< 2 Samoela 2 >
1 Ary rehefa afaka izany, Davida dia nanontany tamin’ i Jehovah hoe: Hiakatra ho any amin’ ny tanànan’ ny Joda anankiray va aho? Dia hoy Jehovah taminy: Miakara. Ary hoy Davida: Any aninona no hiakarako? Dia hoy Izy: Any Hebrona.
2 Dia niakatra nankany Davida mbamin’ ny vadiny roa, dia Ahinoama Jezirelita sy Abigaila, ilay novinadin’ i Nabala Karmelita.
3 Ary ny olona izay tao amin’ i Davida mbamin’ ny ankohonan’ ireo dia samy nentiny niakatra koa, ka nonina tao amin’ ny tanàna momba an’ i Hebrona izy ireo.
4 Ary dia avy ny lehilahy amin’ ny Joda ka nanosotra an’ i Davida tao mba ho mpanjaka amin’ ny taranak’ i Joda. Ary nisy nanambara tamin’ i Davida hoe: Ny olona any Jabesi-gileada no nandevina an’ i Saoly.
5 Ary Davida dia naniraka olona hankany amin’ ny mponina any Jabesi-gileada hanao aminy hoe: Hotahin’ i Jehovah anie ianareo noho ny soa nataonareo tamin’ i Saoly tomponareo tamin’ ny nandevenanareo azy.
6 Koa haneho famindram-po sy fahamarinana aminareo anie Jehovah, sady izaho koa efa manao izao soa izao aminareo noho ny nanaovanareo izany zavatra izany.
7 Ary ankehitriny, aoka hampaherezina anie ny tananareo, ary aoka hatanjaka ianareo; fa maty Saoly tomponareo, ary izaho no nohosoran’ ny firenen’ i Joda ho mpanjakany.
8 Fa Abnera, zanak’ i Nera, komandin’ ny miaramilan’ i Saoly, efa naka an’ Isboseta, zanakalahin’ i Saoly, ka nitondra azy nankany Mahanaima,
9 dia nampanjaka azy tamin’ i Gileada sy ny Asorita sy Jezirela sy ny Efraima sy ny Benjamina ary ny Isiraely rehetra.
10 (Ary efa-polo taona no nahaveloman’ Isboseta, zanak’ i Saoly, fony izy vao nanjaka amin’ ny Isiraely, ary roa taona no nanjakany.) Fa ny firenen’ i Joda nomba an’ i Davida.
11 Ary ny andro nanjakan’ i Davida tao Hebrona tamin’ ny taranak’ i Joda dia fito taona sy enim-bolana.
12 Ary Abnera, zanak’ i Nera, sy ny mpanompon’ Isboseta, zanak’ i Saoly, niala tao Mahanaima ka nankany Gibeona.
13 Ary Joaba, zanak’ i Zeroia, sy ny mpanompon’ i Davida nivoaka ka nihaona tamin’ ireo teo amoron’ ny kamory tao Gibeona; ary samy nipetraka teo amin’ ny lafin’ ny kamory avy izy.
14 Ary hoy Abnera tamin’ i Joaba: Masìna ianao, aoka hitsangana ny zatovo hanao kilalao eto anatrehantsika. Ary hoy Joaba; Aoka ary izy hitsangana.
15 Dia nisy nitsangana ka nita, dia roa ambin’ ny folo lahy tamin’ ny Benjamina, izay an’ Isboseta, zanak’ i Saoly, ary roa ambin’ ny folo lahy koa tamin’ ny mpanompon’ i Davida.
16 Ary izy rehetra samy nifanavika nifampihazon-doha ka nifandefon-tehezana tamin’ ny sabatra, dia niara-nikarapoka; koa izany no nanaovana izany fitoerana ao Gibeona izany hoe Helkata-hazorima.
17 Ary mafy ny ady tamin’ izany andro izany; ary dia resy teo anoloan’ ny mpanompon’ i Davida Abnera sy ny lehilahy amin’ ny Isiraely.
18 Ary mba teo koa izy telo lahy zanak’ i Zeroia, dia Joaba sy Abisay ary Asahela; ary Asahela dia haingan-tongotra tahaka ny gazela any an-efitra.
19 Ary Asahela nanenjika an’ i Abnera, ka ny fandehany nanenjika an’ i Abnera dia tsy nivily akory na tamin’ ny ankavanana na tamin’ ny ankavia.
20 Ary Abnera niherika ka nanao hoe: Hianao moa izany, no Asahela? Dia hoy izy: Izaho ity.
21 Dia hoy Abnera taminy: Mivilia ianao, na ho amin’ ny ankavanana, na ho amin’ ny ankavia, ary zatovo anankiray no sambory, ka baboy ho anao izay eny aminy rehetra. Fa Asahela tsy nety nivily, fa nanenjika azy ihany.
22 Ary hoy indray Abnera tamin’ i Asahela: Mivilia ianao, fa aza manenjika ahy; fa hataoko inona moa izay hamely anao hikarapoka amin’ ny tany, ary hataoko ahoana no fijery an’ i Joaba rahalahinao?
23 Nefa tsy nety nivily ihany izy, ka dia nasian’ i Abnera ny antsedefona ny kibony, ka dia niboroaka teo an-damosiny ny lefona, ary nikarapoka teo izy ka maty niaraka tamin’ izay. Ary izay rehetra tonga teo amin’ ilay nikarapohan’ i Asahela sy nahafatesany dia nijanona.
24 Ary Joaba sy Abisay dia nanenjika an’ i Abnera; ka nony tonga teo amin’ ny havoana Ama izy, izay tandrifin’ i Gia amin’ ny lalana mankany amin’ ny efitr’ i Gibeona, dia maty ny masoandro.
25 Ary ny taranak’ i Benjamina niangona teo amin’ i Abnera ka nifoko ho iray toko ary nijanona teo an-tampon’ ny havoana anankiray.
26 Ary Abnera niantso an’ i Joaba hoe: Handany mandrakizay va ny sabatra? Tsy fantatrao va fa hangidy ny hiafaran’ izany? Koa mandra-pahoviana no tsy hampivereninao ny olona tsy hanenjika ny rahalahiny?
27 Ary hoy Joaba: Raha velona koa Andriamanitra, raha tsy ilay teninao, dia efa lasa nody any naraina avokoa ny olona ka tsy nanenjika ny rahalahiny akory.
28 Dia nitsoka ny anjomara Joaba, ka dia nijanona ny olona rehetra, ary tsy nanenjika ny Isiraely intsony na niady taminy intsony izy.
29 Ary Abnera sy ny olony nandeha mandritra ny alina namaky ny tani-hay, dia nita an’ i Jordana sy namaky an’ i Bitrona rehetra, ka dia tonga tao Mahanaima izy.
30 Ary rehefa niverina Joaba avy nanenjika an’ i Abnera, dia novoriny ny olona rehetra, ary sivy ambin’ ny folo lahy ihany mbamin’ i Asahela no tsy teo ny mpanompon’ i Davida.
31 Fa ny mpanompon’ i Davida efa nahafaty enim-polo sy telon-jato lahy tamin’ ny Benjamita sy ny olon’ i Abnera.
32 Ary Asahela dia nentiny ka naleviny tao amin’ ny fasan-drainy, izay tao Betlehema. Ary Joaba sy ny olony nandeha mandritra ny alina, dia tonga tao Hebrona raha vao nazava ratsy ny andro.