< 2 Samoela 16 >
1 Ary nony vao nihilana kely avy teo an-tampon’ ny tendrombohitra Davida, indro, Ziba, mpanompon’ i Mefiboseta, nitsena azy mitondra boriky roa voaisy lasely sady ampitondraina mofo roan-jato sy voaloboka maina zato sampaho sy voankazo masaka fahavaratra zato ary divay iray tavoara.
A kad David prijeðe malo preko vrha, gle, Siva, momak Mefivostejev, srete ga, sa dva magarca natovarena, na kojima bješe dvjesta hljebova i sto grozdova suhih i sto gruda smokava i mijeh vina.
2 Ary hoy ny mpanjaka tamin’ i Ziba: Ahoana no hevitrao amin’ ireto? Dia hoy Ziba: Ny boriky dia ho an’ ny ankohonan’ ny mpanjaka itaingenany; ary ny mofo sy ny voankazo masaka fahavaratra hohanin’ ny zatovo; ary ny divay hosotroin’ izay reraka any an-efitra.
I reèe car Sivi: šta æe ti to? A Siva mu reèe: magarci su za èeljad carevu, da jašu, a hljebovi i voæe da jedu momci, a vino da pije ko se umori u pustinji.
3 Dia hoy ny mpanjaka: Aiza ny zanakalahin’ ny tomponao? Ary hoy Ziba tamin’ ny mpanjaka: Indro, mitoetra any Jerosalema izy; fa hoy izy: Anio no hampodian’ ny taranak’ Isiraely ny fanjakan’ ikaky ho ahy.
A car mu reèe: a gdje je sin tvoga gospodara? Reèe Siva caru: eno ga, ostao je u Jerusalimu, jer reèe: danas æe mi dom Izrailjev vratiti carstvo oca mojega.
4 Dia hoy ny mpanjaka tamin’ i Ziba: Indro, anao izay rehetra an’ i Mefiboseta. Ary hoy Ziba: Trarantitra anie ianao, aoka hahazo fitia eto imasonao aho, ry mpanjaka tompoko.
Tada reèe car Sivi: evo, tvoje je sve što je bilo Mefivostejevo. A Siva reèe: klanjam ti se, da naðem milost pred tobom, care gospodaru!
5 Ary nony nanakaiky an’ i Bahorima Davida mpanjaka, indro, nisy lehilahy, tamingan’ i Saoly ny anarany dia Simey, zanak’ i Gera nivoaka avy tao izy ka nanozona teny am-pandehanana.
I doðe car David do Vaurima; a gle, izide odande jedan od roda doma Saulova, po imenu Simej, sin Girin, i iduæi psovaše.
6 Ary nitora-bato an’ i Davida mpanjaka sy ny mpanompony rehetra izy; ary ny vahoaka rehetra sy ny lehilahy mahery rehetra dia teo amin’ ny ankavanan’ ny mpanjaka sy teo amin’ ny ankaviany.
I bacaše se kamenjem na Davida i na sluge cara Davida, kojemu i s desne i s lijeve strane bijaše sav narod i svi junaci.
7 Ary hoy ny fanozon’ i Simey: Mandehana, mandehana, ry lehilahy mpandatsa-drà sy tena ratsy fanahy!
A Simej ovako govoraše psujuæi: odlazi, odlazi, krvopijo i zlikovèe!
8 Nataon’ i Jehovah manody anao izao ny ran’ ny tamingan’ i Saoly, ilay nodimbiasanao fanjakana; ary Jehovah nanome ny fanjakana ho eo an-tànan’ i Absaloma zanakao kosa; ary indro, efa idiran-doza izao ianao, satria mpandatsa-drà.
Obrati Gospod na tebe sve krvi doma Saulova, na èije si se mjesto zacario, i predade Gospod carstvo u ruke Avesalomu sinu tvojemu; eto te sada u tvom zlu, jer si krvopija.
9 Ary hoy Abisay, zanak’ i Zeroia, tamin’ ny mpanjaka: Nahoana no avela hanozona ny mpanjaka tompoko io alika maty io? Trarantitra ianao, aoka aho handeha ka hanapaka ny lohany.
Tada reèe caru Avisaj sin Serujin: zašto da psuje ovaj mrtvi pas cara gospodara mojega? Idem da mu skinem glavu.
10 Fa hoy ny mpanjaka: Moa mifaninona akory izaho sy ianareo, ry zanak’ i Zeroia? Raha manozona izy, sady Jehovah no nanao taminy hoe: Ozony Davida, dia iza indray no hanao hoe: Nahoana ianao no manao izany?
Ali car reèe: šta je vama do mene, sinovi Serujini? neka psuje; jer mu je Gospod rekao: psuj Davida. Pa ko smije kazati: zašto tako èiniš?
11 Ary hoy koa Davida tamin’ i Abisay sy tamin’ ny mpanompony rehetra: Indro, ny zanako naterako aza mitady ny aiko, ka mainka io Benjamita io! Avelao ihany izy hanozona, fa Jehovah no nampanao azy izany.
Još reèe David Avisaju i svijem slugama svojim: eto, moj sin, koji je izašao od bedara mojih, traži dušu moju, a kako neæe ovaj sin Venijaminov? Ostavite ga neka psuje, jer mu je Gospod zapovjedio.
12 Angamba Jehovah hamindra fo amiko ny amin’ ny heloko ary hamaly soa ahy noho izao ozona nanjo ahy androany izao.
Da ako Gospod pogleda na nevolju moju, i vrati mi Gospod dobro za psovku njegovu današnju.
13 Ary nony nandeha teny an-dalana Davida sy ny olony, dia nandeha tamin’ ny ilan’ ny havoana tandrifiny kosa Simey ka nanozona teny am-pandehanana sady nitora-bato nanandrify azy sy namafy vovoka.
I tako David sa svojim ljudima iðaše svojim putem; a Simej iðaše pokraj gore prema njemu jednako psujuæi i bacajuæi se kamenjem na nj, i podižuæi prah.
14 Ary dia tonga tao ny mpanjaka sy ny vahoaka rehetra izay nanaraka azy sady efa reraka, ka dia naka aina teo izy.
I doðe car i sav narod što bijaše s njim, umorni, i odmoriše se ondje.
15 Ary Absaloma sy ny vahoaka rehetra tamin’ ny Isiraely dia tonga tany Jerosalema, ary Ahitofela koa dia teo aminy.
A Avesalom i sav narod Izrailjev doðoše u Jerusalim, i Ahitofel s njim.
16 Ary Hosay Arkita, sakaizan’ i Davida, dia tonga tao amin’ i Absaloma ka nanao taminy hoe: Ho ela velona anie ny mpanjaka! ho ela velona anie ny mpanjaka!
A kad Husaj Arhijanin prijatelj Davidov doðe k Avesalomu, reèe Husaj Avesalomu: da živi car! da živi car!
17 Fa hoy Absaloma tamin’ i Hosay: izao va no fitianao ny sakaizanao? Nahoana ianao no tsy mba nandeha niaraka tamin’ ny sakaizanao?
A Avesalom reèe Husaju: taka li je ljubav tvoja prema prijatelju tvojemu? zašto nijesi otišao s prijateljem svojim?
18 Ary hoy Hosay tamin’ i Absaloma: Tsia, fa izay nofidin’ i Jehovah sa ireto vahoaka ireto mbamin’ ny lehilahy amin’ ny Isiraely, dia izy no hombako, sady ao aminy no hitoerako.
A Husaj reèe Avesalomu: ne; nego koga je izabrao Gospod i ovaj narod i svi Izrailjci, njegov æu biti i kod njega æu ostati.
19 Ary koa, iza indray no hotompoiko? Tsy eo anatrehan’ ny zanany va? Tahaka ny nanompoako teo anatrehan’ ny rainao no hanompoako eto anatrehanao koa.
Svrh toga, kome bih služio? eda li ne sinu njegovu? kako sam služio ocu tvojemu, tako æu i tebi.
20 Ary hoy Absaloma tamin’ i Ahitofela: Heveronareo tsara izay hataontsika.
A Avesalom reèe Ahitofelu: svjetuj šta æemo èiniti.
21 Dia hoy Ahitofela tamin’ i Absaloma: Midìra ao amin’ ny vaditsindranon-drainao, izay nampiandrasiny trano; dia ho ren’ ny Isiraely rehetra fa efa nanamaimbo tena eo anatrehan-drainao ianao, ka dia hahery ny tànan’ izay rehetra momba anao.
A Ahitofel reèe Avesalomu: lezi s inoèama oca svojega, koje je ostavio da mu èuvaju kuæu, pa kad èuje sav Izrailj kako si se omrazio s ocem svojim, osiliæe ruka svjema koji su s tobom.
22 Ary dia nanorin-day ho an’ i Absaloma teo an-tampon-trano ny olona; ary Absaloma niditra tao amin’ ny vaditsindranon-drainy teo imason’ ny Isiraely rehetra.
Tada razapeše Avesalomu šator na krovu, i Avesalom leže s inoèama oca svojega na vidiku svjemu Izrailju.
23 Ary ny hevitr’ i Ahitofela izay nataony tamin’ izany dia hoatra ny manontany amin’ Andriamanitra; toy izany avokoa ny hevitra rehetra nataon’ i Ahitofela, na tamin’ i Davida, na tamin’ i Absaloma.
I svjet koji davaše Ahitofel u ono vrijeme bijaše kao da bi ko Boga upitao; taki bijaše svaki svjet Ahitofelov i u Davida i u Avesaloma.