< 2 Samoela 5 >
1 Dia tonga tao amin’ i Davida tao Hebrona ny firenen’ Isiraely rehetra ka nanao hoe: Indreto izahay, fa taolanao sy nofonao.
Kisha kabila zote za Israeli wakamwendea mfalme huko Hebroni nao wakasema, “Tazama, sisi ni nyama na mifupa yako.
2 Fa hatry ny fony fahiny ihany koa, raha mbola nanjaka taminay aza Saoly, dia ianao no mpitarika ny Isiraely nivoaka sy niditra; ary Jehovah efa nilaza taminao hoe: Hianao no ho mpiandry ny Isiraely oloko, ary ianao no ho mpanapaka azy.
Kipindi kilichopita, Sauli alipokuwa mfalme juu yetu, ni wewe uliyeliongoza jeshi la Waisraeli. Yahwe akakwambia, 'Utawachunga watu wangu Israeli, na utakuwa mtawala juu ya Israeli.”
3 Eny, tonga tao amin’ ny mpanjaka tao Hebrona ny loholon’ ny Isiraely rehetra, ary Davida mpanjaka nanao fanekena taminy tao Hebrona teo anatrehan’ i Jehovah; ary dia nanosotra an’ i Davida ho mpanjakan’ ny Isiraely izy.
Hivyo wazee wote wa Israeli wakaja kwa mfalme huko Hebron na mfalme Daudi akafanya nao agano mbele ya Yahweh. Wakamtawaza Daudi kuwa mfalme wa Israeli.
4 Telo-polo taona Davida fony izy vao nanjaka, ary nanjaka efa-polo taona izy.
Daudi alikuwa na umri wa miaka thelathini alipoanza kutawala, naye akatawala miaka arobaini.
5 Tao Hebrona no nanjakany tamin’ ny Joda fito taona sy enim-bolana; ary tany Jerosalema no nanjakany tamin’ ny Isiraely sy ny Joda rehetra telo amby telo-polo taona.
Alitawala juu ya Yuda miaka saba na miezi sit a huko Hebroni, na huko Yerusalemu akatawala miaka thelathini na mitatu juu ya Israeli yote na Yuda.
6 Ary ny mpanjaka sy ny olony nankany Jerosalema hiady amin’ ny Jebosita tompon-tany, ary hoy izy ireo tamin’ i Davida: Tsy ho tafiditra eto ianao; fa na dia ny jamba ny mandringa aza dia hahasakana anao ka hanao hoe: Tsy ho tafiditra eto Davida.
Mfalme na watu wake wakaenda Yerusalemu kupigana na wayebusi, waliokuwa wenyeji wa nchi. Wakamwambia Daudi, “Hautaweza kuja hapa kwani hata wipofu na vilema waweza kukudhuia kuingia. Daudi haweze kuja hapa.”
7 Kanjo afak’ i Davida ihany ny batery fiarovana, dia Ziona (Tanànan’ i Davida izany).
Lakini, Daudi akaiteka ngome ya Sayuni, ambayo sasa ni mji wa Daudi.
8 Ary hoy Davida tamin’ izany andro izany: Izay mamely ny Jebosita, dia aoka hananika ho eo amin’ ny riana ka hamely, ny mandringa sy ny jamba izay halan’ ny fon’ i Davida. Koa dia mby am-pitenenana hoe: Izay jamba mandringa tsy ho tafiditra ao an-trano.
Wakati huo Daudi akasema, “Waliowashambulia wayebusi watapaswa kupita katika mfereji wa maji ili wawafikie virema na vipofu ambao ni adui wa Daudi.” Hii ndiyo maana watu husema, “Vipofu na virema wasingie katika kasri.”
9 Dia nitoetra tao anatin’ ny batery fiarovana Davida, ary ny anarany nataony hoe: Tanànan’ i Davida. Ary narafitr’ i Davida ny manodidina hatrany Milo mbamin’ ny ao anatiny.
Hivyo Daudi akaishi ngemeni naye akaiita mji wa Daudi. Akaizungushia ukuta, kuanzia barazani kuelekea ndani.
10 Koa dia nandroso sy nihalehibe Davida, fa Jehovah, Andriamanitry ny maro, no nomba azy.
Daudi akawa na nguvu sana kwa maana Yahwe, Mungu wa utukufu, alikuwa pamoja naye.
11 Ary Hirama, mpanjakan’ i Tyro, naniraka olona tany amin’ i Davida nampanatitra hazo sedera ary nandefa mpandrafitra sy tambato; dia nanao trano ho an’ i Davida ireo.
Kisha Hiramu mfalme wa Tiro akatuma wajumbe kwa Daudi, na miti ya mierezi, mafundi seremala na wajenzi. Wakamjengea Daudi nyumba.
12 Dia fantatr’ i Davida fa Jehovah efa nampitoetra azy ho mpanjakan’ ny Isiraely ka nanandratra ny fanjakany noho ny amin’ ny Isiraely olony.
Daudi akatambua kuwa Yahwe alikuwa amemweka ili awe mfalme juu ya Israeli, na kwamba alikuwa ameutukuza ufalme wake kwa ajili ya Israeli watu wake.
13 Ary Davida mbola naka vaditsindrano sy vady koa tany Jerosalema, rehefa tonga avy tany Hebrona izy; ary dia nisy zanakalahy sy zanakavavy koa naterak’ i Davida.
Baada ya Daudi kuondoka Hebroni na kwenda Yerusalemu, akajitwalia wake na masuria wengi huko Yerusalemu, na wana na binti wengi walizaliwa kwake.
14 Ary izao no anaran’ ny naterany tany Jerosalema: Samoa sy Sobaba sy Natana sy Solomona
Haya ndiyo majina ya wanawe waliozaliwa kwake huko Yerusalemu: Shamua, Shobabu, Nathani, Selemani,
15 sy Jibara sy Elisoa sy Nafega sy Jafia
Ibhari, Elishua, Nefegi, Yafia,
16 sy Elisama sy Eliada ary Elifeleta.
Elishama, Eliada na Elifeleti.
17 Koa nony ren’ ny Filistina fa efa nohosoran’ ny olona ho mpanjakan’ ny Isiraely Davida, dia niakatra hitady azy ny Filistina rehetra; fa raha ren’ i Davida izany dia nidina tao amin’ ny batery fiarovana izy.
Basi wafilisti waliposikia kwamba Daudi ametiwa mafuta kuwa mfalme juu ya Israeli, wakaenda wote kumtafuta. Daudi aliposikia hilo akashuka ngomeni.
18 Ary dia tonga ny Filistina ka nihahakahaka teny amin’ ny Lohasahan’ ny Refaïta.
Basi Wafilisiti walikuwa wamekuja na kuenea katika bonde la Mrefai.
19 Ary Davida nanontany tamin’ i Jehovah hoe: Hiakatra hamely ny Filistina va aho? Hatolotrao eo an-tanako va izy? Dia hoy Jehovah tamin’ i Davida: Miakara, fa hatolotro eo an-tananao tokoa ny Filistina.
Kisha Daudi akaomba msaada kutoka kwa Yahwe. Akasema, “Je niwashambulie wafilisti? Je utanipa ushindi juu yao?” Yahwe akamwambia Daudi, “Washambulia, kwa hakika nitakupa ushindi juu ya wafilisti.”
20 Ary Davida tonga tao Bala-perazima ka namely ireo tao, dia hoy izy: Jehovah efa namaky ny fahavaloko teo anoloako hipariaka toy ny rano vaky; koa izany no nanaovany ny anaran’ izany tany izany hoe Bala-perazima.
Hivyo Daudi akawashambulia huko Baali Perasimu, naye akawashinda. Akasema, Yahwe amewafurikia adui zangu mbele yangu kama mafuriko ya maji. Kwa hiyo jina la mahali pale likawa Baali Perasimu.
21 Ary nilaozany tao ny sampiny, ka dia lasan’ i Davida sy ny olony ireny.
Wafilisiti wakaacha vinyago vyao pale, na Daudi na watu wake wakaviondoa.
22 Ary niakatra indray ny Filistina ka nihahakahaka teny amin’ ny Lohasahan’ ny Refaïta.
Kisha wafilisiti wakaja kwa mara nyingine tena na kujieneza zaidi katika bonde la Mrefai.
23 Ary nanontany tamin’ i Jehovah Davida, ka novaliany hoe: Aza mandeha; fa hodidino avy eo aoriana izy, ka ho tonga eo aminy ianao eo amin’ ny tandrifin’ ny hazo balsama.
Hivyo Daudi akatafuta msaada tena kutoka kwa Yahweh, naye Yahweh akamwambia, “Usiwashambulie kwa mbele, lakini uwazunguke kwa nyuma na uwaendee kupitia miti ya miforosadi.
24 Ary raha toa mahare fingadongadon’ olona eny amin’ ny tendron’ ny hazo balsama ianao, dia faingàna; fa amin’ izay no efa miainga mialoha anao Jehovah hamely ny miaramilan’ ny Filistina.
Wakati utakaposikia sauti za mwendo katika upepo uvumao juu ya miti ya miforosadi, hapo ushambulie kwa nguvu. Fanya hivi kwa kuwa Yahwe atatangulia mbele yako kulishambulia jeshi la Wafilisiti.”
25 Ary dia nanao araka ny nandidian’ i Jehovah azy Davida ka dia namely ny Filistina hatrany Geba ka hatrao akaikin’ i Gazera izy.
Hivyo Daudi akafanya kama Yahwe alivyomwamuru. Akawaua wafilisti njiani mwote toka Geba hadi Gezeri.