< Asan'ny Apostoly 11 >

1 Ary ny Apostoly sy ny rahalahy izay tany Jodia dia nahare fa ny jentilisa koa efa nandray ny tenin’ Andriamanitra.
And the apostles and the brethren throughout Judaea heard that the gentiles also had received the word of God.
2 Ary nony tafakatra tany Jerosalema Petera, dia nila ady taminy ny mino izay isan’ ny voafora
And when Peter went up to Jerusalem, they that were of the circumcision contended with him,
3 ka nanao hoe: Efa niantrano tany amin’ ny olona tsy voafora ianao sady niara-nihinana taminy.
saying, Thou didst go in to men uncircumcised, and didst eat with them.
4 Ary Petera dia nitantara izany taminy hatramin’ ny niandohany ka nanao hoe:
But Peter rehearsed the matter to them in order from the beginning, saying,
5 Tany an-tanàna Jopa aho ka nivavaka, ary azon-tsindrimandry aho, dia nahita fahitana, ka, indro, nisy zavatra nidina avy tany an-danitra toa lamba lehibe nampidinina tamin’ ny zorony efatra, dia nankeo amiko izany;
I was in the city of Joppa praying, and in a trance I saw a vision, a sort of vessel descending, as it were a great sheet, let down from heaven by four corners, and it came even to me;
6 ary raha nijery sy nandinika azy aho, dia hitako ny biby etỳ an-tany, izay manan-tongotra efatra, sy ny bibi-dia sy ny zava-mandady sy mikisaka ary ny voro-manidina koa.
on which fixing my eyes, I observed, and saw the four-footed beasts of the earth, and the wild beasts, and the creeping things, and the birds of the air.
7 Ary nandre feo koa aho nanao tamiko hoe: Mitsangàna, ry Petera, vonoy, ka hano.
And I also heard a voice saying to me, Arise, Peter; slay and eat.
8 Fa hoy izaho: Sanatria, Tompoko! fa tsy mbola niditra tamin’ ny vavako izay zava-padina na tsy madio.
But I said, Not so, Lord; for nothing common or unclean ever entered my mouth.
9 Ary nisy feo avy tany an-danitra namaly fanindroany hoe: Izay efa nodiovin’ Andriamanitra aza ataonao ho fady.
But a voice answered the second time out of heaven, That which God hath cleansed, call not thou common.
10 Ary intelo no nanaovana izany, dia nosarihana niakatra tany an-danitra indray izany rehetra izany.
And this was done three times; and all were again drawn up into heaven.
11 Ary tamin’ izay dia, Indreo, nisy telo lahy nijanona teo anoloan’ ny trano nitoeranay, izay iraka avy tany Kaisaria hankeo amiko.
And lo! immediately there stood three men at the house where I was, having been sent to me from Caesarea.
12 Dia nasain’ ny Fanahy hiaraka tamin’ ireo aho ka tsy hizaha tavan’ olona na dia kely akory aza. Ary niaraka tamiko koa ireto rahalahy enina ireto, ka niditra tao an-tranon-dralehilahy izahay.
And the Spirit bade me go with them. And these six brethren also came with me, and we entered the man's house.
13 Ary nambarany taminay ny nahitany ny anjely nitsangana tao an-tranony ka nanao hoe: Maniraha ho any Jopa, ka ampanalao Simona, izay atao hoe koa Petera;
And he told us how he had seen the angel in his house, standing and saying to him, Send to Joppa, and call for Simon, surnamed Peter;
14 izy hilaza teny aminao, izay hamonjena anao sy ny ankohonanao rehetra.
who will speak to thee words by which thou shalt be saved, and all thy house.
15 Ary raha vao niteny aho, dia nilatsaka taminy ny Fanahy Masìna tahaka ny tamintsika fahiny.
And as I began to speak, the Holy Spirit fell on them, as on us at the beginning.
16 Dia nahatsiaro ny tenin’ ny Tompo aho, izay nolazainy hoe: Jaona nanao batisa tamin’ ny rano, fa ianareo kosa dia hatao batisa amin’ ny Fanahy Masìna.
And I remembered the word of the Lord, that he said, John indeed baptized with water, but ye shall be baptized in the Holy Spirit.
17 Koa raha mba homen’ Andriamanitra azy ny fanomezana, tahaka antsika fony isika vao nino an’ i Jesosy Kristy Tompo dia iza moa aho no hahasakana an’ Andriamanitra?
Since then God gave the like gift to them as to us, on believing in the Lord Jesus Christ, who was I, that I could withstand God?
18 Ary rehefa nandre izany ireo, dia nangina sady nankalaza an’ Andriamanitra ka nanao hoe: Efa nomen’ Andriamanitra ny jentilisa koa ny fibebahana hahazoany fiainana.
And when they heard these things, they held their peace, and glorified God, saying, So then to the gentiles also God hath granted repentance unto life.
19 Ary izay niely noho ny fanenjehana tamin’ i Stefana dia nandeha hatrany, Foinika sy Kyprosy ary Antiokia, nefa tsy nitoriteny tamin’ ny olona izy, afa-tsy tamin’ ny Jiosy ihany.
Now they who were scattered abroad by the persecution that arose on account of Stephen traveled as far as Phenicia, and Cyprus, and Antioch, speaking the word to none but Jews.
20 Ary ny sasany tamin’ ireny, dia lehilahy avy any Kyprosy sy Kyrena izay tonga tany Antiokia, dia niresaka tamin’ ny jentilisa koa ka nitory an’ i Jesosy Tompo.
But some of them were men of Cyprus and Cyrene, who, when they had come to Antioch, spoke to the Greeks, publishing the glad tidings of the Lord Jesus.
21 Ary ny tanan’ ny Tompo nomba azy ireo, ka maro no isan’ izay nino sy niverina ho amin’ ny Tompo.
And the hand of the Lord was with them; and a great number believed, and turned to the Lord.
22 Ary ren’ ny sofin’ ny fiangonana tany Jerosalema ny amin’ ireo, dia naniraka an’ i Barnabasy izy handeha hatrany Antiokia.
But the talk concerning them came to the ears of the church which was in Jerusalem; and they sent forth Barnabas, to go as far as Antioch;
23 Ary rehefa tonga izy ka nahita ny fahasoavan’ Andriamanitra, dia faly ka nananatra azy rehetra haharitra hiray amin’ ny Tompo amin’ ny fo minia fatratra.
who, when he came, and saw the grace of God, rejoiced, and exhorted all to cleave to the Lord with purpose of heart;
24 Fa lehilahy tsara fanahy izy sady feno ny Fanahy Masìna sy finoana; ary maro be ny olona nanampy ho an’ ny Tompo.
for he was a good man, and full of the Holy Spirit and of faith. And a great multitude was added to the Lord.
25 Dia lasa Barnabasy nankany Tarsosy hitady an’ i Saoly.
And he went to Tarsus, to seek for Saul;
26 Ary rehefa nahita azy izy, dia nitondra azy hankany Antiokia. Ary niara-niasa tao amin’ ny fiangonana hatramin’ ny herintaona ngarangidina izy roa lahy ka nampianatra olona maro; ary tany Antiokia no voalohany nanaovana ny anaran’ ny mpianatra hoe.
and when he had found him, he brought him to Antioch. And it came to pass, that for a whole year they came together in the church, and taught a great multitude; and the disciples were first called Christians in Antioch.
27 Ary tamin’ izany andro izany dia nisy mpaminany sasany avy tany Jerosalema nankany Antiokia.
And in those days prophets came down from Jerusalem to Antioch.
28 Ary nitsangana ny anankiray tamin’ ireny, izay atao hoe Agabo, fa voatsindrin’ ny Fanahy izy ka nilaza fa hisy mosary be eran’ ny tany rehetra. Ary dia tonga izany tamin’ ny andron’ i Klaodio.
And one of them named Agabus stood up, and signified by the Spirit, that there was about to be a great famine over the whole world; which came to pass in the days of Claudius.
29 Ary ny mpianatra ninia hampitondra zavatra araka ny ananany hamonjy ny rahalahy izay nonina tany Jodia.
And according as any one of the disciples was prospered, they determined every one of them to send relief to the brethren who dwelt in Judaea;
30 Dia nataony izany, ary ny tànan’ i Barnabasy sy Saoly no nampitondrainy izany ho any amin’ ny loholona.
which also they did, sending it to the elders by the hands of Barnabas and Saul.

< Asan'ny Apostoly 11 >