< 3 Jaona 1 >

1 Izaho loholona mamangy an’ i Galo, ilay malala, izay tiako amin’ ny fahamarinana.
ⲁ̅ⲠⲒⲠⲢⲈⲤⲂⲨⲦⲈⲢⲞⲤ ⲚⲄⲀⲒⲞⲤ ⲠⲒⲀⲄⲀⲠⲎⲦⲞⲤ ⲪⲎ ⲀⲚⲞⲔ ⲈϮⲘⲈⲒ ⲘⲘⲞϤ ϦⲈⲚⲞⲨⲘⲈⲐⲘⲎⲒ
2 Ry malala, mangataka aho mba hambinina sy ho salama amin’ ny zavatra rehetra anie ianao, tahaka izay anambinana ny fanahinao ihany.
ⲃ̅ⲠⲀⲘⲈⲚⲢⲒⲦ ϮⲦⲰⲂϨ ⲈⲐⲂⲈ ϨⲰⲂ ⲚⲒⲂⲈⲚ ⲈⲐⲢⲈ ⲚⲈⲔⲘⲰⲒⲦ ⲤⲰⲞⲨⲦⲈⲚ ⲞⲨⲞϨ ⲚⲦⲈⲔⲞⲨϪⲀⲒ ⲔⲀⲦⲀ ⲪⲢⲎϮ ⲈⲦⲈ ⲚⲈⲚⲘⲰⲒⲦ ⲚⲦⲈⲔⲮⲨⲬⲎ ⲤⲞⲨⲦⲰⲚ
3 Fa faly indrindra aho, fony nisy rahalahy tonga ka nanambara ny fahamarinanao, dia toy ny andehananao araka ny fahamarinana.
ⲅ̅ⲀⲒⲢⲀϢⲒ ⲈⲘⲀϢⲰ ⲈⲦⲀⲨⲒ ⲚϪⲈⲚⲒⲤⲚⲎⲞⲨ ⲞⲨⲞϨ ⲈⲦⲀⲨⲈⲢⲘⲈⲐⲢⲈ ϦⲀ ⲦⲈⲔⲘⲈⲐⲘⲎⲒ ⲔⲀⲦⲀ ⲪⲢⲎϮ ⲚⲐⲞⲔ ⲈⲦⲈⲔⲘⲞϢⲒ ϦⲈⲚⲞⲨⲘⲈⲐⲘⲎⲒ
4 Tsy manana fifaliana mihoatra noho izao aho, dia ny andrenesako fa mandeha araka ny fahamarinana ny zanako.
ⲇ̅ⲘⲘⲞⲚϮ ϨⲘⲞⲦ ⲄⲀⲢ ⲈϤⲞⲒ ⲚⲚⲒϢϮ ⲈⲪⲀⲒ ϨⲒⲚⲀ ⲚⲦⲀⲤⲰⲦⲈⲘ ⲈⲐⲂⲈ ⲚⲀϢⲎⲢⲒ ϪⲈ ⲤⲈⲘⲞϢⲒ ϦⲈⲚⲞⲨⲘⲈⲐⲘⲎⲒ
5 Ry malala, manao asa mahatoky ianao na amin’ inona na amin’ inona ataonao amin’ ireo rahalahy ireo, na dia vahiny aza izy,
ⲉ̅ⲠⲒⲀⲄⲀⲠⲎⲦⲞⲤ ⲞⲨϨⲰⲂ ⲘⲠⲒⲤⲦⲞⲤ ⲈⲦⲈⲔⲒⲢⲒ ⲘⲘⲞϤ ⲈⲔⲈⲢϨⲰⲂ ⲚϦⲢⲎⲒ ϦⲈⲚⲚⲒⲤⲚⲎⲞⲨ ⲞⲨⲞϨ ⲪⲀⲒ ϦⲈⲚⲚⲒϢⲈⲘⲘⲰⲞⲨ
6 izay nanambara ny fitiavanao teo anatrehan’ ny fiangonana; dia ho soa no ataonao, raha mamoaka azy koa araka izay miendrika hatao noho ny amin’ Andriamanitra ianao;
ⲋ̅ⲚⲀⲒ ⲈⲦⲀⲨⲈⲢⲘⲈⲐⲢⲈ ϦⲀ ⲦⲈⲔⲀⲄⲀⲠⲎ ⲘⲠⲈⲘⲐⲞ ⲚⲚⲞⲨⲈⲔⲔⲖⲎⲤⲒⲀ ⲚⲀⲒ ⲈⲦⲈ ⲔⲀⲖⲰⲤ ⲬⲚⲀⲀⲒⲤ ⲈⲔⲦⲪⲞ ⲘⲘⲰⲞⲨ ⲈⲘⲠϢⲀ ⲘⲪϮ
7 fa noho ny Anarana no niangany, ka tsy naka na inona na inona tamin’ ny jentilisa izy.
ⲍ̅ⲈⲦⲀⲨⲒ ⲄⲀⲢ ⲈⲂⲞⲖ ϨⲒⲦⲈⲚ ⲠⲒⲢⲀⲚ ⲚⲤⲈϬⲒ ϨⲖⲒ ⲀⲚ ⲚⲦⲈⲚ ⲚⲒⲈⲐⲚⲒⲔⲞⲤ
8 Koa isika dia tokony handray tsara izay toy izany, mba ho mpiara-miasa aminy amin’ ny fahamarinana.
ⲏ̅ⲀⲚⲞⲚ ⲞⲨⲚ ⲤϢⲈ ⲚⲀⲚ ⲈϢⲈⲠ ⲚⲀⲒⲞⲨⲞⲚ ⲘⲠⲀⲒⲢⲎϮ ⲈⲢⲞⲚ ϨⲒⲚⲀ ⲚⲦⲈⲚⲈⲢϢⲪⲎⲢ ⲚⲈⲢϨⲰⲂ ⲈϮⲘⲈⲐⲘⲎⲒ
9 Nanoratra tamin’ ny fiangonana Ihany aho; nefa Diotrefa, izay te-ho lohany, dia tsy mba mandray anay.
ⲑ̅ⲀⲔⲤϦⲀⲒ ⲚⲞⲨϨⲰⲂ ⲚϮⲈⲔⲔⲖⲎⲤⲒⲀ ⲀⲖⲖⲀ ⲆⲒⲞⲦⲢⲈⲪⲎⲤ ⲠⲒⲘⲀⲒⲈⲢϨⲞⲨⲒⲦ ⲚϦⲎⲦⲞⲨ ϤϢⲎⲠ ⲘⲘⲞⲚ ⲈⲢⲞϤ ⲀⲚ.
10 Koa amin’ izany, raha tonga aho, dia hotsarovako izay asa ataony, fa mibedibedy foana manaratsy anay izy; ary tsy afa-po amin’ izany ihany, fa ny tenany dia tsy mandray ireo rahalahy ireo, ary izay ta-handray azy dia raràny sy roahiny hiala amin’ ny fiangonana.
ⲓ̅ⲈⲐⲂⲈⲪⲀⲒ ⲀⲒϢⲀⲚⲒ ϮⲚⲀⲐⲢⲈϤⲈⲢⲪⲘⲈⲨⲒ ⲚⲚⲈϤϨⲂⲎⲞⲨⲒ ⲈⲦⲈϤⲒⲢⲒ ⲘⲘⲰⲞⲨ ⲈϤⲈⲢⲪⲖⲞⲒⲀⲢⲒⲚ ⲘⲘⲞⲚ ϦⲈⲚϨⲀⲚⲤⲀϪⲒ ⲘⲠⲞⲚⲎⲢⲞⲚ ⲞⲨⲞϨ ϤⲔⲎⲚ ⲀⲚ ϦⲈⲚⲚⲀⲒ ⲞⲨⲆⲈ ⲚⲐⲞϤ ϤϢⲰⲠ ⲚⲚⲒⲤⲚⲎⲞⲨ ⲈⲢⲞϤ ⲀⲚ ⲞⲨⲞϨ ⲚⲎ ⲈⲐⲞⲨⲰϢ ⲈϢⲞⲠⲞⲨ ϤⲬⲰ ⲘⲘⲰⲞⲨ ⲀⲚ ⲞⲨⲞϨ ⲈϤⲤⲒϮ ⲘⲘⲰⲞⲨ ⲈⲂⲞⲖ ϦⲈⲚϮⲈⲔⲔⲖⲎⲤⲒⲀ
11 Ry malala, aza ny ratsy no alain-tahaka, fa ny tsara. Izay manao ny tsara no avy amin’ Andriamanitra; fa izay manao ny ratsy tsy mba nahita an’ Andriamanitra.
ⲓ̅ⲁ̅ⲠⲀⲘⲈⲚⲢⲒⲦ ⲘⲠⲈⲢⲦⲈⲚⲐⲰⲚⲔ ⲈⲠⲒⲠⲈⲦϨⲰⲞⲨ ⲀⲖⲖⲀ ⲈⲠⲒⲠⲈⲐⲚⲀⲚⲈϤ ⲪⲎ ⲈⲦⲒⲢⲒ ⲘⲠⲒⲠⲈⲐⲚⲀⲚⲈϤ ⲞⲨⲈⲂⲞⲖ ϦⲈⲚⲪⲚⲞⲨϮ ⲠⲈ ⲪⲎ ⲆⲈ ⲈⲦⲒⲢⲒ ⲘⲠⲒⲠⲈⲦϨⲰⲞⲨ ⲘⲠⲈϤⲚⲀⲨ ⲈⲪϮ
12 Demetrio dia tsara laza amin’ ny olona rehetra sy amin’ ny fahamarinana koa; ary izahay koa manambara izany, ary fantatrao fa marina ny fanambaranay.
ⲓ̅ⲃ̅ⲀⲨⲈⲢⲘⲈⲐⲢⲈ ⲚⲆⲒⲘⲎⲦⲢⲒⲞⲤ ϨⲒⲦⲈⲚ ⲞⲨⲞⲚ ⲚⲒⲂⲈⲚ ⲚⲈⲘ ϨⲒⲦⲈⲚ ⲐⲘⲎⲒ ⲞⲨⲞϨ ⲀⲚⲞⲚ ⲦⲈⲚⲈⲢⲘⲈⲐⲢⲈ ⲞⲨⲞϨ ⲔⲤⲰⲞⲨⲚ ϪⲈ ⲦⲈⲚⲘⲈⲦⲘⲈⲐⲢⲈ ⲞⲨⲘⲎⲒ ⲦⲈ
13 Nanana zavatra maro hosoratana aho, nefa tsy tiako hosoratana aminao amin’ ny ranomainty sy ny penina;
ⲓ̅ⲅ̅ⲈⲞⲨⲞⲚϮ ⲞⲨⲘⲎϢ ⲈⲤϦⲎⲦⲞⲨ ⲚⲀⲔ ⲠⲈ ⲀⲖⲖⲀ ⲚϮⲞⲨⲰϢ ⲀⲚ ⲈⲤϦⲀⲒ ⲚⲀⲔ ⲈⲂⲞⲖ ϨⲒⲦⲈⲚ ⲞⲨⲘⲈⲖⲀ ⲚⲈⲘ ⲞⲨⲔⲀϢ
14 fa manantena hahita anao faingana ihany aho, dia hiteny mifanatrika isika. Ho aminao anie ny fiadanana. Ny sakaiza atỳ manao veloma anao. Veloma amin’ ny sakaiza tsirairay araka ny anarany avy.
ⲓ̅ⲇ̅ϮⲈⲢϨⲈⲖⲠⲒⲤ ⲆⲈ ⲤⲀⲦⲞⲦ ⲈⲚⲀⲨ ⲈⲢⲞⲔ ⲞⲨⲞϨ ⲚⲦⲈⲚⲤⲀϪⲒ ⲚⲈⲘ ⲚⲈⲚⲈⲢⲎⲞⲨ ⲚⲢⲞ ⲞⲨⲂⲈ ⲢⲞ ⲦϨⲒⲢⲎⲚⲎ ⲚⲀⲔ ⲤⲈϢⲒⲚⲒ ⲈⲢⲞⲔ ⲚϪⲈⲚⲒϢⲪⲈⲢ ϢⲒⲚⲒ ⲈⲚⲒϢⲪⲈⲢ ⲔⲀⲦⲀ ⲚⲞⲨⲢⲀⲚ.

< 3 Jaona 1 >