< 2 Samoela 4 >

1 Ary nony ren’ ny zanakalahin’ i Saoly fa maty tany Hebrona Abnera, dia niraviravy tanana izy, ary raiki-tahotra ny Isiraely rehetra.
Now when Ish-bosheth son of Saul heard that Abner had died in Hebron, he lost courage, and all Israel was dismayed.
2 Ary nisy roa lahy, lehiben’ ny mpitohan’ ny zanakalahin’ i Saoly, Bana no anaran’ ny iray, ary Rekaba no anaran’ ny iray, samy zanak’ i Rimona Berotita tamin’ ny taranak’ i Benjamina (fa Berota koa natao ho isan’ ny an’ i Benjamina;
Saul’s son had two men who were leaders of raiding parties. One was named Baanah and the other Rechab; they were sons of Rimmon the Beerothite of the tribe of Benjamin—Beeroth is considered part of Benjamin,
3 ary ny Berotita nandositra nankany Gitaima, dia nivahiny tany mandraka androany).
because the Beerothites fled to Gittaim and have lived there as foreigners to this day.
4 Ary Jonatana, zanak’ i Saoly, nanan-janakalahy malemy tongotra. Dimy taona izy, fony tonga avy tany Jezirela ny filazana ny amin’ i Saoly sy Jonatana; ary nentin’ ny mpitaiza azy nandositra izy; ary raha nentiny nandositra tamin’ ny fahatairana izy, dia nianjera ka tonga malemy tongotra, Mefiboseta no anarany.
And Jonathan son of Saul had a son who was lame in his feet. He was five years old when the report about Saul and Jonathan came from Jezreel. His nurse picked him up and fled, but as she was hurrying to escape, he fell and became lame. His name was Mephibosheth.
5 Ary Rekaba sy Bana, zanak’ i Rimona Berotita, nandeha; ka rehefa nafana ny andro, dia tonga tao an-tranon’ Isboseta, tamin’ ilay izy nandriandry tamin’ ny antoandro iny.
Now Rechab and Baanah, the sons of Rimmon the Beerothite, set out and arrived at the house of Ish-bosheth in the heat of the day, while the king was taking his midday nap.
6 Ary niditra tao anaty trano Rekaba sy Bana rahalahiny haka vary, ka namely azy tamin’ ny kibony, dia lasa nandositra.
They entered the interior of the house as if to get some wheat, and they stabbed him in the stomach. Then Rechab and his brother Baanah slipped away.
7 Fa raha niditra tao an-trano izy roa lahy, ary Isboseta nandry teo amin’ ny fandriany tao amin’ ny trano fandriany dia namely azy izy roa lahy ka nahafaty azy, dia notapahiny ny lohany ka nentiny; ary nandeha mandritra ny alina namaky ny tani-hay izy.
They had entered the house while Ish-bosheth was lying on his bed, and having stabbed and killed him, they beheaded him, took his head, and traveled all night by way of the Arabah.
8 Ary nitondra ny lohan’ Isboseta tany amin’ i Davida tao Hebrona izy ka nanao tamin’ ny mpanjaka hoe: Indro ny lohan’ Isboseta, zanak’ i Saoly fahavalonao, izay nitady ny ainao; fa Jehovah efa namaly an’ i Saoly sy ny taranany androany noho ny amin’ ny mpanjaka tompoko.
They brought the head of Ish-bosheth to David at Hebron and said to the king, “Here is the head of Ish-bosheth son of Saul, your enemy who sought your life. Today the LORD has granted vengeance to my lord the king against Saul and his offspring.”
9 Ary hoy Davida tamin’ i Rekaba sy Bana rahalahiny, zanak’ i Rimona Berotita: Raha velona koa Jehovah, Izay namonjy ahy tamin’ ny fahoriana rehetra,
But David answered Rechab and his brother Baanah, the sons of Rimmon the Beerothite, “As surely as the LORD lives, who has redeemed my life from all distress,
10 ilay nanambara tamiko hoe: Indro, maty Saoly, ka nanao ny tenany ho mpitondra teny mahafaly, dia nohazoniko ka novonoiko tao Ziklaga, hanomezako azy ny valin’ ny teny mahafaly nentiny;
when someone told me, ‘Look, Saul is dead,’ and thought he was a bearer of good news, I seized him and put him to death at Ziklag. That was his reward for his news!
11 koa mainka raha misy olon-dratsy mamono lehilahy marina ao an-tranony eo am-pandriany; koa tsy hadiniko eo an-tananareo va ny ràny, ary tsy hofongorako tsy ho amin’ ny tany intsony va ianareo
How much more, when wicked men kill a righteous man in his own house and on his own bed, shall I not now require his blood from your hands and remove you from the earth!”
12 Ary Davida nandidy ny zatovony, dia namono azy ireo, ka notapahiny ny tanany sy ny tongony, dia nahantony teo anilan’ ny kamory tao Hebrona. Fa ny lohan’ Isboseta kosa dia nentina ka nalevina tao am-pasan’ i Abnera tao Hebrona.
So David commanded his young men, and they killed Rechab and Baanah. They cut off their hands and feet and hung their bodies by the pool in Hebron, but they took the head of Ish-bosheth and buried it in Abner’s tomb in Hebron.

< 2 Samoela 4 >