< 2 Samoela 12 >

1 Ary Jehovah naniraka an’ i Natana hankao amin’ i Davida. Ary dia tonga tao aminy izy ka nanao taminy hoe: Nisy olona roa lahy tao an-tanàna anankiray, ny iray manan-karena, ary ny iray malahelo.
خداوند، ناتان نبی را نزد داوود فرستاد و ناتان آمده، این حکایت را برایش تعریف کرد: «در شهری دو نفر زندگی می‌کردند، یکی فقیر بود و دیگری ثروتمند.
2 Ilay manan-karena nanana ondry aman’ osy sy omby betsaka;
مرد ثروتمند گاو و گوسفند زیادی داشت.
3 fa ilay malahelo kosa tsy nanana na inona na inona afa-tsy zanak’ ondry vavy kely iray monja izay novidiny; ary nokolokoloiny tsara io ka nitombo teo aminy sy ny zanany; fa tamin’ ny hanin-kelin-dralehilahy no nihinanany, ary tamin’ ny kapoakany no nisotroany, sady notrotroiny teo an-tratrany izy ka nataony toy ny zananivavy.
اما آن فقیر از مال دنیا فقط یک ماده بره داشت که از پول خود خریده بود و او را همراه پسرانش بزرگ می‌کرد. از بشقاب خود به آن بره خوراک می‌داد و از کاسه‌اش به او آب می‌نوشانید، آن بره را در آغوشش می‌خوابانید و او را مثل دخترش دوست می‌داشت.
4 Ary nisy vahiny tonga tao amin’ ilay manan-karena, nefa ny ondriny aman’ osiny sy ny ombiny notsitsiny ka tsy nangalany hatao nahandro ho an’ ilay vahiny tonga tao aminy; fa ny zanak’ ondry vavin’ ilay malahelo kosa no nalainy, ka dia nataony nahandro ho an’ ilay olona tonga tao aminy.
روزی مهمانی به خانه آن شخص ثروتمند رفت. ولی او به جای آنکه یکی از گاوان و گوسفندان خود را بکشد تا برای مهمانش غذایی تهیه کند، برهٔ آن مرد فقیر را گرفته، سر برید.»
5 Dia nirehitra mafy ny fahatezeran’ i Davida tamin’ izany olona izany, ka hoy izy tamin’ i Natana: Raha velona koa Jehovah, tsy maintsy hatao maty izay olona nanao izany;
داوود چون این را شنید خشمگین شد و گفت: «به خداوند زنده قسم، کسی که چنین کاری کرده باید کشته شود،
6 ary ilay zanak’ ondry vavy tsy maintsy honerany efatra heny noho ny nanaovany izany zavatra izany sy noho ny tsy namindrany fo.
و چون دلش به حال آن بیچاره نسوخت، باید به جای آن بره، چهار بره به او پس دهد.»
7 Dia hoy Natana tamin’ i Davida: Hianao no izy. Izao no lazain’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Izaho nanosotra anao ho mpanjakan’ ny Isiraely ka namonjy anao ho afaka tamin’ ny tànan’ i Saoly;
آنگاه ناتان به داوود گفت: «آن مرد تو هستی!» و بعد اضافه کرد که خداوند، خدای اسرائیل چنین می‌فرماید: «من تو را به پادشاهی بر اسرائیل مسح کردم و از دست شائول نجات دادم.
8 ary nomeko anao ny tranon’ ny tomponao sy ny vadin’ ny tomponao ho andefimandrinao, ary nomeko anao koa ny firenen’ Isiraely sy Joda; ary raha mbola tsy ampy ho anao izany, dia ho nomeko bebe kokoa ianao;
کاخ و حرمسرای او را به تو بخشیدم و تو را بر یهودا و اسرائیل پادشاه ساختم. اگر این چیزها برای تو کافی نبود بیشتر از اینها هم به تو می‌دادم.
9 koa nahoana ianao no nanamavo ny tenin’ i Jehovah ka nanao izay ratsy eo imasony? Oria Hetita nasianao ny sabatra, ary ny vadiny nalainao ho vadinao. Eny, efa novonoinao tamin’ ny sabatry ny taranak’ i Amona izy.
پس چرا قوانین مرا زیر پا گذاشتی و مرتکب این عمل زشت شدی؟ تو اوریا را به دست عمونی‌ها کشتی و زن او را تصاحب نمودی.
10 Koa noho izany dia tsy hiala amin’ ny taranakao mandrakizay kosa ny sabatra, satria nanamavo Ahy ianao ka naka ny vadin’ i Oria Hetita ho vadinao.
بنابراین، از این پس، کشت و کشتار از خانوادهٔ تو دور نخواهد شد، زیرا با گرفتن زن اوریا، به من اهانت کرده‌ای.
11 Izao koa no lazain’ i Jehovah: Indro, Izaho efa hahatonga loza aminao avy ao amin’ ny ankohonanao ihany; ary hesoriko eo imasonao ny vadinao ka homeko ny namanao; ary izy handry amin’ ny vadinao amin’ izao antoandrobenanahary izao.
بنابراین من هم به دست افراد خانواده‌ات، بر سرت بلا نازل می‌کنم. زنانت را پیش چشمانت به همسایه‌ات می‌دهم و او در روز روشن با آنها همبستر می‌شود.
12 Fa ianao nanao izany tao amin’ ny mangingina, ary Izaho kosa haneho izany zavatra izany eo anatrehan’ ny Isiraely rehetra sy amin’ izao antoandrobenanahary izao.
تو این کار را مخفیانه کردی، اما من در روز روشن و در برابر چشمان همهٔ بنی‌اسرائیل این بلا را بر سر تو خواهم آورد.»
13 Dia hoy Davida tamin’ i Natana: Efa nanota tamin’ i Jehovah aho. Ary hoy kosa atana tamin’ i Davida: Jehovah efa nanaisotra ny helokao, ka tsy ho faty ianao.
داوود اعتراف کرده، به ناتان گفت: «در حق خداوند گناه کرده‌ام.» ناتان گفت: «بله، خداوند هم تو را بخشیده است و به سبب این گناهت تو را هلاک نخواهد کرد.
14 Nefa noho ny nampitenenanao ratsy ny fahavalon’ i Jehovah amin’ izany zavatra izany dia ho faty tokoa ny zaza izay haterakao.
ولی چون با این کارت باعث شده‌ای که دشمنان خداوند به او کفر گویند، پس این بچه‌ای هم که به دنیا آمده، خواهد مرد.»
15 Ary Natana nody tany an-tranony. Ary Jehovah namely ny zaza izay nateraky ny vadin’ i Oria tamin’ i Davida, ka dia narary be ny zaza.
بعد ناتان به خانهٔ خود برگشت و خداوند، پسری را که بَتشِبَع زاییده بود سخت بیمار کرد.
16 Ary nifona tamin’ Andriamanitra ho an’ ny zaza Davida, dia nifady hanina sady niditra ka nandry tamin’ ny tany mandritra ny alina.
داوود به خدا التماس کرد که بچه را زنده نگاه دارد، و بدین منظور روزه گرفت و به اتاق خود رفته، تمام شب روی زمین دراز کشید.
17 Ary ny loholona tao an-tranony nitsangana nankao aminy hampiarina azy amin’ ny tany; nefa tsy nety izy sady tsy nety niara-nihinan-kanina taminy.
درباریان از او خواهش کردند از زمین بلند شود و با آنها غذا بخورد، اما قبول نکرد،
18 Ary nony nandray hafitoana, dia maty ny zaza; ary ny mpanompon’ i Davida natahotra hilaza ny nahafatesan’ ny zaza aminy, fa hoy ireo: Indro, fony mbola velona aza ny zaza, raha niteny taminy isika, dia tsy nohenoiny ny feontsika, koa hataontsika ahoana no filaza aminy ny fahafatesan’ ny zaza? fandrao hanimba tena izy.
تا اینکه در روز هفتم، آن بچه مرد. درباریان می‌ترسیدند این خبر را به او بدهند. آنها می‌گفتند: «وقتی آن بچه هنوز زنده بود داوود از شدت ناراحتی با ما حرف نمی‌زد، حال اگر به او خبر بدهیم که بچه مرده است، معلوم نیست چه بلایی بر سر خود خواهد آورد؟»
19 Ary nony hitan’ i Davida fa nitakoritsika ny mpanompony, dia fantany fa maty ny zaza; ka hoy izy tamin’ ny mpanompony: Maty va ny zaza? Ary hoy ireo: Maty.
ولی وقتی داوود دید آنها با هم نجوا می‌کنند، فهمید چه شده است و پرسید: «آیا بچه مرده است؟» گفتند: «بله.»
20 Dia niarina tsy nandry tamin’ ny tany intsony Davida ary nandro sy nihosotra diloilo ary nanova ny fitafiany, dia nankao amin’ ny tranon’ i Jehovah ka niankohoka; ary dia nody tany an-tranony izy ka niantso mba hisy handroso hanina eo anoloany, dia nihinana izy.
آنگاه داوود از زمین بلند شد، شستشو نمود، سرش را شانه کرد، لباسهایش را عوض نمود و به خیمهٔ عبادت رفت و خداوند را پرستش کرد. سپس به کاخش برگشت و خوراک خورد.
21 Ary hoy ny mpanompony taminy: Ahoana izao zavatra nataonao izao? Fa fony mbola velona ny zaza, dia nifady hanina sy nitomany ianao, fa rehefa maty ny zaza, dia niarina sy nihinan-kanina kosa.
درباریان تعجب کردند و به او گفتند: «ما از رفتار تو سر در نمی‌آوریم. وقتی بچه هنوز زنده بود گریه می‌کردی و غذا نمی‌خوردی. اما حال که بچه مرده است، دست از گریه برداشته، غذا می‌خوری!»
22 Ary hoy izy: Fony mbola velona ny zaza, dia nifady hanina sy nitomany tokoa aho: fa hoy izaho: Iza moa no mahalala na mba hamindra fo amiko Jehovah ka hahavelona ny zaza, na tsia?
داوود جواب داد: «وقتی بچه زنده بود، روزه گرفتم و گریستم، چون فکر می‌کردم شاید خداوند به من رحم کند و بچه را زنده نگه دارد.
23 Kanjo maty izy izao, ka nahoana aho no hifady hanina intsony? Mahay mampiverina azy va aho? Izaho no hankany aminy, fa izy tsy hiverina etỳ amiko intsony.
اما حال که بچه مرده است دیگر چرا روزه بگیرم؟ آیا می‌توانم او را زنده کنم؟ من پیش او خواهم رفت، ولی او نزد من باز نخواهد گشت.»
24 Ary Davida nampionona an’ i Batseba vadiny, dia niditra tao aminy ka nandry taminy; ary niteraka zazalahy izy, ka ny anarany nataony hoe Solomona. Ary Jehovah tia azy,
سپس داوود بَتشِبَع را دلداری داد. بَتشِبَع بار دیگر از داوود حامله شده، پسری زایید و اسم او را سلیمان گذاشت. خداوند سلیمان را دوست می‌داشت
25 dia naniraka an’ i Natana mpaminany ka nanao ny anaran’ ny zaza hoe Jedidia noho ny amin’ i Jehovah.
و به همین سبب ناتان نبی را فرستاد تا سلیمان را یدیدیا (یعنی «محبوب خداوند») لقب دهد.
26 Ary Joaba namely an’ i Raban’ ny taranak’ i Amona ka nahafaka ny tanànan’ ny mpanjaka.
در این بین، یوآب به شهر ربه پایتخت عمون حمله برد و آن را محاصره کرد. او قاصدانی نزد داوود فرستاد تابه او بگویند: «ربه و مخازن آب آن در اختیار ماست.
27 Ary Joaba naniraka olona tany amin’ i Davida nanao hoe: Namely an’ i Raba aho ka nahafaka ny tanàna misy rano.
28 Koa vorio ny olona sisa izao, ka mitobia hamely ny tanàna, ary aoka ho afakao izy; fandrao izaho no hahafaka ny tanàna, ka dia hotononina araka ny anarako izy.
پس بقیهٔ سربازان را بیاور و شهر را تصرف کن تا پیروزی به نام تو تمام شود.»
29 Ary Davida namory ny vahoaka rehetra, dia nankany Raba ka namely azy ary nahafaka azy.
پس داوود به ربه لشکر کشید و آن را تسخیر کرده، غنیمت زیادی از آنجا به اورشلیم برد. داوود تاج گرانبهای پادشاه عمونی را از سرش برداشت و بر سر خودش گذاشت. این تاج، حدود سی و پنج کیلو وزن داشت و از طلا و جواهرات قیمتی ساخته شده بود.
30 Dia nesoriny ny satro-boninahitr’ ilay mpanjaka teny an-dohany talenta volamena iray no lanjany, sady nisy vato soa, ary dia nisatrohan’ i Davida. Ary navoakany tao an-tanàna ny babo azo, ka be dia be ireny.
31 Ary dia navoakany koa ny olona teo ka nataony teo amin’ ny tsofa sy ny fangao-by lehibe ary ny famaky vy, ary nataony tao anatin’ ny fandoroam-biriky; toy izany no nataony tamin’ ny tanànan’ ny taranak’ i Amona rehetra. Ary Davida sy ny vahoaka rehetra dia niverina nankany Jerosalema.
داوود، مردم آن شهر را اسیر کرده، اره و تیشه و تبر به دستشان داد و آنها را به کارهای سخت گماشت. او در کوره‌های آجرپزی از ایشان کار می‌کشید. او با اهالی شهرهای دیگر عمون نیز همین گونه عمل کرد. سپس داوود و لشکر او به اورشلیم بازگشتند.

< 2 Samoela 12 >