< 2 Samoela 11 >

1 Ary rehefa niherina ny taona, ka mby amin’ ny andro fandehanan’ ny mpanjaka hiady, dia naniraka an’ i Joaba sy ny mpanompony ary ny Isiraely rehetra Davida, ka nandringana ny taranak’ i Amona ireo sady nanao fahirano an’ i Raha; fa Davida kosa nijanona tany Jerosalema ihany.
And it came to pass, after the year had expired, at the time when kings go forth [to battle], that David sent Joab, and his servants with him, and all Israel; and they destroyed the children of Ammon, and destroyed Rabbah. But David tarried still at Jerusalem.
2 Ary nony harivariva, dia niala tao am-pandriany Davida ka nitsangantsangana teo an-tampon’ ny lapa; ary raha teo izy dia nahatazana vehivavy mandro; ary ravehivavy dia tsara tarehy maha-te-hijery.
And it came to pass in an evening, that David arose from off his bed, and walked upon the roof of the king's house: and from the roof he saw a woman washing herself; and the woman [was] very beautiful to look upon.
3 Ary Davida dia naniraka hanontany ny amin-dravehivavy. Ary nisy nanao hoe: Tsy iny va no Batseba, zanakavavin’ i Eliama, sady vadin’ i Oria Hetita?
And David sent and inquired after the woman. And [one] said, [Is] not this Bath-sheba, the daughter of Eliam, the wife of Uriah the Hittite?
4 Ary Davida naniraka olona ka nampaka azy; dia tonga tao aminy izy ka nandriany. Ary ravehivavy nanamasina ny tenany ho afaka tamin’ ny halotoany, dia nody tany an-tranony.
And David sent messengers, and took her; and she came in to him, and he lay with her; for she was purified from her uncleanness: and she returned to her house.
5 Ary nanan’ anaka ravehivavy ka naniraka hilaza tamin’ i Davida hoe: Manan’ anaka aho.
And the woman conceived, and sent and told David, and said, I [am] with child.
6 Ary Davida naniraka tany amin’ i Joaba hanao hoe: Asaovy mankaty amiko kely Oria Hetita. Dia nasain’ i Joaba nankany amin’ i Davida Oria.
And David sent to Joab, [saying], Send me Uriah the Hittite. And Joab sent Uriah to David.
7 Ary nony tonga teo amin’ i Davida izy, dia nanontaniany ny toetr’ i Joaba sy ny olona ary ny toetry ny ady.
And when Uriah had come to him, David inquired [of him] how Joab did, and how the people did, and how the war prospered.
8 Ary hoy Davida tamin’ i Oria: Andeha ary mody, ka sasao ny tongotrao. Ary Oria niala tao an-tranon’ ny mpanjaka, ary dia nampanarahina nahandro avy tao amin’ ny mpanjaka izy.
And David said to Uriah, Go down to thy house, and wash thy feet. And Uriah departed out of the king's house, and there followed him a mess [of meat] from the king.
9 Nefa Oria nandry teo am-baravarana ny tranon’ ny mpanjaka, teo amin’ ny mpanompon’ ny tompony rehetra, fa tsy nidina nody tany an-tranony izy tsy akory.
But Uriah slept at the door of the king's house with all the servants of his lord, and went not down to his house.
10 Ary nisy nanambara tamin’ i Davida hoe: Tsy nidina nody tany an-tranony Oria. Dia hoy Davida tamin’ i Oria: Tsy avy lavitra va ianao? koa nahoana ianao no tsy midìna mody any an-tranonao?
And when they had told David, saying, Uriah went not down to his house, David said to Uriah, Camest thou not from [thy] journey? why [then] didst thou not go down to thy house?
11 Fa hoy Oria tamin’ i Davida: Ny fiara sy ny Isiraely ary ny Joda mitoetra amin’ ny trano rantsan-kazo; ary Joaba tompoko sy ny mpanompon’ ny tompoko mitoby any an-tsaha, ka izaho kosa va hody any an-tranoko hihinana sy hisotro ary handry amin’ ny vadiko? Raha velona koa ianao, ary raha velona koa ny ainao, tsy hanao izany aho.
And Uriah said to David, The ark, and Israel, and Judah, abide in tents; and my lord Joab, and the servants of my lord are encamped in the open fields; shall I then go into my house, to eat and to drink, and to lie with my wife? [as] thou livest, and [as] thy soul liveth, I will not do this thing.
12 Ary hoy Davida tamin’ i Oria: Mitoera ihany ary atỳ anio, fa rahampitso dia halefako ianao. Dia nitoetra tany Jerosalema androtrizay sy ny ampitson’ iny Oria.
And David said to Uriah, Tarry here to-day also, and to-morrow I will let thee depart. So Uriah abode in Jerusalem that day and the morrow.
13 Ary nasain’ i Davida izy, dia nihinana sy nisotro teo anatrehany, ka nomamoiny, ary nony hariva dia nivoaka izy ka nandry teo amin’ ilay nandriany teo amin’ ny mpanompon’ ny tompony ihany, fa tsy nidina nody tany an-tranony.
And when David had called him, he ate and drank before him; and he made him drunk: and at evening he went out to lie on his bed with the servants of his lord, but went not down to his house.
14 Ary nony maraina, Davida dia nanoratra taratasy ho any amin’ i Joaba, ka nampitondrainy an’ i Oria izany.
And it came to pass in the morning, that David wrote a letter to Joab, and sent [it] by the hand of Uriah.
15 Ary izao no soratra nataony tao amin’ ny taratasy: Arosoinareo amin’ ny ady mafy Oria; dia ilaozy izy mba hasiany ho faty.
And he wrote in the letter, saying, Set ye Uriah in the front of the hottest battle, and retire ye from him, that he may be smitten, and die.
16 Ary raha mbola nanao fahirano ny tanàna Joaba, dia nanendry an’ i Oria ho eo amin’ izay hitany misy lehilahy mahery.
And it came to pass, when Joab observed the city, that he assigned Uriah to a place where he knew that valiant men [were].
17 Ary ny mponina tao an-tanàna nivoaka hiady amin’ i Joaba, ka nahafatesana ny mpanompon’ i Davida, ary maty koa Oria Hetita.
And the men of the city went out, and fought with Joab: and there fell [some] of the people of the servants of David; and Uriah the Hittite died also.
18 Ary Joaba naniraka hilaza tsara any amin’ i Davida ny toetry ny ady;
Then Joab sent and told David all the things concerning the war;
19 ary nandidy ilay iraka izy hoe: Rehefa voalazanao tsara amin’ ny mpanjaka ny toetry ny ady,
And charged the messenger, saying, When thou hast made an end of telling the matters of the war to the king,
20 ka tezitra ny mpanjaka ary manao aminao hoe: Nahoana no nanakaiky ny tanàna toy izany ianareo raha niady? Tsy fantatrareo va fa hitifitra eo amin’ ny manda izy?
And if the king's wrath shall rise, and he shall say to thee, Why approached ye so nigh to the city for the fight? knew ye not that they would shoot from the wall?
21 Fa iza no namely an’ i Abimeleka, zanak’ i Jerobeseta? Moa tsy vehivavy va no nanjera vato fikosoham-bary taminy avy teo amin’ ny manda, ka dia maty tao Tebeza izy? Koa nahoana no nanakaiky ny manda ianareo? dia ataovy hoe: Oria Hetita mpanomponao mba maty koa.
Who smote Abimelech the son of Jerubbesheth? did not a woman cast a piece of a millstone upon him from the wall, that he died in Thebez? why went ye nigh the wall? then say thou, Thy servant Uriah the Hittite is dead also.
22 Ary nandeha ilay iraka, dia tonga tamin’ i Davida ka nanambara taminy izay rehetra nanirahan’ i Joaba azy.
So the messenger went, and came and showed David all that Joab had sent him for.
23 Ary hoy ny iraka tamin’ i Davida: Nahery noho izahay ireny, ary nivoahany tany an-tsaha izahay, ka dia nenjehinay hatreo anoloan’ ny vavahady kosa izy.
And the messenger said to David, Surely the men prevailed against us, and came out to us into the field, and we were upon them even to the entrance of the gate.
24 Ary ny mpitifitra teo amin’ ny manda nitifitra ny mpanomponao; ary nahafatesana ny mpanompon’ ny mpanjaka, ary Oria Hetita mpanomponao mba maty koa.
And the shooters shot from off the wall upon thy servants: and [some] of the king's servants are dead, and thy servant Uriah the Hittite is dead also.
25 Dia hoy Davida tamin’ ny iraka: Izao no holazainao amin’ i Joaba: Aza malahelo amin’ izany ianao, fa ny sabatra tsy mifidy hasiana; herezo ihany ny adinao amin’ ny tanàna, ka ravao izy. Ary omeo toky Joaba.
Then David said to the messenger, Thus shalt thou say to Joab, Let not this thing displease thee, for the sword devoureth one as well as another: make thy battle more strong against the city, and overthrow it: and encourage thou him.
26 Ary nony ren’ ny vadin’ i Oria fa maty ny lahy, dia nisaona azy izy.
And when the wife of Uriah heard that Uriah her husband was dead, she mourned for her husband.
27 Ary rehefa afa-tsaona izy, dia nampanalain’ i Davida ho any an-tranony, ary dia novadiny izy ka niteraka zazalahy taminy. Nefa tsy sitrak’ i Jehovah izany nataon’ i Davida izany.
And when the mourning was past, David sent and brought her to his house, and she became his wife, and bore him a son. But the thing that David had done displeased the LORD.

< 2 Samoela 11 >