< 2 Samoela 22 >
1 Ary Davida nanao izao fihirana izao ho an’ i Jehovah tamin’ ny andro namonjen’ i Jehovah azy tamin’ ny tanan’ ny fahavalony rehetra, indrindra fa tamin’ ny tànan’ i Saoly,
Daudi nĩainĩire Jehova na ciugo cia rwĩmbo rũrũ rĩrĩa Jehova aamũhonokirie kuuma guoko-inĩ gwa thũ ciake ciothe na kuuma guoko-inĩ gwa Saũlũ.
2 ka hoy izy: Jehovah no harambatoko sy batery fiarovana ho ahy ary Mpamonjy ahy,
Akiuga atĩrĩ:
3 Andriamanitra vatolampiko, Izy no ialofako, Ampingako sy tandroko famonjena Izy ary fiarovana avo ho ahy sy fandosirako; Ry Mpamonjy ahy, mahafaka ahy amin’ ny fampahoriana Hianao.
Ngai wakwa nĩwe rwaro rwakwa rwa ihiga, na nĩwe rĩũrĩro rĩakwa,
4 Miantso an’ i Jehovah Izay mendrika hoderaina aho, Ka dia vonjena ho afaka amin’ ny fahavaloko.
Ngayagĩra Jehova, ũrĩa wagĩrĩire kũgoocagwo,
5 Fa nihodidina tamiko ny onjan’ ny fahafatesana. Ary ny riaky ny faharatsiana nampahatahotra ahy.
“Ndiihũ cia gĩkuũ nĩciathiũrũrũkĩirie;
6 Ny famatoran’ ny fiainan-tsi-hita nihodidina tamiko, nisakana ahy ny fandriky ny fahafatesana. (Sheol )
Mĩhĩndo ya mbĩrĩra ĩgĩĩthiororokeria; (Sheol )
7 Fony azom-pahoriana aho, dia niantso an’ i Jehovah, eny, Andriamanitro no nitarainako; nihaino ny feoko tao an-tempoliny Izy, ary ny fitarainako dia efa tonga eo an-tsofiny.
Mĩnyamaro-inĩ yakwa ndakaĩire Jehova;
8 Dia nihozongozona sy nihorohoro ny tany, ary ny fiorenan’ ny lanitra nihorohoro, eny, nihozongozona ireo, satria tezitra Jehovah.
“Thĩ ĩkĩinaina na ĩgĩthingitha;
9 Nisy setroka nisavoana teo am-bavorony, ary afo avy teo am-bavany no nandevona ka nisy vainafo nidedadeda teo aminy.
Ndogo ĩkiuma maniũrũ-inĩ make ĩkĩambata na igũrũ;
10 Dia naondriny ny lanitra, ka nidina Izy; Ary aizim-pito no teo ambanin’ ny tongony.
Aahingũrire igũrũ agĩikũrũka thĩ;
11 Dia nitaingina kerobima Izy ka nanidina, eny, niseho teo amin’ ny ela-drivotra Izy.
Ombũkire akuuĩtwo nĩ ikerubi;
12 Efa nanao ny maizina ho tranony manodidina Azy Izy, dia fivorian-drano sy rahona matevina
Ehumbĩrire na nduma,
13 Ary avy teo amin’ ny famirapiratana teo anatrehany nisy vainafo nidedadeda.
Kuuma ũkengi ũrĩa warĩ harĩ we,
14 Dia nampikotroka tany an-danitra Jehovah, ny Avo Indrindra niloa-peo.
Jehova akĩruruma arĩ kũu igũrũ;
15 Dia nandefa zana-tsipìka Izy ka nampiely ny fahavaloko, ary nampandeha helatra ka nampifanaritaka azy.
Aikirie mĩguĩ, akĩharagania thũ,
16 Dia hita ny fitoeran-dranomasina, ary niseho ny fanambanin’ ny tany, noho ny teny mafy nataon’ i Jehovah, noho ny fifofofofon’ ny fofonain’ ny vavorony.
Hĩndĩ ĩyo mĩkuru ya iria ĩkĩonekana,
17 Naninjitra ny tànany avy tany ambony Izy ka nandray ahy; nanintona ahy niala tamin’ ny rano be Izy.
“Agĩtambũrũkia guoko gwake kuuma o kũu igũrũ akĩnyiita;
18 Namonjy ahy tamin’ ny fahavaloko mahery Izy sy tamin’ izay nankahala ahy, satria tsy leoko ireny.
Andeithũrire thũ yakwa ĩrĩ hinya,
19 Nisakana ahy tamin’ ny andro nahitako loza ireny, nefa Jehovah no niseho ho Mpanohana ahy.
Maanjĩhotoreire mũthenya ũrĩa ndaarĩ na mũtino,
20 Dia nitondra ahy ho any amin’ ny malalaka Izy; namonjy ahy Izy, satria tiany aho.
Andutire na nja akĩndwara handũ haariĩ,
21 Nanisy soa ahy araka ny fahamarinako Jehovah; Araka ny fahadiovan’ ny tanako no namaliany ahy.
“Jehova anjĩkĩire maũndũ kũringana na ũthingu wakwa,
22 Fa nitandrina ny lalan’ i Jehovah aho ka tsy mba nanao ratsy hialana tamin’ Andriamanitro;
Nĩgũkorwo nĩnũmĩtie njĩra cia Jehova;
23 Ny fitsipiny rehetra dia teo anatrehako, ary ny lalàny tsy mba nialako;
Mawatho make mothe marĩ mbere yakwa;
24 Tsy nanan-tsiny taminy aho sady niaro tena tsy ho azon’ ny fahotako;
Ngoretwo itarĩ na ũcuuke ndĩ mbere yake,
25 Koa namaly ahy araka ny fahamarinako Jehovah, dia araka ny fahadiovako teo imasony.
Jehova andĩhĩte kũringana na ũthingu wakwa,
26 Ny olona tsara no isehoanao fa tsara; Ny tena olo-marina no isehoanao fa marina;
“Ũrĩ mwĩhokeku harĩ arĩa makwĩhokete,
27 Ny madio no isehoanao fa madio; Ary ny mpiolakolaka kosa no isehoanao fa lalin-tsaina.
kũrĩ ũrĩa wĩtheragia wĩonanagia ũrĩ mũtheru,
28 Fa ny olona ory dia vonjenao; Fa ny masonao manandrina ny mpiavonavona, ka aetrinao ireny.
Wee ũhonokagia andũ arĩa enyiihia,
29 Fa Hianao no jiroko, Jehovah ô; Jehovah mampahazava ny fahamaizinako.
Wee Jehova, nĩwe tawa wakwa,
30 Fa Hianao no ahazoako mitsarapaka hamely ny miaramila iray toko; Ary Andriamanitro no ahazoako mitsambikina mihoatra ny manda.
Ndĩ na ũteithio waku no hote gũtharĩkĩra mbũtũ ya ita;
31 Raha ny amin’ Andriamanitra, dia marina ny lalany; Ny tenin’ i Jehovah dia voazaha toetra amin’ ny memy; Jehovah no ampingan’ izay rehetra mialoka aminy.
“Mũrungu-rĩ, njĩra ciake nĩnginyanĩru;
32 Fa iza no Andriamanitra afa-tsy Jehovah? Ary iza no vatolampy afa-tsy Andriamanitsika?
Nĩ ũndũ-rĩ, nũũ Mũrungu tiga Jehova?
33 Izany Andriamanitra izany no fiarovana mafy ho ahy; Mitondra ny marina amin’ ny lalany Izy.
Nĩ Mũrungu ũũhotoraga hinya na ũhoti,
34 Ary manao ny tongony ho tahaka ny an’ ny dieravavy Izy; Mampitoetra ahy eo amin’ ny fitoerako avo Izy.
Atũmaga magũrũ makwa matengʼere o ta ma thwariga;
35 Mampianatra ny tanako hiady Izy, ka mahahenjana tsipìka varahina ny sandriko.
We nĩwe wonagia moko makwa mũrũĩre wa mbaara;
36 Omenao ahy ny ampingan’ ny famonjenao; Ary ny fahamoram-panahinao no mahalehibe ahy.
Ũũheaga ngo yaku ya ũhootani;
37 Halalahinao ny lalana hodiaviko, ka tsy mangovitra ny hato-tongotro.
Ũnjaramagĩria njĩra ya kũrĩa thiiagĩra,
38 Manenjika ny fahavaloko aho ka mandripaka azy; Ary tsy mba miverina aho mandra-pahalany ritrany.
“Ndaingatithirie thũ ciakwa na ngĩcihehenja;
39 Mandringana sy mandripaka azy aho, ka tsy maharina izy; Lavo eo ambanin’ ny tongotro izy.
Ndacihehenjire biũ, ikĩremwo nĩ gũũkĩra,
40 Hianao mampisikina ahy hery hiady; Aripakao ho ambaniko izay mitsangana hamely ahy.
Wee ũũheaga hinya wa kũrũa mbaara,
41 Ary ataonao miamboho ahy ny fahavaloko; Ka aringako izay mankahala ahy.
Watũmire thũ ciakwa ihũndũke ciũre,
42 Miherikerika izy, fa tsy misy mpamonjy, eny, maniry an’ i Jehovah izy, fa tsy mamaly azy Izy.
Maakaire mateithio, no hatiarĩ na wa kũmahonokia,
43 Torotoroiko madinika tahaka ny vovo-tany izy; Hoseko tahaka ny fotaka eny an-dalana izy ka apariako.
Ndaamahũũrire makĩhaana ta rũkũngũ rũhinyu rwa thĩ;
44 Mamonjy ahy amin’ ny fifanoheran’ ny oloko Hianao sy miaro ahy ho lohan’ ny firenen-tsamy hafa; ny firenena tsy fantatro aza dia manompo ahy.
“Nĩũũhonoketie ngaaga gũtharĩkĩrwo nĩ andũ akwa;
45 Ny hafa firenena mikoy ahy; Raha vao mahare ny lazako fotsiny ihany aza izy, dia manoa ahy.
andũ a kũngĩ mokaga kũrĩ niĩ menyiihĩtie;
46 Ny hafa firenena dia mihaketraka ka miala amin-kovitra avy ao amin’ ny fiarovany mafy.
Othe makuuaga ngoro;
47 Velona Jehovah; isaorana anie ny Vatolampiko; Asandratra anie Andriamanitry ny vatolampy famonjena ahy,
“Jehova atũũraga muoyo! O we Rwaro rwakwa rwa Ihiga arogoocwo!
48 Dia Andriamanitra, Izay manao famaliana ho ahy ka mampanaiky ny firenena ahy,
We nĩwe Mũrungu ũrĩa ũndĩhagĩria,
49 Dia Ilay mitondra ahy ho afaka amin’ ny fahavaloko; eny, manandratra ahy ho ambonin’ izay mitsangana hanohitra ahy Hianao ary mamonjy ahy amin’ ny olon-dozabe;
nĩwe ũũhonokagia kuuma kũrĩ thũ ciakwa.
50 Koa Izany no hiderako Anao eny amin’ ny firenen-tsamy hafa, Jehovah ô, sy hankalazako ny anaranao.
Nĩ ũndũ ũcio, Wee Jehova, nĩndĩkũgoocaga ndĩ gatagatĩ ka ndũrĩrĩ,
51 Manao famonjen-dehibe ho an’ ny mpanjaka voatendriny Izy ary mamindra fo amin’ ny voahosony, dia amin’ i Davida sy ny taranany mandrakizay.
Aheaga mũthamaki wake ũhootani mũnene;