< 2 Samoela 19 >

1 Ary nambara tamin’ i Joaba hoe: Indro, mitomany sy misaona an’ i Absaloma ny mpanjaka.
Ankyɛre na nkra duruu Yoab nkyɛn sɛ ɔhene no resu, redi awerɛhoɔ wɔ Absalom ho.
2 Ary ny famonjena dia tonga fisaonana tamin’ ny vahoaka rehetra androtrizay, satria ren’ ny vahoaka tamin’ izany andro izany hoe: Malahelo ny zanany ny mpanjaka.
Ɛberɛ a akodɔm no tee ɔhene no awerɛhoɔ a ɔredi wɔ ne ba no ho no, nkonimdie mu anigyeɛ a na wɔwɔ mu saa da no danee awerɛhoɔ.
3 Ka dia niakatra nisokosoko tao an-tanàna ny olona tamin’ izany andro izany, toy ny fisokosokon’ ny olona menatra raha mandositra amin’ ny ady.
Wɔwiaa wɔn ho kɔɔ kuro no mu sɛdeɛ wɔn a wɔadi nkoguo de aniwuo dwane firi ɔko mu.
4 Fa ny mpanjaka nanarona ny tavany sady nidradradradra tamin’ ny feo mafy hoe: Ry Absaloma, zanako, ry Absaloma, zanako, zanako ô!
Ɔhene de ne nsa kataa nʼanim, kɔɔ so twaa adwo sɛ, “Ao, me ba Absalom! Ao, Absalom, me ba, me ba!”
5 Ary niditra tao amin’ ny mpanjaka tao an-trano Joaba ka nanao hoe: Efa nomenarinao androany ny mpanomponao rehetra izay namonjy ny ainao androany sy ny ain’ ny zanakao-lahy sy ny zanakao-vavy ary ny ain’ ny vadinao sy ny vaditsindranonao;
Na Yoab kɔɔ ɔhene no dan mu kɔka kyerɛɛ no sɛ, “Ɛnnɛ yɛagye wo, ne wo mmammarima, ne wo mmammaa, ne wo yerenom, ne wo mpenafoɔ nkwa. Nanso, woreyɛ yei de gu yɛn anim ase te sɛ deɛ yɛayɛ bɔne bi.
6 fa ny mankahala anao no tianao, ary ny tia anao kosa no halanao, ka nasehonao androany fa tsinontsinona aminao ny manamboninahitra sy ny miaramila; ary hitako izao fa raha velona Absaloma, ka izahay rehetra no maty androany, dia izany no sitrakao.
Wodɔ wʼatamfoɔ, na wotan wʼadɔfoɔ. Woada no adi ɛnnɛ sɛ, yɛnsɛ hwee mma wo. Sɛ Absalom te ase, na yɛn nyinaa awuwu a, anka wopɛ no saa.
7 Koa mitsangàna ankehitriny, ka mivoaha, ary manaova teny soa amin’ ny mpanomponao; fa mianiana amin’ i Jehovah aho fa raha tsy mivoaka ianao, dia tsy hisy na dia iray akory aza hitoetra eto aminao anio alina; ka dia izany no ho mafy lavitra aminao noho ny fahoriana rehetra izay nanjo anao hatry ny fony ianao vao zaza ka ambaraka ankehitriny.
Afei, firi kɔ seesei, na kɔma akodɔm no amo, na mebɔ Awurade din, ka ntam sɛ, sɛ woanyɛ saa a, wɔn mu baako koraa nka ha anadwo yi. Na ɛbɛma woagyigya asene kane no.”
8 Dia nivoaka ny mpanjaka ka nijanona teo am-bavahady; ary nolazaina tamin’ ny vahoaka rehetra hoe: Indro, ny mpanjaka mijanona eo am-bavahady. Ary ny vahoaka rehetra dia nankeo anatrehan’ ny mpanjaka. Ary ny Isiraely dia samy efa lasa nandositra ho any amin’ ny lainy avy.
Na ɔhene no firii adi kɔtenaa kuro no abɔntenpono no ano. Na asɛm no trɛɛ kuro no mu nyinaa sɛ ɔwɔ hɔ no, obiara kɔɔ ne nkyɛn. Saa ɛberɛ no na Israelfoɔ a wɔtaa Absalom akyi no nyinaa adwane kɔ wɔn afie mu.
9 Ary ny vahoaka rehetra tamin’ ny firenen’ Isiraely nifanditra hoe: Ny mpanjaka no namonjy antsika tamin’ ny tanan’ ny fahavalontsika, indrindra fa tamin’ ny tanan’ ny Filistina; nefa ankehitriny dia efa nandositra niala tamin’ ny tany izy noho ny amin’ i Absaloma.
Na Israel mmusuakuo no nyinaa mu, na wɔredi abooboo, gye akyinnyeɛ. Na nnipa no reka sɛ, “Ɔhene no gyee yɛn firii atamfoɔ a wɔyɛ Filistifoɔ nsam, nanso Absalom taa no so, pamoo no firii ɔman no mu.
10 Ary Absaloma, izay nohosorantsika hanjaka amintsika, dia efa maty tamin’ ny ady. Koa nahoana ianareo no tsy miteny akory ny amin’ ny hampodiana ny mpanjaka?
Na seesei Absalom a yɛsraa no sɛ ɔmmɛdi yɛn so ɔhene no nso awu. Momma yɛnkɔka nkyerɛ Dawid na ɔnsane mmra mmɛdi yɛn so.”
11 Ary Davida mpanjaka naniraka tany amin’ i Zadoka sy Abiatara mpisorona ka nanao hoe: Ataovy amin’ ny loholon’ ny Joda hoe: Nahoana no dia ianareo indray no ho farany amin’ ny fampodiana ny mpanjaka ho any an-tranony? fa ny tenin’ ny Isiraely rehetra efa tonga tao amin’ ny mpanjaka tao an-tranony
Na ɔhene Dawid somaa asɔfoɔ Sadok ne Abiatar, ma wɔkɔbisaa Yuda mpanimfoɔ sɛ, “Adɛn enti na mo deɛ, mompɛ sɛ mode ɔhene ahennie bɛsane ama no? Na mate sɛ Israel nyinaa ayɛ krado, na mo nko ara na motwentwɛn mo nan ase.
12 rahalahiko ianareo, ary taolako sy nofoko ianareo; koa nahoana no dia ianareo Indray no ho farany amin’ ny fampodiana ny mpanjaka?
Moyɛ mʼabusuafoɔ, mʼabusuakuo, mʼankasa me honam ne me mogya. Na ɛno enti, adɛn enti na motwa toɔ wɔ wɔn a wɔpene sɛ mɛsane aba no mu?”
13 Ary ataovy amin’ i Amasa koa hoe: Tsy taolako sy nofoko va ianao? Hataon’ Andriamanitra amiko anie izany, eny, mihoatra noho izany aza, raha tsy komandin’ ny miaramila eo anatrehako mandrakariva ho solon’ i Joaba ianao.
Dawid ma wɔkɔka kyerɛɛ Amasa sɛ, “Sɛ woyɛ me wɔfaase yi, sɛ manyɛ wo ɔsahene ansi Yoab ananmu a, Onyankopɔn ne me nni no nwononwono.”
14 Ary dia nampitodika ny fon’ ny lehilahy rehetra amin’ ny Joda ho toy ny olona iray izy; ka dia naniraka tany amin’ ny mpanjaka izy ka nanao hoe: Modia ianao sy ny mpanomponao rehetra.
Afei, Amasa korɔkorɔɔ Yuda ntuanofoɔ nyinaa, ma wɔtiee no sɛ nnipa korɔ. Wɔde saa asɛm yi kɔtoo ɔhene anim sɛ, “Wo ne wɔn a wɔne wo wɔ hɔ no nyinaa mmra yɛn nkyɛn.”
15 Ary dia nody ny mpanjaka ka tonga tao Jordana; ary ny Joda tonga tao Gilgala hitsena ny mpanjaka hitondra azy hita an’ i Jordana.
Na ɔhene no de nʼani kyerɛɛ Yerusalem. Ɔduruu Asubɔnten Yordan ho no, Yudafoɔ bɛhyiaa no sɛ wɔde no retwa asuo no.
16 Ary Simey, zanak’ i Gera, Benjamita avy any Bahorina, dia nidodododo nidina araka tamin’ ny lehilahy amin’ ny Joda tsena an’ i Davida mpanjaka.
Gera a ɔyɛ Benyaminni a ɔfiri Bahurim babarima Simei ne Yuda mmarima yɛɛ ntɛm kɔhyiaa ɔhene Dawid.
17 Ary nisy benjamita arivo lahy koa nanaraka azy, ary Ziba, mpanompon’ ny taranak’ i Saoly, mbamin’ ny zananilahy dimy ambin’ ny folo sy mpanompony roa-polo lahy izay nanaraka azy; ary dia nita an’ i Jordana teo alohan’ ny mpanjaka izy ireo.
Ɔrekɔ no, na Benyaminfoɔ apem ka ne ho a, na Siba a na ɔyɛ Saulo fidua mu soodoni, ne ne mmammarima dunum ne nʼasomfoɔ aduonu ka ho. Wɔyɛɛ ntɛm dii ɔhene no ɛkan kɔduruu Yordan hɔ.
18 Ary navoivoy teo ny lakana hampitana ny ankohonan’ ny mpanjaka sy hanaovany izay sitrany. Ary nony efa hita an’ i Jordana ny mpanjaka, dia indro Simey, zanak’ i Gera, niankohoka teo anatrehany.
Wɔtwa kɔɔ konkɔnoa kɔfaa ɔhene fiefoɔ de wɔn twaa asuo no, na wɔboaa wɔn wɔ ɛkwan biara a wɔbɛtumi so. Ɛberɛ a ɔhene no rebɛtwa asuo no, Gera babarima Simei kɔhwee nʼanim.
19 Ary hoy izy tamin’ ny mpanjaka: Aoka tsy hisain’ ny tompoko heloka aho, ary aoka tsy hotsarovanao ny ratsy nataon’ ny mpanomponao tamin’ ny andro nivoahan’ ny mpanjaka tompoko niala tany Jerosalema, ary aoka tsy ho eritreretin’ ny mpanjaka izany;
Ɔsrɛɛ no sɛ, “Me wura ɔhene, fa me bɔne kyɛ me. Nkae amumuyɛsɛm a meyɛeɛ ɛberɛ a wofirii Yerusalem.
20 fa fantatro, izaho mpanomponao, fa nanota aho; ka he! izaho no avy voalohany androany amin’ ny taranak’ i Josefa rehetra ka nidina hitsena ny mpanjaka tompoko.
Mahunu bɔne a mayɛ, enti na madi ɛkan wɔ Yosef abusua nyinaa mu rebɛkyea wo yi.”
21 Fa namaly Abisay, zanak’ i Zeroia, ka nanao hoe: Tsy hovonoina va Simey noho izany, satria efa nanozona ny voahosotr’ i Jehovah izy?
Na Seruia babarima Abisai kaa sɛ, “Simei sɛ owuo, ɛfiri sɛ, ɔdomee deɛ Awurade asra no no.”
22 Dia hoy Davida: Moa mifaninona akory izaho sy ianareo, ry zanak’ i Zeroia, no tonga mpanohitra ahy ianareo anio? Tokony hisy olona hatao maty va eto amin’ ny Isiraely izao? Fa moa tsy fantatra va fa izaho no mpanjakan’ ny Isiraely anio?
Na Dawid bisaa sɛ, “Mo Seruia mma, ɛdeɛn na me ne mo wɔ yɛ? Ɛnnɛ nnyɛ da a wɔkum obi. Ɛyɛ anigyeɛ da! Masane abɛdi ɔhene wɔ Israel so bio!”
23 Ary dia hoy ny mpanjaka tamin’ i simey: Tsy ho faty ianao. Ary ny mpanjaka dia nianiana taminy.
Enti, ɔhene no kaa ntam kyerɛɛ Simei sɛ, “Wɔrenkum wo.”
24 Ary Mefiboseta, zanakalahin’ i Saoly, nidina hitsena ny mpanjaka, ary tsy nanasa tongotra na namboatra volom-bava na nanasa lamba izy hatramin’ ny andro nialan’ ny mpanjaka ka hatramin’ ny andro nahatongavany soa aman-tsara.
Mefiboset a ɔyɛ Saulo nana nso kɔhyiaa ɔhene no bi. Ɛfiri ɛberɛ a ɔhene no kɔeɛ no, na ɔnnwaree ne nan ase, mmubuu ne hweneanonwi so, nsii ne ntadeɛ da, kɔsii sɛ ɔhene baa asomdwoeɛ mu no.
25 Ary nony efa tonga hitsena ny mpanjaka ny avy any Jerosalema, dia hoy ny mpanjaka taminy: Nahoana no tsy mba nandeha niaraka tamiko ianao, ry Mefiboseta?
Ɔhene no bisaa no sɛ, “Mefiboset, adɛn enti na wo ne me ankɔ?”
26 Fa hoy izy: Ry mpanjaka tompoko, nofitahin’ ny mpanompoko aho: Hanisy lasely ny boriky aho hitaingenako ka hankany amin’ ny mpanjaka; fa malemy tongotra ny mpanomponao.
Ɔbuaa sɛ, “Nana, me ɔsomfoɔ Siba daadaa me. Meyɛ obubuafo enti, mekaa sɛ, ‘hyehyɛ mʼafunumu ma me, na mentena ne so, sɛdeɛ mɛtumi ne ɔhene akɔ.’
27 Nefa nendrikendrehiny tamin’ ny mpanjaka tompoko izaho mpanomponao; fa ny mpanjaka tompoko dia hoy Ilay Anjelin’ Andriamanitra; koa ataovy izay sitrakao.
Siba abɛsɛe me akyerɛ me wura ɔhene sɛ mampɛ sɛ meba. Nanso menim sɛ wote sɛ Onyankopɔn ɔbɔfoɔ; ne saa enti, yɛ deɛ wogye di sɛ ɛyɛ.
28 Fa ny taranaky ny raiko rehetra dia samy olona tokony ho faty teo anatrehan’ ny mpanjaka tompoko; nefa ianao nampitoetra ahy mpanomponao ho isan’ izay mihinana amin’ ny latabatrao. Koa inona intsony no rariny ho ahy, ary inona no mbola hitarainako amin’ ny mpanjaka?
Biribiara mfata me ne mʼabusuafoɔ sɛ owuo a ɛbɛfiri me wura, ɔhene, nanso, woahyɛ me animuonyam wɔ wɔn a wɔdidi wo ɛpono so no mu. Enti, tumi bɛn na mewɔ sɛ mebisa ɔhene deɛ mehwehwɛ?”
29 Ary hoy ny mpanjaka taminy: Nahoana no lazainao indray ny raharahanao? Nefa izaho efa nilaza hoe: Hianao sy Ziba no hizara ny tany.
Ɔhene ka kyerɛɛ no sɛ, “Adɛn enti na wʼasɛm aware? Mehyɛ mo sɛ, wo ne Siba nkyɛ nsase no mu.”
30 Ary hoy Mefiboseta tamin’ ny mpanjaka: Aoka dia ho azy avokoa izy rehetra, fa ianao mpanjaka tompoko efa tonga soa aman-tsara ao amin’ ny tranonao indray.
Mefiboset ka kyerɛɛ ɔhene no sɛ, “Ɛdɔɔ me so sɛ me wura ɔhene asane aba efie dwoodwoo yi, ma Siba mfa biribiara.”
31 Ary Barzilay Gileadita nidina avy tany Rogelima, dia niara-nita an’ i Jordana tamin’ ny mpanjaka izy mba hanatitra azy hita an’ i Jordana.
Gileadni Barsilai nso firi Rogelim baa sɛ ɔrebɛboa ama ɔhene atwa Yordan.
32 Ary Barzilay dia lehilahy antitra, efa valo-polo taona; ary izy efa nanome hanina ny mpanjaka, raha nitoetra tany Mahanaima izy; fa mpanjatobe indrindra izy.
Na Barsilai abɔ akɔkoraa a wadi mfeɛ aduɔwɔtwe, na ɔyɛ ɔdefoɔ kɛseɛ. Ɔno na ɔmaa ɔhene biribi diiɛ ɛberɛ a na ɔte Mahanaim no.
33 Ary hoy ny mpanjaka tamin’ i Barzilay: Andeha hiara-mita amiko ianao hovelomiko any amiko any Jerosalema.
Ɔhene no ka kyerɛɛ Barsilai sɛ, “Wo ne me ntwa, na wo ne me nkɔtena Yerusalem, na mɛhwɛ wo.”
34 Fa hoy Barzilay tamin’ ny mpanjaka: Hoatrinona intsony moa no andro hahavelomako, no hiara-miakatra amin’ ny mpanjaka hankany Jerosalema aho?
Nanso, Barsilai buaa ɔhene sɛ, “Aka me nna ahe a ɛsɛ sɛ me ne wo kɔtena Yerusalem, Nana?
35 Valo-polo taona izay ny andro nahavelomako, ka mahalala izay soa sy ratsy intsony va aho? Mahatsiaro ny tsiron-javatra haniko sy sotroiko intsony va aho mpanomponao? Mahare izay feon’ ny mpihiralahy sy ny mpihiravavy intsony va aho? Koa nahoana ny mpanomponao no mbola ho enta-mavesatra amin’ ny mpanjaka tompoko?
Madi mfirinhyia aduɔwɔtwe, na biribiara nyɛ me akɔnnɔ. Aduane ne nsã nyɛ me dɛ. Nnwontofoɔ nne so, merente na adesoa nko ara na mɛyɛ ama Nana.
36 Kely foana no handehanan’ ny mpanomponao eo an-dafin’ i Jordana hiaraka amin’ ny mpanjaka; koa nahoana ny mpanjaka no dia hamaly fitia ahy loatra toy izany?
Animuonyam a mepɛ ara ne sɛ me ne Nana bɛtwa asuo no.
37 Trarantitra ianao, aoka aho mpanomponao hody ihany ka ho fety any amin’ ny vohitro ao akaikin’ ny fasan’ ikaky sy ineny. Fa indro Kimama mpanomponao; aoka izy no hiaraka amin’ ny mpanjaka tompoko, ary ataovy aminy izay sitrakao.
Ma wo ɔsomfoɔ nsane nʼakyi, sɛdeɛ mɛwu wɔ me ara me kurom faako a wɔsiee mʼawofoɔ. Na me babarima Kimham nie. Ma ɔne me wura ɔhene nkɔ na ade pa biara a wopɛ no, yɛ ma no.”
38 Dia hoy ny mpanjaka: Handeha hiaraka amiko tokoa Kimama, ka hataoko aminy izay sitrakao, ary izay angatahinao dia hataoko ho anao.
Ɔhene no gye too mu kaa sɛ, “Ɛyɛ, Kimham ne me bɛkɔ, na deɛ anka mɛyɛ ama woɔ no, mɛyɛ ama no.”
39 Ary ny vahoaka rehetra nita an’ i Jordana. Ary nony tafita ny mpanjaka, dia norohan’ ny mpanjaka Barzilay sady notsofiny rano, ary dia lasa nody ho any amin’ ny fonenany izy.
Enti, nnipa no nyinaa ne ɔhene no twaa Yordan. Ɔhene no yɛɛ Barsilai atuu, hyiraa no. Na Barsilai sane nʼakyi kɔɔ ne kurom.
40 Dia nandroso nankany Gilgala mpanjaka, ary Kimama niaraka taminy; ny lehilahy rehetra amin’ ny Joda sy ny antsasaky ny lehilahy amin’ ny Isiraely koa nanatitra ny mpanjaka.
Ɔhene faa Kimham kaa ne ho kɔɔ Gilgal. Yuda akodɔm nyinaa ne Israel akodɔm no mu fa de ɔhene twaa asuo no.
41 Ary, indreo, ny lehilahy rehetra amin’ Isiraely nankao amin’ ny mpanjaka ka nanao taminy hoe: Nahoana ny lehilahy amin’ ny Joda, rahalahinay, no nangalatra anao ka nitondra ny mpanjaka sy ny ankohonany ary ny olon’ i Davida rehetra teny aminy hita an’ i Jordana?
Nanso, Israel mmarima nyinaa bɛnwiinwii kyerɛɛ ɔhene sɛ, “Adɛn enti na yɛn nuanom Yuda mmarima awia wo kɔ, na wɔde Ɔhene ne ne fiefoɔ ne Dawid mmarima nyinaa a wɔka ne ho no akɔtwa Yordan aba?”
42 Ary ny lehilahy rehetra amin’ ny Joda dia namaly ny lehilahy amin’ ny Isiraely hoe: Satria havanay akaiky ny mpanjaka; ka ahoana no mahatezitra anareo amin’ izany? Nadany ny mpanjaka va izahay? Na nanome zavatra anay akory va izy?
Yuda mmarima nyinaa buaa Israel mmarima no sɛ, “Yɛyɛɛ saa, ɛfiri sɛ, ɔhene no yɛ yɛn busuani pɛɛ. Adɛn enti na mo bo afu saa asɛm yi ho? Yɛannye no hwee na ɔno nso amma yɛn aduane anaa akyɛdeɛ biara nso.”
43 Ary ny lehilahy amin’ ny Isiraely kosa namaly ny lehilahy amin’ ny Joda hoe: Izahay manana anjaram-polo amin’ ny mpanjaka; eny, izahay manana an’ i Davida mihoatra noho ianareo; koa ahoana ianareo no nanao tsinontsinona anay? Tsy izahay va no niteny talohanareo nampody ny mpanjakanay? Ary ny tenin’ ny lehilahy amin’ ny Joda dia lozaloza kokoa noho ny tenin’ ny lehilahy amin’ ny Isiraely.
Na Israel mmarima buaa Yuda mmarima no sɛ, “Yɛwɔ mmusuakuo edu wɔ Israel na ɛno enti yɛwɔ ɔhene no mu kyɛfa edu. Na adɛn enti na mobu yɛn abomfiaa? Ɛnyɛ yɛn na yɛdii ɛkan kaa sɛ, wɔmfa yɛn ɔhene nsane mmra?” Na Yuda mmarima no ano yɛɛ den sene Israel mmarima no.

< 2 Samoela 19 >