< 2 Samoela 24 >
1 Ary ny fahatezeran’ i Jehovah nirehitra indray tamin’ ny Isiraely, ka dia nanome saina an’ i Davida Izy hanao izay hahatonga loza amin’ ny vahoakany hoe: Mandehana, isao ny Isiraely sy ny Joda.
2 Dia hoy ny mpanjaka tamin’ i Joaba, komandin’ ny miaramila, izay teo aminy: Mandehana mitety ny firenen’ isiraely rehetra hatrany Dana ka hatrany Beri-sheba, ary alaminonareo ny vahoaka mba ho fantatro ny isany.
3 Fa hoy Joaba amin’ ny mpanjaka: Jehovah Andriamanitrao anie hampitombo ny vahoaka ho injato toy izao, na firy na firy izy, ka ho hitan’ ny mason’ ny mpanjaka tompoko izany; fa ahoana no itiavan’ ny mpanjaka tompoko hanao izany zavatra izany?
4 Nefa tsy azon’ i Joaba sy ny komandin’ ny miaramila nolavina ny tenin’ ny mpanjaka. Ary Joaba sy ny komandin’ ny miaramila nivoaka avy teo anatrehan’ ny mpanjaka handamina ny lehilahy amin’ ny Isiraely.
5 Ary nita an’ i Jordana izy ireo ka nitoby tao Aroera eo ankavanan’ ilay tanàna afovoan’ ny lohasahan-driak’ i Gada, dia nankany Jazera.
6 Dia tonga tany Gileada izy, tany amin’ ny tamin’ i Tatima-hodsy, dia tonga tany Danajana izy, ka nanodidina hatrany Sidona,
7 ary tonga tao Tyro, tanàna mimanda, sy tany amin’ ny tanànan’ ny Hivita sy ny Kananita rehetra, ary dia nankany amin’ ny tany atsimo izay an’ ny Joda hatrany Beri-sheba izy.
8 Ary nony efa nitety ny tany rehetra izy, dia tonga tany Jeroselama, rehefa afaka sivy volana sy roa-polo andro.
9 Dia natolotr’ i Joaba ny mpanjaka ny isan’ ny vahoaka voalamina, ka nisy valo hetsy ny lehilahy mahery nahatan-tsabatra tamin’ ny Isiraely, ary dimy hetsy ny lehilahy tamin’ ny Joda.
10 Ary ny eritreritr’ i Davida namely azy, rehefa voaisany ny olona. Ka dia hoy Davida tamin’ i Jehovah: Efa nanota indrindra aho tamin’ izao nataoko izao; koa ankehitriny mifona aminao aho, Jehovah ô, esory ny heloky ny mpanomponao, fa efa nanao fahadalana lehibe aho.
11 Ary raha nifoha maraina Davida, dia tonga tamin’ i Gada mpaminany, mpahitan’ i Davida, ny tenin’ i Jehovah nanao hoe:
12 Mandehana, ka lazao amin’ i Davida hoe: Izao no lazain’ i Jehovah: Zavatra telo no apetrako eto anoloanao, koa fidio izay iray hataoko aminao.
13 Ary Gada nankany amin’ i Davida dia nanambara izany taminy ka nanao hoe: Mosary fito taona va no tianao ho tonga aminao eto amin’ ny taninao? Sa handositra telo volana eo anoloan’ ny fahavalonao ianao, fa henjehiny? Sa areti-mandringana hateloana eto amin’ ny taninao? Koa saino sy hevero izay valiny ho entiko miverina any amin’ izay naniraka ahy.
14 Dia hoy Davida tamin’ i Gada: Indrisy! poritra loatra aho! aleontsika ho azon’ ny tànan’ i Jehovah, fa lehibe ny famindram-pony toy izay ho azon’ izay tànan’ olona.
15 Ka dia nasian’ i Jehovah areti-mandringana ny Isiraely nony maraina ka hatramin’ ilay fotoana; ary dia nahafatesana fito alina ny olona hatrany Dana ka hatrany Beri-sheba.
16 Ary naninjitra ny tànany tany Jerosalema Ilay Anjely handringana ny any; fa Jehovah nanenina ny amin’ ny loza ka nanao tamin’ ilay Anjely Izay nandringana ny olona hoe: Aoka izay, atsaharo ny tananao ankehitriny. Ary Ilay Anjelin’ i Jehovah dia teo amin’ ny famoloan’ i Araona Jebosita.
17 Ary nony hitan’ i Davida Ilay Anjely namely ny olona, dia niteny tamin’ i Jehovah izy nanao hoe: Indro, izaho no efa nanota, ary izaho no efa anao ratsy; fa ireo ondry ireo kosa, inona moa no mba nataony? Koa mifona aminao re aho, aoka ny tananao hamely ahy sy ny mpianakavin’ ny raiko.
18 Ary Gada nankany amin’ i Davida tamin’ izany andro izany ka nanao taminy hoe: Miakara, ka manangàna alitara ho an’ i Jehovah ao amin’ ny famoloan’ i Araona Jebosita.
19 Koa dia niakatra Davida araka ny tenin’ i Gada, araka izay nandidian’ i Jehovah.
20 Ary Araona nitsirika ka nahita ny mpanjaka sy ny mpanompony manatona azy, dia nivoaka izy ka niankohoka tamin’ ny tany teo anatrehan’ ny mpanjaka.
21 Ary hoy Araona: Ahoana no ahatongavan’ ny mpanjaka tompoko atỳ amin’ ny mpanompony? Dia hoy Davida: Hividy ny famoloana aminao mba hanorenako alitara ho an’ i Jehovah hitsaharan’ ny areti-mandringana tsy hamely ny olona intsony.
22 Fa hoy Araona tamin’ i Davida: Aoka ny mpanjaka tompoko haka izay sitrany ka hanatitra izany. Indreo ny omby ho fanatitra dorana ary ny fivelezam-bary sy ny hazo amin’ ny omby hatao kitay.
23 Izany rehetra izany, ry mpanjaka, dia omen’ i Araona ny mpanjaka. Ary hoy Araona tamin’ ny mpanjaka: Jehovah Andriamanitrao anie hankasitraka anao.
24 Ary hoy ny mpanjaka tamin’ i Araona: Tsia, fa hovidiko aminao mihitsy araka izay tokom-bidiny ireo; fa tsy hanatitra fanatitra dora na ho an’ i Jehovah Andriamanitro amin’ izay azoko fotsiny aho. Ka dia novidin’ i Davida sekely volafotsy dimam-polo ny famoloana sy ny omby.
25 Ary Davida nanao alitara teo ho an’ i Jehovah ka nanatitra fanatitra dorana sy fanati-pihavanana. Ka dia neken’ i Jehovah ny fifonana natao ho an’ ny tany, ka nitsahatra tsy namely ny Isiraely intsony ilay areti-mandringana.