< 2 Samoela 1 >

1 Ary nony maty Saoly, ary niverina avy namono ny Amalekita Davida, dia nitoetra indroa andro tao Ziklaga izy.
Na rĩrĩ, thuutha wa gĩkuũ gĩa Saũlũ, Daudi agĩkorwo aacooka kuuma kũhoota Aamaleki na agĩikara kũu Zikilagi mĩthenya ĩĩrĩ.
2 Ary tamin’ ny andro fahatelo, indro, nisy lehilahy iray tonga avy tany amin’ ny miaramilan’ i Saoly, triatra ny akanjony sady nihosin-tany ny lohany; ary rehefa tonga teo amin’ i Davida izy, dia niankohoka tamin’ ny tany ka nitsaoka.
Mũthenya wa ĩtatũ-rĩ, hagĩũka mũndũ oimĩte kambĩ-inĩ ya Saũlũ, arĩ na nguo ndembũkangu na rũkũngũ mũtwe. Hĩndĩ ĩrĩa aakinyire harĩ Daudi, akĩĩgũithia thĩ nĩguo amũhe gĩtĩĩo.
3 Ary hoy Davida taminy: Avy taiza moa ianao? Dia hoy izy taminy: Afaka nandositra avy tany amin’ ny tobin’ ny Isiraely aho.
Daudi akĩmũũria atĩrĩ, “Wee uumĩte kũ?” Nake akĩmũcookeria atĩrĩ, “Nĩ kũũra njũrĩte, ngoima kambĩ-inĩ ya andũ a Isiraeli.”
4 Ary hoy Davida taminy: Nanao ahoana izay tany? Masìna ianao, ambarao amiko. Dia hoy izy: Ny olona nandositra tamin’ ny ady, ary be koa ny miampatrampatra sy maty, ary maty koa Saoly sy Jonatana zanany.
Daudi akĩmũũria atĩrĩ, “Kaĩ gwĩkĩkĩte atĩa? Ta njĩĩra.” Nake akĩmwĩra atĩrĩ, “Andũ nĩmorĩte makoima mbaara-inĩ. Na andũ aingĩ nĩmooragĩtwo. Nake Saũlũ na mũriũ Jonathani nĩmakuĩte.”
5 Ary hoy Davida tamin’ ilay zatovo niteny taminy: Ahoana no nahafantaranao fa maty Saoly sy Jonatana zanany.
Ningĩ Daudi akĩũria mwanake ũcio wamũreheire ũhoro ũcio atĩrĩ, “Ũmenyete atĩa atĩ Saũlũ na mũriũ Jonathani nĩmakuĩte?”
6 Dia nanambara taminy ilay zatovo nanao hoe: Sendra tao an-tendrombohitra Gilboa aho, ary, indro, Saoly nitehina tamin’ ny lefony; ary, indreo, ny kalesy sy ny mpitaingin-tsoavaly nanenjika azy mafy.
Mwanake ũcio akĩmũcookeria atĩrĩ, “Ndĩrakorirwo ndĩ hau kĩrĩma-inĩ kĩa Giliboa, na hau nĩho ndĩronire Saũlũ, etiranĩtie na itimũ rĩake, akiriĩ gũkorererwo nĩ ngaari cia ita na ahaici a mbarathi.
7 Dia niherika izy ka nahita ahy; ary niantso ahy izy, ka hoy izaho: Inty aho.
Rĩrĩa eehũgũrire, akĩnyona, na akĩnjĩta, na niĩ ngĩmũũria atĩrĩ, ‘Ũngĩenda ngwĩkĩre atĩa?’
8 Ary hoy izy tamiko: Iza moa ianao? Dia hoy izaho taminy: Amalekita aho.
“Nake akĩnjũũria atĩrĩ, ‘Wee ũrĩ ũ?’ “Ngĩmũcookeria atĩrĩ, ‘Niĩ ndĩ Mũamaleki.’
9 Ary hoy indray izy tamiko: Masìna ianao, hatony kely aho, ka vonoy, fa marary mivonkina ozatra aho, fa mbola ato anatiko ihany ny aiko.
“Ningĩ akĩnjĩĩra atĩrĩ, ‘Ũka haha ũnjũrage! Niĩ ndĩ na ruo rũnene mũno rwa gĩkuũ, no ndĩ o muoyo.’
10 Dia nanatona azy aho ka namono azy, satria fantatro fa tsy ho velona izy, rehefa resy, ka dia nalaiko ny satro-boninahiny teo an-dohany sy ny fehin-tanana teo amin’ ny sandriny, ka nentiko etỳ amin’ ny tompoko izany.
“Nĩ ũndũ ũcio ngĩthiĩ harĩ we, ngĩmũũraga, tondũ nĩndamenyire atĩ arĩkĩtie kũgũa ndekũhona. Ngĩruta thũmbĩ ĩrĩa yarĩ mũtwe wake, na mũrĩnga ũrĩa warĩ guoko gwake, na nĩcio indo iria ndarehera mwathi wakwa.”
11 Dia noraisin’ i Davida ny fitafiany ka notriariny: ary dia mba nanao toy izany koa ny olona rehetra teo aminy.
Hĩndĩ ĩyo Daudi na andũ othe arĩa maarĩ nake makĩnyiita nguo ciao, magĩcitembũranga.
12 Ary nisaona sy nitomany sy nifady hanina ambara-paharivan’ ny andro izy noho ny amin’ i Saoly sy Jonatana zanany sy ny olon’ i Jehovah ary ny taranak’ Isiraely, satria lavon-tsabatra ireny.
Nao magĩcakaya, na makĩrĩra, o na makĩĩhinga kũrĩa irio nginya hwaĩ-inĩ, nĩ ũndũ wa Saũlũ na mũriũ Jonathani, o na nĩ ũndũ wa mbũtũ cia ita cia Jehova, na nyũmba ya Isiraeli, tondũ nĩmooragĩtwo na rũhiũ rwa njora.
13 Ary hoy Davida tamin’ ilay zatovo nanambara taminy: Avy aiza ianao? Ary hoy izy: Zanaky ny vahiny Amalekita aho.
Daudi akĩũria mwanake ũcio wamũreheire ũhoro atĩrĩ, “Wee uumĩte kũ?” Nake agĩcookia atĩrĩ, “Niĩ ndĩ mũriũ wa mũndũ wa kũngĩ, Mũamaleki.”
14 Dia hoy Davida taminy: Nahoana ianao no tsy natahotra haninjitra ny tananao hamono ny voahosotr’ i Jehovah?
Daudi akĩmũũria atĩrĩ, “Nĩ kĩĩ kĩragiririe wĩtigĩre gũtambũrũkia guoko gwaku ũũrage mũitĩrĩrie maguta wa Jehova?”
15 Dia niantso zatovo anankiray Davida ka nanao hoe: Hatony io, ka vonoy; dia nasiany izy ka maty.
Ningĩ Daudi agĩĩta ũmwe wa andũ ake, akĩmwĩra atĩrĩ, “Thiĩ, ũmũũrage!” Nake akĩmũringa, agĩkua.
16 ary hoy Davida taminy: Aoka ny rànao ho eo amin’ ny lohanao, satria ny vavanao ihany no efa niampanga anao nanao hoe: Izaho no namono ny voahosotr’ i Jehovah.
Nĩgũkorwo Daudi aamwĩĩrire atĩrĩ, “Thakame yaku ĩrogũcookerera. Kanua gaku we mwene nĩko kaaruta ũira wa gũgũũkĩrĩra, rĩrĩa uugire atĩrĩ, ‘Nĩndĩrooragire mũitĩrĩrie maguta wa Jehova.’”
17 Ary Davida nisaona an’ i Saoly sy Jonatana zanany tamin’ izao hira fisaonana izao
Nake Daudi agĩcakaĩra Saũlũ na mũriũ Jonathani,
18 (ary nasainy nampianarina ny taranak’ i Joda ny hira atao hoe Tsipika; indro, voasoratra ao amin’ ny Bokin’ i Jasara izany):
na agĩathana atĩ andũ a Juda marutwo icakaya rĩĩrĩ rĩĩtagwo rwĩmbo rwa ũta (narĩo rĩandĩkĩtwo Ibuku-inĩ rĩa Jasharu):
19 Ilay voninahitrao, ry Isiraely, no voalefona teo amin’ ny havoananao; Endrey! Lavo ny mahery!
“Wee Isiraeli, riiri waku ũũragĩtwo irĩma-inĩ ciaku.
20 Aza ambaranareo any Gata izany, Aza torinareo ho fifaliana any an-dalamben’ i Askelona. Fandrao mifaly ny zanakavavin’ ny Filistina. Fandrao miravoravo ny zanakavavin’ ny tsy mifora.
“Ũhoro ũyũ ndũkaheanwo Gathu,
21 Hianareo tendrombohitra Gilboa, Aza misy ando aman’ orana intsony eny aminareo, na saha angalana fanatitra asandratra, satria tany no nandotoana ny ampingan’ ny mahery, Dia ny ampingan’ i Saoly, ka tsy nohosorana diloilo.
“Atĩrĩrĩ, inyuĩ irĩma cia Giliboa,
22 Ny tsipìkan’ i Jonatana tsy nihemotra. Raha tsy nahazo ny ran’ ny maty sy ny tavin’ ny mahery; ary ny sabatr’ i Saoly tsy mba niverina foana.
Kuuma kũrĩ thakame ya arĩa moragĩtwo,
23 Saoly sy Jonatana, izay tiana sady mahate-ho-tia fony fahavelony, dia tsy nosarahina na dia tamin’ ny nahafatesany aza; Faingana noho ny voromahery izy ary mahery noho ny liona.
“Saũlũ na Jonathani,
24 Ry zanakavavin’ Isiraely, mitomania an’ i Saoly, fa nahafinaritra ny mampitafiany jaky anareo, sady nasiany firava-bolamena ny fitafianareo.
“Inyuĩ airĩtu a Isiraeli,
25 Endrey! lavo teo amin’ ny ady ny mahery voalefona teo amin’ ny havoananao Jonatana.
“Hĩ, kaĩ andũ arĩa njamba nĩmagwĩrĩire mbaara-inĩ-ĩ!
26 Ory noho ny aminao aho, ry Jonatana rahalahiko; nahafinaritra ahy indrindra ianao; nahagaga ny fitiavanao ahy mihoatra noho ny fitiavan’ ny vehivavy.
Niĩ ndĩ na kĩeha nĩ ũndũ waku Jonathani, wee mũrũ wa baba;
27 Endrey! lavo ny mahery, ary levona ny fiadiana!
“Hĩ, kaĩ andũ arĩa njamba nĩmagwĩte-ĩ!

< 2 Samoela 1 >