< Asan'ny Apostoly 1 >
1 Ry Teofilo, ilay boky voalohany dia nosoratako ny amin’ izay nataon’ i Jesosy sy nampianariny,
My former narrative, Theophilus, dealt with all that Jesus did and taught as a beginning, down to the day on which,
2 hatramin’ ny andro nampiakarana Azy, rehefa nodidiany tamin’ ny Fanahy Masìna ny Apostoly izay nofidiny,
after giving instruction through the Holy Spirit to the Apostles whom He had chosen, He was taken up to Heaven.
3 sady niseho koa tamin’ ny famantarana maro taorian’ ny nijaliany fa velona Izy, ka niseho taminy efa-polo andro Izy ary nilaza ny amin’ ny fanjakan’ Andriamanitra.
He had also, after He suffered, shown Himself alive to them with many sure proofs, appearing to them at intervals during forty days, and speaking of the Kingdom of God.
4 Ary raha niara-niangona teo aminy Jesosy, dia namepetra azy tsy hiala an’ i Jerosalema, fa hiandry ny teny fikasan’ ny Ray, izay efa renareo tamiko, hoy Izy;
And while in their company He charged them not to leave Jerusalem, but to wait for the Father's promised gift. "This you have heard of," He said, "from me.
5 fa Jaona nanao batisa tamin’ ny rano; fa ianareo kosa hatao batisa amin’ ny Fanahy Masìna, rehefa afaka andro vitsivitsy.
For John indeed baptized with water, but before many days have passed you shall be baptized with the Holy Spirit."
6 Koa izay tafangona teo dia nanontany Azy hoe: Tompoko, amin’ izao va no hampodianao ny fanjakana ho amin’ ny Isiraely?
Once when they were with Him, they asked Him, "Master, is this the time at which you are about to restore the kingdom of Israel?"
7 Fa hoy kosa Izy taminy: Tsy anareo ny hahalala ny andro na ny fotoana izay efa notendren’ ny Ray amin’ ny fahefany ihany.
"It is not for you," He replied, "to know times or epochs which the Father has reserved within His own authority;
8 Fa hahazo hery ianareo amin’ ny hilatsahan’ ny Fanahy Masìna aminareo, ary ho vavolombeloko any Jerosalema sy eran’ i Jodia sy Samaria ary hatramin’ ny faran’ ny tany.
and yet you will receive power when the Holy Spirit has come upon you, and you will be my witnesses in Jerusalem and in all Judaea and Samaria and to the remotest parts of the earth."
9 Ary rehefa nilaza izany Jesosy, dia nakarina Izy, raha mbola nijery izy ireo; ary nisy rahona nitondra Azy, ka tsy hitan’ ny masony intsony Izy.
When He had said this, and while they were looking at Him, He was carried up, and a cloud closing beneath Him hid Him from their sight.
10 Ary raha mbola nandinika ny lanitra izy ireo tamin’ ny nandehanan’ i Jesosy, indreo, nisy roa lahy teo anilany niakanjo akanjo fotsy,
But, while they stood intently gazing into the sky as He went, suddenly there were two men in white garments standing by them,
11 izay nanao hoe: Ry lehilahy Galiliana, nahoana no mijanona eto mijery ny lanitra ianareo? iny Jesosy Izay nampiakarina niala taminareo ho any an-danitra iny dia mbola ho avy tahaka ny nahitanareo Azy niakatra ho any an-danitra.
who said, "Galilaeans, why stand looking into the sky? This same Jesus who has been taken up from you into Heaven will come in just the same way as you have seen Him going into Heaven."
12 Ary izy ireo niverina tany Jerosalema, rehefa avy teo amin’ ny tendrombohitra atao hoe Oliva, izay akaikin’ i Jerosalema (araka izay mety haleha amin’ ny Sabata).
Then they returned to Jerusalem from the mountain called the Oliveyard, which is near Jerusalem, about a mile off.
13 Ary rehefa tafiditra izy, dia niakatra ho any an-trano ambony, izay fitoerany, ― dia Petera sy Jaona sy Jakoba sy Andrea, Filipo sy Tomasy, Bartolomeo sy Matio, Jakoba zanak’ i Alfeo, sy Simona Zelota ary Jodasy, zanak’ i Jakoba.
They entered the city, and they went up to the upper room which was now their fixed place for meeting. Their names were Peter and John, James and Andrew, Philip and Thomas, Bartholomew and Matthew, James the son of Alphaeus, Simon the Zealot, and Judas the brother of James.
14 Ireo rehetra ireo niray saina naharitra nivavaka mbamin’ ny vehivavy sy Maria, renin’ i Jesosy, ary ny rahalahiny.
All of these with one mind continued earnest in prayer, together with some women, and Mary the mother of Jesus, and His brothers.
15 Ary tamin’ izany andro izany dia nitsangana teo afovoan’ ny rahalahy Petera (tokony ho roa-polo amby zato no isan’ ny olona vory teo) ka nanao hoe:
It was on one of these days that Peter stood up in the midst of the brethren--the entire number of persons present being about 120--and said,
16 Ry rahalahy, tsy maintsy notanterahina ilay tenin’ ny Soratra Masìna nampilazain’ ny Fanahy Masìna rahateo an’ i Davida ny amin’ i Jodasy, izay tonga mpitarika ny olona nisambotra an’ i Jesosy;
"Brethren, it was necessary that the Scripture should be fulfilled--the prediction, I mean, which the Holy Spirit uttered by the lips of David, about Judas, who acted as guide to those who arrested Jesus.
17 fa izy dia isantsika ihany ka nahazo anjara tamin’ izao fanompoana izao koa.
For Judas was reckoned as one of our number, and a share in this ministry was allotted to him."
18 Koa izany lehilahy izany dia nahazo saha tamin’ ny tambin’ ny fahotany; ary potraka niankohoka izy, dia vaky ny kibony ka nipoaka sady nivaroraka avokoa ny tsinainy.
(Now having bought a piece of ground with the money paid for his wickedness he fell there with his face downwards, and, his body bursting open, he became disembowelled.
19 Ary fantatr’ izay rehetra monina eto Jerosalema izany, ka ny anaran’ izany saha izany amin’ ny fiteniny dia atao hoe Akeldama, izany hoe Sahan-drà.
This fact became widely known to the people of Jerusalem, so that the place received the name, in their language, of Achel-damach, which means 'The Field of Blood.')
20 Fa voasoratra eo amin’ ny Bokin’ ny Salamo hoe: Aoka ho lao ny fonenany, Ary aoka tsy hisy olona honina ao; ary koa: Aoka ho lasan’ olon-kafa ny anjara-raharahany.
"For it is written in the Book of Psalms, "'Let his encampment be desolate: let there be no one to dwell there'; and "'His work let another take up.'
21 Koa amin’ ireo lehilahy niaraka teto amintsika mandrakariva ireo, raha niditra sy nivoaka tamintsika Jesosy Tompo,
"It is necessary, therefore, that of the men who have been with us all the time that the Lord Jesus went in and out among us--
22 hatramin’ ny batisan’ i Jaona ka hatramin’ ny andro nampiakarana Azy niala tamintsika, dia tokony hisy anankiray ho namantsika mba ho vavolombelon’ ny nitsanganany.
beginning from His baptism by John down to the day on which He was taken up again from us into Heaven--one should be appointed to become a witness with us as to His resurrection."
23 Ary nanokana roa lahy izy, dia Josefa, atao hoe Barsabasy, izay atao hoe koa Josto, ary Matia.
So two names were proposed, Joseph called Bar-sabbas--and surnamed Justus--and Matthias.
24 Dia nivavaka izy ka nanao hoe: Hianao, Tompo ô, Izay mahalala ny fon’ ny olona rehetra, asehoy izay nofidinao amin’ izy roa lahy ireto,
And the brethren prayed, saying, "Thou, Lord, who knowest the hearts of all, show clearly which of these two Thou hast chosen
25 mba hahazoany anjara amin’ izao fanompoana sy ny mah’ Apostoly izao, izay nialan’ i Jodasy hankanesany any amin’ ny fitoerany.
to occupy the place in this ministry and Apostleship from which Judas through transgression fell, in order to go to his own place."
26 Dia nanao filokana ho azy izy, ka latsaka tamin’ i Matia ny filokana; ary izy no lany ho isan’ ny Apostoly iraika ambin’ ny folo lahy.
Then they drew lots between them. The lot fell on Matthias, and a place among the eleven Apostles was voted to him.