< 2 Samoela 13 >
1 Ary nony afaka izany, dia nisy toy izao: Absaloma, zanak’ i Davida, nanana anabavy tsara tarehy, Tamara no anarany; ary tia azy Amnona, zanak’ i Davida.
Bangʼ kinde moko, Amnon wuod Daudi nochako gombo Tamar, nyako ma jaber mane nyamin Abisalom wuod Daudi.
2 Ary Amnona nalahelo ka matiny ihany noho Tamara anabaviny; fa virijina izy, ka sarotra tamin’ i Amnona ny haka azy.
Chuny Amnon ne chandore mobedo matuo nikech wach nyamin-gi Tamar, nimar ne en nyako ngili, kuom mano ne tek mondo otim kode gimoro.
3 Fa Amnona nanan-tsakaiza, Jonadaba no anarany, zanak’ i Simea, rahalahin’ i Davida; ary Jonadaba dia olona fetsy loatra.
Koro Amnon ne nigi osiepne miluongo ni Jonadab wuod Shimea, ma owadgi Daudi. Jonadab ne en ngʼat ma riekone richo.
4 Ka hoy izy taminy: Nahoana ianao, ry zanaky ny mpanjaka, no mihamahia isan’ andro isan’ andro? Tsy tianao hambara amiko va izany? Dia hoy Amnona taminy: Tia an’ i Tamara, anabavin’ i Absaloma rahalahiko, aho.
Nopenjo Amnon niya, “Yaye wuod ruoth, angʼo momiyo inenori mokuyo pile ka pile? Ok diwachna gima timi?” Amnon nodwoke niya, “Ahero Tamar ma nyamin owadwa Abisalom.”
5 Ary hoy Jonadaba taminy: Mandria eo amin’ ny fandrianao ianao, ka modia marary; ary raha avy mamangy anao rainao, dia ataovy aminy hoe: Trarantitra ianao, aoka Tamara anabaviko mba ho avy hampihinan-kanina ahy ary hanao ny nahandro eto imasoko mba ho hitako ka hihinanako ny avy eny an-tànany.
Jonadab nowachone niya, “Dhiyo inind e kitanda ka iwuondri ni ituo. Ka wuonu obiro neni, to wachne ni, ‘Daher mondo nyamera ma Tamar obi omiya gimoro acham. Yie mondo obi otedna chiemo kaneno mondo mi anene kaka otedo; kendo acham chiemo kotingʼo e lwete.’”
6 Dia nandry Amnona ka nody marary; ary nony avy mamangy azy ny mpanjaka, dia hoy izy taminy: Trarantitra ianao, aoka Tamara anabaviko hankatỳ hanao mofo roa ho ahy eto imasoko hihinanako ny avy eny an-tànany.
Omiyo Amnon nonindo kowuondore ni otuo. Kane ruoth obiro nene, Amnon nowachone niya, “Daher mondo nyamera ma Tamar obi olosna makati moro mopogore gi mapile kaneno, mondo mi achame kotingʼe e lwete.”
7 Ary Davida naniraka nankany amin’ i Tamara any an-tranony nanao hoe: Mankanesa kely any an-tranon’ i Amnona anadahinao, ka manaova nahandro ho azy.
Daudi nooro wach ne Tamar e dala ruoth kama: “Dhi e od owadu Amnon mondo itedne chiemo.”
8 Dia nandeha Tamara nankany an-tranon’ i Amnona anadahiny; ary nandry ny anadahiny. Dia naka koba razazavavy, ka nofetafetainy ary nataony mofo teo imasony, ary nendasiny ny mofo.
Omiyo Tamar nodhi e od owadgi ma Amnon mane oyudo nindo. Nokawo mogo modwalo mi otedo makati koneno.
9 Dia noraisiny ny fanendasana, ka narosony teo anoloany; fa tsy nety nihinana izy. Ary hoy Amnona: Avoahy ny olona rehetra. Dia nivoaka ny olona rehetra.
Eka nokawo gima notedoe mi omiye makati, to notamore chamo. Amnon nowachone niya, “Riemb jogi duto oko.” Omiyo ji duto nowuok oko oweye.
10 Ary hoy Amnona tamin’ i Tamara: Ento atỳ amin’ ny efi-trano ny nahandro hihinanako ny avy eny an-tananao. Dia nalain’ i Tamara ny mofo nataony ka nentiny tao amin’ ny efi-trano tao amin’ i Amnona anadahiny.
Eka Amnon nowachone Tamar niya, “Kel chiemo kor nindona koni mondo mi achiem kitingʼona chiemo e lweti.” Kendo Tamar nokawo makati mano tedo motero ni Amnon owadgi kor nindone.
11 Ary nony nentiny tao aminy hohaniny izany; dia nihazona an’ i Tamara izy ka nanao taminy hoe: Avia handry amiko, ranabaviko.
Kane oterone chiemo mondo ocham nomake githuon koywaye mowachone niya, “Nyamera, bi wanind e kitandana ka.”
12 Ary hoy ny anabaviny: Sanatria, ranadahy! Aza misavika ahy; fa tsy fanao eto amin’ ny Isiraely izany; aza manao izany zavatra fady indrindra izany ianao.
En to nodwoke niya, “Kik itim gima kama, owadwa. Kik ichuna. Gima kama ok onego timre e Israel! Kik itim tim marachni.
13 Ary ny amiko, ho entiko aiza moa ny henatro? Ary ianao koa ho toy ny anankiray amin’ ny adala eto amin’ ny Isiraely. Koa trarantitra ianao, lazao amin’ ny mpanjaka; fa tsy hisakana ahy tsy ho anao izy.
An to dabed nade? Wichkuot machal kama dater kanye? To in to? Dibed machal kaka achiel kuom joricho mofuwo e Israel. Kiyie to wuo gi ruoth; ok obi tamore mondo kik ikenda.”
14 Nefa tsy nety nihaino ny feon-drazazavavy izy, fa natanjaka noho izy, dia nisavika azy ka nandry taminy.
To notamore winje, to kaka notek moloye, noterore kode githuon.
15 Ary dia halan’ i Amnona indrindra izy, ka ny fankahalany azy dia be lavitra noho ny fitiavany azy taloha. Dia hoy Amnona taminy: Mitsangàna, mandehana.
Eka Amnon nosin mojok kode ahinya. Chutho, nosin mojok kode moloyo kaka ne ohere. Amnon nowachone niya, “Chungi kendo wuog idhi!”
16 Ary hoy izy taminy: Aza dia manao ratsy mandroaka ahy ianao, fa ratsy noho ny zavatra hafa nataonao izao. Nefa tsy nety nihaino azy izy.
Nodwoke niya, “Ooyo. Riemba kama biro bedo marach moloyo kata mana rach misetimona.” To nodagi winje.
17 Dia niantso ny zatovony izay nanompo azy izy ka nanao hoe: Esory hiala eto amiko ity vehivavy ity, ka hidio ny varavarana, rehefa tafavoaka izy.
Noluongo jatije mowachone ni, Gol dhakoni oko ka kendo ilor dhoot matek bangʼe.
18 Ary niakanjo akanjo lava razazavavy; fa izany no fanaon’ ny zanakavavin’ ny mpanjaka ho akanjo ambony, raha mbola virijina izy. Dia navoakan’ ilay ankizilahy izy, ka nohidiany ny varavarana, nony tafavoaka izy.
Omiyo jatije nogole oko moloro dhoot matek bangʼe. Noyudo nyakono orwako law molos maber manyilni mane itwangʼo ni nyiri ngili ma nyi joka ruoth.
19 Ary nasian’ i Tamara lavenona ny lohany, sady notriariny ny akanjo lava izay niakanjoany, dia niloloha tanana izy, sady nitomany nidradradradra teny am-pandehanana.
Tamar noolo buru e wiye mi noyiecho lawe manyilni mane otwangʼ maber mane oyudo orwako. Nomako wiye gi lwete kendo nodhi koywak matek.
20 Ary hoy Absaloma anadahiny taminy: Efa tany aminao va Amnona anadahinao? Mangìna ihany aloha, ranabavy, fa anadahinao izy; fa aza malahelo noho izany. Ka dia nitoetra tao an-tranon’ i Absaloma anadahiny Tamara sady ory.
Owadgi ma Abisalom nopenjo niya, “Dibedni owadu ma Amnon osebedo kodi e achiel? Koro sani lingʼ mos nyamera; en owadu. Kik wachni chand chunyi.” Kendo Tamar nodak gi Abisalom e ode, ka en dhako mokuyo.
21 Fa nony ren’ i Davida mpanjaka izany zavatra rehetra izany, dia nirehitra ny fahatezerany.
Ruoth Daudi iye nowangʼ ahinya kane owinjo wechegi duto.
22 Ary Absaloma tsy nifampiteny tamin’ i Amnona rahalahiny akory na soa na ratsy; fa halan’ i Absaloma izy noho ny nisavihany an’ i Tamara anabaviny.
Abisalom ne ok owacho gimoro maber kata marach ni Amnon; to nosin kod Amnon nikech ne osekuodo wi Tamar nyamin-gi.
23 Ary nony afaka roa taona ngarangidina, dia nampanety ondry teo Bala-hazora ao akaiky an’ i Efraima Absaloma, ka nanasa ny zanakalahin’ ny mpanjaka rehetra izy.
Bangʼ higni ariyo, kane jongʼad yie romb Abisalom ni Baal Hazor machiegni gi tongʼ Efraim, noluongo yawuot ruoth duto mondo obi kanyo.
24 Ary nankao amin’ ny mpanjaka Absaloma ka nanao hoe: Indro, mampanety ondry ny mpanomponao; koa trarantitra ianao, aoka ny mpanjaka sy ny mpanompony handeha hiaraka amiko mpanomponao.
Abisalom nodhi ir ruoth mowachone niya, “Jatichni osechoko joge mangʼado yie rombe. Bende ruoth kod jodonge diyie bi?”
25 Fa hoy ny mpanjaka tamin’ i Absaloma: Tsia, anaka, aoka tsy handeha avokoa izahay rehetra, fandrao mahavaky tratra anao. Fa Absaloma nanery azy ihany; nefa tsy nety nandeha izy, fa nitso-drano azy ihany.
Ruoth nodwoke niya, “Ooyo wuoda.” Waduto ok onego wabi, wabiro miyi tingʼ mapek. Kata obedo ni Abisalom nomedo hombe, to pod nodagi dhi, makmana ne oyiene ni odhi nyime gi nyasino.
26 Dia hoy Absaloma: Raha tsy izany ary, trarantitra ianao, aoka Amnona rahalahiko no handeha hiaraka aminay. Ary hoy ny mpanjaka taminy: Ahoana no hiarahany aminao?
Eka Abisalom nowacho niya, “Kare ka kamano to we owadwa Amnon odhi kodwa.” To ruoth nopenje niya, “Angʼo momiyo dodhi kodu?”
27 Fa nanery azy Absaloma, ka dia nalefany Amnona sy ny zanakalahin’ ny mpanjaka rehetra handeha hiaraka aminy.
To Abisalom nohombe, omiyo noyiene mi gidhi gi Amnon to gi yawuot ruoth mamoko.
28 Ary Absaloma nanome teny ny zatovony hoe: Miomàna tsara, fa rehefa faly ny fon’ i Amnona azon’ ny divay, ka lazaiko aminareo hoe: Asio Amnona, dia ataovy maty izy, fa aza matahotra; tsy izaho va no nanome teny anareo? Matokia, aoka hiseho ho lehilahy mahery ianareo.
Abisalom nosechiko jotijene niya, “Winjuru! Ka Amnon osemetho momer, to anawachnu ni, Goyeuru ma unege. Kik ubed maluor. Donge an ema asechikou? Beduru motegno kendo ma jochir.”
29 Ary ny zatovon’ i Absaloma nanao tamin’ i Amnona araka ny teny nomen’ i Absaloma azy. Dia nitsangana avokoa ny zanakalahin’ ny mpanjaka rehetra, ary samy nitaingina ny ampondrany ka nandositra.
Omiyo jotije Abisalom notimo ni Amnon kaka nosechikgi. Eka yawuot ruoth duto nochungʼ moidho kanjegi moringo.
30 Ary raha mbola teny an-dalana izy ireo, dia tonga tao amin’ i Davida ny filazana hoe: novonoin’ i Absaloma avokoa ny zanakalahin’ ny mpanjaka, ka tsy nasiany miangana na dia iray akory aza.
Kane pod gin e yo, wach nochopo ne Daudi niya, “Abisalom osenego yawuot ruoth duto; maonge kata achiel kuomgi modongʼ.”
31 Dia nitsangana ny mpanjaka ka nandriatra ny fitafiany, dia nandry tamin’ ny tany; ary ny mpanompony rehetra nitsangana teo, samy voatriatra avokoa ny fitafiany.
Ruoth nochungʼ malo, noyiecho lepe mi onindo piny kendo jotijene duto nochungʼ bute ka lepgi oyiech.
32 Ary Jonadaba, zanak’ i Simea, rahalahin’ i Davida, nanao hoe: Aoka ny tompoko tsy hanao hoe: Matiny avokoa ny zatovo rehetra, zanakalahin’ ny mpanjaka; fa Amnona ihany no maty; fa Absaloma efa nifofo azy hatramin’ ny andro nisavihany an’ i Tamara anabaviny.
To Jonadab wuod Shimea ma owadgi Daudi, nowachone niya, “Ruodha kik par ni gisenego yawuot ruoth duto. En mana Amnon kende ema otho. Abisalom osebedo gi paroni e chunye chakre chiengʼ mane Amnon oterore gi nyamin-gi Tamar githuon.
33 Koa aoka ny mpanjaka tompoko tsy hieritreritra am-po fa maty avokoa ny zanakalahin’ ny mpanjaka rehetra; fa Amnona ihany no maty.
Ruodha ma en ruoth ok onego kaw wach mar tho yawuot ruoth ka gimoro. En mana Amnon kende ema otho.”
34 Fa Absaloma nandositra. Ary ny zatovo mpitily nanopy ny masony ka nahita fa, indreo nisy olona maro avy teo ivohony, teo anilan’ ny tendrombohitra.
Noyudo ka Abisalom oseringo modhi opondo. Koro ngʼat mane rito notingʼo wangʼe moneno ji mangʼeny moa yo podho chiengʼ ka gilor e bath got. Jaritno nodhi ir ruoth monyise ni, Aneno ji kalor e bath got, yo Horonaim.
35 Ary hoy Jonadaba tamin’ ny mpanjaka: Indreo, avy ny zanakalahin’ ny mpanjaka, dia araka ny nolazain’ ny mpanomponao tokoa.
Jonadab nowachone ruoth niya, “Ne yawuot ruoth osechopo ka; otimore mana kaka jatichni nowacho.”
36 Ary nony efa voalazany izany teny izany, dia indreo, tonga ny zanakalahin’ ny mpanjaka, ary nanandratra ny feony izy ka nitomany; ary ny mpanjaka sy ny mpanompony dia mba nitomany mafy dia mafy koa.
Kane otieko wuoyo, yawuot ruoth nochopo ka gigoyo nduru matek. Ruoth bende gi jotichne duto noywak malit ahinya.
37 Fa Absaloma nandositra nankany amin’ i Talmay, zanakalahin’ i Amihoda, mpanjakan’ i Gesora. Ary nisaona ny zanany mandrakariva Davida.
Abisalom noringo modhi ir Talmai wuod Amihud ruodh Geshur. To Ruoth Daudi noywago wuode pile pile.
38 Ary Absaloma efa nandositra nankany Gesora ka nitoetra tany telo taona.
Bangʼ ka Abisalom oseringo modhi Geshur, nobet kuno kuom higni adek.
39 Ary Davida mpanjaka naniry hivoaka hankany amin’ i Absaloma; fa nionona izy noho ny amin’ i Amnona, satria efa maty izy.
Eka chuny ruoth nogombo neno Abisalom, nimar chunye nosea e wach tho mar Amnon.