< 2 Samoela 8 >
1 Ary nony afaka izany, dia nandresy ny Filistina Davida ka nampietry azy; ary ny fanapahana ny renivohitra dia nesorin’ i Davida tamin’ ny tanan’ ny Filistina.
Poslije toga razbi David Filisteje, i pokori ih, i uze David Meteg-Amu iz ruku Filistejskih.
2 Ary nandresy ny Moabita koa izy, dia nampandriny tamin’ ny tany ireo ary nohariny tamin’ ny kofehy, ka izay indroan’ ny kofehy novonoiny, fa ny erany kosa novelominy; ka dia tonga mpanompon’ i Davida ny Moabita ka nandoa hetra.
Razbi i Moavce, i izmjeri ih užem povaljavši ih po zemlji, i izmjeri ih dva uža da se pogube a jedno uže da se ostave u životu. I Moavci postaše sluge Davidove, i plaæahu mu danak.
3 Dia resin’ i Davida koa Hadadezera, zanak’ i Rehoba, mpanjakan’ i Zoba, tamin’ izy lasa nampody ny fanjakany teo amoron’ ny ony Eofrata.
David razbi i Adad-Ezera sina Reovova cara Sovskoga, izašav da raširi vlast svoju do rijeke Efrata.
4 Ary Davida nahazo babo taminy, dia miaramila an-tsoavaly fiton-jato amby arivo sy miaramila an-tongotra roa alina; ary notraingotraingoin’ i Davida avokoa ny soavalin-kalesy rehetra, fa ny tokony ho amin’ ny kalesy zato ihany no navelany.
I zarobi ih David tisuæu i sedam stotina konjanika i dvadeset tisuæa pješaka, i podreza David žile svijem konjma kolskim, samo ostavi za sto kola.
5 Ary tonga ny Syriana avy tany Damaskosy hanampy an’ i Hadadezera, mpanjakan’ i Zoba; dia nahafatesan’ i Davida olona roa arivo sy roa alina koa ny Syriana.
I bijahu došli Sirci iz Damaska u pomoæ Adad-Ezeru caru Sovskom, i David pobi dvadeset i dvije tisuæe Siraca.
6 Ary nametrahan’ i Davida miaramila tany Syria momba an’ i Damaskosy; dia tonga mpanompon’ i Davida ny Syriana ka nandoa hetra. Fa Jehovah nampahery an’ i Davida teny amin’ izay rehetra nalehany.
I namjesti David vojsku u Siriji što je pod Damaskom, i Sirci postaše sluge Davidove plaæajuæi mu danak. I Gospod èuvaše Davida kuda god iðaše.
7 Ary nalain’ i Davida ny ampinga volamena izay teny amin’ ny mpanompon’ i Hadadezera ka nentiny nankany Jerosalema.
I David uze zlatne štitove koje imahu sluge Adad-Ezerove, i donese ih u Jerusalim.
8 Ary teo Beta sy Berotahy, tanànan’ i Hadadezera, no nahazoan’ i Davida mpanjaka babo varahina be dia be.
I iz Vetaha i iz Virotaja gradova Adad-Ezerovijeh odnese car David silnu mjed.
9 Ary nony ren’ i Toy, mpanjakan’ i Hamata, fa efa naharesy ny miaramilan’ i Hadadezera rehetra Davida,
A kad èu Toja car Ematski da je David pobio svu vojsku Adad-Ezerovu,
10 dia nirahin’ i Toy Jorama zanany hankany amin’ i Davida mpanjaka hiarahaba azy sy hisaotra azy noho ny niadiany tamin’ i Hadadezera sy ny nandreseny azy (fa Hadadezera dia fahavalon’ i Toy); ary gorama nitondra fanaka volafotsy sy fanaka volamena ary fanaka varahina;
Posla Toja Jorama sina svojega k caru Davidu da ga pozdravi i da mu èestita što je vojevao na Adad-Ezera i ubio ga, jer Toja imaše rat s Adad-Ezerom; i donese Joram zaklada zlatnijeh i srebrnijeh i mjedenijeh.
11 dia nohamasinin’ i Davida mpanjaka ho an’ i Jehovah koa izany mbamin’ ny volafotsy sy ny volamena izay nohamasininy avy tamin’ ny firenena rehetra izay efa resiny,
Pa i to car David posveti Gospodu sa srebrom i zlatom što bješe posvetio od svijeh naroda koje pokori,
12 dia tamin’ i Syria sy Moaba sy ny taranak’ i Amona sy ny Filistina sy ny Amalekita ary ny babo azony tamin’ i Hadadezera, zanak’ i Rehoba, mpanjakan’ i Zoba.
Od Siraca i od Moavaca i od sinova Amonovijeh i od Filisteja i od Amalika, i od plijena Adad-Ezera sina Reovova cara Sovskoga.
13 Ary Davida nahazo laza nony niverina avy nandresy ny Syriana valo arivo sy iray alina teo amin’ ny Lohasahan-tsira.
I David steèe ime kad se vrati pobiv Sirce, osamnaest tisuæa, u slanoj dolini.
14 Ary nametrahany miaramila tany Edoma; eny, nametrahany miaramila avokoa Edoma rehetra, ary ny mponina rehetra tany Edoma dia tonga mpanompon’ i Davida. Ary Jehovah nampahery an’ i Davida teny amin’ izay rehetra nalehany.
I namjesti vojsku po Idumeji, po svoj Idumeji namjesti vojsku, i svi Edomci postaše sluge Davidove. I Gospod èuvaše Davida kuda god iðaše.
15 Ary Davida nanjaka tamin’ ny Isiraely rehetra ka nitsara sy nitondra marina ny vahoakany rehetra.
Tako carova David nad svijem Izrailjem, sudeæi i dajuæi pravdu svemu narodu svojemu.
16 Ary Joaba, zanak’ i Zeroia, no komandin’ ny miaramila; ary Josafata, zanak’ i Ahiloda, no mpitadidy ny raharaham-panjakana;
I Joav sin Serujin bješe nad vojskom; a Josafat sin Ahiludov pametar;
17 ary Zadoka, zanak’ i Ahitoba, sy Ahimeleka, zanak’ i Abiatara, no mpisorona; ary Seraia no mpanoratra;
A Sadok sin Ihitovov i Ahimeleh sin Avijatarov sveštenici; a Seraja pisar;
18 ary Benaia, zanak’ i Joiada, no mpifehy ny mpiambina andriana; ary ny zanak’ i Davida no mpanolo-tsaina.
A Venaja sin Jodajev bješe nad Heretejima i Feletejima; a sinovi Davidovi knezovi.