< 2 Samoela 22 >

1 Ary Davida nanao izao fihirana izao ho an’ i Jehovah tamin’ ny andro namonjen’ i Jehovah azy tamin’ ny tanan’ ny fahavalony rehetra, indrindra fa tamin’ ny tànan’ i Saoly,
And David spoke unto the Lord the words of this song, and on the day that the Lord had delivered him out of the hand of all his enemies, and out of the hand of Saul.
2 ka hoy izy: Jehovah no harambatoko sy batery fiarovana ho ahy ary Mpamonjy ahy,
And he said, Lord, my rock, my fortress, and my deliverer;
3 Andriamanitra vatolampiko, Izy no ialofako, Ampingako sy tandroko famonjena Izy ary fiarovana avo ho ahy sy fandosirako; Ry Mpamonjy ahy, mahafaka ahy amin’ ny fampahoriana Hianao.
God, my rock, in whom I trust; my shield, and the horn of my salvation, my high tower, and my refuge, my saviour! from violence dost thou save me!
4 Miantso an’ i Jehovah Izay mendrika hoderaina aho, Ka dia vonjena ho afaka amin’ ny fahavaloko.
Praised, I cried, be the Lord, and from my enemies was I saved.
5 Fa nihodidina tamiko ny onjan’ ny fahafatesana. Ary ny riaky ny faharatsiana nampahatahotra ahy.
For the waves of death encompassed me, the floods of destruction made me afraid;
6 Ny famatoran’ ny fiainan-tsi-hita nihodidina tamiko, nisakana ahy ny fandriky ny fahafatesana. (Sheol h7585)
The bonds of hell encircled me, the snares of death seized on me: (Sheol h7585)
7 Fony azom-pahoriana aho, dia niantso an’ i Jehovah, eny, Andriamanitro no nitarainako; nihaino ny feoko tao an-tempoliny Izy, ary ny fitarainako dia efa tonga eo an-tsofiny.
[When] in my distress I called upon the Lord, and to my God I cried; and he heard from his temple my voice, and my complaint [entered] into his ears.
8 Dia nihozongozona sy nihorohoro ny tany, ary ny fiorenan’ ny lanitra nihorohoro, eny, nihozongozona ireo, satria tezitra Jehovah.
Then shook and trembled the earth; the foundations of the heavens were moved; and they shook, because he was wroth.
9 Nisy setroka nisavoana teo am-bavorony, ary afo avy teo am-bavany no nandevona ka nisy vainafo nidedadeda teo aminy.
Smoke went up in his anger, and consuming fire out of his mouth, coals flamed forth from him.
10 Dia naondriny ny lanitra, ka nidina Izy; Ary aizim-pito no teo ambanin’ ny tongony.
And he bent the heavens, and came down, and thick darkness was under his feet.
11 Dia nitaingina kerobima Izy ka nanidina, eny, niseho teo amin’ ny ela-drivotra Izy.
And he rode upon a cherub, and flew along, and he was seen upon the wings of the wind.
12 Efa nanao ny maizina ho tranony manodidina Azy Izy, dia fivorian-drano sy rahona matevina
And he made darkness round about him into pavilions, heavy masses of waters, thick clouds of the skies.
13 Ary avy teo amin’ ny famirapiratana teo anatrehany nisy vainafo nidedadeda.
From the brightness before him flamed forth coals of fire.
14 Dia nampikotroka tany an-danitra Jehovah, ny Avo Indrindra niloa-peo.
The Lord thundered from heaven, and the Most High uttered forth his voice.
15 Dia nandefa zana-tsipìka Izy ka nampiely ny fahavaloko, ary nampandeha helatra ka nampifanaritaka azy.
And he sent out arrows, and scattered them; lightning, and discomfited them.
16 Dia hita ny fitoeran-dranomasina, ary niseho ny fanambanin’ ny tany, noho ny teny mafy nataon’ i Jehovah, noho ny fifofofofon’ ny fofonain’ ny vavorony.
And then were seen the channels of the sea, there were laid open the foundations of the world; at the rebuke of the Lord, through the blast of the breath of his nostrils.
17 Naninjitra ny tànany avy tany ambony Izy ka nandray ahy; nanintona ahy niala tamin’ ny rano be Izy.
He stretched out from above [his hand], he took me; he drew me out from the mighty waters.
18 Namonjy ahy tamin’ ny fahavaloko mahery Izy sy tamin’ izay nankahala ahy, satria tsy leoko ireny.
He delivered me from my enemy, the strong, from those that hated me, when they were too mighty for me.
19 Nisakana ahy tamin’ ny andro nahitako loza ireny, nefa Jehovah no niseho ho Mpanohana ahy.
They overcame me on the day of my calamity; but the Lord became my stay;
20 Dia nitondra ahy ho any amin’ ny malalaka Izy; namonjy ahy Izy, satria tiany aho.
And he brought me forth into a large space: he delivered me, because he had delight in me.
21 Nanisy soa ahy araka ny fahamarinako Jehovah; Araka ny fahadiovan’ ny tanako no namaliany ahy.
The Lord rewarded me according to my righteousness: according to the purity of my hands did he recompense me.
22 Fa nitandrina ny lalan’ i Jehovah aho ka tsy mba nanao ratsy hialana tamin’ Andriamanitro;
For I had kept the ways of the Lord, and had not wickedly departed from my God.
23 Ny fitsipiny rehetra dia teo anatrehako, ary ny lalàny tsy mba nialako;
For all his ordinances were before me, and from none of his statutes did I depart.
24 Tsy nanan-tsiny taminy aho sady niaro tena tsy ho azon’ ny fahotako;
I was also upright toward him, and I guarded myself against my iniquity.
25 Koa namaly ahy araka ny fahamarinako Jehovah, dia araka ny fahadiovako teo imasony.
Therefore did the Lord recompense me according to my righteousness, according to my purity before his eyes.
26 Ny olona tsara no isehoanao fa tsara; Ny tena olo-marina no isehoanao fa marina;
With the kind thou wilt show thyself kind; with the upright mighty man thou wilt show thyself upright.
27 Ny madio no isehoanao fa madio; Ary ny mpiolakolaka kosa no isehoanao fa lalin-tsaina.
With the pure thou wilt show thyself pure; and with the perverse thou wilt wage a contest.
28 Fa ny olona ory dia vonjenao; Fa ny masonao manandrina ny mpiavonavona, ka aetrinao ireny.
And the afflicted people thou wilt save; but thy eyes are upon the haughty, [that] thou mayest bring [them] down.
29 Fa Hianao no jiroko, Jehovah ô; Jehovah mampahazava ny fahamaizinako.
For thou art my lamp, O Lord! and the Lord will enlighten my darkness.
30 Fa Hianao no ahazoako mitsarapaka hamely ny miaramila iray toko; Ary Andriamanitro no ahazoako mitsambikina mihoatra ny manda.
For [aided] by thee I run through a troop: [helped] by my God I leap over a wall.
31 Raha ny amin’ Andriamanitra, dia marina ny lalany; Ny tenin’ i Jehovah dia voazaha toetra amin’ ny memy; Jehovah no ampingan’ izay rehetra mialoka aminy.
As for God—his way is perfect; the word of the Lord is tried; he is a shield to all that trust in him.
32 Fa iza no Andriamanitra afa-tsy Jehovah? Ary iza no vatolampy afa-tsy Andriamanitsika?
For who is God, save the Lord? and who is a rock, save our God?
33 Izany Andriamanitra izany no fiarovana mafy ho ahy; Mitondra ny marina amin’ ny lalany Izy.
God is my strength and power; and he rendereth free from obstruction my way.
34 Ary manao ny tongony ho tahaka ny an’ ny dieravavy Izy; Mampitoetra ahy eo amin’ ny fitoerako avo Izy.
He maketh my feet like those of the hinds, and upon my high places he causeth me to stand.
35 Mampianatra ny tanako hiady Izy, ka mahahenjana tsipìka varahina ny sandriko.
He teaches my hands for the war, so that a brazen bow is bent by my arms.
36 Omenao ahy ny ampingan’ ny famonjenao; Ary ny fahamoram-panahinao no mahalehibe ahy.
And thou gavest me the shield of thy salvation; and thy assistance hath made me great.
37 Halalahinao ny lalana hodiaviko, ka tsy mangovitra ny hato-tongotro.
Thou enlargest my steps under me, so that my joints do not slip.
38 Manenjika ny fahavaloko aho ka mandripaka azy; Ary tsy mba miverina aho mandra-pahalany ritrany.
I pursue my enemies and destroy them; and I return not again until I have made an end of them.
39 Mandringana sy mandripaka azy aho, ka tsy maharina izy; Lavo eo ambanin’ ny tongotro izy.
And I make an end of them, and I crush them, that they cannot rise; and they fall under my feet.
40 Hianao mampisikina ahy hery hiady; Aripakao ho ambaniko izay mitsangana hamely ahy.
For thou hast girded me with strength for the war; thou subduest my opponents under me.
41 Ary ataonao miamboho ahy ny fahavaloko; Ka aringako izay mankahala ahy.
And my enemies thou causest to turn their back to me; those that hate me, —that I may destroy them.
42 Miherikerika izy, fa tsy misy mpamonjy, eny, maniry an’ i Jehovah izy, fa tsy mamaly azy Izy.
They look about, but there is none to help; unto the Lord—but he answereth them not.
43 Torotoroiko madinika tahaka ny vovo-tany izy; Hoseko tahaka ny fotaka eny an-dalana izy ka apariako.
And I beat them small as the dust of the earth; as the mire of the street, I stamp them, I tread them down.
44 Mamonjy ahy amin’ ny fifanoheran’ ny oloko Hianao sy miaro ahy ho lohan’ ny firenen-tsamy hafa; ny firenena tsy fantatro aza dia manompo ahy.
Thou hast also delivered me from the contests of my people: thou preservest me to be the head of nations, a people which I know not shall serve me.
45 Ny hafa firenena mikoy ahy; Raha vao mahare ny lazako fotsiny ihany aza izy, dia manoa ahy.
The children of the stranger shall utter flattery unto me; as soon as their ear heareth they shall be obedient unto me.
46 Ny hafa firenena dia mihaketraka ka miala amin-kovitra avy ao amin’ ny fiarovany mafy.
The children of the stranger shall fade away, and come forth tottering out of their close places.
47 Velona Jehovah; isaorana anie ny Vatolampiko; Asandratra anie Andriamanitry ny vatolampy famonjena ahy,
The Lord liveth, and blessed be my Rock; and exalted be the God, the Rock of my salvation;
48 Dia Andriamanitra, Izay manao famaliana ho ahy ka mampanaiky ny firenena ahy,
The God, that granteth me vengeance, and bringeth down nations under me;
49 Dia Ilay mitondra ahy ho afaka amin’ ny fahavaloko; eny, manandratra ahy ho ambonin’ izay mitsangana hanohitra ahy Hianao ary mamonjy ahy amin’ ny olon-dozabe;
And that bringeth me forth from my enemies: also above my opponents thou liftest me up, from the man of violence thou deliverest me.
50 Koa Izany no hiderako Anao eny amin’ ny firenen-tsamy hafa, Jehovah ô, sy hankalazako ny anaranao.
Therefore will I give thanks unto thee, O Lord, among the nations, and unto thy name will I sing praises;
51 Manao famonjen-dehibe ho an’ ny mpanjaka voatendriny Izy ary mamindra fo amin’ ny voahosony, dia amin’ i Davida sy ny taranany mandrakizay.
[To] the tower of salvation of his king, and who showeth kindness to his anointed, to David and to his seed forever.

< 2 Samoela 22 >