< 2 Samoela 4 >

1 Ary nony ren’ ny zanakalahin’ i Saoly fa maty tany Hebrona Abnera, dia niraviravy tanana izy, ary raiki-tahotra ny Isiraely rehetra.
Isiboseti mwana wa Sauli atamva kuti Abineri waphedwa ku Hebroni, anataya mtima ndipo Aisraeli onse anachita mantha kwambiri.
2 Ary nisy roa lahy, lehiben’ ny mpitohan’ ny zanakalahin’ i Saoly, Bana no anaran’ ny iray, ary Rekaba no anaran’ ny iray, samy zanak’ i Rimona Berotita tamin’ ny taranak’ i Benjamina (fa Berota koa natao ho isan’ ny an’ i Benjamina;
Koma Isiboseti anali ndi anthu akuluakulu awiri amene ankatsogolera magulu a ankhondo. Mmodzi mwa iwo dzina lake linali Baana ndipo mnzakeyo anali Rekabu. Iwo anali ana a Rimoni wa banja la Beeroti wa fuko la Benjamini Beeroti. Iwo ankatengedwa ngati mbali imodzi ya Benjamini,
3 ary ny Berotita nandositra nankany Gitaima, dia nivahiny tany mandraka androany).
chifukwa anthu a ku Beeroti anathawira ku Gitaimu ndipo akhala ali kumeneko ngati alendo mpaka lero lino.
4 Ary Jonatana, zanak’ i Saoly, nanan-janakalahy malemy tongotra. Dimy taona izy, fony tonga avy tany Jezirela ny filazana ny amin’ i Saoly sy Jonatana; ary nentin’ ny mpitaiza azy nandositra izy; ary raha nentiny nandositra tamin’ ny fahatairana izy, dia nianjera ka tonga malemy tongotra, Mefiboseta no anarany.
(Yonatani mwana wa Sauli anali ndi mwana wamwamuna amene anali wolumala mapazi ake onse awiri. Iye anali ndi zaka zisanu pamene nkhani ya Sauli ndi Yonatani inamveka kuchokera ku Yezireeli. Amene amamulera anamunyamula ndi kuthawa naye, koma pamene amachita zinthu mofulumira mwanayo anagwa ndipo analumala. Dzina lake linali Mefiboseti).
5 Ary Rekaba sy Bana, zanak’ i Rimona Berotita, nandeha; ka rehefa nafana ny andro, dia tonga tao an-tranon’ Isboseta, tamin’ ilay izy nandriandry tamin’ ny antoandro iny.
Choncho Rekabu ndi Baana ana a Rimoni wa ku Beeroti ananyamuka kupita ku nyumba ya Isi-Boseti, ndipo anafika nthawi ya masana kukutentha pamene iye amapumula.
6 Ary niditra tao anaty trano Rekaba sy Bana rahalahiny haka vary, ka namely azy tamin’ ny kibony, dia lasa nandositra.
Iwo analowa mʼchipinda chamʼkati ngati kuti amakatenga tirigu, ndipo anamulasa mʼmimba. Kenaka Rekabu ndi mʼbale wake Baana anathawa.
7 Fa raha niditra tao an-trano izy roa lahy, ary Isboseta nandry teo amin’ ny fandriany tao amin’ ny trano fandriany dia namely azy izy roa lahy ka nahafaty azy, dia notapahiny ny lohany ka nentiny; ary nandeha mandritra ny alina namaky ny tani-hay izy.
Iwo analowa mʼnyumbamo iye akugona pa bedi mʼchipinda chake. Atamulasa ndi kumupha, anadula mutu wake nʼkuwutenga, nayenda usiku wonse mʼnjira yopita ku Araba.
8 Ary nitondra ny lohan’ Isboseta tany amin’ i Davida tao Hebrona izy ka nanao tamin’ ny mpanjaka hoe: Indro ny lohan’ Isboseta, zanak’ i Saoly fahavalonao, izay nitady ny ainao; fa Jehovah efa namaly an’ i Saoly sy ny taranany androany noho ny amin’ ny mpanjaka tompoko.
Iwo anabweretsa mutu wa Isi-Boseti kwa Davide ku Hebroni ndipo anati kwa mfumu, “Nawu mutu wa Isiboseti mwana wa Sauli, mdani wanu, amene anafuna kukuphani. Lero lino Yehova wabwezera mbuye wanga mfumu adani anu, Sauli ndi ana ake.”
9 Ary hoy Davida tamin’ i Rekaba sy Bana rahalahiny, zanak’ i Rimona Berotita: Raha velona koa Jehovah, Izay namonjy ahy tamin’ ny fahoriana rehetra,
Davide anayankha Rekabu ndi mʼbale wake Baana, ana a Rimoni wa ku Beeroti kuti, “Pali Yehova wamoyo, amene wandipulumutsa ku mavuto anga onse,
10 ilay nanambara tamiko hoe: Indro, maty Saoly, ka nanao ny tenany ho mpitondra teny mahafaly, dia nohazoniko ka novonoiko tao Ziklaga, hanomezako azy ny valin’ ny teny mahafaly nentiny;
pamene munthu wina anandiwuza kuti, ‘Sauli wafa’ ndipo ankaganiza kuti wabweretsa nkhani yabwino, ine ndinamugwira ndi kumupha ku Zikilagi. Iyi inali mphotho imene ndinapereka kwa iyeyo chifukwa cha uthenga wake!
11 koa mainka raha misy olon-dratsy mamono lehilahy marina ao an-tranony eo am-pandriany; koa tsy hadiniko eo an-tananareo va ny ràny, ary tsy hofongorako tsy ho amin’ ny tany intsony va ianareo
Nanji pamene anthu oyipa apha munthu wosalakwa ali mʼnyumba mwake ndiponso pa bedi lake! Kodi ine ndingaleke kukulangani ndi kukuchotsani pa dziko lapansi pano?”
12 Ary Davida nandidy ny zatovony, dia namono azy ireo, ka notapahiny ny tanany sy ny tongony, dia nahantony teo anilan’ ny kamory tao Hebrona. Fa ny lohan’ Isboseta kosa dia nentina ka nalevina tao am-pasan’ i Abnera tao Hebrona.
Kotero Davide analamulira ankhondo ake, ndipo anawapha. Iwo anawadula manja ndi mapazi ndi kupachika matupi awo pa dziwe la ku Hebroni. Koma anatenga mutu wa Isi-Boseti nawuyika mʼmanda a Abineri ku Hebroni.

< 2 Samoela 4 >