< 2 Samoela 18 >
1 Ary Davida nandamina ny olona izay nomba azy ka nanendry mpifehy arivo sy mpifehy zato hifehy azy.
Dawuda ya tattara mutanen da suke tare da shi, ya naɗa musu komandodi na dubu-dubu, da na ɗari-ɗari.
2 Ary Davida nampandeha ny olona, ka ny ampahatelony nofehezin’ i Joaba, ary ny ampahatelony nofehezin’ i Abisay, zanak’ i Zeroia, rahalahin’ i Joaba, ary ny ampahatelony kosa nofehezin’ Itahy Gatita. Ary hoy ny mpanjaka tamin’ ny vahoaka: Izaho koa dia handeha hiaraka aminareo tokoa.
Dawuda ya sa rundunoni kashi ɗaya bisa uku a ƙarƙashin Yowab, kashi ɗaya bisa uku a ƙarƙashin Abishai, ɗan’uwan Yowab ɗan Zeruhiya, kashi ɗaya bisa uku a ƙarƙashin Ittai mutumin Gat. Sai sarki ya ce wa rundunonin, “Tabbatacce zan tafi tare da ku.”
3 Fa hoy ny vahoaka: Tsy avelanay andeha ianao; fa raha mandositra izahay, dia tsy hahoany; ary na matiny sasaka aza izahay, dia tsy hahoany akory; fa ianao no hoatra ny iray alina aminay; koa tsara raha hamonjy anay avy tao an-tanàna ianao.
Amma mutanen suka ce, “Ba za ka fita ba; gama in ya kasance tilas mu gudu, ba za su kula da mu ba. Ko da rabinmu sun mutu, ba za su damu ba; amma kai kanka ka fi mutum dubu goma namu. Zai fi maka ka zauna a cikin gari, ka dinga aika mana da taimako.”
4 Ary hoy ny mpanjaka taminy: Izay sitrakareo ary no hataoko. Dia nitsangana teo anilan’ ny vavahady ny mpanjaka, ary ny vahoaka rehetra nivoaka isan-jato sy isan’ arivo.
Sarki ya ce, “Zan yi duk abin da ya fi muku kyau.” Saboda haka sarki ya tsaya kusa da bakin ƙofa yayinda dukan mutane suke fitowa a ƙungiyar ɗari-ɗari da ta dubu-dubu.
5 Ary ny mpanjaka nandidy an’ i Joaba sy Abisay ary Itahy hoe: Noho ny amiko dia mamindrà fo amin’ i Absaloma zatovo. Ary ny olona rehetra dia nahare ny nandidian’ ny mpanjaka ny mpifehy rehetra ny amin’ i Absaloma.
Sarki ya umarci Yowab, Abishai, da Ittai, ya ce musu, “Ku yi mini hankali da saurayin nan Absalom.” Dukan mutane kuwa suka ji yadda sarki yake ba wa kowane komanda umarni.
6 Ka dia nivoaka teny an-tsaha ny vahoaka hiady amin’ ny Isiraely, ka rafitra tao amin’ ny alan’ i Efraima ny ady;
Rundunonin suka tafi zuwa fili don su yi yaƙi da Isra’ila. Aka kuwa yi yaƙi a kurmin Efraim.
7 ary resy tao ny lehilahy amin’ ny Isiraely teo anoloan’ ny mpanompon’ i Davida, ka be dia be no ringana androtrizay, dia olona roa alina.
A nan ne mutanen Isra’ila suka sha kashi a hannun mutanen Dawuda. Waɗanda suka yi rauni da kuma waɗanda suka mutu a ranar sun yi yawa, mutum dubu ashirin.
8 Fa nihahakahaka teny rehetra teny ny ady; ka ny matin’ ny ala androtrizay dia be noho ny matin’ ny sabatra.
Yaƙin ya bazu a duk fāɗin ƙauyukan, abin da kurmin ya ci kawai a ranar ya fi yawan abin da aka kashe da takobi.
9 Ary Absaloma nifanehatra tamin’ ny mpanompon’ i Davida. Ary nitaingina ampondra izy, ary ny ampondra nandeha teo ambanin’ ny rantsan-kazo mikirindro tamin’ ny hazo terebinta, ka voahazon’ ny hazo terebinta ny lohan’ i Absaloma, ka dia nikiraviravy teo anelanelan’ ny lanitra sy ny tany izy; fa lasa ny ampondra nitaingenany.
To, Absalom ya haɗu da mutanen Dawuda. Yana hawan dokinsa, kuma yayinda dokin ya kusa kai cikin rassan babban itacen oak, sai kan Absalom ya sarƙafe a kan itacen oak ɗin. Dokin ya wuce da gudu, shi kuwa ya rataye a can yana lilo.
10 Ary nisy lehilahy anankiray nahita izany, dia nanambara tamin’ i Joaba hoe: Indro, hitako mihantona amin’ ny hazo terebinta Absaloma.
Sa’ad da wani daga cikin mutanen ya gan haka, sai ya gaya wa Yowab, “Na ga Absalom yana rataye a itacen oak.”
11 Ary hoy Joaba tamin’ ilay lehilahy nilaza taminy: Koa nahoana, raha nahita azy ianao, no tsy nasianao hianjera amin’ ny tany izy, ka dia tsy maintsy ho nomeko sekely volafotsy folo sy fehin-kibo ianao?
Yowab ya ce wa mutumin da ya ba shi labarin, “Mene! Ka ga shi? Don me ba ka buge shi har ƙasa nan da nan ba? Ai, da na ba ka shekel goma na azurfa da abin ɗamarar jarumi.”
12 Fa hoy ralehilahy tamin’ i Joaba: Na dia efa mby an-tanako aza ny sekely volafotsy arivo, tsy haninjitra ny tanako hamely ny zanaky ny mpanjaka aho; fa teo anatrehanay no nandidian’ ny mpanjaka anao sy Abisay ary Itahy hoe: Samia mitandrina an’ i Absaloma zatovo.
Amma mutumin ya ce wa Yowab, “Ko da za a auna mini azurfa dubu a hannuna, ba zan miƙa hannuna in taɓa ɗan sarki ba. A kunnuwanmu fa sarki ya umarce ka, da Abishai, da Ittai cewa, ‘Ku tsare saurayin nan Absalom a madadina.’
13 Tsy misy zavatra azo afenina amin’ ny mpanjaka, koa raha nanao hafahafa taminy aho, na dia ianao io aza dia ho nitsangana hanameloka ahy.
Da na yi haka da na sa kaina a halin ƙaƙa-ni-ka-yi, kuma babu abin da zai ɓoyu ga sarki, kai kuwa za ka janye abinka daga gare ni.”
14 Dia hoy Joaba: Tsy handany andro foana eto aminao aho. Ary nitondra lefona telo teny an-tanany Izy, ka natsatony tamin’ ny fon’ i Absaloma, raha mbola velona teo amin’ ny hazo terebinta izy.
Yowab ya ce, “Ba zan ɓata lokaci da kai ba.” Saboda haka sai ya ɗauki māsu uku a hannunsa ya zura su a ƙahon zuciyar Absalom, tun Absalom yana da sauran rai a maƙale a itacen oak.
15 Ary nisy tovolahy folo, mpitondra ny fiadian’ i Joaba, nanodidina an’ i Absaloma ka namely azy ho faty.
Masu ɗaukan kayan yaƙin Yowab goma kuwa sun kewaye Absalom, suka bubbuge shi suka kashe.
16 Ary Joaba nitsoka ny anjomara, ka dia niverina avy nanenjika ny Isiraely ny vahoaka, satria niantran’ i Joaba izy.
Sa’an nan Yowab ya busa ƙaho, sai sojoji suka bar fafaran Isra’ila, gama Yowab ya tsai da su.
17 Dia nalain’ ny olona Absaloma ka natsipiny tao an-davaka lehibe anankiray tao anaty ala, dia nasiany antontam-bato lehibe teo amboniny; ary ny Isiraely rehetra samy nandositra ho any amin’ ny lainy avy.
Suka ɗauki Absalom, suka jefa shi cikin wani babban rami a kurmin, suka kuwa tula tsibin duwatsu a kansa. Ana cikin haka, sai dukan Isra’ilawa suka tsere zuwa gidajensu.
18 Ary fony mbola velona Absaloma, dia efa naka vato izy ka nanao ilay tsangam-bato ho azy tao an-dohasahan’ ny Mpanjaka, fa hoy izy: Tsy manan-janakalahy hamelo-maso ahy aho; ary dia nataony araka ny anaran’ ny tenany ihany ilay tsangam-bato, ka mbola atao hoe: Fahatsiarovana an’ i Absaloma no anarany mandraka androany.
A lokacin da Absalom yake da rai, Absalom ya gina wa kansa al’amudin tunawa, a Kwarin Sarki, gama ya yi tunani ya ce, “Ba ni da ɗa namiji wanda zai sa a riƙa tunawa da ni.” Sai ya kira ginshiƙin da sunansa, ana kuwa kira shi Al’amudin Absalom har wa yau.
19 Dia hoy Ahimaza, zanak’ i Zadoka: Aoka aho hihazakazaka hitondra teny mahafaly ho any amin’ ny mpanjaka ny amin’ ny nanomezan’ i Jehovah azy ny rariny ka nahafahany tamin’ ny fahavalony.
Ahimawaz ɗan Zadok ya ce, “Bari in ruga in kai wa sarki labari cewa Ubangiji ya cece shi daga hannun abokan gābansa.”
20 Fa hoy Joaba taminy: Tsy ho mpitondra teny mahafaly ianao, raha mandeha anio, satria maty ny zanakalahin’ ny mpanjaka, fa andro hafa dia mbola hitondra teny mahafaly ihany ianao.
Yowab ya ce, “Ba kai ba ne za ka kai wannan labari a yau ba. Kana iya kai labarin wani lokaci, amma yau kam ba zai yiwu ba, saboda ɗan sarki ya mutu.”
21 Ary hoy Joaba tamin’ ilay Kosita: Andeha, ambarao amin’ ny mpanjaka izay efa hitanao. Ary ilay Kosita niankohoka teo anatrehan’ i Joaba, dia lasa nihazakazaka.
Sai Yowab ya ce wa wani mutumin Kush, “Je ka faɗa wa sarki abin da ka gani.” Mutumin Kush ɗin kuwa ya rusuna wa Yowab, sai ya ruga a guje.
22 Fa Ahimaza, zanak’ i Zadoka, dia mbola niteny tamin’ i Joaba ihany nanao hoe: Ka nahoana aza, aoka ihany aho mba hiezaka koa hanaraka ilay Kosita. Fa hoy Joaba: Ahoana no hiezahanao, anaka; fa na dia mandeha aza ianao, tsy hisy teny mahafaly hahazoanao fitia tsinona?
Ahimawaz ɗan Zadok ya sāke ce wa Yowab, “Ko mene ne zai faru, ina roƙonka bari in bi bayan mutumin Kush nan.” Amma Yowab ya ce, “Ɗana me ya sa kake so ka je? Ba ka da labarin da zai jawo maka lada.”
23 Ka nahoana aza, hoy izy: Aoka ihany aho hiezaka. Dia hoy Joaba taminy: Miezaha ary. Ary dia niezaka tamin’ ny lalana eny amin’ ny lemaka Ahimaza ka nihoatra an’ ilay Kosita.
Ya ce, “Ko mene ne zai faru, ina so in ruga da gudu.” Sai Yowab ya ce, “Ruga!” Sai Ahimawaz ya sheƙa a guje ya bi ta hanyar fili ya riga mutumin Kush nan.
24 Ary Davida nipetraka teo anelanelan’ ny vavahady roa; ary ny mpitily niakatra teo ambony vavahady teo amin’ ny manda, ka nanopy ny masony, dia nahita, ka indry misy lehilahy iray mihazakazaka.
Yayinda Dawuda yake zaune tsakanin ƙofofin ciki da na waje, sai mai tsaro ya hau rufin ginin da yake kan hanyar shiga ta wajen katanga. Da ya duba sai ya ga wani mutum shi kaɗai yana gudu.
25 Ary ny mpitily niantso ka nilaza tamin’ ny mpanjaka. Dia hoy ny mpanjaka: Raha irery izy, dia ho teny mahafaly no entiny. Ary mbola nanatona anatona ihany ralehilahy.
Mai tsaro ya tā da murya ya faɗa wa sarki. Sarki ya ce, “In shi kaɗai ne, ya kawo labari mai kyau ke nan.” Mutumin ya matso kusa-kusa.
26 Ary ny mpitily nahita lehilahy iray koa nihazakazaka, dia niantso ny mpiandry vavahady izy nanao hoe: Indry koa misy lehilahy iray tamy mihazakazaka. Dia hoy ny mpanjaka: Mitondra teny mahafaly ihany koa izy.
Sai mai tsaron ya ga wani mutum yana zuwa a guje. Sai ya tā da murya ya kira mai tsaron ƙofa ya ce, “Duba, ga wani mutum kuma yana gudu shi kaɗai!” Sarki ya ce, “Shi ma yana kawo labari mai daɗi ne.”
27 Ary hoy ny mpitily: Raha toa ahy, dia tahaka ny fihazakazak’ i Ahimaza, zanak’ i Zadoka, no fihazakazak’ iny aloha. Ary hoy ny mpanjaka: Lehilahy tsara fanahy iny, ka hitondra teny soa mahafaly no ihaviany.
Sai mai tsaron ya ce, “A ganina gudu na farin, ya yi kama da gudun Ahimawaz, ɗan Zadok.” Sarki ya ce, “Shi mutumin kirki ne, yana zuwa da saƙo mai kyau.”
28 Ary Ahimaza niantso ka nanao tamin’ ny mpanjaka hoe: Fiadanana! sady niankohoka tamin’ ny tany teo anatrehan’ ny mpanjaka izy ka nanao hoe: Isaorana anie Jehovah Andriamanitrao, Izay efa nanolotra ny olona nanainga tanana hikomy amin’ ny mpanjaka tompoko.
Sai Ahimawaz ya tā da murya ya ce wa sarki, “Kome lafiya yake!” Sai ya rusuna har ƙasa a gaban sarki ya ce, “Yabo ya tabbata ga Ubangiji Allahnka! Ya ba da mutanen da suka tayar wa ranka yă daɗe a hannunsa.”
29 Dia hoy ny mpanjaka: Tsara ihany va Absaloma zatovo? Fa hoy Ahimaza: Tamin’ ny nanirahan’ i Joaba ny mpanompon’ ny mpanjaka sy izaho mpanomponao koa dia nandre tabataba be aho, nefa tsy fantatro izay antony.
Sai sarki ya ce, “Saurayin nan Absalom yana nan da rai?” Ahimawaz ya ce, “Na ga wani babban rikicewar a daidai lokacin da Yowab yake gab da aikan bawan sarki da kuma ni, sai dai ban san ko mene ne ba.”
30 Ary hoy ny mpanjaka taminy: Mitanilà kely ary, ka mijanòna etsy; dia nitanila izy ka nitoetra teo.
Sai sarki ya ce, “Koma gefe ka jira a can.” Sai ya ja gefe ya tsaya.
31 Ary, indro, avy ilay Kosita ka nanao hoe: Aoka ny mpanjaka tompoko hihaino teny mahafaly; fa Jehovah efa nanome anao ny rariny ka nahafaka anao ankehitriny tamin’ izay rehetra nitsangana hikomy aminao.
Sai ga mutumin Kush ya iso ya ce, “Ranka yă daɗe sarki, ka ji labari mai kyau! Ubangiji ya cece ka yau daga dukan waɗanda suka tayar maka.”
32 Ary hoy ny mpanjaka tamin’ ilay Kosita: Tsara ihany va Absaloma zatovo? Fa hoy ilay Kosita: Aoka ny fahavalon’ ny mpanjaka tompoko sy izay rehetra mitsangana hanisy ratsy anao ho tahaka iny zatovo iny.
Sarki ya ce wa mutumin Kush, “Saurayin nan Absalom, yana nan lafiya?” Mutumin Kush ya ce, “Allah yă sa abokan gāban ranka yă daɗe, da duk waɗanda suka tayar maka da mugunta, su zama kamar saurayin nan.”
33 Ary dia niontana terỳ ny fon’ ny mpanjaka, ka niakatra nankeo amin’ ny efi-trano teo ambony vavahady izy sady nitomany teny am-pandehanana ka nanao hoe: Ry Absaloma, zanako, zanako, ry Absaloma, zanako ô! Inay anie aho no maty nisolo anao, ry Absaloma zanako, zanako ô!
Sai gaban sarki ya faɗi. Ya haura zuwa ɗakin da yake kan katangar hanyar shiga ya yi kuka. Yayinda yake tafiya ya ce, “Ya ɗana Absalom! Ɗana, ɗana Absalom! Da ma a ce ni ne na mutu maimakonka. Ya Absalom, ɗana, ɗana!”