< 2 Samoela 15 >

1 Ary nony afaka izany, Absaloma dia nanomana kalesy iray sy soavaly ary olona dimam-polo lahy ho mpihazakazaka eo alohany.
Quelque temps après, Absalon se procura un char et des chevaux, avec cinquante coureurs qui le précédaient.
2 Ary Absaloma nifoha maraina koa, dia nijanona teo anilan’ ny lalana mankeo am-bavahady, ka raha nisy olona nanana ady ho entiny any amin’ ny mpanjaka hotsaraina, dia nantsoin’ i Absaloma ka nanontaniany hoe: Avy any amin’ ny tanàna aninona ianao? Ary hoy izy: Avy any Anonana amin’ ny firenen’ Isiraely ny mpanomponao.
Chaque matin, Absalon se tenait au bord de la route qui conduisait à la porte, et toutes les fois qu’un homme ayant un procès se rendait auprès du roi pour obtenir justice, Absalon l’appelait et disait: "De quelle ville es-tu? A quoi l’on répondait: "De telle des tribus d’Israël."
3 Dia hoy Absaloma taminy: Eny, tsara sy marina ny raharahanao, saingy tsy misy olona voatendrin’ ny mpanjaka hihaino anao.
Absalon répliquait: "Vois, ta cause est bonne et juste, mais on ne t’écoutera pas chez le roi.
4 Ary hoy koa Absaloma: Enga anie ka izaho no voatendry ho mpitsara amin’ ny tany, ary ho avy atỳ amiko ny olona rehetra izay manana ady sy teny hotsaraina, dia homeko rariny izy!
Ah! continuait Absalon, que ne suis-je institué juge en ce pays! Quiconque aurait un différend, un procès, s’adresserait à moi, et je lui ferais justice."
5 Ary isaky ny nisy olona nanatona hiankohoka teo anoloany, dia narosony ny tànany ka noraisiny sy norohany izany olona izany.
Et lorsqu’un individu s’approchait pour se prosterner devant lui, il lui tendait la main, l’étreignait et l’embrassait.
6 Ary toy izany no nataon’ i Absaloma tamin’ ny Isiraely rehetra izay nankao amin’ ny mpanjaka hotsaraina; ka dia voafetsin’ i Absaloma ho azy ny fon’ ny lehilahy amin’ ny Isiraely.
Absalon agissait de la sorte avec tout Israélite venant demander justice au roi, et il capta ainsi le cœur des gens d’Israël.
7 Ary nony afaka efa-polo taona, dia hoy Absaloma tamin’ ny mpanjaka: Trarantitra ianao, aoka aho hankany Hebrona hanefa ny voadiko izay nivoadiako tamin’ i Jehovah.
A la fin de la quarantième année, Absalon dit au roi: "Permets-moi d’aller à Hébron, m’acquitter d’un vœu que j’ai fait à l’Eternel;
8 Fa nivoady aho mpanomponao, fony mbola nitoetra tany Gesora any Syria, nanao hoe: Raha mbola hampodin’ i Jehovah any Jerosalema ihany aho, dia hanompo an’ i Jehovah.
car ton serviteur, pendant son séjour à Guechour, en Syrie, a prononcé le vœu suivant: Si l’Eternel me ramène à Jérusalem, je ferai acte d’adoration au Seigneur.
9 Ary hoy ny mpanjaka taminy: Mandehana soa aman-tsara ary. Dia niainga izy ka nankany Hebrona.
Va en paix", répondit le roi. Et il partit et se rendit à Hébron.
10 Ary Absaloma naniraka mpitety nankeny amin’ ny firenen’ Isiraely rehetra hanao hoe: Raha vao mandre ny feon’ ny anjomara ianareo, dia miantsoa hoe: Absaloma no mpanjaka ao Hebrona.
Puis Absalon envoya des émissaires dans toutes les tribus d’Israël avec ce message: "Quand vous entendrez le son du cor, vous direz: Absalon a été proclamé roi à Hébron."
11 Ary nisy roan-jato lahy izay nasain’ i Absaloma, ka dia nanaraka azy avy tany Jerosalema, nefa nandeha tamin’ ny fahatsoran’ ny fony izy ireo, fa tsy nahafantatra na inona na inona.
Avec Absalon étaient partis de Jérusalem deux cents hommes, invités par lui et le suivant de bonne foi, car ils ne savaient rien de l’affaire.
12 Ary Absaloma naniraka naka an’ i Ahitofela Gilonita, mpanolo-tsaina an’ i Davida, avy tao an-tanànany, dia tao Gilo, raha mbola nanatitra ny fanatitra izy. Ary nihamasaka ny tetika fikomiana, ka dia nihamaro mandrakariva ny olona nomba an’ i Absaloma.
Absalon, tandis qu’il offrait les sacrifices, envoya quérir Ahitofel le Ghilonite, conseiller de David, dans sa ville de Ghilo; la conspiration devint puissante, et une foule de plus en plus nombreuse se joignit à Absalon.
13 Ary nisy olona tonga tao amin’ i Davida ka nilaza hoe: Lasa nanaraka an’ i Absaloma fon’ ny lehilahy amin’ ny Isiraely.
Un messager vint en donner avis à David, en disant: "Le cœur des gens d’Israël s’est prononcé pour Absalon."
14 Ary hoy Davida tamin’ ny mpanompony rehetra izay tao aminy tany Jerosalema: Mitsangàna, andeha isika handositra, fa tsy hisy hahafahantsika amin’ i Absaloma; andeha hiala faingana, fandrao tamy faingana izy, ka tratrany eto isika, dia hataony idiran-doza tampoka eto isika, ary hasiany amin’ ny lelan-tsabatra ny tanàna.
Alors David dit à tous ses serviteurs, qui étaient avec lui à Jérusalem: "Debout, fuyons! Nous ne pouvons autrement échapper à Absalon. Hâtez-vous de me suivre, de peur qu’il ne nous gagne de vitesse, ne précipite notre malheur et ne livre à l’épée les habitants de la ville."
15 Ary hoy ny mpanompon’ ny mpanjaka taminy: Indreto ny mpanomponao hanao araka izay rehetra sitraky ny mpanjaka tompoko.
Les serviteurs du roi lui répondirent: "Quoi que décide mon seigneur le roi, tes serviteurs sont prêts."
16 Dia nivoaka ny mpanjaka ka narahin’ ny ankohonany rehetra. Ary ny mpanjaka namela folo vavy tamin’ ny vaditsindranony hiandry trano.
Le roi sortit donc, suivi de toute sa maison, et laissa dix femmes, ses concubines, pour garder le palais.
17 Ary nivoaka ny mpanjaka, ka dia nanaraka azy ny vahoaka rehetra, ary nitoetra teo Faratanàna izy.
Le roi partit, avec tout le peuple à sa suite, et ils s’arrêtèrent à Beth-Hammerhak.
18 Ary ny mpanompony rehetra nandeha teny anilany, ka ny miaramila mpiambina andriana rehetra sy ny Gatita rehetra, dia enin-jato lahy izay nanaraka azy avy tany Gata, nandeha teo alohan’ ny mpanjaka.
Tous ses serviteurs défilèrent devant lui, tous les Kerêthi et Pelêthi; pareillement tous les Ghittéens, les six cents hommes venus de Gath sous ses ordres, défilèrent devant le roi.
19 Ary hoy ny mpanjaka tamin’ Itahy Gatita: Nahoana no ianao avy no mba miaraka aminay? Miverena, ka mitoera any amin’ ny mpanjaka; fa hafa firenena sady mpivahiny ianao; modia ho any amin’ ny fonenanao.
Le roi dit à Ittaï le Ghittéen: "Pourquoi viens-tu, toi aussi, avec nous? Rebrousse chemin et demeure avec le roi, car tu es étranger; tu peux d’ailleurs émigrer dans ton propre pays.
20 Fa vao omaly no nahatongavanao, ka anio va dia ho entiko manjenjena hiaraka aminay ianao? fa mandeha ho any amin’ izay azoko aleha aho, koa miverena ihany ianao, ary ento hiara-miverina aminao koa ny rahalahinao; ho aminao anie ny famindram-po sy ny fahamarinana.
Tu es arrivé d’hier, et aujourd’hui je te ferais partager notre vie errante, allant moi-même je ne sais où! Retourne plutôt et ramène tes frères avec toi, ce sera charité et justice!"
21 Fa Itahy namaly ny mpanjaka hoe: Raha velona koa Jehovah, ary raha velona koa ny mpanjaka tompoko, izay hitoeran’ ny mpanjaka tompoko, na ho faty na ho velona, dia any koa no hitoeran’ ny mpanomponao.
Ittaï répondit au roi: "Par le Dieu vivant et par la vie du roi mon maître! Partout où sera le roi mon maître, pour la mort ou pour la vie, là sera ton serviteur."
22 Ary hoy Davida tamin’ Itahy: Andeha mandroso ary. Dia nandroso Itahy Gatita sy ny olony rehetra mbamin’ ny zaza amim-behivavy rehetra izay teo.
David dit à Ittaï: "Va donc et avance." Et Ittaï le Ghittéen avança, avec tous ses hommes et tous les enfants qui, l’accompagnaient.
23 Ary ny olona rehetra dia nitomany nikaikaika, ary nita ny vahoaka rehetra; ny mpanjaka koa dia nita ny lohasahan-driaka Kidrona, ary ny vahoaka rehetra nandroso tamin’ ny lalana mankany an-efitra.
Tout le pays pleurait bruyamment tandis que cette multitude passait. Le roi traversa le torrent de Cédron, et le peuple s’avança sur la route qui mène au désert.
24 Ary indro koa Zadoka sy ny Levita rehetra nanaraka azy nitondra ny fiaran’ ny faneken’ Andriamanitra. Ary nametraka ny fiaran’ Andriamanitra izy ary Abiatara niakatra mandra-pahatapitry ny olona rehetra avy tao an-tanàna.
Vint aussi Çadok avec tous les Lévites, portant l’arche d’alliance du Seigneur; on déposa l’arche divine à terre pendant qu’Ebiathar montait, jusqu’à ce que le peuple eût achevé de quitter la ville.
25 Ary hoy ny mpanjaka tamin’ i Zadoka: Ento miverina ho any an-tanàna ihany ny fiaran’ Andriamanitra; fa raha mahita fitia eo imason’ i Jehovah aho, dia mbola ho entiny miverina ihany, ka hasehony ahy iny sy ny fitoerany.
Mais le roi dit à Çadok: "Fais rentrer l’arche de Dieu dans la ville. Si je trouve faveur aux yeux du Seigneur, il me ramènera et me la fera revoir ainsi que la demeure où elle réside.
26 Fa raha izao kosa no lazainy: Tsy sitrako ianao, dia inty aho, aoka Izy hanao amiko araka izay ataony ho tsara.
Que s’il dit: "Je ne veux plus de toi," je suis prêt; qu’il me traite comme il lui plaira.
27 Ary hoy koa ny mpanjaka tamin’ i Zadoka mpisorona: Tsy mpahita va ianao? miverena soa aman-tsara any an-tanàna ianao mbamin’ ny zanakareo roa lahy miaraka aminareo, dia Ahimaza zanakao sy Jonatana, zanak’ i Abiatara.
Vois-tu, dit le roi au pontife Çadok, retourne en paix à la ville, et que ton fils Ahimaaç et Jonathan, fils d’Ebiathar, vos deux fils, vous accompagnent.
28 Indro, izaho hijanonjanona eny amin’ ny fitàna any amin’ ny efitra mandra-pahatongan’ izay teny avy atỳ aminareo hambara amiko.
Voyez, moi je m’attarderai dans les plaines du désert, attendant qu’un message vienne m’informer de votre part."
29 Ary Zadoka sy Abiatara nitondra ny fiaran’ Andriamanitra niverina nankany Jerosalema ihany; dia nitoetra tany izy.
Et Çadok et Ebiathar ramenèrent l’arche de Dieu à Jérusalem, où ils restèrent.
30 Ary Davida niakatra teny an-tendrombohitra Oliva ka nitomany teny am-piakarana ary nisaron-doha sady nandeha tsy nikiraro; ary ny vahoaka rehetra izay nanaraka azy samy nisaron-doha sy niakatra ary nitomany teny am-piakarana avokoa.
Cependant David montait la pente des Oliviers, s’avançant en pleurant, la tête voilée et nu-pieds; et tout le peuple à sa suite avait également la tête voilée et montait en pleurant.
31 Ary nisy nanambara tamin’ i Davida hoe: Ahitofela koa mba isan’ ny mpiray tetika amin’ i Absaloma. Dia hoy Davida: Mitaraina aminao aho, Jehovah ô, ampodio ho fahadalana ny hevitra ataon’ i Ahitofela.
On apprit à David qu’Ahitofel était parmi les conjurés réunis autour d’Absalon; sur quoi il dit: "Daigne confondre, Seigneur, les desseins d’Ahitofel!"
32 Ary nony tonga teo an-tampon’ ny tendrombohitra Davida, dia teo amin’ izay fivavahan’ ny olona tamin’ Andriamanitra, indro, avy hitsena azy Hosay Arkita, voatriatra ny akanjony sady nihosin-tany ny lohany;
Comme David arrivait au sommet, où il devait se prosterner devant le Seigneur, voici venir à sa rencontre Houchaï l’Arkéen, la tunique déchirée, la tête couverte de poussière.
33 ary hoy Davida taminy: Raha miara-mandroso amiko ianao, dia ho tonga enta-mavesatra amiko;
David lui dit: "Si tu marches avec moi, tu seras pour moi une gêne.
34 fa raha hiverina any an-tanàna kosa ianao ka hanao amin’ i Absaloma hoe: Ho mpanomponao aho, ry mpanjaka; efa mpanompon’ ny rainao ihany aho taloha, fa ankehitriny kosa dia mpanomponao, aho dia hofoananao hahasoa ahy ny hevitra ataon’ i Ahitofela.
Mais si tu retournes à la ville et que tu dises à Absalon: O roi, je veux être ton serviteur; j’étais auparavant celui de ton père, maintenant je serai le tien, tu pourras anéantir à mon profit les desseins d’Ahitofel.
35 Ary tsy ao aminao va Zadoka sy Abiatara mpisorona? Koa izay zavatra rehetra renao avy ao an-tranon’ ny mpanjaka, dia ambarao amin’ i Zadoka sy Abiatara mpisorona.
Et puis, n’y aura-t-il pas là avec toi Çadok et Ebiathar, les pontifes? Or, tout ce que tu apprendras de la maison du roi, tu en informeras les pontifes Çadok et Ebiathar.
36 Indreo, any aminy ny zanany roa lahy, dia Ahimaza, zanak’ i Zadoka, sy Jonatana, zanak’ i Abiatara; ary izy no hampitondrainareo izay rehetra renareo ho atỳ amiko.
Là aussi, avec eux, sont leurs deux fils, celui de Çadok, Ahimaaç, et celui d’Ebiathar, Jonathan: vous me transmettrez par eux toute chose dont vous aurez connaissance."
37 Koa dia tonga tany an-tanàna Hosay, sakaizan’ i Davida, tamin’ ny nahatongavan’ i Absaloma tany Jerosalema.
Houchaï, l’ami de David, se rendit donc à la ville, comme Absalon allait entrer à Jérusalem.

< 2 Samoela 15 >