< 2 Samoela 21 >
1 Ary nisy mosary telo taona misesy tamin’ ny andron’ i Davida, ary Davida nanontany tamin’ i Jehovah. Dia hoy Jehovah: Avy amin’ ny taranak’ i Saoly, izay meloka noho ny fandatsahan-drà izao, satria namono ny Gibeonita izy.
達味在位時,飢荒接連三年,他求問了上主,上主答說:「在撒烏耳和他家中尚有血債,因為他殺了基貝紅人」。
2 Ary ny mpanjaka nampaka ny Gibeonita ka nanao taminy hoe (ny Gibeonita tsy mba isan’ ny Zanak’ Isiraely, fa sisa tamin’ ny Amorita, ary ny Zanak’ Isiraely efa nianiana taminy; nefa Saoly nitady izay hamelezany azy amin’ ny firehetan’ ny fitiavany ny Zanak’ Isiraely sy ny Joda),
君王遂將基貝紅人召來,詣問 。 ──基貝紅不屬以色列人,他們原是阿摩黎人的遺民。以色列子民曾向起過誓,但撒烏耳為表示愛以色列和猶大的熱情,曾設法屠殺他們。
3 ary hoy Davida tamin’ ny Gibeonita: Inona no hataoko ho anareo; ary amin’ inona no hanaovako fanavotana mba hitsofanareo rano ny lovan’ i Jehovah?
達味向基貝紅人說:「我該為你們作什麼﹖該怎樣贖罪才可以使你們祝福上主的遺產﹖」
4 Dia hoy ny Gibeonita taminy: Izahay tsy mahazo mandray volafotsy na volamena amin’ i Saoly na amin’ ny taranany sady tsy mahazo mamono olona amin’ ny Isiraely Ary hoy izy: Koa ahoana ary no tianareo hataoko ho anareo?
基貝紅人回答他說:「我們和撒烏耳和他家不是金銀的問題,也不願在以色列殺一個人。」達味說:「你們論什麼,我必為你們作到。」
5 Dia hoy izy ireo tamin’ ny mpanjaka: Ny lehilahy izay nandringana anay sy nikasa hamely anay ho ringana tsy hitoetra amin’ ny tanin’ ny Isiraely rehetra
他們向君王說:「破壞我們,設法消滅我們,我們不在以色列任何中存在的人,
6 no avelao hisy fito lahy amin’ ny zanany hatolotra anay hahantonay ho an’ i Jehovah ao Gibean’ i Saoly, ilay voafidin’ i Jehovah. Dia hoy ny mpanjaka: Hatolotro izy.
要將他七個子孫交給我們,我們要在基貝紅的山上,將他們懸掛在上主面前」。君王答說:「我必將他們交出來」。
7 Fa ny mpanjaka niaro an’ i Mefiboseta, zanak’ i Jonatana, zanak’ i Saoly, noho ny fianianana tamin’ i Jehovah nataon’ i Davida sy Jonatana, zanak’ i Saoly.
君王為了自己同撒烏耳的兒子約納堂間向上主所起的誓約,饒恕了撒烏耳的孫子,約納堂的兒子默黎巴耳,
8 Ary ny mpanjaka naka azy roa lahy, zanak’ i Rizpa, zanakavavin’ i Aia, izay naterany tamin’ i Saoly, dia Armony sy Mefiboseta, ary ny dimy lahy zanak’ i Mikala, zanakavavin’ i Saoly, izay naterany tamin’ i Adriela, zanak’ i Barzilay Meholatita,
只將阿雅的女兒黎茲帕給撒烏耳所生的兩個兒子阿爾摩尼和默黎巴耳,以及撒烏耳的女兒默辣布給默曷拉人巴爾齊來的兒子阿德黎耳所生的五個兒子,
9 dia natolony teo an-tànan’ ny Gibeonita ireo ka nahanton’ ireo teo amin’ ny havoana teo anatrehan’ i Jehovah; ary niara-maty izy fitolahy, samy novonoiny tamin’ ny niandohan’ ny fararano tamin’ ny voalohan’ ny taom-pijinjana ny vary hordea izy.
交給基貝紅人手裏;基貝紅人把他們在山上懸掛在上主面前; 他們七人死在一處,死在收割初期。
10 Ary Rizpa, zanakavavin’ i Aia, naka lamba fisaonana, dia novelariny teo amin’ ny vatolampy iny hitoerany hatramin’ ny niandohan’ ny taom-pijinjana ka ambara-pilatsaky ny orana avy any an-danitra tamin’ ny faty, ka tsy navelany hipetrahan’ ny voro-manidina ireo raha antoandro, na ny bibi-dia raha alina.
阿雅的女兒了麻衣,舖在石上,開始收割大麥,直到雨從天上落到屍首上,白天她不讓飛鳥飛近,夜間不讓野獸起近。
11 Ary nambara tamin’ i Davida izay nataon’ i Rizpa, zanakavavin’ i Aia, vaditsindranon’ i Saoly.
有人把阿雅的女身兒,撒烏耳的妾黎茲帕所行的事,報告給達味。
12 Dia lasa Davida naka ny taolan’ i Saoly sy ny taolan’ i Jonatana zanany tany amin’ ny mponina tao Jabesi-gileada, izay nangalatra azy tao an-kalalahana any Beti-sana, ilay nanantonan’ ny Filistina azy tamin’ ny andro namonoan’ ny Filistina an’ i Saoly tao Gilboa.
君王就去把撒烏耳和他的兒子約納堂的遺骸,從雅貝士基肋阿得的居民那裏收殮起來;這骨骸是他們從貝特商偷來的。原來培肋舍特人那天在基耳波殺了撒烏耳,將他們懸在廣場上。
13 Ary dia nentiny niakatra avy tany ny taolan’ i Saoly sy ny taolan’ i Jonatana zanany, ary nangoniny koa ny taolan’ ireo voahantona ireo.
達味那裏將撒烏耳和他的兒子的遺骸,那七個被懸掛的遺骸,一同運了回來,
14 Ary ny taolan’ i Saoly sy Jonatana zanany dia nalevin’ ny olona tao amin’ ny tanin’ ny Benjamina tao Zela, tao amin’ ny fasan’ i Kisy rainy; ary dia vitany izay rehetra nandidian’ ny mpanjaka. Ary nony efa vita izany, dia neken’ Andriamanitra ny fifonana natao ho an’ ny tany.
與撒烏耳和他兒子約納堂的遺骸,一同埋在本雅明地方的責拉,撒烏耳的父親克的墳墓內。人門全依照君王所吩咐的作了;以後,天主才憐憫了那地方。
15 Ary niady indray ny Filistina sy ny Isiraely; ary Davida sy ny mpanompony izay nanaraka azy dia nidina ka niady tamin’ ny Filistina, ary reraka Davida.
培肋舍特人與以色列人之間又發生戰事,達味帶著他的軍隊下來,駐紮在哥布,攻打培肋舍特人。正當達味疲乏時,約阿士的兒子多多出來了,
16 Ary Jisbibenoba, izay isan’ ny taranaky ny Refaïta (ny lanjan’ ny lefony dia varahina telon-jato sekely), dia nitondra fiadiana vaovao ka nikasa hahafaty an’ i Davida.
他是辣法巨人的後裔,他所持的矛的銅有三百「協刻耳」重,腰間佩著一把新劍,揚言要擊殺達味。
17 Fa Abisay, zanak’ i Zeroia, nanampy azy, dia namely ilay Filistina ka nahafaty azy. Ary tamin’ izay ny olon’ i Davida dia nianiana taminy ka nanao hoe: Tsy hiara-mivoaka aminay intsony ho amin’ ny ady ianao, fandrao hovonoinao ny fahazavan’ ny Isiraely.
責魯雅的兒子阿彼瑟就來協助達味,打敗了那培肋舍特人,將他殺死。那時,達味的臣僕向他起誓說:「你可可跟隨我們出征打戰,怕你熄滅了以色列的明燈」。
18 Ary nony afaka izany, dia nisy ady indray amin’ ny Filistina teo Goba, ary Sibeka Hosatita nahafaty an’ i Safa, izay isan’ ny taranaky ny Refaïta.
此後,又在哥布和發生了戰事,這次胡沙人息貝開擊殺了撒夫,他也是辣法巨人的後裔。
19 Ary nisy ady indray koa tamin’ ny Filistina teo Goba, ary Elanana, zanak’ i Jare-oregima Betlehemita, namono an’ i Goliata Gatita, izay nanan-jaran-defona tahaka ny vodi-tenon’ ny mpanenona.
以後,在哥布又與培肋舍特人交戰,白冷人雅依爾的兒子厄耳哈,殺了加特城人哥肋雅的兄弟拉赫米;這人的長矛粗如織布機的橫軸。
20 Ary nisy ady koa tao Gata, ary nisy lehilahy vaventy, izay enin-drantsana, ka dia efatra amby roa-polo no isan’ ny rantsan-tànany sy ny rantsan-tongony, ary izy koa dia mba teraky ny Refaïta.
此後,在加特又了戰事,在那裏有一巨人,兩手各有六指,兩腳也各有六趾,共有二十四個,也是辣法巨人的。
21 Ary izy nihaika ny Isiraely, ka matin’ i Jonatana, zanak’ i Simea, rahalahin’ i Davida.
由於他辱罵了以色列,達味的兄弟史默亞的兒子約納堂,便擊殺了他:
22 Ireo efatra ireo no teraky ny Refaïta teo Gata, ka matin’ ny tànan’ i Davida sy ny tanan’ ny mpanompony avokoa ireo.
以上四人,都是加特城辣法巨的後裔,都喪身在達味和他的臣僕的手下。