holy Spirit.