< 2 Tesaloniana 3 >
1 Farany, ry rahalahy, mivavaha ho anay, mba handehanan’ ny tenin’ ny Tompo faingana ka hankalazaina toy ny eo aminareo,
Итак молитесь за нас, братия, чтобы слово Господне распространялось и прославлялось, как и у вас,
2 ary mba hovonjena ho afaka amin’ ny olona hafahafa sy ratsy fanahy izahay; fa tsy ary manana finoana avokoa ny olona rehetra.
и чтобы нам избавиться от беспорядочных и лукавых людей, ибо не во всех вера.
3 Fa mahatoky ny Tompo, Izay hampahery sy hiaro anareo tsy ho azon’ ny ratsy.
Но верен Господь, Который утвердит вас и сохранит от лукавого.
4 Fa izahay matoky anareo ao amin’ ny Tompo, fa izay zavatra andidianay dia efa ataonareo sady mbola hataonareo ihany koa.
Мы уверены о вас в Господе, что вы исполняете и будете исполнять то, что мы вам повелеваем.
5 Ary ny Tompo anie hanitsy lalana ny fonareo ho amin’ ny fitiavana an’ Andriamanitra sy ho amin’ ny faharetan’ i Kristy.
Господь же да управит сердца ваши в любовь Божию и в терпение Христово.
6 Ary mandidy anareo izahay, ry rahalahy, amin’ ny anaran’ i Jesosy Kristy Tompontsika, mba hialanareo amin’ ny rahalahy rehetra izay tsy mitoetra tsara ka tsy manaraka ny fampianarana natolotra izay noraisiny taminay.
Завещаваем же вам, братия, именем Господа нашего Иисуса Христа, удаляться от всякого брата, поступающего бесчинно, а не по преданию, которое приняли от нас,
7 Fa ny tenanareo mahalala izay tokony hianaranareo anay; fa nitoetra tsara teo aminareo izahay,
ибо вы сами знаете, как должны вы подражать нам; ибо мы не бесчинствовали у вас,
8 ary tsy nihinana foana izay hanin’ olona, fa niasa andro aman’ alina tamin’ ny fikelezan’ aina sy ny fisasarana mba tsy hahavaky tratra na dia iray akory aminareo aza;
ни у кого не ели хлеба даром, но занимались трудом и работою ночь и день, чтобы не обременить кого из вас,
9 tsy noho ny tsy anananay fahefana anefa, fa mba hatolotray aminareo ho fianaranareo ny tenanay.
не потому, чтобы мы не имели власти, но чтобы себя самих дать вам в образец для подражания нам.
10 Fa fony mbola teo aminareo ihany aza izahay, dia nandidy anareo hoe: Raha misy tsy mety miasa, dia aoka tsy hihinana izy.
Ибо когда мы были у вас, то завещевали вам сие: если кто не хочет трудиться, тот и не ешь.
11 Fa renay fa misy ny sasany eo aminareo tsy mitoetra tsara, ka tsy miasa akory, fa mivezivezy foana miraharaha ny an’ olona.
Но слышим, что некоторые у вас поступают бесчинно, ничего не делают, а суетятся.
12 Ary izay manao toy izany no didianay sy anarinay ao amin’ i Jesosy Kristy Tompo mba hiasa tsara amin’ ny fiadanana ka hihinana izay azy ihany.
Таковых увещеваем и убеждаем Господом нашим Иисусом Христом, чтобы они, работая в безмолвии, ели свой хлеб.
13 Fa ianareo, ry rahalahy, aza ketraka amin’ ny fanaovan-tsoa.
Вы же, братия, не унывайте, делая добро.
14 Ary raha misy olona tsy manaiky ny teninay amin’ ity epistily ity, mariho izany olona izany, ka aza mikambana aminy, mba hahamenatra azy.
Если же кто не послушает слова нашего в сем послании, того имейте на замечании и не сообщайтесь с ним, чтобы устыдить его.
15 Anefa aza dia atao fahavalo izy, fa anaro toy ny rahalahy.
Но не считайте его за врага, а вразумляйте, как брата.
16 Ary ny Tompon’ ny fiadanana anie hanome anareo fiadanana mandrakariva amin’ ny zavatra rehetra. Ho aminareo rehetra anie ny Tompo.
Сам же Господь мира да даст вам мир всегда во всем. Господь со всеми вами!
17 Ity no veloma ataon’ ny tanako, izaho Paoly; izao no famantarana eo amin’ ny epistily rehetra; izao no soratro.
Приветствие моею рукою, Павловою, что служит знаком во всяком послании; пишу я так:
18 Ho aminareo rehetra anie ny fahasoavan’ i Jesosy Kristy Tompontsika.
благодать Господа нашего Иисуса Христа со всеми вами. Аминь.