< 2 Timoty 4 >

1 Eo anatrehan’ Andriamanitra sy Kristy Jesosy, Izay hitsara ny velona sy ny maty, ary noho ny amin’ ny fisehoany sy ny fanjakany, no ananarako anao mafy:
Отже, я свідкую тобі перед Богом і Христом Ісусом, що Він має судити живих і мертвих за Свого прихо́ду та за Свого Царства.
2 mitoria ny teny, mazotoa, na amin’ ny fotoana, na tsy amin’ ny fotoana, mandrese lahatra, mamporisiha, mananara mafy amin’ ny fahari-po sy ny fampianarana rehetra.
Проповідуй Слово, допоминайся вча́сно-невча́сно, докоряй, забороняй, переконуй з терпеливістю та з наукою.
3 Fa ho avy ny andro izay tsy hahazakan’ ny olona ny fampianarana tsy misy kilema; fa hangidihidy sofina izy, dia hamory mpampianatra ho azy araka ny filany;
Настане бо час, коли здорової науки не будуть триматись, але за своїми пожадливостями виберуть собі вчителі́в, щоб вони їхні ву́ха вле́щували.
4 ary hampiala ny sofiny amin’ ny teny marina tokoa izy ka hivily ho amin’ ny anganongano.
Вони слух свій від правди відвернуть та до байо́к нахи́ляться.
5 Fa ianao kosa mahonona tena amin’ ny zavatra rehetra, miareta fahoriana, ataovy ny asan’ ny evanjelista, tanteraho ny fanompoanao.
Але ти будь пи́льний у всьому, терпи лихо, виконуй працю благові́сника, сповня́й свою службу.
6 Fa izaho dia efa hatolotra sahady, ary efa mba akaiky ny andro fialàko.
Бо я вже за жертву стаю, і час відхо́ду мого вже настав.
7 Efa niady ny ady tsara aho; nahatanteraka ny fihazakazahana aho; nitahiry ny finoana aho;
Я змагався добрим зма́гом, свій біг закінчи́в, віру зберіг.
8 hatrizao dia tehirizina ho ahy ny satro-boninahitry ny fahamarinana, izay homen ny Tompo, Mpitsara marina, ho ahy amin izay andro izay; ary tsy ho ahy ihany, fa ho an’ izay rehetra tia ny fisehoany koa.
Наостанку мені призначається вінок праведности, якого мені того дня дасть Господь, Суддя праведний; і не тільки мені, але й усім, хто при́хід Його полюбив.
9 Mazotoa hankatỳ amiko faingana ianao;
Подба́й незаба́ром прибути до мене.
10 fa Demasy efa nandao ahy, satria tia izao fiainana izao izy ka lasa nankany Tesalonika; Kreska nankany Galatia, Titosy nankany Dalmatia. (aiōn g165)
Бо Дима́с мене кинув, цей вік полюбивши, і пішов до Солу́ня, Кри́скент до Гала́тії, Тит до Далма́тії. (aiōn g165)
11 Lioka ihany no ato amiko. Alao Marka, ka ento miaraka aminao, fa mahasoa ahy amin’ ny fanompoana izy.
Зо мною сам тільки Лука́. Візьми Ма́рка, і приведи з собою, бо мені він потрібний для служби.
12 Tykiko dia nirahiko ho any Efesosy.
А Тихи́ка послав я в Ефе́с.
13 Ilay kapôty navelako tany Troasy tao amin’ i Karpo, dia ento, raha mankaty ianao, ary ny boky, indrindra fa ireo boky hoditra.
Як будеш іти, то плаща́ принеси́, що його я в Троа́ді зоставив у Ка́рпа, і книжки́, особливо пергамено́ві.
14 Aleksandro, mpanefy varahina, efa nanisy ratsy ahy be loatra; ny Tompo hamaly azy araka ny asany;
Котля́р Олександер нако́їв був лиха чимало мені... Нехай Госпо́дь йому віддасть за його вчинками!
15 tandremonao ihany izy iny, fa nanohitra fatratra ny teninay.
Стережись його й ти, бо він мі́цно противився нашим словам!
16 Tamin’ ny nandaharako voalohany hanala tsiny ny tenako dia tsy nisy nomba ahy, fa nandao ahy avokoa izy rehetra (aza mba isaina ho helony anie izany).
При першій моїй обороні жоден не був при мені, але всі поки́нули мене... Хай Госпо́дь їм того не полічить!
17 Kanefa ny Tompo nitsangana teo anilako ka nampahery ahy, mba hotanterahina tokoa amin’ ny ataoko ny fitorian-teny, ary mba ho ren’ ny jentilisa rehetra izany; ary izaho novonjena tao am-bavan’ ny liona.
Але Госпо́дь став при мені та й мене підкріпи́в, щоб проповідь виконалась через мене, та щоб усі погани почули її. І я ви́зволився з пащі ле́в'ячої.
18 Ary ny Tompo hanafaka ahy amin’ ny asa ratsy rehetra ka hamonjy ahy ho any amin’ ny fanjakany any an-danitra; ho Azy anie ny voninahitra mandrakizay mandrakizay. Amena. (aiōn g165)
А від усякого вчинку лихого Господь мене ви́зволить та збереже для Свого Небесного Царства. Йому слава на віки вічні, амі́нь! (aiōn g165)
19 Manaova veloma amin’ i Prisila sy Akoila mbamin’ ny ankohonan’ i Onesiforosy;
Поздоров Приски́ллу й Аки́лу та дім Ониси́фора.
20 Erasto nitoetra tany Korinto; fa Trofimo nilaozako tany Mileto, satria narary izy.
Ера́ст позоставси в Кори́нті, а Трохи́ма лишив я слабо́го в Міле́ті.
21 Mazotoa hankatỳ alohan’ ny ririnina. Manao veloma anao Eobolo sy Poda sy Lino sy Klaodia mbamin’ ny rahalahy rehetra.
Попильну́й прийти до зими́. Вітає тебе Евву́л, і Пуд, і Лин, і Кла́вдія, і вся бра́ття.
22 Ho amin’ ny fanahinao anie ny Tompo. Ho aminareo anie ny fahasoavana.
Господь з твоїм духом! Благода́ть з вами! Амі́нь.

< 2 Timoty 4 >