< 2 Samoela 2 >

1 Ary rehefa afaka izany, Davida dia nanontany tamin’ i Jehovah hoe: Hiakatra ho any amin’ ny tanànan’ ny Joda anankiray va aho? Dia hoy Jehovah taminy: Miakara. Ary hoy Davida: Any aninona no hiakarako? Dia hoy Izy: Any Hebrona.
Na rĩrĩ, thuutha wa ihinda rĩu, Daudi agĩtuĩria ũhoro harĩ Jehova, akĩũria atĩrĩ, “Nyambate thiĩ itũũra-inĩ rĩmwe rĩa matũũra ma Juda?” Jehova akĩmwĩra atĩrĩ, “Ambata.” Nake Daudi akĩũria atĩrĩ, “Nĩ rĩrĩkũ ngũthiĩ?” Nake Jehova akĩmũcookeria atĩrĩ, “Thiĩ Hebironi.”
2 Dia niakatra nankany Davida mbamin’ ny vadiny roa, dia Ahinoama Jezirelita sy Abigaila, ilay novinadin’ i Nabala Karmelita.
Nĩ ũndũ ũcio Daudi akĩambata agĩthiĩ Hebironi na atumia ake eerĩ, Ahinoamu ũrĩa Mũjezireeli, na Abigaili ũrĩa warĩ mũtumia wa ndigwa wa Nabali ũrĩa woimĩte Karimeli.
3 Ary ny olona izay tao amin’ i Davida mbamin’ ny ankohonan’ ireo dia samy nentiny niakatra koa, ka nonina tao amin’ ny tanàna momba an’ i Hebrona izy ireo.
Ningĩ Daudi agĩthiĩ hamwe na andũ arĩa aarĩ nao, o mũndũ na andũ a nyũmba yake, nao magĩtũũra Hebironi, na matũũra-inĩ makuo.
4 Ary dia avy ny lehilahy amin’ ny Joda ka nanosotra an’ i Davida tao mba ho mpanjaka amin’ ny taranak’ i Joda. Ary nisy nanambara tamin’ i Davida hoe: Ny olona any Jabesi-gileada no nandevina an’ i Saoly.
Hĩndĩ ĩyo andũ a Juda magĩũka Hebironi, magĩitĩrĩria Daudi maguta kuo, atuĩke mũthamaki wa nyũmba ya Juda. Rĩrĩa Daudi eerirwo atĩ andũ a Jabeshi-Gileadi nĩo maathikire Saũlũ-rĩ,
5 Ary Davida dia naniraka olona hankany amin’ ny mponina any Jabesi-gileada hanao aminy hoe: Hotahin’ i Jehovah anie ianareo noho ny soa nataonareo tamin’ i Saoly tomponareo tamin’ ny nandevenanareo azy.
agĩtũma andũ kũrĩ andũ a Jabeshi-Gileadi makameere atĩrĩ, “Jehova aromũrathima nĩ ũndũ nĩmuonanĩtie ũtugi kũrĩ mwathi wanyu Saũlũ na ũndũ wa kũmũthika.
6 Koa haneho famindram-po sy fahamarinana aminareo anie Jehovah, sady izaho koa efa manao izao soa izao aminareo noho ny nanaovanareo izany zavatra izany.
Jehova aromuonia ũtugi na wĩhokeku wake, o na niĩ nĩngũmwĩka maũndũ mega ta macio nĩ ũndũ nĩmwĩkĩte ũndũ ũcio.
7 Ary ankehitriny, aoka hampaherezina anie ny tananareo, ary aoka hatanjaka ianareo; fa maty Saoly tomponareo, ary izaho no nohosoran’ ny firenen’ i Joda ho mpanjakany.
Na rĩrĩ, ũmĩrĩriai mũtuĩke njamba, nĩgũkorwo Saũlũ mwathi wanyu nĩakuĩte, nao andũ a nyũmba ya Juda nĩmanjitĩrĩirie maguta nduĩke mũthamaki wao.”
8 Fa Abnera, zanak’ i Nera, komandin’ ny miaramilan’ i Saoly, efa naka an’ Isboseta, zanakalahin’ i Saoly, ka nitondra azy nankany Mahanaima,
Mahinda macio, Abineri mũrũ wa Neri, mũnene wa mbũtũ cia ita cia Saũlũ, nĩoete Ishi-Boshethu mũrũ wa Saũlũ akamũtwara Mahanaimu.
9 dia nampanjaka azy tamin’ i Gileada sy ny Asorita sy Jezirela sy ny Efraima sy ny Benjamina ary ny Isiraely rehetra.
Akĩmũtua mũthamaki wa Gileadi, na wa Aashuri, na Jezireeli, na wa Efiraimu, na Benjamini, na wa Isiraeli guothe.
10 (Ary efa-polo taona no nahaveloman’ Isboseta, zanak’ i Saoly, fony izy vao nanjaka amin’ ny Isiraely, ary roa taona no nanjakany.) Fa ny firenen’ i Joda nomba an’ i Davida.
Nake Ishi-Boshethu mũrũ wa Saũlũ aarĩ wa mĩaka mĩrongo ĩna hĩndĩ ĩrĩa aatuĩkire mũthamaki wa Isiraeli, agĩthamaka mĩaka ĩĩrĩ. No rĩrĩ, nyũmba ya Juda yarũmĩrĩire Daudi.
11 Ary ny andro nanjakan’ i Davida tao Hebrona tamin’ ny taranak’ i Joda dia fito taona sy enim-bolana.
Ihinda rĩrĩa Daudi aarĩ mũthamaki kũu Hebironi agĩthamakĩra nyũmba ya Juda, rĩarĩ mĩaka mũgwanja na mĩeri ĩtandatũ.
12 Ary Abnera, zanak’ i Nera, sy ny mpanompon’ Isboseta, zanak’ i Saoly, niala tao Mahanaima ka nankany Gibeona.
Abineri mũriũ wa Neri, hamwe na andũ a Ishi-Boshethu mũrũ wa Saũlũ, makiuma Mahanaimu magĩthiĩ Gibeoni.
13 Ary Joaba, zanak’ i Zeroia, sy ny mpanompon’ i Davida nivoaka ka nihaona tamin’ ireo teo amoron’ ny kamory tao Gibeona; ary samy nipetraka teo amin’ ny lafin’ ny kamory avy izy.
Joabu mũrũ wa Zeruia na andũ a Daudi makiumagara, magĩtũngana nao karia-inĩ ka Gibeoni. Gĩkundi kĩmwe gĩgĩikara thĩ mwena ũmwe wa Karia kau na gĩkundi kĩu kĩngĩ gĩgĩikara mwena ũcio ũngĩ.
14 Ary hoy Abnera tamin’ i Joaba: Masìna ianao, aoka hitsangana ny zatovo hanao kilalao eto anatrehantsika. Ary hoy Joaba; Aoka ary izy hitsangana.
Hĩndĩ ĩyo Abineri akĩĩra Joabu atĩrĩ, “Nĩ tuoe aanake amwe mokĩre marũe marĩ mbere iitũ.” Joabu agĩcookia atĩrĩ, “Ũguo nĩ wega, nĩ meeke ũguo.”
15 Dia nisy nitsangana ka nita, dia roa ambin’ ny folo lahy tamin’ ny Benjamina, izay an’ Isboseta, zanak’ i Saoly, ary roa ambin’ ny folo lahy koa tamin’ ny mpanompon’ i Davida.
Nĩ ũndũ ũcio makĩrũgama magĩtarwo, andũ ikũmi na eerĩ a Abenjamini na Ishi-Boshethu mũrũ wa Saũlũ, na ikũmi na eerĩ a Daudi.
16 Ary izy rehetra samy nifanavika nifampihazon-doha ka nifandefon-tehezana tamin’ ny sabatra, dia niara-nikarapoka; koa izany no nanaovana izany fitoerana ao Gibeona izany hoe Helkata-hazorima.
Hĩndĩ ĩyo o mũndũ akĩnyiita mũndũ ũrĩa merekanĩire mũtwe, akĩmũtheeca na rũhiũ mbaru-inĩ ciake, nao makĩgũanĩra thĩ o ro hamwe. Nĩ ũndũ ũcio kũndũ kũu gũgĩĩtwo Helikathu-Hazurimu, na gwĩ kũu Gibeoni.
17 Ary mafy ny ady tamin’ izany andro izany; ary dia resy teo anoloan’ ny mpanompon’ i Davida Abnera sy ny lehilahy amin’ ny Isiraely.
Mbaara ĩkĩrũra mũno mũthenya ũcio, nake Abineri na andũ a Isiraeli makĩhootwo nĩ andũ a Daudi.
18 Ary mba teo koa izy telo lahy zanak’ i Zeroia, dia Joaba sy Abisay ary Asahela; ary Asahela dia haingan-tongotra tahaka ny gazela any an-efitra.
Nao ariũ atatũ a Zeruia maarĩ ho: Nao nĩ Joabu, na Abishai, na Asaheli. Na rĩrĩ, Asaheli aarĩ mũhũthũ magũrũ, akagĩa ihenya o ta thwariga.
19 Ary Asahela nanenjika an’ i Abnera, ka ny fandehany nanenjika an’ i Abnera dia tsy nivily akory na tamin’ ny ankavanana na tamin’ ny ankavia.
Nake agĩtengʼeria Abineri atekũgarũrũka na mwena wa ũrĩo kana wa ũmotho, amũingatithĩtie.
20 Ary Abnera niherika ka nanao hoe: Hianao moa izany, no Asahela? Dia hoy izy: Izaho ity.
Nake Abineri akĩrora na thuutha wake, akĩũria atĩrĩ, “Asaheli, kaarĩ we?” Nake agĩcookia atĩrĩ, “Ĩĩ nĩ niĩ.”
21 Dia hoy Abnera taminy: Mivilia ianao, na ho amin’ ny ankavanana, na ho amin’ ny ankavia, ary zatovo anankiray no sambory, ka baboy ho anao izay eny aminy rehetra. Fa Asahela tsy nety nivily, fa nanenjika azy ihany.
Nake Abineri akĩmwĩra atĩrĩ, “Garũrũka na mwena wa ũrĩo kana wa ũmotho; ũnyiite mwanake ũmwe na ũmũtunye indo ciake cia mbaara.” No Asaheli ndaigana gũtiga kũmũhanyũkia.
22 Ary hoy indray Abnera tamin’ i Asahela: Mivilia ianao, fa aza manenjika ahy; fa hataoko inona moa izay hamely anao hikarapoka amin’ ny tany, ary hataoko ahoana no fijery an’ i Joaba rahalahinao?
O rĩngĩ, Abineri agĩkaania Asaheli, akĩmwĩra atĩrĩ, “Tiga kũndengʼeria! Kĩrĩa kĩngĩtũma ngũũrage, nĩ kĩĩ? Ingĩhota atĩa kũngʼethanĩra na mũrũ wa nyũkwa Joabu?”
23 Nefa tsy nety nivily ihany izy, ka dia nasian’ i Abnera ny antsedefona ny kibony, ka dia niboroaka teo an-damosiny ny lefona, ary nikarapoka teo izy ka maty niaraka tamin’ izay. Ary izay rehetra tonga teo amin’ ilay nikarapohan’ i Asahela sy nahafatesany dia nijanona.
No Asaheli ndaatigire kũmũhanyũkia; nĩ ũndũ ũcio Abineri agĩtheeca Asaheli nda na mũthia wa itimũ rĩake, narĩo itimũ rĩkiumanĩra na mũgongo. Nake akĩgũa hau agĩkua o hĩndĩ ĩyo. Na mũndũ o wothe aakinya hau Asaheli aagwĩte akuĩte, akarũgama ho.
24 Ary Joaba sy Abisay dia nanenjika an’ i Abnera; ka nony tonga teo amin’ ny havoana Ama izy, izay tandrifin’ i Gia amin’ ny lalana mankany amin’ ny efitr’ i Gibeona, dia maty ny masoandro.
No Joabu na Abishai magĩtengʼeria Abineri, narĩo riũa rĩgĩthũa-rĩ, magĩkinya kĩrĩma-inĩ kĩa Ama, kĩrĩa kĩrĩ hakuhĩ na Gia, njĩra ya gũthiĩ werũ-inĩ wa Gibeoni.
25 Ary ny taranak’ i Benjamina niangona teo amin’ i Abnera ka nifoko ho iray toko ary nijanona teo an-tampon’ ny havoana anankiray.
Hĩndĩ ĩyo andũ a Benjamini magĩcookanĩrĩra hamwe, makĩrũmĩrĩra Abineri. Nao magĩthondeka gĩkundi thĩinĩ wao, makĩrũgama igũrũ rĩa kĩrĩma.
26 Ary Abnera niantso an’ i Joaba hoe: Handany mandrakizay va ny sabatra? Tsy fantatrao va fa hangidy ny hiafaran’ izany? Koa mandra-pahoviana no tsy hampivereninao ny olona tsy hanenjika ny rahalahiny?
Abineri agĩĩta Joabu aanĩrĩire, akĩmũũria atĩrĩ, “Rũhiũ rwa njora rũgũtũũra rũniinanaga nginya tene? Anga ndũramenya atĩ ũhoro ũyũ ũkaarigĩrĩria na ũrũrũ? Ũgũikara nginya rĩ ũterĩte andũ aku matige gũtengʼeria ariũ a ithe wao?”
27 Ary hoy Joaba: Raha velona koa Andriamanitra, raha tsy ilay teninao, dia efa lasa nody any naraina avokoa ny olona ka tsy nanenjika ny rahalahiny akory.
Joabu agĩcookia atĩrĩ, “Ti-itherũ o ta ũrĩa Ngai atũũraga muoyo, korwo ndũnaaria-rĩ, andũ aya mangĩathiĩ o na mbere gũtengʼeria ariũ a ithe wao nginya rũciinĩ.”
28 Dia nitsoka ny anjomara Joaba, ka dia nijanona ny olona rehetra, ary tsy nanenjika ny Isiraely intsony na niady taminy intsony izy.
Nĩ ũndũ ũcio Joabu akĩhuha karumbeta, nao andũ othe makĩrũgama; matiacookire kũhanyũkia Isiraeli kana kũrũa rĩngĩ.
29 Ary Abnera sy ny olony nandeha mandritra ny alina namaky ny tani-hay, dia nita an’ i Jordana sy namaky an’ i Bitrona rehetra, ka dia tonga tao Mahanaima izy.
Ũtukũ ũcio wothe Abineri na andũ ake magĩtuĩkanĩria Araba. Makĩringa Jorodani, magĩthiĩ na mbere matuĩkanĩirie Bithironi guothe, na magĩkinya Mahanaimu.
30 Ary rehefa niverina Joaba avy nanenjika an’ i Abnera, dia novoriny ny olona rehetra, ary sivy ambin’ ny folo lahy ihany mbamin’ i Asahela no tsy teo ny mpanompon’ i Davida.
Nake Joabu agĩtiga gũtengʼeria Abineri, akĩhũndũka agĩcookanĩrĩria andũ ake othe. Andũ ikũmi na kenda a Daudi makĩoneka matiarĩ ho, Asaheli atatarĩtwo.
31 Fa ny mpanompon’ i Davida efa nahafaty enim-polo sy telon-jato lahy tamin’ ny Benjamita sy ny olon’ i Abnera.
No andũ a Daudi nĩmooragĩte andũ a Benjamini magana matatũ ma mĩrongo ĩtandatũ arĩa maarĩ na Abineri.
32 Ary Asahela dia nentiny ka naleviny tao amin’ ny fasan-drainy, izay tao Betlehema. Ary Joaba sy ny olony nandeha mandritra ny alina, dia tonga tao Hebrona raha vao nazava ratsy ny andro.
Nao makĩoya Asaheli, makĩmũthika mbĩrĩra-inĩ ya ithe kũu Bethilehemu. Ningĩ Joabu na andũ ake magĩthiĩ ũtukũ wothe, magĩkinya Hebironi gũgĩkĩa.

< 2 Samoela 2 >