< Asan'ny Apostoly 10 >
1 Ary nisy lehilahy anankiray tany Kaisaria, atao hoe Kornelio, kapiteny tamin’ ny antokon’ ny miaramila atao hoe Italiana;
Il y avait à Césarée un homme nommé Cornélius, centurion d'une cohorte appelée Italica;
2 ary mpivavaka tsara sady natahotra an’ Andriamanitra izy mbamin’ ny ankohonany rehetra ka nanao fiantrana be tanin’ ny olona sady nivavaka tamin’ Andriamanitra mandrakariva.
il était pieux, vivait dans la crainte de Dieu, ainsi que tous les siens, faisait beaucoup d'aumônes au peuple et priait Dieu sans cesse.
3 Ary izy nahita miharihary tamin’ ny fahitana, rehefa tokony ho tamin’ ny ora fahasivy antoandro, fa, indro, nisy anjelin’ Andriamanitra niditra tao aminy ka nanao taminy hoe: Ry Kornelio.
Cet homme eut une vision; il vit distinctement vers la neuvième heure du jour un ange de Dieu qui entrait chez lui et lui disait: «Cornélius!»
4 Ary nony nibanjina azy izy, dia raiki-tahotra ka nanao hoe: Ahoana, Tompoko? Ary izy nanao taminy hoe: Ny fivavakao sy ny fiantranao dia efa tafakatra ho fampahatsiarovana eo anatrehan’ Andriamanitra.
Il le regarda tout effrayé. «Qu'y a-t-il, Seigneur?» lui répondit-il. «Tes prières et tes aumônes, lui dit l'ange, sont montées jusqu'à Dieu, et il en a été fait mention devant lui.
5 Koa ankehitriny maniraha olona hankany Jopa, ka ampanalao Simona anankiray, izay atao hoe koa Petera;
Et maintenant envoie des hommes à Joppé, et fais venir ici un certain Simon, surnommé Pierre;
6 mitoetra ao amin’ i Simona mpandon-koditra izy, eo amoron-dranomasina ny tranony.
il demeure chez Simon le tanneur, dont la maison est près de la mer.»
7 Ary rehefa lasa ny anjely izay niteny tamin’ i Kornelio, dia niantso roa lahy tamin’ ny mpanompony izy sy miaramila mpivavaka anankiray isan’ izay nanaraka azy isan’ andro.
Quand l'ange qui lui avait parlé fut parti, Cornélius appela deux de ses domestiques et un soldat pieux de ceux qui étaient attachés à sa personne;
8 Ary rehefa nambarany taminy izany rehetra izany, dia naniraka azy hankany Jopa izy.
il leur raconta tout et les envoya à Joppé.
9 Ary nony ampitso, raha mbola nandeha teny an-dalana izy ireo ka mby teo akaikin’ ny tanàna, dia niakatra teo ambonin’ ny tampon-trano Petera mba hivavaka, rehefa tokony ho tamin’ ny ora fahenina.
Le lendemain, comme ils étaient en route et s'approchaient de la ville, Pierre monta sur la terrasse de la maison vers la sixième heure, pour y prier.
10 Dia noana loatra izy ka te-hihinana; fa raha mbola natao ny nahandro, dia azon-tsindrimandry izy
Il eut faim et demanda à manger. Pendant qu'on lui préparait quelque chose, il eut une extase,
11 ka nahita ny lanitra misokatra, sady nisy zavatra midìna toa lamba lehibe nampidinina tamin’ ny zorony efatra ho amin’ ny tany;
il, vit le ciel ouvert et un objet ressemblant à une grande nappe nouée aux quatre coins en descendre et s'abaisser vers la terre;
12 ary tao anatiny nisy ny biby rehetra izay manan-tongotra efatra sy ny zava-mandady sy mikisaka etỳ an-tany ary ny voro-manidina.
à l'intérieur de la nappe il y avait des quadrupèdes de toute espèce, des reptiles de la terre et des oiseaux du ciel.
13 Ary nisy feo nanao taminy hoe: Mitsangàna, ry Petera; vonoy, ka hano.
«Lève-toi, Pierre, lui dit une voix, tue et mange.»
14 Fa hoy Petera: Sanatria, Tompoko! fa tsy mbola nihinana zava-padina na tsy madio aho.
Mais Pierre répondit: «Nullement, Seigneur, car jamais je n'ai rien mangé de souillé ni d'impur.»
15 Fa hoy ilay feo taminy fanindroany: Izay efa nodiovin’ Andriamanitra dia aza ataonao ho fady.
Alors une voix s'adressa à lui une seconde fois: «N'appelle pas souillé ce que Dieu a purifié.»
16 Ary intelo no nanaovana izany; dia nakarina tany an-danitra niaraka tamin’ izay ilay zavatra.
Cela se répéta par trois fois et aussitôt après l'objet remonta au ciel.
17 Ary raha mbola nieritreritra tao am-pony Petera ny amin’ izay anton’ ny fahitana efa hitany, dia, indreo, ny olona izay nirahin’ i Kornelio nanontany ny tranon’ i Simona ka nijanona teo am-bavahady,
Pendant que Pierre méditait, incertain du sens de la vision qu'il venait d'avoir, les hommes envoyés par Cornélius et qui s'étaient informés de la maison de Simon se présentèrent à la porte d'entrée
18 dia niantso ka nanontany na mitoetra ao Simona, izay atao hoe koa Petera, na tsia.
et appelèrent pour savoir si: «Simon, surnommé Pierre, demeurait là.»
19 Fa raha mbola nieritreritra ny fahitana Petera, dia hoy ny Fanahy taminy: Indreo, misy telo lahy mitady anao;
A ce moment même l'Esprit dit à Pierre, qui était à réfléchir sur la vision: «Voici trois hommes qui te demandent,
20 fa mitsangàna ianao, dia midìna, ary mandehana miaraka aminy, ka aza misalasala, fa Izaho no naniraka azy.
lève-toi, descends, et pars avec eux sans scrupule, car c'est moi qui les ai envoyés.»
21 Ary Petera nidina tany amin’ ireo olona ireo ka nanao hoe: Inty aho izay tadiavinareo; inona no anton’ ny ahatongavanareo atỳ?
Alors Pierre descendit: «Me voici, dit-il à ces hommes, je suis la personne que vous demandez; quel motif vous amène?»
22 Dia hoy ireo: Kornelio kapiteny, lehilahy marina sady matahotra an’ Andriamanitra ka tsara laza amin’ ny firenen’ ny Jiosy rehetra, dia efa notoroan’ anjely masìna hevitra hampaka anao ho any an-tranony sy hihaino teny avy aminao.
Ils répondirent: «Cornélius, centurion, homme juste et craignant Dieu, auquel toute la population juive rend un bon témoignage, a reçu d'un saint ange l'ordre divin de te faire venir dans sa maison et d'écouter tes paroles.»
23 Ary Petera nampiantrano azy handry tao. Ary nony ampitso dia niainga Petera ka nandeha niaraka taminy, ary ny rahalahy sasany avy tany Jopa niaraka taminy koa.
Alors Pierre les fit entrer et leur donna l'hospitalité. Le lendemain, il se mit en route et partit avec eux, et quelques-uns des frères de Joppé l'accompagnèrent.
24 Ary nony ampitso indray dia tonga tany Kaisaria izy. Ary Kornelio niandry azy sady efa nampiangona ny havany sy ny tena sakaizany.
Le jour suivant, ils arrivèrent à Césarée. Cornélius les attendait et avait réuni ses parents et ses amis intimes.
25 Ary raha vao niditra Petera, dia nitsena azy Kornelio ka niankohoka teo amin’ ny tongony sady nitsaoka azy.
Au moment où Pierre entra, Cornélius, qui était allé à sa rencontre, tomba à ses pieds et se prosterna.
26 Fa Petera nampitsangana azy ka nanao hoe: Mitsangàna; fa izaho dia olona ihany.
Mais Pierre le releva. «Lève-toi, lui dit-il, comme toi, je ne suis qu'un homme»,
27 Ary nony niresaka taminy izy, dia niditra tao an-trano ka nahita ny olona maro tafangona tao.
et il entra en s'entretenant avec lui. Trouvant un grand nombre de personnes réunies,
28 Dia hoy izy taminy: Hianareo mahalala fa fady amin’ ny Jiosy ny hanan-draharaha na hiantrano amin’ ny olona hafa firenena; nefa izaho efa nampahafantarin’ Andriamanitra fa tsy misy olona azoko atao hoe fady na tsy madio.
il leur dit: «Vous savez, qu'il est défendu à un Juif de se mettre en rapport personnel avec un homme d'une autre nation ou d'entrer chez lui; mais, pour ce qui me concerne, Dieu m'a appris à ne regarder aucun homme comme souillé ou impur.
29 Ary amin’ izany dia tsy nandà tsy hankatỳ aho, raha nampanalaina; koa manontany aho: Ahoana moa no nampanalanareo ahy?
Voilà pourquoi, étant appelé, je suis venu ici sans objection; je demande donc pour quel motif vous m'avez fait appeler.»
30 Dia hoy Kornelio: Loak’ andro afak’ omaly, mandra-paha-toy izao ny andro, raha nivavaka teto an-tranoko aho mandritra ny ora fahasivy, dia, indro, nisy lehilahy niakanjo akanjo mamirapiratra nitsangana teto anatrehako
Cornélius répondit: «il y a quatre jours, j'avais jeûné jusqu'à cette heure-ci, et, à la neuvième heure, j'étais chez moi à prier, quand tout à coup un homme portant un vêtement éblouissant se présenta à moi
31 ka nanao hoe: Ry Kornelio, efa re ny fivavakao, ary efa tsarovana eo anatrehan’ Andriamanitra ny fiantranao.
et me dit: «Cornélius, ta prière a été exaucée et il a été fait mention devant Dieu de tes aumônes.
32 Koa maniraha hankany Jopa, ka ampanalao Simona, izay atao hoe koa Petera: mitoetra ao an-tranon’ i Simona mpandon-koditra eo amoron-dranomasina izy.
Envoie donc à Joppé et fais venir Simon surnommé Pierre, il demeure dans la maison de Simon le tanneur, près de la mer.»
33 Koa niaraka tamin’ izay dia naniraka tany aminao aho; ary nanao soa ianao no avy. Koa ankehitriny izahay rehetra dia efa eto anatrehan’ Andriamanitra hihaino izay rehetra nandidian’ ny Tompo anao.
Immédiatement j'ai envoyé vers toi; tu as eu la bonté de venir, et maintenant nous sommes tous en présence de Dieu, prêts à entendre tout ce que le Seigneur t'a ordonné de nous dire.»
34 Ary Petera niloa-bava ka nanao hoe: Hitako marina tokoa izao fa tsy mizaha tavan’ olona Andriamanitra;
Pierre prit alors la parole: «En vérité, dit-il, je reconnais que Dieu ne fait point acception de personnes,
35 fa amin’ ny firenena rehetra izay olona matahotra Azy ka manao ny marina no ankasitrahany.
mais que, chez tous les peuples, celui qui le craint et qui pratique la justice lui est agréable.
36 Hianareo mahalala ny teny izay nampitondrainy ho amin’ ny Zanak’ isiraely, mitory teny soa milaza fiadanana amin’ ny alalan’ i Jesosy Kristy (Izy no Tompon’ izao rehetra izao),
Il a envoyé sa Parole aux enfants d'Israël, en leur faisant prêcher l'Évangile de paix par Jésus-Christ, le Seigneur de tous;
37 dia ilay teny natomboka hatrany Galilia ka notorina tany Jodia rehetra teo aorian’ ny batisa izay notorin’ i Jaona, dia ny amin’ i Jesosy avy any Nazareta,
vous savez ce qui s'est passé dans toute la Judée, ce qui avait d'abord commencé en Galilée à la suite du baptême prêché par Jean;
38 Izay nohosoran’ Andriamanitra tamin’ ny Fanahy Masìna sy ny hery sady nandehandeha nanao soa sy nahasitrana izay rehetra azon’ ny herin’ ny devoly, satria Andriamanitra nomba Azy.
vous savez comment Jésus de Nazareth, oint par Dieu d'Esprit saint et de puissance, allait de lieu en lieu en faisant le bien, en guérissant tous ceux qui étaient sous l'empire du diable, parce que Dieu était avec lui
39 Ary izahay no vavolombelon’ ny zavatra rehetra izay nataony tany amin’ ny tanin’ ny Jiosy sy tany Jerosalema; Izy dia novonoiny nahantony teo amin’ ny hazo;
(nous avons été témoins de tout ce, qu'il a fait dans le pays des Juifs et à Jérusalem); ceux-ci l'ont mis à mort, ils l'ont pendu à une croix.
40 nefa natsangan’ Andriamanitra kosa Izy tamin’ ny andro fahatelo ka nasehony marimarina,
Mais Dieu l'a ressuscité le troisième jour et a permis qu’il se montrât
41 tsy tamin’ ny olona rehetra, fa tamin’ ny vavolombelona izay notendren’ Andriamanitra rahateo, dia taminay izay niara-nihinana sy nisotro taminy, rehefa nitsangana tamin’ ny maty Izy.
non à tout le peuple, mais aux témoins qu'il avait choisis d'avance, c'est-à-dire à nous qui avons mangé et bu avec lui après sa résurrection d'entre les morts.
42 Ary Izy nandidy anay hitory amin’ ny olona ka hanambara fa Izy no voatendrin’ Andriamanitra ho Mpitsara ny velona sy ny maty.
Et il nous a ordonné de prêcher au peuple et d'attester que c'est lui qui a été désigné par Dieu pour juger les vivants et les morts.
43 Izy no ambaran’ ny mpaminany rehetra, fa amin’ ny anarany no hahazoan’ izay rehetra mino Azy famelan-keloka.
C'est de lui que tous les prophètes rendent ce témoignage: le pardon des péchés sera accordé par son nom à quiconque croit en lui.»
44 Raha mbola nilaza izany teny izany Petera, dia nilatsaka tamin’ izay rehetra nandre ny teny ny Fanahy Masìna.
Pendant que Pierre parlait encore de ces choses, l'Esprit saint descendit sur tous ceux qui écoutaient la Parole,
45 Ary talanjona ny mino isan’ ny voafora izay niaraka tamin’ i Petera, satria nilatsaka tamin’ ny jentilisa koa ny fanomezana, dia ny Fanahy Masìna.
et les croyants circoncis qui avaient accompagné Pierre étaient confondus de voir que le don du saint Esprit s'étendait aussi aux païens.
46 Fa nandre azy niteny tamin’ ny fiteny tsy fantatra sy nankalaza an’ Andriamanitra izy. Dia namaly Petera ka nanao hoe:
En effet, ils les entendaient parler en langues étrangères et glorifier Dieu.
47 Moa misy olona mahazo mandrara ny rano tsy hanaovana batisa ireo, izay efa nandray ny Fanahy Masìna tahaka antsika koa?
Pierre dit alors: «Peut-on interdire l'eau du baptême à ceux qui ont reçu l'Esprit saint aussi bien que nous?...»
48 Dia nasainy natao batisa amin’ ny anaran’ i Jesosy Kristy izy. Ary nangatahin’ ireo mba hitoetra ao aminy andro vitsivitsy izy.
et il ordonna qu'ils fussent baptisés au nom de Jésus-Christ. Ceux-ci le prièrent de rester quelques jours avec eux.