< 2 Samoela 23 >

1 Ary izao no fara-teny nataon’ i Davida: hoy Davida, zanak’ i Jese, dia ny lehilahy izay voasandratra ho ambony, Ilay voahosotry ny Andriamanitr’ i Jakoba sady mpanao fihirana mahafinaritra amin’ ny Isiraely:
Eyi ne Dawid nsɛm a etwaa to: “Dawid, Yisai ba barima a Onyankopɔn maa no nkɔso a ɛyɛ nwonwa, na Yakob Nyankopɔn sraa no ngo no, Israel nnwomhyehyɛfo mu otiban:
2 Ny Fanahin’ i Jehovah no mampiteny ahy, ary ny teniny no eo amin’ ny lelako;
“Awurade honhom kasa fa me mu; ne nsɛm wɔ me tɛkrɛma so.
3 Andriamanitry ny Isiraely manao hoe, eny, ny Vatolampin’ ny Isiraely miteny amiko hoe: Indro ny Mpanapaka ny olona; Marina Izy sady manapaka amin’ ny fahatahorana an’ Andriamanitra;
Israel Nyankopɔn kasae. Israel botan ka kyerɛɛ me se: ‘Onipa a odi hene trenee mu, na ɔde Onyamesuro di hene no,
4 Ary izany dia toy ny fahazavan’ ny maraina, raha miposaka ny masoandro, dia ilay maraina tsy misy rahona iny; Ary ny ahitra manorobona amin’ ny tany noho ny hain’ andro manarakaraka ny ranonorana.
ɔte sɛ anɔpa hann, ɔte sɛ anɔpa a omununkum nni hɔ apueiwia hann; ɔte sɛ osutɔ akyi hyerɛn, na ɛma sare foforo pue fi asase mu.’
5 Ary tsy toy izany indrindra amin’ Andriamanitra va ny taranako? Fa fanekena mandrakizay no nataony tamiko, Voalamina amin’ ny zavatra rehetra sady voatandrina; Fa ny famonjena ahy rehetra sy ny iriko rehetra, moa tsy hampitsimohiny va?
“Ɛyɛ me fi na Onyankopɔn ayi. Yiw, ɔne me ayɛ apam a ɛwɔ hɔ daa. Ne nhyehyɛe yɛ afebɔɔ, bi nni hɔ bio, na wɔasɔw ano. Ɔbɛhwɛ me yiyedi ne me nkɔso daa.
6 Fa ny tena ratsy fanahy rehetra kosa dia tahaka ny tsilo ariana, Fa tsy azo raisin’ ny tanana izy;
Na wɔn a wonnim Onyame no te sɛ nsɔe a wɔbɛtow agu, efisɛ wɔwowɔ nsa a eso mu no.
7 Ary ny olona izay mikasika azy Dia tsy maintsy mitondra vy sy zaran-defona; Ary hodorana amin’ ny afo avokoa amin’ izay itoerany ireny.
Ɛsɛ sɛ obi kɔ amia mu ansa na watwa wɔn agu; wɔde ogya bɛhyew wɔn dwerɛbee.”
8 Ary izao no anaran’ ny lehilahy maherin’ i Davida: Joseba-basebeta Takemonita no lehiben’ ny mpanafika malaza; izy ilay Edino Eznita izay namely ny valon-jato lahy ka nahafaty azy tamin’ ny ady indray mandeha monja.
Din a edidi so yi yɛ Dawid dɔmmarima: Nea odi kan ne Yoseb-Basebet a ofi Tahkemon, na ɔyɛ ɔsahene wɔ akofo akɛse Baasa bi so wɔ Dawid mmarima no mu. Ɔno na ɔde ne peaw kum atamfo akofo ahanwɔtwe wɔ ɔsa baako pɛ mu no.
9 Ary ny manarakaraka azy dia Eleazara, zanak’ i Dodo, zanak’ i Ahohita, anankiray amin’ izy telo lahy mahery teo amin’ i Davida, raha nihaika ny Filistina izay niangona hiady ireo, ka niakatra ny lehilahy amin’ ny Isiraely;
Nea ɔto so abien wɔ baasa no mu no ne Dodo babarima Eleasar a ɔyɛ Ahohi aseni. Bere bi Eleasar ne Dawid ka bɔɔ mu, tew gyinae, de tiaa Filistifo bere a Israel asraafo no nyinaa aguan no.
10 dia nitsangana Eleazara ka namely ny Filistina mandra-pahavizan’ ny tànany ka efa niraikitra tamin’ ny sabatra; ary Jehovah nanao famonjena lehibe tamin’ izany andro izany, ka ny haka babo ihany no sisa nanarahan’ ny olona azy.
Okunkum Filistifo no ara kosii sɛ afei, na ontumi mpagyaw ne peaw. Nanso Awurade maa no dii nkonim saa da no. Asraafo a wɔaka no ansan amma kosii bere a ɛsɛ sɛ wɔkɔtase wɔn asade no.
11 Ary ny manarakaraka azy dia Sama, zanak’ i Age Hararita. Ary nony nivory ho iray toko teo amin’ ny tany nisy voanemba maniry ny Filistina, ary ny olona nandositra azy,
Nea odi hɔ yɛ Sama a ɔyɛ Agee a ofi Harar babarima. Da koro bi, Filistifo no boaa wɔn ho ano wɔ Lehi, na wɔtow hyɛɛ Israelfo no so wɔ aseduafuw bi mu. Israel asraafo no guanee,
12 dia nijanona teo afovoan’ io tany io kosa izy ka nahazo io ary namono ny Filistina; ka dia nanao famonjena lehibe Jehovah.
nanso Sama gyinaa ne nan so pintinn wɔ afuw no mfimfini, kaa Filistifo no gui. Enti Awurade ma odii nkonim.
13 Ary nisy telo lahy samy malaza avy tamin’ ny telo-polo lahy nidina ka tonga tao amin’ i Davida tao amin’ ny zohin’ i Adolama nony fararano; ary ny miaramilan’ ny Filistina nitoby teo amin’ ny Lohasahan’ ny Refaïta.
Twabere bi a na Dawid wɔ Adulam ɔbodan mu no, Filisti asraafo bɛkyeree nsraban wɔ Refaim bon mu. Dawid akofo nimdefo aduasa no mu baasa sian kohyiaa no wɔ hɔ.
14 Ary Davida dia tao amin’ ny batery fiarovana tamin’ izay, ary ny miaramilan’ ny Filistina kosa dia tao Betlehema.
Saa bere no na Dawid te nsraban mu hɔ a na Filistifo asraafo no fa bi nso akɔtena Betlehem.
15 Ary Davida naniry ka nanao hoe: Enga anie ka hisy hampisotro rano ahy avy amin’ ny fantsakana ao Betlehema, ilay ao akaikin’ ny vavahady!
Dawid daa nʼakɔnnɔ adi se, “Ao, sɛ minya nsu pa a ɛwɔ Betlehem abura a ɛwɔ kurow no pon no ano hɔ no bi a, anka mɛnom.”
16 Ary ireo telo lahy mahery namaky teo amin’ ny miaramilan’ ny Filistina ka nanovo rano tamin’ ny fantsakana tao Betlehema, izay teo anilan’ ny vavahady, dia nentiny ho any amin’ i Davida; kanjo tsy nety nisotro izy, fa naidiny ho an’ i Jehovah iny.
Enti baasa no bu faa Filistifo no mu kɔsaw nsu no bi fii abura no mu, de brɛɛ Dawid. Nanso wannom. Mmom, ohwie guu Awurade anim.
17 Fa hoy Davida: Sanatria, Jehovah ô, raha hanao izany aho; tsy ran’ ny lehilahy izay nandeha nanao vy very ny ainy va ity? Ka dia tsy nety nisotro izy. Izany zavatra izany no nataon’ ireo telo lahy mahery ireo.
Ɔteɛɛ mu se, “Awurade ma ɛmpare me sɛ mɛnom eyi! Saa nsu yi som bo te sɛ saa mmarima yi a wɔde wɔn nkwa too hɔ, kɔsaw nsu yi brɛɛ me yi mogya.” Enti Dawid annom. Mmarimasɛm a Baasa no dii no nhwɛso bi ni.
18 Ary Abisay, rahalahin’ i Joaba, zanak’ i Zeroia, no lehibe amin’ izy telo lahy, ary izy namely ny telon-jato lahy tamin’ ny lefona ka nahafaty azy, ka dia izy no nalaza tamin’ izy telo lahy.
Na Yoab nua Seruia babarima Abisai nso dii Aduasa no anim. Da bi, ɔde ne peaw kum atamfo akofo ahaasa wɔ ɔsa baako pɛ mu. Saa akokodurusɛm yi nti ne din hyetaa sɛ Baasa no.
19 Tsy izy va no be voninahitra noho izy telo lahy? Fa izy no lehibeny; nefa tsy nahomby ny telo lahy teo izy.
Abisai na ogyee din pa ara wɔ Aduasa no mu. Ɛwɔ mu, wannye din sɛ Baasa no ho de, nanso na ɔno ne Aduasa no safohene.
20 Ary Benaia, zanak’ i Joiada, zanaky ny lehilahy mahay tany Kabezela, izay nahavita asa be, izy no namono ny roa lahy mahery tany Moaba; ary izy no nidina ka namono ny liona tao an-davaka fantsakana tamin’ ilay andro nisy oram-panala iny;
Na Yehoiada babarima Benaia nso yɛ ɔkofo kokodurufo a ofi Kabseel. Odii mmarimasɛm bebree a bi ne sɛ, okum Moab akofo akɛse baanu. Bere bi nso, ɔtaa gyata, ma wɔkɔtɔɔ amoa mu. Na sukyerɛmma atɔ, ama fam ayɛ toro de, nanso ɔkyeree gyata no, kum no.
21 ary izy koa no namono ilay Egyptiana makadiry be; ary ilay Egyptiana nitondra lefona teny an-tànany, nefa namorotsahan’ i Benaia tamin’ ny tehiny ihany izy, dia nosarihany ny lefona teny an-tànan’ ilay Egyptiana, ka iny lefony iny ihany no namonoany azy.
Bere bi nso, ɔde abaaporiwa a na okura no kum Misraimni ɔkofo kɛse bi a na ɔno kura peaw. Benaia hwim peaw no fii Misraimni no nsam, na ɔde kum no.
22 Izany no nataon’ i Benaia, zanak’ i Joiada, ary tamin’ izy telo lahy mahery dia izy no nalaza.
Eyinom na Yehoiada babarima Benaia yɛe, ma ogyee din te sɛ Baasa no.
23 Izy no nalaza noho ny telo-polo lahy, nefa tsy nahomby azy telo lahy teo izy. Ary Davida nanendry azy ho isan’ ny mpanolo-tsaina azy.
Na ɔwɔ anuonyam sen wɔn a na wɔfra Aduasa no mu no biara, nanso na ɔnka Baasa no ho. Na Dawid yɛɛ no nʼawɛmfo no so sahene.
24 Asahela, rahalahin’ i Joaba, no anankiray amin’ ny telo-polo, ary Elanana, zanak’ i Dodo, avy any Betlehema,
Wɔn a aka a na wɔfra Aduasa no mu no ni: Yoab nuabarima Asahel; Dodo a ofi Betlehem babarima Elhanan;
25 Sama Harodita, Elika Harodita,
Sama a ofi Harod; Elika a ofi Harod;
26 Heleza Paltita, Ira, zanak’ Ikesy Tekoïta,
Heles a ofi Palti; Ira, Ikes a ofi Tekoa babarima;
27 Abiezera Anatotita, Mebonay Hosatita,
Abieser a ofi Anatot; Sibekai a ofi Husa;
28 Zalmona Ahohita, Maharay Netofatita,
Salmon a ofi Ahoa; Maharai a ofi Netofa;
29 Haleba, zanak’ i Bana Netofatita, Itahy, zanak’ i Ribay, avy any Gibean’ ny taranak’ i Benjamina,
Heleb, Baana a ofi Netofa babarima; Itai, Ribai a ofi Gibea (Benyamin abusuakuw mu) babarima;
30 Benaia Piratonita, Hiday, avy any amin’ ny lohasahan-driak’ i Gasy,
Benaia a ofi Piraton; Hidai a ofi Nahale-Gaas;
31 Abi-albona Arbatita, Azmaveta Psaromita,
Arbatini Abi-Albon; Asmawet a ofi Bahurim;
32 Eliaba Salbonita, tamin’ ny zanak’ i Jasena, Jonatana,
Eliahba a ofi Saalbon; Yaasen mmabarima;
33 Sama Hararita, Ahiama, zanak’ i Sarara Hararita,
Yonatan, Sama a ofi Harar babarima; Sarar, Ahiam a ofi Maaka babarima;
34 Elifeleta, zanak’ i Ahasbay, zanaky ny Makatita, Eliama, zanak’ i Ahitofela Gilonita,
Elifelet, Ahasbai a ofi Maaka babarima; Eliam, Ahitofel a ofi Gilo babarima;
35 Hezray Karmelita, Paray Arbita,
Hesro a ofi Karmel; Paarai a ofi Arba;
36 Jigala, zanak’ i Natana, avy any Zoba, Bany Gadita,
Igal, Natan a ofi Soba babarima; Bani a ofi Gad;
37 Zaleka Amonita, Naharay Berotita, mpitondra ny fiadian’ i Joaba, zanak’ i Zeroia,
Selek a ofi Amon; Naharai a ofi Beerot (Yoab akodekurafo);
38 Ira Jitrita, Gareba Jitrita,
Ira a ofi Yitri; Gareb a ofi Yitri;
39 Oria Hetita; fito amby telo-polo no isan’ izy rehetra.
Hetini Uria. Wɔn nyinaa dodow yɛ aduasa ason.

< 2 Samoela 23 >