< 2 Samoela 3 >
1 Ary naharitra ela ny adin’ ny tamingan’ i Saoly sy ny tamingan’ i Davida, nefa Davida nihahery, fa ny tamingan’ i Saoly kosa nihahosa.
Now there was a long war between the house of Saul and the house of David. David grew stronger and stronger, but the house of Saul grew weaker and weaker.
2 Ary Davida niteraka zazalahy tao Hebrona: koa Amnona, tamin’ i Ahinoama Jezirelita, no lahimatoany;
Sons were born to David in Hebron. His firstborn was Amnon, by Ahinoam from Jezreel.
3 ary Kileaba, tamin’ i Abigaila, ilay novinadin’ i Nabala Karmelita, no lahiaivo; ary ny fahatelo dia Absaloma, zanak’ i Maka, zanakavavin’ i Talmay, mpanjakan’ i Gesora;
His second son, Kileab, was born to Abigail, the widow of Nabal from Carmel. The third, Absalom, was son of Maacah, daughter of Talmai, king of Geshur.
4 ary ny fahefatra dia Adonia, zanak’ i Hagita; ary ny fahadimy dia Sefatia, zanak’ i Abitala;
David's fourth son, Adonijah, was the son of Haggith. His fifth son was Shephatiah son of Abital,
5 ary ny fahenina dia Jitreama, tamin’ i Egla, vadin’ i Davida. Ireo no naterak’ i Davida tao Hebrona.
and the sixth, Ithream, was the son of David's wife Eglah. These sons were born to David in Hebron.
6 Ary raha mbola niady ny tamingan’ i Davida sy ny tamingan’ i Saoly, Abnera dia nampiseho hery niandany tamin’ ny tamingan’ i Saoly.
It came about during the war between the house of Saul and the house of David that Abner made himself strong in the house of Saul.
7 (Ary Saoly nanana vaditsindrano, Rizpa no anarany, zanakavavin’ i Aia) Kanefa Isboseta niteny tamin’ i Abnera hoe: Nahoana no nalainao ny vaditsindranon’ ikaky?
Saul had a concubine whose name was Rizpah, the daughter of Aiah. Ishbosheth said to Abner, “Why have you slept with my father's concubine?”
8 Dia tezitra mafy Abnera noho ny tenin’ Isboseta, ka hoy izy: Lohan’ alika no miandany amin’ ny Joda va aho? He! izato izaho manisy soa ny tamingan’ i Saoly rainao sy ny rahalahiny sy ny sakaizany izao ka tsy nanolotra anao ho eo an-tànan’ i Davida, nefa aho izao helohinao noho ny amin’ iny vehivavy iny?
Then Abner was very angry at the words of Ishbosheth and said, “Am I a dog's head that belongs to Judah? Today I am showing faithfulness to the house of Saul, your father, to his brothers, and to his friends, by not delivering you into the hand of David. But now you accuse me of an offense concerning this woman?
9 Hataon’ Andriamanitra amin’ i Abnera anie izany, eny, mihoatra noho izany aza, raha tsy hataoko aminy araka ny nianianan’ i Jehovah tamin’ i Davida,
May God do so to me, Abner, and more also, if I do not do for David as Yahweh has sworn to him,
10 ka hampiala ny fanjakana amin’ ny tamingan’ i Saoly aho ary hampitoetra ny seza fiandrianan’ i Davida amin’ ny Isiraely sy amin’ ny Joda hatrany Dana ka hatrany Beri-sheba.
to transfer the kingdom from the house of Saul and set up the throne of David over Israel and over Judah, from Dan to Beersheba.”
11 Dia tsy nahavaly an’ i Abnera intsony izy noho ny tahony azy.
Ishbosheth could not answer Abner another word, because he feared him.
12 Ary Abnera dia naniraka olona tany amin’ i Davida niaraka tamin’ izay hanao hoe: An’ iza ny tany? Ary koa hoe: Manaova fanekena amiko, ary, indro, ny tanako homba anao hampanaiky ny Isiraely rehetra anao.
Then Abner sent messengers to David to speak for him saying, “Whose land is this? Make a covenant with me, and you will see that my hand is with you, to bring all Israel to you.”
13 Dia hoy izy: Tsara izany; izaho hanao fanekena aminao; kanefa zavatra iray loha no ilaiko aminao: Tsy hahazo mihaona amiko ianao, raha tsy entinao atỳ Mikala, zanakavavin’ i Saoly.
David answered, “Good, I will make a covenant with you. But one thing I require from you is that you cannot see my face unless you first bring Michal, Saul's daughter, when you come to see me.”
14 Ary Davida naniraka olona nankany amin’ Isboseta, zanakalahin’ i Saoly, hanao hoe: Omeo ahy Mikala vadiko, izay efa nifanekena ho vadiko tamin’ ny mariky ny fahafatesan’ ny Filistina zato lahy.
Then David sent messengers to Ishbosheth, Saul's son, saying, “Give me my wife Michal, for whom I paid a price of one hundred Philistine foreskins.”
15 Ary Isboseta naniraka naka an’ i Mikala tany amin’ i Paltiela vadiny, zanak’ i Laisy.
So Ishbosheth sent for Michal and took her from her husband, Paltiel son of Laish.
16 Ary io vadiny io nanaraka azy ka nitomany teny aoriany hatrany Bahorima. Fa hoy Abnera taminy: Mandehana miverina. Dia niverina izy.
Her husband went with her, weeping as he went, and followed her to Bahurim. Then Abner said to him, “Return home now.” So he returned.
17 Ary Abnera efa niteny tamin’ ny loholon’ ny Isiraely hoe: Efa ela izay no nitadiavanareo an’ i Davida ho mpanjakanareo;
Abner spoke with the elders of Israel saying, “In the past you were trying to have David be king over you.
18 koa tanteraho izany ankehitriny, fa Jehovah efa nilaza an’ i Davida hoe: Amin’ ny tànan’ i Davida mpanompoko no hamonjeko ny Isiraely oloko ho afaka amin’ ny tanan’ ny Filistina sy amin’ ny tanan’ ny fahavalony rehetra.
Now do it. For Yahweh has spoken of David saying, 'By the hand of my servant David I will save my people Israel from the hand of the Philistines and from the hand of all their enemies.'”
19 Ary Abnera efa niteny tamin’ ny Benjamita koa, ary lasa izy hilaza amin’ i Davida ao Hebrona koa izay rehetra tian’ ny Isiraely sy ny taranak’ i Benjamina rehetra hatao.
Abner also spoke personally to the people of Benjamin. Then Abner went also to speak with David in Hebron to explain everything that Israel and the whole house of Benjamin desired to accomplish.
20 Dia tonga tany amin’ i Davida tao Hebrona Abnera sy olona roa-polo lahy nanaraka azy. Ary nanao fanasana ho an’ i Abnera sy ny olona nanaraka azy Davida.
When Abner and twenty of his men arrived in Hebron to see David, David had a feast prepared for them.
21 Ary hoy Abnera tamin’ i Davida: Hiainga aho, dia handeha hamory ny Isiraely rehetra ho etỳ aminao mpanjaka tompoko, mba hanaovany fanekena aminao ary hanjakanao amin’ izay rehetra irin’ ny fonao. Ary Davida nampandeha an’ i Abnera; ka dia lasa soa aman-tsara izy.
Abner explained to David, “I will arise and gather all Israel to you, my master the king, so that they may make a covenant with you, so that you may reign over all that you desire.” So David sent Abner away, and Abner left in peace.
22 Ary, indreo, tonga ny mpanaraka an’ i Davida sy Joaba avy nitoha ka nitondra babo be; ary efa tsy teo amin’ i Davida tao Hebrona intsony Abnera, fa efa nalefany izy, ka dia lasa soa aman-tsara.
Then the soldiers of David and Joab came from a raid and brought much plunder with them. But Abner was not with David in Hebron. David had sent him away, and Abner had left in peace.
23 Nony tonga Joaba sy ny miaramila rehetra izay nanaraka azy, dia nisy nanambara tamin’ i Joaba hoe: Tonga tao amin’ ny mpanjaka Abnera, zanak’ i Nera, nefa nalefany izy, ka dia lasa soa aman-tsara.
When Joab and all the army with him arrived, they told Joab, “Abner son of Ner came to the king, and the king has sent him away, and Abner left in peace.”
24 Ary Joaba nankao amin’ ny mpanjaka ka nanao hoe: Inona izany nataonao izany? Nahoana no efa tonga teto aminao Abnera ka nalefanao fotsiny, ka dia afaka soa aman-tsara izy?
Then Joab came to the king and said, “What have you done? Look, Abner came to you! Why have you sent him away, and he is gone?
25 Fantatrao anefa ny amin’ i Abnera, zanak’ i Nera, fa hamitaka anao no nahatongavany hahalalany ny ivoahanao sy ny idiranao ary hahalalany izay rehetra ataonao.
Do you not know that Abner son of Ner came to deceive you and to discover your plans and learn everything you are doing?”
26 Dia nivoaka Joaba avy tao amin’ i Davida ka naniraka olona hanaraka an’ i Abnera, ary nitondra azy niverina avy any amin’ ny lavaka famorian-drano atao hoe Siraha ireo: nefa tsy fantatr’ i Davida izany.
When Joab left David, he sent messengers after Abner, and they brought him back from the well of Sirah, but David did not know this.
27 Ary nony niverina tao Hebrona Abnera, dia nentin’ i Joaba nitanila tao anaty vavahady hiresaka aminy mangingina, kanjo nasiany tamin’ ny kibony ka matiny ho todin’ ny ran’ i Asahela rahalahiny.
When Abner returned to Hebron, Joab took him aside in the middle of the gate to speak with him quietly. There Joab stabbed him in the stomach and killed him. In this way, Joab avenged the blood of Asahel his brother.
28 Ary rehefa afaka izany, dia nahare Davida, ka hoy izy: Tsy manan-keloka mandrakizay eo anatrehan’ i Jehovah izaho sy ny fanjakako ny amin’ ny ran’ i Abnera, zanak’ i Nera.
When David heard about this he said, “I and my kingdom are innocent before Yahweh forever regarding the blood of Abner son of Ner.
29 Hitsingerina amin’ ny lohan’ i Joaba sy ny tarana-drainy rehetra anie ny todin’ izany; ary tsy ho tapaka amin’ ny taranak’ i Joaba anie ny marary mitsika, na ny boka, na ny mamahana amin’ ny tehina, na ny lavon-tsabatra, na ny tsy manan-kohanina.
Let the guilt of Abner's death fall on the head of Joab and on all his father's house. May there never fail to be in the family of Joab someone who has a flowing sore or skin disease or who is lame and must walk with a staff or who is killed by the sword or who goes without food.”
30 Toy izany no namonoan’ i Joaba sy Abisay rahalahiny an’ i Abnera noho ny namonoany an’ i Asahela rahalahiny tao Gibeona tamin’ ny ady.
So Joab and Abishai his brother killed Abner, because he had killed their brother Asahel at Gibeon in battle.
31 Ary hoy Davida tamin’ i Joaba sy ny olona rehetra izay teo aminy: Triaro ny fitafianareo, ary misikìna lamba fisaonana, ka aoka hisaona eo anolohan’ i Abnera ianareo. Ary Davida mpanjaka nanaraka ny tranovorona.
David said to Joab and to all the people who were with him, “Tear your clothes, put on sackcloth, and mourn before Abner's body.” Now King David walked behind the body in the funeral procession.
32 Dia nandevina an’ i Abnera tao Hebrona izy; ary ny mpanjaka nanandratra ny feony ka nitomany teo amin’ ny fasan’ i Abnera; ary ny vahoaka rehetra dia mba nitomany koa.
They buried Abner in Hebron. The king wept and cried loudly at the tomb of Abner, and all the people also wept.
33 Ary ny mpanjaka nanao hira fisaonana an’ i Abnera hoe: Tahaka ny fahafatesan’ ny adala va no tokony ho nahafatesan’ i Abnera?
The king lamented for Abner and sang, “Should Abner die as a fool dies?
34 Ny tananao tsy nifatotra, ary ny tongotrao tsy nigadra; Fa tahaka ny fikarapok’ izay asian’ ny olon-dratsy no nikarapohanao. Ary ny vahoaka rehetra dia mbola nitomany azy indray.
Your hands were not bound. Your feet were not shackled. As a man falls before the sons of injustice, so you have fallen.” Once more all the people wept over him.
35 Ary izy rehetra dia avy hampihinan-kanina an’ i Davida raha mbola antoandro, nefa Davida nianiana hoe: Hataon’ Andriamanitra amiko anie izany, eny, mihoatra noho izany aza, raha mba hitendry hanina na inona na inona akory aho mandra-pilentiky ny masoandro.
All the people came to make David eat while it was still day, but David swore, “May God do so to me, and more also, if I taste bread or anything else before the sun goes down.”
36 Ary azon’ ny vahoaka rehetra ny hevitr’ izany ka nankasitrahany, dia tahaka ny nankasitrahany izay rehetra nataon’ ny mpanjaka.
All the people took notice of David's grief, and it pleased them, as whatever the king did pleased them.
37 Ka dia fantatry ny vahoaka rehetra sy ny Isiraely rehetra tamin’ izany andro izany fa tsy avy tamin’ ny mpanjaka no nahafaty an’ i Abnera, zanak’ i Nera.
So all the people and all Israel understood that day that it was not the king's desire to kill Abner son of Ner.
38 Ary hoy ny mpanjaka tamin’ ny mpanompony: Tsy fantatrareo va fa komandy sady lehilahy malaza no maty androany tamin’ ny Isiraely?
The king said to his servants, “Do you not know that a prince and a great man has fallen this day in Israel?
39 Ary tsy mbola manan-kery loatra aho izao, na dia mpanjaka efa voahosotra aza; ary ireo zanak’ i Zeroia ireo dia mahery sata loatra amiko; Jehovah anie hamaly izay nanao izao ratsy izao araka ny ratsy nataony.
Now I am weak today, though I am an anointed king. These men, the sons of Zeruiah, are too brutal for me. May Yahweh repay the evildoer by punishing him for his wickedness, as he deserves.”