< 2 Samoela 11 >

1 Ary rehefa niherina ny taona, ka mby amin’ ny andro fandehanan’ ny mpanjaka hiady, dia naniraka an’ i Joaba sy ny mpanompony ary ny Isiraely rehetra Davida, ka nandringana ny taranak’ i Amona ireo sady nanao fahirano an’ i Raha; fa Davida kosa nijanona tany Jerosalema ihany.
Kum a kamtawng teh siangpahrangnaw ni tarantuk hanelah a kamthawnae tueng navah Devit ni Joab hah a taminaw hoi Isarelnaw pueng hah a patoun. Ammonnaw a thei awh teh Rabbah kho hai a kalup awh. Hatei, Devit teh Jerusalem kho vah ao.
2 Ary nony harivariva, dia niala tao am-pandriany Davida ka nitsangantsangana teo an-tampon’ ny lapa; ary raha teo izy dia nahatazana vehivavy mandro; ary ravehivavy dia tsara tarehy maha-te-hijery.
Tangminlasa Devit teh a ikhun dawk hoi a thaw teh, imvan lemphu a kâhlai navah, a meikahawi poung e napui tui kamhluk e hah a hmu.
3 Ary Davida dia naniraka hanontany ny amin-dravehivavy. Ary nisy nanao hoe: Tsy iny va no Batseba, zanakavavin’ i Eliama, sady vadin’ i Oria Hetita?
Devit ni tami a patoun teh a pacei navah, Eliam canu Hit tami Uriah e a yu Bathsheba doeh atipouh.
4 Ary Davida naniraka olona ka nampaka azy; dia tonga tao aminy izy ka nandriany. Ary ravehivavy nanamasina ny tenany ho afaka tamin’ ny halotoany, dia nody tany an-tranony.
Patounenaw bout a patoun navah, haw e napui hah ahni koe a thokhai awh teh a ikhai. Napui ni a kamthoung hnukkhu a ma im lah a cei.
5 Ary nanan’ anaka ravehivavy ka naniraka hilaza tamin’ i Davida hoe: Manan’ anaka aho.
Hottelah napui hah camo a vawn. Camo ka vawn telah Devit koe a thai sak.
6 Ary Davida naniraka tany amin’ i Joaba hanao hoe: Asaovy mankaty amiko kely Oria Hetita. Dia nasain’ i Joaba nankany amin’ i Davida Oria.
Devit ni Joab koevah, Hit tami Uriah hah kai koe tho sak telah lawk a thui teh, Joab ni Uriah teh Devit koe a cei sak.
7 Ary nony tonga teo amin’ i Davida izy, dia nanontaniany ny toetr’ i Joaba sy ny olona ary ny toetry ny ady.
Uriah a pha toteh, Joab hoi a taminaw bangtelah a dam awh maw. Tarantuknae koe ahawi ngoun maw telah a pacei.
8 Ary hoy Davida tamin’ i Oria: Andeha ary mody, ka sasao ny tongotrao. Ary Oria niala tao an-tranon’ ny mpanjaka, ary dia nampanarahina nahandro avy tao amin’ ny mpanjaka izy.
Devit ni Uriah koevah, na im lah cet nateh na khok pâsu telah atipouh. Uriah teh siangpahrang im dawk hoi a tâco teh siangpahrang e canei kawi ni tang a pâlei.
9 Nefa Oria nandry teo am-baravarana ny tranon’ ny mpanjaka, teo amin’ ny mpanompon’ ny tompony rehetra, fa tsy nidina nody tany an-tranony izy tsy akory.
Hatei, Uriah teh ama im lah cet hoeh, a bawipa e sannaw koe im takhang koevah a i.
10 Ary nisy nanambara tamin’ i Davida hoe: Tsy nidina nody tany an-tranony Oria. Dia hoy Davida tamin’ i Oria: Tsy avy lavitra va ianao? koa nahoana ianao no tsy midìna mody any an-tranonao?
Devit koevah, Uriah ama im lah cet hoeh telah a dei pouh awh. Devit ni Uriah koevah kahlawng ceinae koehoi na tho nahoehmaw, bangkongmaw nama im vah na cei hoeh telah atipouh.
11 Fa hoy Oria tamin’ i Davida: Ny fiara sy ny Isiraely ary ny Joda mitoetra amin’ ny trano rantsan-kazo; ary Joaba tompoko sy ny mpanompon’ ny tompoko mitoby any an-tsaha, ka izaho kosa va hody any an-tranoko hihinana sy hisotro ary handry amin’ ny vadiko? Raha velona koa ianao, ary raha velona koa ny ainao, tsy hanao izany aho.
Uriah ni Devit koevah, thingkong, Isarel hoi Judah taminaw rim dawkvah ao awh teh, ka bawipa Joab hoi a sannaw kahrawngum a roe awh navah, kai teh kama im ka cei vaiteh ka canei vaiteh, ka yu koe ka i han na maw. Nang na hring e patetlah na san kai ni khoeroe ka sak mahoeh telah ati.
12 Ary hoy Davida tamin’ i Oria: Mitoera ihany ary atỳ anio, fa rahampitso dia halefako ianao. Dia nitoetra tany Jerosalema androtrizay sy ny ampitson’ iny Oria.
Devit ni Uriah koevah, Sahnin hai hivah awm nateh tangtho torei na ceisak han telah atipouh. Uriah ni hot hnin a tangtho hnin totouh Jerusalem kho vah ao.
13 Ary nasain’ i Davida izy, dia nihinana sy nisotro teo anatrehany, ka nomamoiny, ary nony hariva dia nivoaka izy ka nandry teo amin’ ilay nandriany teo amin’ ny mpanompon’ ny tompony ihany, fa tsy nidina nody tany an-tranony.
Devit ni a kaw teh a hmalah a canei teh a parui sak. Tangmin a ma im cet laipalah a sannaw hoi i hanelah a cei.
14 Ary nony maraina, Davida dia nanoratra taratasy ho any amin’ i Joaba, ka nampitondrainy an’ i Oria izany.
Amom vah Devit ni ca a thut teh Joab a patawn, Uriah koe a phu sak.
15 Ary izao no soratra nataony tao amin’ ny taratasy: Arosoinareo amin’ ny ady mafy Oria; dia ilaozy izy mba hasiany ho faty.
Ca a patawn e dawkvah, Uriah teh taran apapnae koe hmalah cetsak nateh a thei awh vaiteh a due nahan yawng takhai awh telah ca dawkvah ao.
16 Ary raha mbola nanao fahirano ny tanàna Joaba, dia nanendry an’ i Oria ho eo amin’ izay hitany misy lehilahy mahery.
A dei e patetlah Joab ni kho hah a khet teh a tha ka sai e taran aonae koe Uriah ao sak.
17 Ary ny mponina tao an-tanàna nivoaka hiady amin’ i Joaba, ka nahafatesana ny mpanompon’ i Davida, ary maty koa Oria Hetita.
Khocanaw teh a tâco awh teh Joab hah a tuk awh. Devit e sannaw tangawn a due teh Hit tami Uriah hai a due van.
18 Ary Joaba naniraka hilaza tsara any amin’ i Davida ny toetry ny ady;
Joab ni hote kamthangnaw hah Devit koe thaisak hanelah tami a kaw teh,
19 ary nandidy ilay iraka izy hoe: Rehefa voalazanao tsara amin’ ny mpanjaka ny toetry ny ady,
a patoun e koevah, siangpahrang koe tarankâtuknae naw na dei pouh toteh,
20 ka tezitra ny mpanjaka ary manao aminao hoe: Nahoana no nanakaiky ny tanàna toy izany ianareo raha niady? Tsy fantatrareo va fa hitifitra eo amin’ ny manda izy?
siangpahrang teh a lungkhuek, tarantuk hanelah kho hah rek na hnai awh, rapan van hoi na tuk awh han doeh tie na panuek awh hoeh maw.
21 Fa iza no namely an’ i Abimeleka, zanak’ i Jerobeseta? Moa tsy vehivavy va no nanjera vato fikosoham-bary taminy avy teo amin’ ny manda, ka dia maty tao Tebeza izy? Koa nahoana no nanakaiky ny manda ianareo? dia ataovy hoe: Oria Hetita mpanomponao mba maty koa.
Jerubbesheth capa Abimelek hah apinimaw a thei hah. Thebez khovah napui buet touh ni cakang phawmnae a lû lae talung hoi rapan dawk hoi a pabo sin teh a thei. Bangkongmaw tungdumnae totouh na cei awh tetpawiteh, na san Hit tami Uriah hai a due telah na dei han telah lawk a thui.
22 Ary nandeha ilay iraka, dia tonga tamin’ i Davida ka nanambara taminy izay rehetra nanirahan’ i Joaba azy.
Joab ni lawk a thui e patetlah patoune ni Devit koe a dei pouh.
23 Ary hoy ny iraka tamin’ i Davida: Nahery noho izahay ireny, ary nivoahany tany an-tsaha izahay, ka dia nenjehinay hatreo anoloan’ ny vavahady kosa izy.
Tarannaw ni kaimanaw atangcalah na tâ awh. Kahrawngum totouh na pâlei awh, na tuk awh. Kaimanaw ni hai kho longkha totouh ka tuk awh.
24 Ary ny mpitifitra teo amin’ ny manda nitifitra ny mpanomponao; ary nahafatesana ny mpanompon’ ny mpanjaka, ary Oria Hetita mpanomponao mba maty koa.
Tarannaw ni rapan dawk hoi na sannaw na tuk awh teh, na san a tangawn a due awh. Na san Hit tami Uriah hai a due telah atipouh.
25 Dia hoy Davida tamin’ ny iraka: Izao no holazainao amin’ i Joaba: Aza malahelo amin’ izany ianao, fa ny sabatra tsy mifidy hasiana; herezo ihany ny adinao amin’ ny tanàna, ka ravao izy. Ary omeo toky Joaba.
Devit ni hete hno kaawm e dawk na lungpout sak hanh awh. Kâtuknae koe ouk due phung doeh, thakâlat awh nateh, puenghoi khopuinaw raphoe awh telah Joab koe tami a patoun teh lawk a thui.
26 Ary nony ren’ ny vadin’ i Oria fa maty ny lahy, dia nisaona azy izy.
Uriah a due e a yu ni a thai toteh, a vâ hah a khui.
27 Ary rehefa afa-tsaona izy, dia nampanalain’ i Davida ho any an-tranony, ary dia novadiny izy ka niteraka zazalahy taminy. Nefa tsy sitrak’ i Jehovah izany nataon’ i Davida izany.
A khuinae tueng a pâpout toteh, Devit ni tami a patoun teh hote napui hah a im dawk a kaw teh a yu lah a la. Hote napui ni ca tongpa a khe pouh. Hateiteh, Devit ni a sak e hno ni BAWIPA lunghawi sak hoeh.

< 2 Samoela 11 >