< 2 Samoela 18 >

1 Ary Davida nandamina ny olona izay nomba azy ka nanendry mpifehy arivo sy mpifehy zato hifehy azy.
And so David, having reviewed his people, appointed over them tribunes and centurions.
2 Ary Davida nampandeha ny olona, ka ny ampahatelony nofehezin’ i Joaba, ary ny ampahatelony nofehezin’ i Abisay, zanak’ i Zeroia, rahalahin’ i Joaba, ary ny ampahatelony kosa nofehezin’ Itahy Gatita. Ary hoy ny mpanjaka tamin’ ny vahoaka: Izaho koa dia handeha hiaraka aminareo tokoa.
And he placed a third part of the people under the hand of Joab, and a third part under the hand of Abishai, the son of Zeruiah, the brother of Joab, and a third part under the hand of Ittai, who was from Gath. And the king said to the people, “I, too, will go forth with you.”
3 Fa hoy ny vahoaka: Tsy avelanay andeha ianao; fa raha mandositra izahay, dia tsy hahoany; ary na matiny sasaka aza izahay, dia tsy hahoany akory; fa ianao no hoatra ny iray alina aminay; koa tsara raha hamonjy anay avy tao an-tanàna ianao.
And the people responded: “You shall not go out. For if we flee, there will not be great concern in them for us. Or if one half part of us will fall, they will not care much. For you are considered as one for ten thousand. Therefore, it is better that you should be in the city to strengthen us.”
4 Ary hoy ny mpanjaka taminy: Izay sitrakareo ary no hataoko. Dia nitsangana teo anilan’ ny vavahady ny mpanjaka, ary ny vahoaka rehetra nivoaka isan-jato sy isan’ arivo.
And the king said to them, “I will do whatever seems good to you.” Therefore, the king stood beside the gate. And the people went out by their troops, by hundreds and by thousands.
5 Ary ny mpanjaka nandidy an’ i Joaba sy Abisay ary Itahy hoe: Noho ny amiko dia mamindrà fo amin’ i Absaloma zatovo. Ary ny olona rehetra dia nahare ny nandidian’ ny mpanjaka ny mpifehy rehetra ny amin’ i Absaloma.
And the king ordered Joab and Abishai and Ittai, saying, “Preserve for me the boy Absalom.” And all the people heard the king commanding all the leaders on behalf of Absalom.
6 Ka dia nivoaka teny an-tsaha ny vahoaka hiady amin’ ny Isiraely, ka rafitra tao amin’ ny alan’ i Efraima ny ady;
And so, the people departed into the field against Israel. And the battle took place in the forest of Ephraim.
7 ary resy tao ny lehilahy amin’ ny Isiraely teo anoloan’ ny mpanompon’ i Davida, ka be dia be no ringana androtrizay, dia olona roa alina.
And the people of Israel were cut down in that place by the army of David. And a great slaughter occurred on that day: twenty thousand men.
8 Fa nihahakahaka teny rehetra teny ny ady; ka ny matin’ ny ala androtrizay dia be noho ny matin’ ny sabatra.
Now the battle in that place was dispersed over the face of all the land. And there were many more of the people whom the forest had consumed, than the sword had devoured, on that day.
9 Ary Absaloma nifanehatra tamin’ ny mpanompon’ i Davida. Ary nitaingina ampondra izy, ary ny ampondra nandeha teo ambanin’ ny rantsan-kazo mikirindro tamin’ ny hazo terebinta, ka voahazon’ ny hazo terebinta ny lohan’ i Absaloma, ka dia nikiraviravy teo anelanelan’ ny lanitra sy ny tany izy; fa lasa ny ampondra nitaingenany.
Then it happened that Absalom, riding on a mule, met the servants of David. And when the mule had entered under a thick and large oak tree, his head became trapped in the oak. And while he was suspended between heaven and earth, the mule on which he had been sitting continued on.
10 Ary nisy lehilahy anankiray nahita izany, dia nanambara tamin’ i Joaba hoe: Indro, hitako mihantona amin’ ny hazo terebinta Absaloma.
Then a certain one saw this and reported it to Joab, saying, “I saw Absalom hanging from an oak.”
11 Ary hoy Joaba tamin’ ilay lehilahy nilaza taminy: Koa nahoana, raha nahita azy ianao, no tsy nasianao hianjera amin’ ny tany izy, ka dia tsy maintsy ho nomeko sekely volafotsy folo sy fehin-kibo ianao?
And Joab said to the man who had reported it to him, “If you saw him, why did you not stab him to the ground, and I would have given you ten shekels of silver and a belt?”
12 Fa hoy ralehilahy tamin’ i Joaba: Na dia efa mby an-tanako aza ny sekely volafotsy arivo, tsy haninjitra ny tanako hamely ny zanaky ny mpanjaka aho; fa teo anatrehanay no nandidian’ ny mpanjaka anao sy Abisay ary Itahy hoe: Samia mitandrina an’ i Absaloma zatovo.
And he said to Joab: “Even if you weighed out to my hands one thousand silver coins, I would never lay my hands on the son of the king. For in our hearing the king ordered you and Abishai and Ittai, saying, ‘Keep for me the boy Absalom.’
13 Tsy misy zavatra azo afenina amin’ ny mpanjaka, koa raha nanao hafahafa taminy aho, na dia ianao io aza dia ho nitsangana hanameloka ahy.
Then too, if I had acted with such audacity, against my own life, this would never have been able to be hidden from the king. And would you then have stood by my side?”
14 Dia hoy Joaba: Tsy handany andro foana eto aminao aho. Ary nitondra lefona telo teny an-tanany Izy, ka natsatony tamin’ ny fon’ i Absaloma, raha mbola velona teo amin’ ny hazo terebinta izy.
And Joab said, “It will not be as you wish. Instead, I will be assailing him in your sight.” Then he took three lances in his hand, and he fixed them in the heart of Absalom. And while he was still clinging to life upon the oak,
15 Ary nisy tovolahy folo, mpitondra ny fiadian’ i Joaba, nanodidina an’ i Absaloma ka namely azy ho faty.
ten young men, armor bearers of Joab, ran up, and striking him, they killed him.
16 Ary Joaba nitsoka ny anjomara, ka dia niverina avy nanenjika ny Isiraely ny vahoaka, satria niantran’ i Joaba izy.
Then Joab sounded the trumpet, and he held back the people, lest they pursue Israel in their flight, for he was willing to spare the multitude.
17 Dia nalain’ ny olona Absaloma ka natsipiny tao an-davaka lehibe anankiray tao anaty ala, dia nasiany antontam-bato lehibe teo amboniny; ary ny Isiraely rehetra samy nandositra ho any amin’ ny lainy avy.
And they took Absalom, and they threw him into a great pit in the forest. And they piled an exceedingly great heap of stones over him. But all of Israel fled to their own tents.
18 Ary fony mbola velona Absaloma, dia efa naka vato izy ka nanao ilay tsangam-bato ho azy tao an-dohasahan’ ny Mpanjaka, fa hoy izy: Tsy manan-janakalahy hamelo-maso ahy aho; ary dia nataony araka ny anaran’ ny tenany ihany ilay tsangam-bato, ka mbola atao hoe: Fahatsiarovana an’ i Absaloma no anarany mandraka androany.
Now Absalom had raised up for himself, when he was still alive, a monument, which is in the Valley of the King. For he said, “I have no son, and so this shall be the memorial to my name.” And he called the monument by his own name. And it is called the Hand of Absalom, even to this day.
19 Dia hoy Ahimaza, zanak’ i Zadoka: Aoka aho hihazakazaka hitondra teny mahafaly ho any amin’ ny mpanjaka ny amin’ ny nanomezan’ i Jehovah azy ny rariny ka nahafahany tamin’ ny fahavalony.
Then Ahimaaz, the son of Zadok, said, “I will run and report to the king that the Lord has accomplished judgment for him, from the hand of his enemies.”
20 Fa hoy Joaba taminy: Tsy ho mpitondra teny mahafaly ianao, raha mandeha anio, satria maty ny zanakalahin’ ny mpanjaka, fa andro hafa dia mbola hitondra teny mahafaly ihany ianao.
And Joab said to him: “You shall not be the messenger on this day. Instead, you shall report on another day. I am not willing for you to give the report today, because the son of the king is dead.”
21 Ary hoy Joaba tamin’ ilay Kosita: Andeha, ambarao amin’ ny mpanjaka izay efa hitanao. Ary ilay Kosita niankohoka teo anatrehan’ i Joaba, dia lasa nihazakazaka.
Then Joab said to Hushai, “Go, and report to the king what you have seen.” Hushai reverenced Joab, and he ran.
22 Fa Ahimaza, zanak’ i Zadoka, dia mbola niteny tamin’ i Joaba ihany nanao hoe: Ka nahoana aza, aoka ihany aho mba hiezaka koa hanaraka ilay Kosita. Fa hoy Joaba: Ahoana no hiezahanao, anaka; fa na dia mandeha aza ianao, tsy hisy teny mahafaly hahazoanao fitia tsinona?
And Ahimaaz, the son of Zadok, said to Joab again, “What prevents me from running after Hushai also?” And Joab said to him: “Why do you want to run, my son? You would not be the bearer of good news.”
23 Ka nahoana aza, hoy izy: Aoka ihany aho hiezaka. Dia hoy Joaba taminy: Miezaha ary. Ary dia niezaka tamin’ ny lalana eny amin’ ny lemaka Ahimaza ka nihoatra an’ ilay Kosita.
And he responded, “But what if I do run?” And he said to him, “Run.” Then Ahimaaz, running along a shorter way, passed Hushai.
24 Ary Davida nipetraka teo anelanelan’ ny vavahady roa; ary ny mpitily niakatra teo ambony vavahady teo amin’ ny manda, ka nanopy ny masony, dia nahita, ka indry misy lehilahy iray mihazakazaka.
Now David was sitting between the two gates. Truly, the watchman, who was at the summit of the gate upon the wall, lifting up his eyes, saw a man running alone.
25 Ary ny mpitily niantso ka nilaza tamin’ ny mpanjaka. Dia hoy ny mpanjaka: Raha irery izy, dia ho teny mahafaly no entiny. Ary mbola nanatona anatona ihany ralehilahy.
And crying out, he told the king. And the king said, “If he is alone, there is good news in his mouth.” But as he was advancing and drawing nearer,
26 Ary ny mpitily nahita lehilahy iray koa nihazakazaka, dia niantso ny mpiandry vavahady izy nanao hoe: Indry koa misy lehilahy iray tamy mihazakazaka. Dia hoy ny mpanjaka: Mitondra teny mahafaly ihany koa izy.
the watchman saw another man running. And so, crying out from the height, he said: “Another man has appeared, running alone.” And the king said, “This one also is a good messenger.”
27 Ary hoy ny mpitily: Raha toa ahy, dia tahaka ny fihazakazak’ i Ahimaza, zanak’ i Zadoka, no fihazakazak’ iny aloha. Ary hoy ny mpanjaka: Lehilahy tsara fanahy iny, ka hitondra teny soa mahafaly no ihaviany.
Then the watchman said, “The running of the closest one seems like the running of Ahimaaz, the son of Zadok.” And the king said, “He is a good man, and he arrives bearing good news.”
28 Ary Ahimaza niantso ka nanao tamin’ ny mpanjaka hoe: Fiadanana! sady niankohoka tamin’ ny tany teo anatrehan’ ny mpanjaka izy ka nanao hoe: Isaorana anie Jehovah Andriamanitrao, Izay efa nanolotra ny olona nanainga tanana hikomy amin’ ny mpanjaka tompoko.
Then, Ahimaaz, crying out, said to the king, “Be well, O king.” And reverencing the king prone on the ground before him, he said, “Blessed be the Lord your God, who has enclosed the men who had lifted up their hands against my lord the king.”
29 Dia hoy ny mpanjaka: Tsara ihany va Absaloma zatovo? Fa hoy Ahimaza: Tamin’ ny nanirahan’ i Joaba ny mpanompon’ ny mpanjaka sy izaho mpanomponao koa dia nandre tabataba be aho, nefa tsy fantatro izay antony.
And the king said, “Is there peace for the boy Absalom?” And Ahimaaz said: “I saw a great tumult, O king, when your servant Joab sent me, your servant. I know nothing else.”
30 Ary hoy ny mpanjaka taminy: Mitanilà kely ary, ka mijanòna etsy; dia nitanila izy ka nitoetra teo.
And the king said to him, “Pass, and stand here.” And when he had passed and stood still,
31 Ary, indro, avy ilay Kosita ka nanao hoe: Aoka ny mpanjaka tompoko hihaino teny mahafaly; fa Jehovah efa nanome anao ny rariny ka nahafaka anao ankehitriny tamin’ izay rehetra nitsangana hikomy aminao.
Hushai appeared. And approaching, he said: “I bear good news, my lord the king. For today the Lord has judged for you, from the hand of all who had risen up against you.”
32 Ary hoy ny mpanjaka tamin’ ilay Kosita: Tsara ihany va Absaloma zatovo? Fa hoy ilay Kosita: Aoka ny fahavalon’ ny mpanjaka tompoko sy izay rehetra mitsangana hanisy ratsy anao ho tahaka iny zatovo iny.
But the king said to Hushai, “Is there peace for the boy Absalom?” And responding, Hushai said to him, “May the enemies of my lord the king, and all who rise against him for evil, be as the boy is.”
33 Ary dia niontana terỳ ny fon’ ny mpanjaka, ka niakatra nankeo amin’ ny efi-trano teo ambony vavahady izy sady nitomany teny am-pandehanana ka nanao hoe: Ry Absaloma, zanako, zanako, ry Absaloma, zanako ô! Inay anie aho no maty nisolo anao, ry Absaloma zanako, zanako ô!
And so the king, being greatly saddened, ascended to the upper room of the gate, and he wept. And as he went, he was speaking in this manner: “My son Absalom! Absalom my son! Who can grant to me that I may die on your behalf? Absalom, my son! My son, Absalom!”

< 2 Samoela 18 >