< 2 Samoela 3 >

1 Ary naharitra ela ny adin’ ny tamingan’ i Saoly sy ny tamingan’ i Davida, nefa Davida nihahery, fa ny tamingan’ i Saoly kosa nihahosa.
Sawl imthung hoi Devit imthung hah atueng moi kasawlah a kâtuk awh. Devit imthung hoehoe a thao awh. Sawl imthung teh hoehoe a tha ayoun awh.
2 Ary Davida niteraka zazalahy tao Hebrona: koa Amnona, tamin’ i Ahinoama Jezirelita, no lahimatoany;
Devit ni Hebron kho vah capa a tawn. Camin Amnon, Jezreel tami Ahinoam koehoi e doeh.
3 ary Kileaba, tamin’ i Abigaila, ilay novinadin’ i Nabala Karmelita, no lahiaivo; ary ny fahatelo dia Absaloma, zanak’ i Maka, zanakavavin’ i Talmay, mpanjakan’ i Gesora;
Apâhni e teh, Khileab, Karmel tami Nabal e yu Abigail koehoi e doeh. Apâthum e teh Absalom, Geshur siangpahrang Talmai canu Maakah capa doeh.
4 ary ny fahefatra dia Adonia, zanak’ i Hagita; ary ny fahadimy dia Sefatia, zanak’ i Abitala;
Apali e teh, Adonijah Haggith capa doeh. Apanga e teh, Shephatiah, Abital capa doeh.
5 ary ny fahenina dia Jitreama, tamin’ i Egla, vadin’ i Davida. Ireo no naterak’ i Davida tao Hebrona.
Ataruk e teh, Ithream Devit e yu Eglah koehoi e doeh. Hetnaw teh Devit capanaw Hebron kho dawk a khe e naw doeh.
6 Ary raha mbola niady ny tamingan’ i Davida sy ny tamingan’ i Saoly, Abnera dia nampiseho hery niandany tamin’ ny tamingan’ i Saoly.
Sawl imthung hoi Devit imthung a kâtuk awh navah, Abner teh Sawl imthung koe lah a tha pou a sai.
7 (Ary Saoly nanana vaditsindrano, Rizpa no anarany, zanakavavin’ i Aia) Kanefa Isboseta niteny tamin’ i Abnera hoe: Nahoana no nalainao ny vaditsindranon’ ikaky?
Sawl ni ado a tawn, A min teh Rizpah, Aiah canu doeh. Ishbosheth ni Abner koevah bangkong apa e ado koe na kâen telah atipouh.
8 Dia tezitra mafy Abnera noho ny tenin’ Isboseta, ka hoy izy: Lohan’ alika no miandany amin’ ny Joda va aho? He! izato izaho manisy soa ny tamingan’ i Saoly rainao sy ny rahalahiny sy ny sakaizany izao ka tsy nanolotra anao ho eo an-tànan’ i Davida, nefa aho izao helohinao noho ny amin’ iny vehivavy iny?
Ishbosheth lawk a dei e ni Abner hah a lung puenghoi a khuek sak. Judah taminaw e ui e lû namaw, sahnin ditouh na pa Sawl imthungnaw hoi a hmaunawngha hoi a huikonaw koe lungmanae kamnue sak e lahoi Devit e kut dawk ka poe awh hoeh. Nang ni hete napui kong dawk yonnae ka sak e patetlah na pouk.
9 Hataon’ Andriamanitra amin’ i Abnera anie izany, eny, mihoatra noho izany aza, raha tsy hataoko aminy araka ny nianianan’ i Jehovah tamin’ i Davida,
Sawl imthung dawk hoi uknae la pouh han Isarel hoi Judah lathueng vah Dan hoi Beersheba to touh.
10 ka hampiala ny fanjakana amin’ ny tamingan’ i Saoly aho ary hampitoetra ny seza fiandrianan’ i Davida amin’ ny Isiraely sy amin’ ny Joda hatrany Dana ka hatrany Beri-sheba.
Devit e bawitungkhung kangdue sak hanelah BAWIPA ni Devit koe lawk a kam e patetlah ka sak hoehpawiteh, Cathut ni Abner heh a ngainae patetlah sak naseh, hothlak kapap lahai sak naseh.
11 Dia tsy nahavaly an’ i Abnera intsony izy noho ny tahony azy.
Abner hah a taki toung dawkvah Ishbosheth lawkkam touh boehai pathung hoeh.
12 Ary Abnera dia naniraka olona tany amin’ i Davida niaraka tamin’ izay hanao hoe: An’ iza ny tany? Ary koa hoe: Manaova fanekena amiko, ary, indro, ny tanako homba anao hampanaiky ny Isiraely rehetra anao.
Abner ni amae yueng lah Devit koe patounenaw a patoun teh hete ram heh apie maw kai koe lawkkamnae sak haw. Isarelnaw nang koe lah kampang hanelah, ka kut heh nang koe lah a kampang han telah a ti.
13 Dia hoy izy: Tsara izany; izaho hanao fanekena aminao; kanefa zavatra iray loha no ilaiko aminao: Tsy hahazo mihaona amiko ianao, raha tsy entinao atỳ Mikala, zanakavavin’ i Saoly.
Devit ni ahawi nang koe lawkkamnae ka sak han. Hateiteh hno buet touh ka hei han. Kai na kâhmo hanelah na tho navah, Sawl canu Mikhal na thokhai hoehpawiteh, ka mei na hmawt mahoeh telah a ti.
14 Ary Davida naniraka olona nankany amin’ Isboseta, zanakalahin’ i Saoly, hanao hoe: Omeo ahy Mikala vadiko, izay efa nifanekena ho vadiko tamin’ ny mariky ny fahafatesan’ ny Filistina zato lahy.
Devit ni Sawl e capa Ishbosheth koevah Filistin tami vuensom 100 touh hoi ka ran e ka yu Mikhal hah na poe telah patounenaw a patoun.
15 Ary Isboseta naniraka naka an’ i Mikala tany amin’ i Paltiela vadiny, zanak’ i Laisy.
Ishbosheth ni tami a patoun teh, a vâ Laish capa Paltiel kut dawk e a thokhai.
16 Ary io vadiny io nanaraka azy ka nitomany teny aoriany hatrany Bahorima. Fa hoy Abnera taminy: Mandehana miverina. Dia niverina izy.
A vâ teh a kâ laihoi a cei teh, Bahurim kho totouh a kâbang. Abner ni ahni koe cet nateh ban lawih telah atipouh teh a ban.
17 Ary Abnera efa niteny tamin’ ny loholon’ ny Isiraely hoe: Efa ela izay no nitadiavanareo an’ i Davida ho mpanjakanareo;
Abner ni Isarel kacuenaw a pâkhueng teh, ahnimouh koe, hah hoehnahlan teh Devit heh siangpahrang lah na ngai awh e doeh.
18 koa tanteraho izany ankehitriny, fa Jehovah efa nilaza an’ i Davida hoe: Amin’ ny tànan’ i Davida mpanompoko no hamonjeko ny Isiraely oloko ho afaka amin’ ny tanan’ ny Filistina sy amin’ ny tanan’ ny fahavalony rehetra.
Atuvah tawmrasang awh leih. Bangkongtetpawiteh, BAWIPA ni Devit kong dawk ka san Devit kut dawk hoi ka tami Isarel hah Filistinnaw kut dawk hoi na rungngang han telah a dei atipouh.
19 Ary Abnera efa niteny tamin’ ny Benjamita koa, ary lasa izy hilaza amin’ i Davida ao Hebrona koa izay rehetra tian’ ny Isiraely sy ny taranak’ i Benjamina rehetra hatao.
Abner ni Benjamin taminaw a thainae koehai a dei. Hottelah Abner ni Isarel taminaw hoi Benjamin imthungnaw ni ahawi ati awh e pueng Hebron vah Devit koe dei pouh hanelah a cei awh.
20 Dia tonga tany amin’ i Davida tao Hebrona Abnera sy olona roa-polo lahy nanaraka azy. Ary nanao fanasana ho an’ i Abnera sy ny olona nanaraka azy Davida.
Abner ni tami 20 touh hoi Devit aonae koe Hebron kho lah a cei teh, Devit ni roipu a sak teh, Abner hoi a taminaw a ca sak.
21 Ary hoy Abnera tamin’ i Davida: Hiainga aho, dia handeha hamory ny Isiraely rehetra ho etỳ aminao mpanjaka tompoko, mba hanaovany fanekena aminao ary hanjakanao amin’ izay rehetra irin’ ny fonao. Ary Davida nampandeha an’ i Abnera; ka dia lasa soa aman-tsara izy.
Abner ni Devit koevah, kathâw vaiteh, nang koe lawkkamnae a sak thai awh nahane hoi na pouknae patetlah lawk ka ceng thai nahan, Isarelnaw pueng ka bawipa koe pâkhueng hanelah, ka cei han telah ati. Devit ni Abner a patoun teh duem a cei.
22 Ary, indreo, tonga ny mpanaraka an’ i Davida sy Joaba avy nitoha ka nitondra babo be; ary efa tsy teo amin’ i Davida tao Hebrona intsony Abnera, fa efa nalefany izy, ka dia lasa soa aman-tsara.
Hatnavah, Joab hoi Devit e a sannaw teh taran a pâleinae koehoi a ban awh teh, hnopai moi a sin awh. Abner teh Devit hoi Hebron kho dawk rei awm roi hoeh. Devit ni a patoun toung dawkvah karoumcalah a cei.
23 Nony tonga Joaba sy ny miaramila rehetra izay nanaraka azy, dia nisy nanambara tamin’ i Joaba hoe: Tonga tao amin’ ny mpanjaka Abnera, zanak’ i Nera, nefa nalefany izy, ka dia lasa soa aman-tsara.
Joab hoi ama koe kaawm e taminaw pha awh navah, Ner capa Abner hah, siangpahrang koe a tho teh, ahni ni a ban sak toung dawkvah karoumcalah a cei telah Joab koe a dei pouh han.
24 Ary Joaba nankao amin’ ny mpanjaka ka nanao hoe: Inona izany nataonao izany? Nahoana no efa tonga teto aminao Abnera ka nalefanao fotsiny, ka dia afaka soa aman-tsara izy?
Joab teh Siangpahrang koe a kâen teh, bawipa, bangtelamaw na sak e hah khenhaw! Abner teh nang koe tho teh, bangkongmaw yout na cei sak.
25 Fantatrao anefa ny amin’ i Abnera, zanak’ i Nera, fa hamitaka anao no nahatongavany hahalalany ny ivoahanao sy ny idiranao ary hahalalany izay rehetra ataonao.
Ner capa Abner teh na panue, nang dum hanelah, na tâco na kâen, na sak e pueng panue han a ngai dawk ka tho e doeh telah a ti.
26 Dia nivoaka Joaba avy tao amin’ i Davida ka naniraka olona hanaraka an’ i Abnera, ary nitondra azy niverina avy any amin’ ny lavaka famorian-drano atao hoe Siraha ireo: nefa tsy fantatr’ i Davida izany.
Devit koehoi Joab a tâco navah, Abner hah pâlei hanelah patounenaw a patoun. Sirah tuikhu koehoi bout a bankhai. Hatei teh Devit panuek hoeh.
27 Ary nony niverina tao Hebrona Abnera, dia nentin’ i Joaba nitanila tao anaty vavahady hiresaka aminy mangingina, kanjo nasiany tamin’ ny kibony ka matiny ho todin’ ny ran’ i Asahela rahalahiny.
Abner ni Hebron kho a pha navah, Joab ni rapan longkha koe arulahoi lawk kâpan hanelah a ceikhai teh a hmaunawngha Asahel thi a palawngnae koe a von dawk a thut teh a due.
28 Ary rehefa afaka izany, dia nahare Davida, ka hoy izy: Tsy manan-keloka mandrakizay eo anatrehan’ i Jehovah izaho sy ny fanjakako ny amin’ ny ran’ i Abnera, zanak’ i Nera.
Hathnukkhu, Devit ni a thai navah, Ner capa Abner thi palawngnae kong dawk kai hoi ka uknaeram teh, BAWIPA hmalah pou ka kamthoung han.
29 Hitsingerina amin’ ny lohan’ i Joaba sy ny tarana-drainy rehetra anie ny todin’ izany; ary tsy ho tapaka amin’ ny taranak’ i Joaba anie ny marary mitsika, na ny boka, na ny mamahana amin’ ny tehina, na ny lavon-tsabatra, na ny tsy manan-kohanina.
Joab hoi a na pa imthungnaw e lû dawk bawt na seh, Joab imthung dawk thihnaipatawnae, hrikbei, hnamkhun, tahloi hoi duenae, takangnae pout hanh naseh, telah a ti.
30 Toy izany no namonoan’ i Joaba sy Abisay rahalahiny an’ i Abnera noho ny namonoany an’ i Asahela rahalahiny tao Gibeona tamin’ ny ady.
Hottelah, Joab hoi a nawngha Abisai ni Abner hah a thei van, bangkongtetpawiteh, Asahel hah Gibeon kâtuknae koe a thei dawk vah.
31 Ary hoy Davida tamin’ i Joaba sy ny olona rehetra izay teo aminy: Triaro ny fitafianareo, ary misikìna lamba fisaonana, ka aoka hisaona eo anolohan’ i Abnera ianareo. Ary Davida mpanjaka nanaraka ny tranovorona.
Devit ni hai Joab hoi ama koe kaawmnaw koe na hni hah ravek awh nateh Buri kâkhu awh. Abner hanelah khuikanae sak awh atipouh teh, Devit ni ro hah a kâbang sin.
32 Dia nandevina an’ i Abnera tao Hebrona izy; ary ny mpanjaka nanandratra ny feony ka nitomany teo amin’ ny fasan’ i Abnera; ary ny vahoaka rehetra dia mba nitomany koa.
Abner teh Hebron vah a pakawp awh teh, siangpahrang hoi taminaw teh Abner phuen koe a ka awh.
33 Ary ny mpanjaka nanao hira fisaonana an’ i Abnera hoe: Tahaka ny fahafatesan’ ny adala va no tokony ho nahafatesan’ i Abnera?
Siangpahrang Abner a ka khai awh teh, Abner teh tamipathu due la maw a due han.
34 Ny tananao tsy nifatotra, ary ny tongotrao tsy nigadra; Fa tahaka ny fikarapok’ izay asian’ ny olon-dratsy no nikarapohanao. Ary ny vahoaka rehetra dia mbola nitomany azy indray.
Na kut hai katek hoeh, na khok hai hlong buet hoeh. Tamikapo kut dawk hoi kadout e patetlah duenae na tawng toe telah ati. Taminaw hai bout a kâ awh.
35 Ary izy rehetra dia avy hampihinan-kanina an’ i Davida raha mbola antoandro, nefa Davida nianiana hoe: Hataon’ Andriamanitra amiko anie izany, eny, mihoatra noho izany aza, raha mba hitendry hanina na inona na inona akory aho mandra-pilentiky ny masoandro.
Khohmo hoehnahlan Devit teh rawca ca sak hanelah taminaw a tho awh. Hatei Devit ni kanî a khup hoehnahlan rawca thoseh, alouknaw hai thoseh ka cat pawiteh, Cathut ni a ngai e patetlah na tet naseh, hothlak kapap lahai na sak naseh telah thoe a kâbo.
36 Ary azon’ ny vahoaka rehetra ny hevitr’ izany ka nankasitrahany, dia tahaka ny nankasitrahany izay rehetra nataon’ ny mpanjaka.
Hote hah taminaw ni a thai toteh, a lunghawi awh. Siangpahrang ni a sak e pueng taminaw ni a ngai awh teh a lunghawi sak awh.
37 Ka dia fantatry ny vahoaka rehetra sy ny Isiraely rehetra tamin’ izany andro izany fa tsy avy tamin’ ny mpanjaka no nahafaty an’ i Abnera, zanak’ i Nera.
Bangkongtetpawiteh, tamihu hoi Isarelnaw pueng ni hat hnin vah Ner capa Abner thei e hah siangpahrang khokhangnae nahoeh tie a panue awh.
38 Ary hoy ny mpanjaka tamin’ ny mpanompony: Tsy fantatrareo va fa komandy sady lehilahy malaza no maty androany tamin’ ny Isiraely?
Siangpahrang ni a taminaw koe sahnin vah Isarelnaw dawk bawi hoi tami kalen a due tie na panuek awh hoeh maw.
39 Ary tsy mbola manan-kery loatra aho izao, na dia mpanjaka efa voahosotra aza; ary ireo zanak’ i Zeroia ireo dia mahery sata loatra amiko; Jehovah anie hamaly izay nanao izao ratsy izao araka ny ratsy nataony.
Kai teh satui awi e lah ka o eiteh, sahnin ka tha ayoun. Zeruiah capa lah kaawm e hetnaw teh kai hlak a thao awh. Ka hawihoeh e patetlah BAWIPA ni pathung naseh telah a ti.

< 2 Samoela 3 >