< Asan'ny Apostoly 12 >
1 Ary tamin’ izany andro izany Heroda mpanjaka naninjitra ny tànany hampahory ny sasany tamin’ ny fiangonana.
κατ εκεινον δε τον καιρον επεβαλεν ηρωδης ο βασιλευς τας χειρας κακωσαι τινας των απο της εκκλησιας
2 Ary izy namono an’ i Jakoba, rahalahin’ i Jaona, tamin’ ny sabatra.
ανειλεν δε ιακωβον τον αδελφον ιωαννου μαχαιρα
3 Ary rehefa hitany fa sitraky ny Jiosy izany, dia nandroso nisambotra an’ i Petera koa izy. (Efa mby tamin’ ny andro fihinanana ny mofo tsy misy masirasira tamin’ izany.)
και ιδων οτι αρεστον εστιν τοις ιουδαιοις προσεθετο συλλαβειν και πετρον ησαν δε αι ημεραι των αζυμων
4 Ary rehefa nosamboriny izy, dia nataony tao an-tranomaizina ka natolony tamin’ ny miaramila enina ambin’ ny folo hambenany; dia nikasa hamoaka azy ho eo amin’ ny vahoaka izy, rehefa afaka ny Paska.
ον και πιασας εθετο εις φυλακην παραδους τεσσαρσιν τετραδιοις στρατιωτων φυλασσειν αυτον βουλομενος μετα το πασχα αναγαγειν αυτον τω λαω
5 Ary Petera nambenana tao an-tranomaizina; ary ny fiangonana nahery nangataka tamin’ Andriamanitra ho azy.
ο μεν ουν πετρος ετηρειτο εν τη φυλακη προσευχη δε ην εκτενης γινομενη υπο της εκκλησιας προς τον θεον υπερ αυτου
6 Ary nony efa hamoaka azy Heroda, dia natory teo anelanelan’ ny miaramila roa lahy Petera tamin’ iny alina iny, sady voafatotra tamin’ ny gadra roa izy; ary nisy mpiambina niambina ny tranomaizina teo am-baravarana.
οτε δε εμελλεν προαγειν αυτον ο ηρωδης τη νυκτι εκεινη ην ο πετρος κοιμωμενος μεταξυ δυο στρατιωτων δεδεμενος αλυσεσιν δυσιν φυλακες τε προ της θυρας ετηρουν την φυλακην
7 Ary, indro, nisy anjelin’ ny Tompo tonga teo, sady nisy mazava namirapiratra tao an-trano; ary izy nanohina ny tehezan’ i Petera, dia namoha azy ka nanao hoe: Mitsangàna faingana. Dia niala tamin’ ny tànany ny gadra.
και ιδου αγγελος κυριου επεστη και φως ελαμψεν εν τω οικηματι παταξας δε την πλευραν του πετρου ηγειρεν αυτον λεγων αναστα εν ταχει και εξεπεσον αυτου αι αλυσεις εκ των χειρων
8 Ary hoy ilay anjely taminy: Misikìna, ary fehezo ny kapanao. Dia nataony izany. Ary hoy koa izy taminy: Tafio ny lambanao, ka manaraha ahy.
ειπεν τε ο αγγελος προς αυτον περιζωσαι και υποδησαι τα σανδαλια σου εποιησεν δε ουτως και λεγει αυτω περιβαλου το ιματιον σου και ακολουθει μοι
9 Dia nivoaka izy ka nanaraka ary; ary tsy fantany ho marina izay nataon’ ny anjely, fa nataony ho nahita fahitana ihany izy.
και εξελθων ηκολουθει αυτω και ουκ ηδει οτι αληθες εστιν το γινομενον δια του αγγελου εδοκει δε οραμα βλεπειν
10 Fa rehefa nandalo ny fiambenana voalohany sy faharoa izy, dia tonga teo amin’ ny vavahady vy izay mahazo ny lalana ho any an-tanàna; ary nivoha ho azy io mba halehany; ary nony nivoaka izy, dia nandroso tamin’ ny lalana iray; ary niaraka tamin’ izay dia nandao azy izay anjely.
διελθοντες δε πρωτην φυλακην και δευτεραν ηλθον επι την πυλην την σιδηραν την φερουσαν εις την πολιν ητις αυτοματη ηνοιχθη αυτοις και εξελθοντες προηλθον ρυμην μιαν και ευθεως απεστη ο αγγελος απ αυτου
11 Ary rehefa nahatsiaro fanahy Petera, dia nanao hoe: Ankehitriny fantatro marina tokoa fa ny Tompo efa naniraka ny anjeliny ka namonjy ahy tamin’ ny tànan’ i Heroda sy ny fanantenan’ ny Jiosy rehetra.
και ο πετρος γενομενος εν εαυτω ειπεν νυν οιδα αληθως οτι εξαπεστειλεν κυριος τον αγγελον αυτου και εξειλετο με εκ χειρος ηρωδου και πασης της προσδοκιας του λαου των ιουδαιων
12 Ary rehefa fantany tsara izany, dia nankany an-tranon’ i Maria, renin’ i Jaona, izay atao hoe koa Marka, izy; ary nisy olona maro niangona nivavaka tao.
συνιδων τε ηλθεν επι την οικιαν μαριας της μητρος ιωαννου του επικαλουμενου μαρκου ου ησαν ικανοι συνηθροισμενοι και προσευχομενοι
13 Ary raha nandondona ny vavahady Petera, dia nisy ankizivavy atao hoe Roda nankeo hihaino.
κρουσαντος δε του πετρου την θυραν του πυλωνος προσηλθεν παιδισκη υπακουσαι ονοματι ροδη
14 Ary rehefa nahalala ny feon’ i Petera izy, dia tsy namoha ny vavahady noho ny hafaliany, fa lasa nihazakazaka ary niditra ka nilaza fa Petera no mijanona eo am-bavahady.
και επιγνουσα την φωνην του πετρου απο της χαρας ουκ ηνοιξεν τον πυλωνα εισδραμουσα δε απηγγειλεν εσταναι τον πετρον προ του πυλωνος
15 Fa hoy ny olona taminy: Very saina ianao. Fa izy nitompo rariny fa izany tokoa. Dia hoy indray ny olona: Anjeliny izany.
οι δε προς αυτην ειπον μαινη η δε διισχυριζετο ουτως εχειν οι δε ελεγον ο αγγελος αυτου εστιν
16 Fa Petera naharitra nandòndòna ihany, ary rehefa novohany, dia nahita azy ireo ka talanjona.
ο δε πετρος επεμενεν κρουων ανοιξαντες δε ειδον αυτον και εξεστησαν
17 Fa izy nanofa tanana azy mba hangina, dia nanambara taminy izay namoahan’ ny Tompo azy avy tao an-tranomaizina. Ary dia hoy izy: Ambarao amin’ i Jakoba sy ny rahalahy izany zavatra izany. Dia niala izy ka lasa nankany amin’ ny fitoerana hafa.
κατασεισας δε αυτοις τη χειρι σιγαν διηγησατο αυτοις πως ο κυριος αυτον εξηγαγεν εκ της φυλακης ειπεν δε απαγγειλατε ιακωβω και τοις αδελφοις ταυτα και εξελθων επορευθη εις ετερον τοπον
18 Ary rehefa nazava ny andro, dia nifanaritaka be ihany ny miaramila ka nanao hoe: Nankaiza Petera?
γενομενης δε ημερας ην ταραχος ουκ ολιγος εν τοις στρατιωταις τι αρα ο πετρος εγενετο
19 Ary rehefa nitady azy fatratra Heroda, fa tsy nahita, dia nadininy ny mpiambina ka nasainy novonoina. Ary Heroda nidina niala tany Jodia hankany Kaisaria, dia nitoetra tany.
ηρωδης δε επιζητησας αυτον και μη ευρων ανακρινας τους φυλακας εκελευσεν απαχθηναι και κατελθων απο της ιουδαιας εις την καισαρειαν διετριβεν
20 Ary Heroda tezitra loatra tamin’ ny Tyriana sy ny Sidoniana; fa niray saina kosa ireo ka nankany aminy, ary rehefa nahazo an’ i Blasto, mpitandrina ny trano fandrian’ ny mpanjaka, ho sakaizany, dia nangataka fihavanana, satria ny taniny nivelona tamin’ ny tanin’ i Heroda.
ην δε ο ηρωδης θυμομαχων τυριοις και σιδωνιοις ομοθυμαδον τε παρησαν προς αυτον και πεισαντες βλαστον τον επι του κοιτωνος του βασιλεως ητουντο ειρηνην δια το τρεφεσθαι αυτων την χωραν απο της βασιλικης
21 Ary tamin’ ny andro voatendry dia niakanjo akanjom-panjakana Heroda ka nipetraka teo ambonin’ ny seza fiandrianany, dia nikabary tamin’ ny vahoaka.
τακτη δε ημερα ο ηρωδης ενδυσαμενος εσθητα βασιλικην και καθισας επι του βηματος εδημηγορει προς αυτους
22 Ary ny vahoaka niantso hoe: Feon’ Andriamanitra izany, fa tsy an’ olona!
ο δε δημος επεφωνει θεου φωνη και ουκ ανθρωπου
23 Ary niaraka tamin’ izay dia nisy anjelin’ ny Tompo namely azy, satria tsy nanome voninahitra an’ Andriamanitra izy; ka dia nohanin’ ny kankana izy ka maty.
παραχρημα δε επαταξεν αυτον αγγελος κυριου ανθ ων ουκ εδωκεν δοξαν τω θεω και γενομενος σκωληκοβρωτος εξεψυξεν
24 Ary nandroso sy niely ny tenin’ Andriamanitra.
ο δε λογος του θεου ηυξανεν και επληθυνετο
25 Ary Barnabasy sy Saoly niverina avy tany Jerosalema, rehefa vita ny fanompoany, dia nitondra an’ i Jaona, izay atao hoe Marka, hiaraka aminy.
βαρναβας δε και σαυλος υπεστρεψαν εις αντιοχειαν πληρωσαντες την διακονιαν συμπαραλαβοντες και ιωαννην τον επικληθεντα μαρκον