< 2 Samoela 20 >

1 Ary sendra nisy lehilahy iray tena ratsy fanahy teo, Seba no anarany, zanak’ i Bikry Benjamita; ary nitsoka ny anjomara izy sady niantso hoe: Isika tsy manana anjara amin’ i Davida na lova amin’ ny zanak’ i Jese; samia mody any amin’ ny lainy avy, ry Isiraely ô.
在那裏恰巧有一個匪徒,名叫示巴,是便雅憫人比基利的兒子。他吹角,說:「我們與大衛無分,與耶西的兒子無涉。以色列人哪,你們各回各家去吧!」
2 Ka dia samy niara-nandao an’ i Davida ny lehilahy amin’ ny Isiraely ka nanaraka an’ i Seba, zanak’ i Bikry; fa ny lehilahy amin’ ny Joda no nifikitra tamin’ ny mpanjakany hatrany Jordana ka hatrany Jerosalema.
於是以色列人都離開大衛,跟隨比基利的兒子示巴。但猶大人從約旦河直到耶路撒冷,都緊緊跟隨他們的王。
3 Ary nony tonga tao an-tranony tany Jerosalema Davida mpanjaka, dia nalainy ny vaditsindranony folo vavy izay navelany hiandry trano tao, ka nataony tao an-trano fiambenana ary nomeny fivelomana, fa tsy nandriany intsony. Ka dia nambenana tao mandra-pahafatiny ireo ka velona tsy nanam-bady intsony.
大衛王來到耶路撒冷,進了宮殿,就把從前留下看守宮殿的十個妃嬪禁閉在冷宮,養活她們,不與她們親近。她們如同寡婦被禁,直到死的日子。
4 Ary hoy ny mpanjaka tamin’ i Amasa: Vorio ny lehilahy amin’ ny Joda ho eto amiko amin’ ny hateloana, ary aoka mba ho eto koa ny tenanao.
王對亞瑪撒說:「你要在三日之內將猶大人招聚了來,你也回到這裏來。」
5 Ary dia lasa Arnasa namory ny Joda, fa nandiso ny fotoan’ andro nomeny azy izy.
亞瑪撒就去招聚猶大人,卻耽延過了王所限的日期。
6 Ary hoy Davida tamin’ i Abisay: Ankehitriny izao dia Seba, zanak’ i Bikry no ahitantsika loza mihoatra noho Absaloma; koa ento ny mpanomponao ny tomponao, ka enjeho izy, fandrao mahazo tanàna mimanda ka tsy ho azontsika.
大衛對亞比篩說:「現在恐怕比基利的兒子示巴加害於我們比押沙龍更甚。你要帶領你主的僕人追趕他,免得他得了堅固城,躲避我們。」
7 Ary dia nivoaka hanenjika azy ny olon’ i Joaba sy ny miaramila mpiambina andriana ary ny lehilahy mahery rehetra; dia nivoaka avy tany Jerosalema ireo hanenjika an’ i Seba, zanak’ i Bikry.
約押的人和基利提人、比利提人,並所有的勇士,都跟着亞比篩,從耶路撒冷出去追趕比基利的兒子示巴。
8 Fa nony tonga tao amin’ ilay vato lehibe tao Gibeona izy, dia avy Amasa nitsena azy; ary ny akanjo fiadian’ i Joaba, ilay niakanjoany, dia nofehezina taminy, ary teo amboniny teo am-balahany no nisy ny fehin-tsabany ambamin’ ny tranony; ary nony nandeha izy, dia latsaka ny sabatra.
他們到了基遍的大磐石那裏,亞瑪撒來迎接他們。那時約押穿着戰衣,腰束佩刀的帶子,刀在鞘內;約押前行,刀從鞘內掉出來。
9 Ary hoy Joaba tamin’ i Amasa: Tsara ihany va ianao, ry rahalahy? Dia noraisin’ i Joaba tamin’ ny tànany ankavanana ny somotr’ i Amasa horohany.
約押左手拾起刀來,對亞瑪撒說:「我兄弟,你好啊!」就用右手抓住亞瑪撒的鬍子,要與他親嘴。
10 Fa Amasa tsy nanahinahy ny sabatra teny an-tànan’ i Joaba, kanjo nasiany tamin’ ny kibony izy, ka dia nivaroraka tamin’ ny tany ny tsinainy, ary tsy nasiany intsony, fa matiny tamin’ izay. Ary Joaba sy Abisay rahalahiny nanenjika an’ i Seba, zanak’ i Bikry.
亞瑪撒沒有防備約押手裏所拿的刀;約押用刀刺入他的肚腹,他的腸子流在地上,沒有再刺他,就死了。 約押和他兄弟亞比篩往前追趕比基利的兒子示巴。
11 Ary ny zatovon’ i Joaba anankiray nijanona teo anilan’ ny faty ka nanao hoe: Izay miandany amin’ i Joaba sy Davida dia aoka hanaraka an’ i Joaba.
有約押的一個少年人站在亞瑪撒屍身旁邊,對眾人說:「誰喜悅約押,誰歸順大衛,就當跟隨約押去。」
12 Ary Amasa nihosin-drà teo anaty lalambe. Ary raha hitan-dralehilahy fa nijanona ny olona rehetra, dia nafindrany niala teo amin’ ny lalambe ho any an-tsaha ny fatin’ i Amasa ka nosaronany lamba, nony hitany fa nijanona izay rehetra mandalo azy.
亞瑪撒在道路上滾在自己的血裏。那人見眾民經過都站住,就把亞瑪撒的屍身從路上挪到田間,用衣服遮蓋。
13 Ary nony nafindrany niala teo amin’ ny lalambe izy, dia nizotra nanaraka an’ i Joaba ny olona rehetra hanenjika an’ i Seba, zanak’ i Bikry.
屍身從路上挪移之後,眾民就都跟隨約押去追趕比基利的兒子示巴。
14 Ary izy nandeha namaky ny firenen’ Isiraely rehetra hatrany Abela sy Beti-maka sy ny an’ ny Berita rehetra; ary nivory ireo, ka dia mba lasa nanaraka azy.
他走遍以色列各支派,直到伯‧瑪迦的亞比拉,並比利人的全地;那些地方的人也都聚集跟隨他。
15 Ary dia tonga izy ka nanao fahirano azy teo Abela sy Beti-maka, ary nanandratra tovon-tany tandrifin’ ny tanàna izy, ka teo ivelany manolotra ny manda no nitoerany; ary ny olona izay nomba an’ i Joaba dia namely nandrava ny manda.
約押和跟隨的人到了伯‧瑪迦的亞比拉,圍困示巴,就對着城築壘;跟隨約押的眾民用錘撞城,要使城塌陷。
16 Ary nisy vehivavy hendry tao an-tanàna niantso hoe: Mihainoa, mihainoa e; masìna ianareo, lazao amin’ i Joaba hoe: Mankanesa erỳ aminy, hono, ianao, fa misy holazainy aminao.
有一個聰明婦人從城上呼叫說:「聽啊,聽啊,請約押近前來,我好與他說話。」
17 Ary nony efa mby tao akaiky izy, dia hoy ravehivavy: Hianao va no Joaba? Dia hoy izy: Eny, izaho no izy. Ary hoy ravehivavy taminy: Mihainoa ny teniko mpanompovavinao. Dia hoy izy: Mihaino aho izao.
約押就近前來,婦人問他說:「你是約押不是?」他說:「我是。」婦人說:「求你聽婢女的話。」約押說:「我聽。」
18 Ary hoy ravehivavy: Izao no fitenin’ ny olona taloha: Aoka hanadina ao Abela izy; koa araka izany ny nahavitany raharaha.
婦人說:「古時有話說,當先在亞比拉求問,然後事就定妥。
19 Izaho dia isan’ ny tia fihavanana sady olona mahatoky eto amin’ ny Isiraely; fa ianao kosa mitady handrava renivohitra eto amin’ ny. Isiraely, koa ahoana no hamongoranao ny lovan’ i Jehovah?
我們這城的人在以色列人中是和平、忠厚的。你為何要毀壞以色列中的大城,吞滅耶和華的產業呢?」
20 Ary Joaba namaly hoe: Sanatria dia sanatria amiko izay handripaka sy handringana.
約押回答說:「我決不吞滅毀壞,
21 Tsy izany tsy akory; fa misy lehilahy avy amin’ ny tany havoan’ i Efraima, Seba no anarany, zanak’ i Bikry, izay efa nanainga tanana hikomy amin’ i Davida mpanjaka; koa izy ihany no atolory ahy, dia hiala amin’ ny tanàna aho. Ary hoy ravehivavy tamin’ i Joaba: Indro, ny lohany atsipy eny aminao eny ankoatry ny manda.
乃因以法蓮山地的一個人-比基利的兒子示巴-舉手攻擊大衛王,你們若將他一人交出來,我便離城而去。」婦人對約押說:「那人的首級必從城牆上丟給你。」
22 Dia lasa nanatona ny olona rehetra tamin’ ny fahendreny ravehivavy. Dia notapahin’ ireo ny lohan’ i Seba, zanak’ i Bikry, ka natsipiny teny amin’ i Joaba. Ary Joaba nitsoka ny anjomara, ka dia niala tamin’ ny tanàna ny olona samy ho any amin’ ny lainy avy. Ary Joaba niverina nankany Jerosalema ho any amin’ ny mpanjaka.
婦人就憑她的智慧去勸眾人。他們便割下比基利的兒子示巴的首級,丟給約押。約押吹角,眾人就離城而散,各歸各家去了。約押回耶路撒冷,到王那裏。
23 Ary Joaba no komandin’ ny miaramila rehetra tamin’ ny Isiraely; ary Benaia, zanak’ i Joiada, no mpifehy ny miaramila mpiambina andriana;
約押作以色列全軍的元帥;耶何耶大的兒子比拿雅統轄基利提人和比利提人;
24 ary Adorama no komandin’ ny mpanao fanompoana; ary Josafata, zanak’ i Ahiloda, no mpitadidy ny raharaham-panjakana;
亞多蘭掌管服苦的人;亞希律的兒子約沙法作史官;
25 ary Seva no mpanoratra; ary Zadoka sy Abiatara no mpisorona;
示法作書記;撒督和亞比亞他作祭司長;
26 ary Ira Jairita kosa no mpanolo-tsaina an’ i Davida.
睚珥人以拉作大衛的宰相。

< 2 Samoela 20 >