< 2 Samoela 20 >
1 Ary sendra nisy lehilahy iray tena ratsy fanahy teo, Seba no anarany, zanak’ i Bikry Benjamita; ary nitsoka ny anjomara izy sady niantso hoe: Isika tsy manana anjara amin’ i Davida na lova amin’ ny zanak’ i Jese; samia mody any amin’ ny lainy avy, ry Isiraely ô.
Moto moko ya mobulu na kombo Sheba, mwana mobali ya Bikiri, moto ya ekolo ya Benjame, abetaki kelelo mpe agangaki: « Tozali na eteni ata moko te ya lisanga na Davidi, tozali ata na eloko moko te ya lisanga na mwana mobali ya Izayi. Isalaele, tika ete moto moko na moko azonga na ndako na ye ya kapo. »
2 Ka dia samy niara-nandao an’ i Davida ny lehilahy amin’ ny Isiraely ka nanaraka an’ i Seba, zanak’ i Bikry; fa ny lehilahy amin’ ny Joda no nifikitra tamin’ ny mpanjakany hatrany Jordana ka hatrany Jerosalema.
Bato nyonso ya Isalaele bakimaki Davidi mpo na kolanda Sheba, mwana mobali ya Bikiri. Kasi bato ya Yuda batikalaki pembeni ya mokonzi na bango, na nzela mobimba, longwa na Yordani kino na Yelusalemi.
3 Ary nony tonga tao an-tranony tany Jerosalema Davida mpanjaka, dia nalainy ny vaditsindranony folo vavy izay navelany hiandry trano tao, ka nataony tao an-trano fiambenana ary nomeny fivelomana, fa tsy nandriany intsony. Ka dia nambenana tao mandra-pahafatiny ireo ka velona tsy nanam-bady intsony.
Tango mokonzi Davidi azongaki na ndako na ye, na Yelusalemi, azwaki bamakangu na ye zomi oyo atikaki mpo na kokengela ndako, mpe atiaki bango kati na ndako moko oyo bazalaki kokengela malamu. Atako azalaki kosunga bango, kasi akendeki te kosangisa na bango nzoto. Bazalaki kokengela bango kino na mokolo na bango ya kufa, mpe bazalaki lokola basi bakufisa mibali.
4 Ary hoy ny mpanjaka tamin’ i Amasa: Vorio ny lehilahy amin’ ny Joda ho eto amiko amin’ ny hateloana, ary aoka mba ho eto koa ny tenanao.
Mokonzi alobaki na Amasa: « Bengela ngai bato nyonso ya Yuda na mikolo misato, yo moko mpe zala awa. »
5 Ary dia lasa Arnasa namory ny Joda, fa nandiso ny fotoan’ andro nomeny azy izy.
Kasi tango Amasa akendeki kobenga bato ya Yuda, azwaki tango molayi koleka oyo mokonzi apesaki ye.
6 Ary hoy Davida tamin’ i Abisay: Ankehitriny izao dia Seba, zanak’ i Bikry no ahitantsika loza mihoatra noho Absaloma; koa ento ny mpanomponao ny tomponao, ka enjeho izy, fandrao mahazo tanàna mimanda ka tsy ho azontsika.
Davidi ayebisaki Abishayi: « Sheba, mwana mobali ya Bikiri, akomonisa biso pasi mingi koleka Abisalomi. Kamata basali ya mokonzi mpe landa ye, noki te akomona bingumba batonga makasi mpe akokima biso. »
7 Ary dia nivoaka hanenjika azy ny olon’ i Joaba sy ny miaramila mpiambina andriana ary ny lehilahy mahery rehetra; dia nivoaka avy tany Jerosalema ireo hanenjika an’ i Seba, zanak’ i Bikry.
Boye na bokambami ya Abishayi, bato ya Joabi, bato ya Kereti, bato ya Peleti mpe basoda nyonso ya mpiko, babimaki na Yelusalemi mpo na kolanda Sheba, mwana mobali ya Bikiri.
8 Fa nony tonga tao amin’ ilay vato lehibe tao Gibeona izy, dia avy Amasa nitsena azy; ary ny akanjo fiadian’ i Joaba, ilay niakanjoany, dia nofehezina taminy, ary teo amboniny teo am-balahany no nisy ny fehin-tsabany ambamin’ ny tranony; ary nony nandeha izy, dia latsaka ny sabatra.
Tango bakomaki na libanga monene kati na Gabaoni, Amasa ayaki kokutana na bango. Joabi alataki bilamba na ye ya basoda: na loketo na ye, alataki mokaba oyo kati na yango atiaki mopanga oyo ezalaki kati na ebombelo na yango na loketo. Bongo tango abandaki kopusana, mopanga yango ekweyaki.
9 Ary hoy Joaba tamin’ i Amasa: Tsara ihany va ianao, ry rahalahy? Dia noraisin’ i Joaba tamin’ ny tànany ankavanana ny somotr’ i Amasa horohany.
Joabi alobaki na Amasa: « Boni ndeko na ngai ya mobali, ozali malamu? » Bongo Joabi asalelaki loboko na ye ya mobali mpo na kosimba Amasa na mandefu mpe kopesa ye beze.
10 Fa Amasa tsy nanahinahy ny sabatra teny an-tànan’ i Joaba, kanjo nasiany tamin’ ny kibony izy, ka dia nivaroraka tamin’ ny tany ny tsinainy, ary tsy nasiany intsony, fa matiny tamin’ izay. Ary Joaba sy Abisay rahalahiny nanenjika an’ i Seba, zanak’ i Bikry.
Amasa azalaki na bokebi te mpo na kotala mopanga oyo ezalaki na loboko ya mwasi ya Joabi. Bongo Joabi atobolaki ye libumu, mpe misopo na ye nyonso epanzanaki kino na se; mpe Amasa akufaki mbala moko. Joabi azalaki te na tina na kotuba ye mopanga na mbala ya mibale. Boye Joabi mpe ndeko na ye ya mobali, Abishayi, balandaki Sheba, mwana mobali ya Bikiri.
11 Ary ny zatovon’ i Joaba anankiray nijanona teo anilan’ ny faty ka nanao hoe: Izay miandany amin’ i Joaba sy Davida dia aoka hanaraka an’ i Joaba.
Moto moko kati na bato ya Joabi atelemaki pembeni ya Amasa mpe alobaki: « Tika ete bato nyonso oyo bazali mpo na Joabi mpe mpo na Davidi balanda Joabi! »
12 Ary Amasa nihosin-drà teo anaty lalambe. Ary raha hitan-dralehilahy fa nijanona ny olona rehetra, dia nafindrany niala teo amin’ ny lalambe ho any an-tsaha ny fatin’ i Amasa ka nosaronany lamba, nony hitany fa nijanona izay rehetra mandalo azy.
Nzokande, wana Amasa azalaki kobaluka kati na makila na ye na kati-kati ya nzela, moto yango amonaki ete mampinga nyonso bayaki kotelema wana. Boye abendaki Amasa libanda ya nzela, atandaki ye kati na elanga mpe afinikaki ye elamba.
13 Ary nony nafindrany niala teo amin’ ny lalambe izy, dia nizotra nanaraka an’ i Joaba ny olona rehetra hanenjika an’ i Seba, zanak’ i Bikry.
Sima na ye kolongola Amasa na nzela, bato nyonso bakendeki elongo na Joabi mpo na kolanda Sheba, mwana mobali ya Bikiri.
14 Ary izy nandeha namaky ny firenen’ Isiraely rehetra hatrany Abela sy Beti-maka sy ny an’ ny Berita rehetra; ary nivory ireo, ka dia mba lasa nanaraka azy.
Mpo na kokoma na Abele-Beti-Maaka, Sheba akatisaki bikolo nyonso ya Isalaele mpe etuka mobimba ya bato ya Berimi oyo mpe basanganaki mpe balandaki Joabi.
15 Ary dia tonga izy ka nanao fahirano azy teo Abela sy Beti-maka, ary nanandratra tovon-tany tandrifin’ ny tanàna izy, ka teo ivelany manolotra ny manda no nitoerany; ary ny olona izay nomba an’ i Joaba dia namely nandrava ny manda.
Joabi elongo na mampinga na ye nyonso bazingelaki Sheba kati na Abele-Beti-Maaka mpe batongaki na libanda ya engumba mwa ngomba oyo ekomaki na molayi ya mir. Tango bazalaki kotimola mabele mpo na koluka kokweyisa mir,
16 Ary nisy vehivavy hendry tao an-tanàna niantso hoe: Mihainoa, mihainoa e; masìna ianareo, lazao amin’ i Joaba hoe: Mankanesa erỳ aminy, hono, ianao, fa misy holazainy aminao.
mwasi moko ya bwanya agangaki wuta na engumba: « Boyoka! Boyoka! Boyebisa Joabi ete aya awa mpo ete naloba na ye. »
17 Ary nony efa mby tao akaiky izy, dia hoy ravehivavy: Hianao va no Joaba? Dia hoy izy: Eny, izaho no izy. Ary hoy ravehivavy taminy: Mihainoa ny teniko mpanompovavinao. Dia hoy izy: Mihaino aho izao.
Joabi apusanaki pene na ye, mpe mwasi yango atunaki ye: — Yo nde Joabi? Azongisaki: — Iyo, ezali ngai. Mwasi alobaki: — Yoka makambo oyo mwasi mosali na yo azali koloba. Joabi azongisaki: — Nazali koyoka.
18 Ary hoy ravehivavy: Izao no fitenin’ ny olona taloha: Aoka hanadina ao Abela izy; koa araka izany ny nahavitany raharaha.
Mwasi yango akobaki koloba: — Na kala, bazalaki na ezaleli ya koloba: « Botuna mayele na mboka Abele, » mpe likambo esili.
19 Izaho dia isan’ ny tia fihavanana sady olona mahatoky eto amin’ ny Isiraely; fa ianao kosa mitady handrava renivohitra eto amin’ ny. Isiraely, koa ahoana no hamongoranao ny lovan’ i Jehovah?
Tozali bato ya kimia mpe ya sembo kati na Isalaele. Kasi yo ozali koluka koboma engumba oyo ezali mama kati na Isalaele! Mpo na nini olingi kobebisa libula ya Yawe?
20 Ary Joaba namaly hoe: Sanatria dia sanatria amiko izay handripaka sy handringana.
Joabi azongisaki: — Mosika na ngai! Mosika na ngai likanisi ya kobebisa to koboma!
21 Tsy izany tsy akory; fa misy lehilahy avy amin’ ny tany havoan’ i Efraima, Seba no anarany, zanak’ i Bikry, izay efa nanainga tanana hikomy amin’ i Davida mpanjaka; koa izy ihany no atolory ahy, dia hiala amin’ ny tanàna aho. Ary hoy ravehivavy tamin’ i Joaba: Indro, ny lohany atsipy eny aminao eny ankoatry ny manda.
Ezali bongo te. Kasi Sheba, mwana mobali ya Bikiri, moto ya etuka ya bangomba ya Efrayimi, atombokelaki mokonzi Davidi. Kaba ye, ye moko kaka, mpe nakotika kozingela engumba. Mwasi yango alobaki na Joabi: — Bakobwakela yo moto na ye na likolo ya mir.
22 Dia lasa nanatona ny olona rehetra tamin’ ny fahendreny ravehivavy. Dia notapahin’ ireo ny lohan’ i Seba, zanak’ i Bikry, ka natsipiny teny amin’ i Joaba. Ary Joaba nitsoka ny anjomara, ka dia niala tamin’ ny tanàna ny olona samy ho any amin’ ny lainy avy. Ary Joaba niverina nankany Jerosalema ho any amin’ ny mpanjaka.
Bongo mwasi akendeki epai ya bato nyonso mpe ayebisaki bango maloba na ye ya bwanya. Boye bakataki moto ya Sheba, mwana mobali ya Bikiri, mpe babwakelaki yango Joabi. Bongo Joabi abetaki kelelo, mpe bato na ye bapanzanaki liboso ya engumba; moto na moto azongaki na ndako na ye. Joabi mpe azongaki na Yelusalemi epai ya mokonzi.
23 Ary Joaba no komandin’ ny miaramila rehetra tamin’ ny Isiraely; ary Benaia, zanak’ i Joiada, no mpifehy ny miaramila mpiambina andriana;
Joabi azalaki kokamba mampinga nyonso ya Isalaele; Benaya, mwana mobali ya Yeoyada, azalaki kokamba bato ya Kereti mpe bato ya Peleti.
24 ary Adorama no komandin’ ny mpanao fanompoana; ary Josafata, zanak’ i Ahiloda, no mpitadidy ny raharaham-panjakana;
Adorami azalaki kokamba misala makasi; Jozafati, mwana mobali ya Ayiludi, azalaki mobombi mikanda;
25 ary Seva no mpanoratra; ary Zadoka sy Abiatara no mpisorona;
Sheva azalaki mokomi mikanda; Tsadoki mpe Abiatari bazalaki Banganga-Nzambe;
26 ary Ira Jairita kosa no mpanolo-tsaina an’ i Davida.
mpe Ira, moto ya Yairi, azalaki Nganga-Nzambe ya Davidi.