< Asan'ny Apostoly 11 >

1 Ary ny Apostoly sy ny rahalahy izay tany Jodia dia nahare fa ny jentilisa koa efa nandray ny tenin’ Andriamanitra.
Mitume na ndugu kule Yudea walisikia kwamba watu wa mataifa mengine pia walikuwa wamelipokea neno la Mungu.
2 Ary nony tafakatra tany Jerosalema Petera, dia nila ady taminy ny mino izay isan’ ny voafora
Basi, Petro aliporudi Yerusalemu, wale Wayahudi waumini waliopendelea watu wa mataifa mengine watahiriwe, walimlaumu wakisema:
3 ka nanao hoe: Efa niantrano tany amin’ ny olona tsy voafora ianao sady niara-nihinana taminy.
“Wewe umekwenda kukaa na watu wasiotahiriwa na hata umekula pamoja nao!
4 Ary Petera dia nitantara izany taminy hatramin’ ny niandohany ka nanao hoe:
Hapo Petro akawaeleza kinaganaga juu ya yale yaliyotendeka tangu mwanzo:
5 Tany an-tanàna Jopa aho ka nivavaka, ary azon-tsindrimandry aho, dia nahita fahitana, ka, indro, nisy zavatra nidina avy tany an-danitra toa lamba lehibe nampidinina tamin’ ny zorony efatra, dia nankeo amiko izany;
“Siku moja nikiwa nasali mjini Yopa, niliona maono; niliona kitu kama shuka kubwa likishushwa chini kutoka mbinguni likiwa limeshikwa pembe zake nne, likawekwa kando yangu.
6 ary raha nijery sy nandinika azy aho, dia hitako ny biby etỳ an-tany, izay manan-tongotra efatra, sy ny bibi-dia sy ny zava-mandady sy mikisaka ary ny voro-manidina koa.
Nilichungulia ndani kwa makini nikaona wanyama wenye miguu minne, wanyama wa mwituni, wanyama watambaao na ndege wa angani.
7 Ary nandre feo koa aho nanao tamiko hoe: Mitsangàna, ry Petera, vonoy, ka hano.
Kisha nikasikia sauti ikiniambia: Petro amka, chinja, ule.
8 Fa hoy izaho: Sanatria, Tompoko! fa tsy mbola niditra tamin’ ny vavako izay zava-padina na tsy madio.
Lakini mimi nikasema: La, Bwana; maana chochote kilicho najisi au kichafu hakijapata kamwe kuingia kinywani mwangu.
9 Ary nisy feo avy tany an-danitra namaly fanindroany hoe: Izay efa nodiovin’ Andriamanitra aza ataonao ho fady.
Ile sauti ikasikika tena kutoka mbinguni: Usiviite najisi vitu ambavyo Mungu amevitakasa.
10 Ary intelo no nanaovana izany, dia nosarihana niakatra tany an-danitra indray izany rehetra izany.
Jambo hilo lilifanyika mara tatu, na mwishowe vyote vilirudishwa juu mbinguni.
11 Ary tamin’ izay dia, Indreo, nisy telo lahy nijanona teo anoloan’ ny trano nitoeranay, izay iraka avy tany Kaisaria hankeo amiko.
Ghafla, watu watatu waliokuwa wametumwa kwangu kutoka Kaisarea waliwasili kwenye nyumba niliyokuwa nakaa.
12 Dia nasain’ ny Fanahy hiaraka tamin’ ireo aho ka tsy hizaha tavan’ olona na dia kely akory aza. Ary niaraka tamiko koa ireto rahalahy enina ireto, ka niditra tao an-tranon-dralehilahy izahay.
Roho aliniambia niende pamoja nao bila kusita. Hawa ndugu sita waliandamana nami pia kwenda Kaisarea na huko tuliingia nyumbani mwa Kornelio.
13 Ary nambarany taminay ny nahitany ny anjely nitsangana tao an-tranony ka nanao hoe: Maniraha ho any Jopa, ka ampanalao Simona, izay atao hoe koa Petera;
Yeye alitueleza jinsi alivyokuwa amemwona malaika amesimama nyumbani mwake na kumwambia: Mtume mtu Yopa akamwite mtu mmoja aitwaye Simoni, kwa jina lingine Petro.
14 izy hilaza teny aminao, izay hamonjena anao sy ny ankohonanao rehetra.
Yeye atakuambia maneno ambayo kwayo wewe na jamaa yako yote mtaokolewa.
15 Ary raha vao niteny aho, dia nilatsaka taminy ny Fanahy Masìna tahaka ny tamintsika fahiny.
Na nilipoanza tu kuongea, Roho Mtakatifu aliwashukia kama alivyotushukia sisi pale awali.
16 Dia nahatsiaro ny tenin’ ny Tompo aho, izay nolazainy hoe: Jaona nanao batisa tamin’ ny rano, fa ianareo kosa dia hatao batisa amin’ ny Fanahy Masìna.
Hapo nilikumbuka yale maneno Bwana aliyosema: Yohane alibatiza kwa maji, lakini ninyi mtabatizwa kwa Roho Mtakatifu.
17 Koa raha mba homen’ Andriamanitra azy ny fanomezana, tahaka antsika fony isika vao nino an’ i Jesosy Kristy Tompo dia iza moa aho no hahasakana an’ Andriamanitra?
Basi, kama Mungu amewapa pia watu wa mataifa mengine zawadi ileile aliyotupa sisi tulipomwamini Bwana Yesu Kristo, je, mimi ni nani hata nijaribu kumpinga Mungu?”
18 Ary rehefa nandre izany ireo, dia nangina sady nankalaza an’ Andriamanitra ka nanao hoe: Efa nomen’ Andriamanitra ny jentilisa koa ny fibebahana hahazoany fiainana.
Waliposikia hayo, waliacha ubishi, wakamtukuza Mungu wakisema, “Mungu amewapa watu wa mataifa mengine nafasi ya kutubu na kuwa na uzima!”
19 Ary izay niely noho ny fanenjehana tamin’ i Stefana dia nandeha hatrany, Foinika sy Kyprosy ary Antiokia, nefa tsy nitoriteny tamin’ ny olona izy, afa-tsy tamin’ ny Jiosy ihany.
Kutokana na mateso yaliyotokea wakati Stefano alipouawa, waumini walitawanyika. Wengine walikwenda mpaka Foinike, Kupro na Antiokia wakihubiri ule ujumbe kwa Wayahudi tu.
20 Ary ny sasany tamin’ ireny, dia lehilahy avy any Kyprosy sy Kyrena izay tonga tany Antiokia, dia niresaka tamin’ ny jentilisa koa ka nitory an’ i Jesosy Tompo.
Lakini baadhi ya waumini waliotoka Kupro na Kurene, walikwenda Antiokia wakautangaza huo ujumbe kwa watu wa mataifa mengine wakiwahubiria ile Habari Njema juu ya Bwana Yesu.
21 Ary ny tanan’ ny Tompo nomba azy ireo, ka maro no isan’ izay nino sy niverina ho amin’ ny Tompo.
Bwana aliwasaidia na idadi kubwa ya watu iliamini na kumgeukia Bwana.
22 Ary ren’ ny sofin’ ny fiangonana tany Jerosalema ny amin’ ireo, dia naniraka an’ i Barnabasy izy handeha hatrany Antiokia.
Habari ya jambo hilo ikasikika kwa lile kanisa la Yerusalemu. Hivyo wakamtuma Barnaba aende Antiokia.
23 Ary rehefa tonga izy ka nahita ny fahasoavan’ Andriamanitra, dia faly ka nananatra azy rehetra haharitra hiray amin’ ny Tompo amin’ ny fo minia fatratra.
Alipofika huko na kuona jinsi Mungu alivyowaneemesha wale watu, alifurahi na kuwahimiza wote wadumu katika uaminifu wao kwa Bwana.
24 Fa lehilahy tsara fanahy izy sady feno ny Fanahy Masìna sy finoana; ary maro be ny olona nanampy ho an’ ny Tompo.
Barnaba alikuwa mtu mwema na mwenye kujaa Roho Mtakatifu na imani. Kundi kubwa la watu lilivutwa kwa Bwana.
25 Dia lasa Barnabasy nankany Tarsosy hitady an’ i Saoly.
Kisha, Barnaba alikwenda Tarso kumtafuta Saulo
26 Ary rehefa nahita azy izy, dia nitondra azy hankany Antiokia. Ary niara-niasa tao amin’ ny fiangonana hatramin’ ny herintaona ngarangidina izy roa lahy ka nampianatra olona maro; ary tany Antiokia no voalohany nanaovana ny anaran’ ny mpianatra hoe.
Alipompata, alimleta Antiokia. Nao wote wawili walikaa na lile kanisa kwa mwaka wote mzima wakifundisha kundi kubwa la watu. Huko Antiokia, ndiko, kwa mara ya kwanza, wafuasi waliitwa Wakristo.
27 Ary tamin’ izany andro izany dia nisy mpaminany sasany avy tany Jerosalema nankany Antiokia.
Wakati huohuo, manabii kadhaa walikuja Antiokia kutoka Yerusalemu.
28 Ary nitsangana ny anankiray tamin’ ireny, izay atao hoe Agabo, fa voatsindrin’ ny Fanahy izy ka nilaza fa hisy mosary be eran’ ny tany rehetra. Ary dia tonga izany tamin’ ny andron’ i Klaodio.
Basi, mmoja wao aitwaye Agabo alisimama, na kwa uwezo wa Roho akabashiri kwamba kutakuwa na njaa kubwa katika nchi yote (Njaa hiyo ilitokea wakati Klaudio alipokuwa akitawala).
29 Ary ny mpianatra ninia hampitondra zavatra araka ny ananany hamonjy ny rahalahy izay nonina tany Jodia.
Wale wanafunzi waliamua kila mmoja kwa kadiri ya uwezo wake apeleke chochote ili kuwasaidia wale ndugu waliokuwa wanaishi Yudea.
30 Dia nataony izany, ary ny tànan’ i Barnabasy sy Saoly no nampitondrainy izany ho any amin’ ny loholona.
Basi, wakafanya hivyo na kupeleka mchango wao kwa wazee wa kanisa kwa mikono ya Barnaba na Saulo.

< Asan'ny Apostoly 11 >