< 2 Petera 1 >
1 Simona Petera, mpanompo sy Apostolin’ i Jesosy Kristy, mamangy izay efa nahazo finoana soa tahaka ny anay amin’ ny fahamarinan’ i Jesosy Kristy, Andriamanitsika sy Mpamonjy:
예수 그리스도의 종과 사도인 시몬 베드로는 우리 하나님과 구주 예수 그리스도의 의를 힘입어 동일하게 보배로운 믿음을 우리와 같이 받은 자들에게 편지하노니
2 hampitomboina ho anareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana amin’ ny fahalalana tsara an’ Andriamanitra sy Jesosy Tompontsika.
하나님과 우리 주 예수를 앎으로 은혜와 평강이 너희에게 더욱 많을지어다
3 Efa nomen’ ny herin’ Andriamanitra ho antsika ny zavatra rehetra momba ny fiainana sy ny toe-panahy araka an’ Andriamanitra amin’ ny fahalalana Ilay niantso antsika tamin’ ny voninahiny sy ny fahatsarany;
그의 신기한 능력으로 생명과 경건에 속한 모든 것을 우리에게 주셨으니 이는 자기의 영광과 덕으로써 우리를 부르신 자를 앎으로 말미암음이라
4 ary izany no nahatanterahany amintsika ireo teny fikasana sady soa no lehibe indrindra, mba ho tonga mpiray amin’ ny fomban’ Andriamanitra amin’ izany ianareo, rehefa afa-nandositra ny fahalotoana izay eo amin’ izao tontolo izao noho ny filàna;
이로써 그 보배롭고 지극히 큰 약속을 우리에게 주사 이 약속으로 말미암아 너희로 정욕을 인하여 세상에서 썩어질 것을 피하여 신의 성품에 참예하는 자가 되게 하려 하셨으니
5 koa noho izany dia manaova izay zotom-po rehetra kosa ianareo, ka amin’ ny finoanareo dia manehoa fahatanjahan-tsaina, ary amin’ ny fahatanjahan-tsainareo dia fahalalana,
이러므로 너희가 더욱 힘써 너희 믿음에 덕을, 덕에 지식을,
6 ary amin’ ny fahalalanareo dia fahononam-po, ary amin’ ny fahononam-ponareo dia faharetana, ary amin’ ny faharetanareo dia toe-panahy araka an’ Andriamanitra,
지식에 절제를, 절제에 인내를, 인내에 경건을,
7 ary amin’ ny toe-panahinareo araka an’ Andriamanitra dia fitiavana ny rahalahy, ary amin’ ny fitiavanareo ny rahalahy dia fitiavana ny olona rehetra.
경건에 형제 우애를, 형제 우애에 사랑을 공급하라
8 Fa raha anananareo izany zavatra izany, sady anananareo betsaka, dia tsy avelan’ izany ho malaina na tsy hahavokatra ianareo amin’ ny fahalalana tsara an’ i Jesosy Kristy Tompontsika.
이런 것이 너희에게 있어 흡족한즉 너희로 우리 주 예수 그리스도를 알기에 게으르지 않고 열매 없는 자가 되지 않게 하려니와
9 Fa izay tsy manana izany zavatra izany kosa dia toa jamba ka tsy mahajery lavitra, sady nanadino ny nanadiovana azy tamin’ ny fahotany voalohany izy.
이런 것이 없는 자는 소경이라 원시치 못하고 그의 옛 죄를 깨끗케 하심을 잊었느니라
10 Ary amin’ izany dia mazotoa kokoa, ry rahalahy, hampitoetra ny fiantsoana sy ny fifidianana anareo; fa raha manao izany zavatra izany ianareo, dia tsy ho tafintohina akory mandrakizay;
그러므로 형제들아 더욱 힘써 너희 부르심과 택하심을 굳게 하라 너희가 이것을 행한즉 언제든지 실족지 아니하리라
11 fa toy izany no hanomezana malalaka ho anareo ny fidirana ho any amin’ ny fanjakana mandrakizay, izay an’ i Jesosy Kristy, Tompontsika sy Mpamonjy antsika. (aiōnios )
이같이 하면 우리 주 곧 구주 예수 그리스도의 영원한 나라에 들어감을 넉넉히 너희에게 주시리라 (aiōnios )
12 Koa hazoto mandrakariva hampahatsiaro anareo ny amin’ izany zavatra izany aho, na dia efa fantatrareo aza, ka efa naorina tsara amin’ ny fahamarinana izay efa eo aminareo.
이러므로 너희가 이것을 알고 이미 있는 진리에 섰으나 내가 항상 너희로 생각하게 하려 하노라
13 Fa raha mbola eto amin’ ity trano-lay ity aho, dia ataoko fa mety ny hampifoha anareo amin’ ny fampahatsiarovana anareo,
내가 이 장막에 있을 동안에 너희를 일깨워 생각하게 함이 옳은 줄로 여기노니
14 satria fantatro fa ho avy tampoka ny hanesorana ny trano-laiko, dia toy ny nasehon’ i Jesosy Kristy Tompontsika tamiko koa.
이는 우리 주 예수 그리스도께서 내게 지시하신 것 같이 나도 이 장막을 벗어날 것이 임박한 줄을 앎이라
15 Ary dia hataoko izay zakako mba hisy hahatsiarovanareo izany zavatra izany mandrakariva, rehefa maty aho.
내가 힘써 너희로 하여금 나의 떠난 후에라도 필요할 때는 이런 것을 생각나게 하려 하노라
16 Fa tsy nanaraka izay anganongano noforonin’ ny fahafetsen’ ny saina izahay, raha nampahafantatra anareo ny hery sy ny fihavian’ i Jesosy Kristy Tompontsika; fa efa hitan’ ny masonay ny fiandrianany.
우리 주 예수 그리스도의 능력과 강림하심을 너희에게 알게 한 것이 공교히 만든 이야기를 좇은 것이 아니요 우리는 그의 크신 위엄을 친히 본 자라
17 Fa nahazo laza amam-boninahitra tamin’ Andriamanitra Ray Izy, raha tonga teo aminy avy tamin’ ny voninahitra lehibe indrindra ilay feo nanao hoe: “Ity no Zanako malalako izay sitrako”.
지극히 큰 영광 중에서 이러한 소리가 그에게 나기를 이는 내 사랑하는 아들이요 내 기뻐하는 자라 하실 때에 저가 하나님 아버지께 존귀와 영광을 받으셨느니라
18 Ary renay io feo avy tany an-danitra io, raha niara-nipetraka taminy tany an-tendrombohitra masìna izahay.
이 소리는 우리가 저와 함께 거룩한 산에 있을 때에 하늘로서 나옴을 들은 것이라
19 Ary manana ny teny faminaniana atao mafy orina kokoa isika; koa raha mandinika izany ianareo, dia manao tsara, fa toy ny jiro mahazava ao amin’ ny fitoerana maizimaizina izany, mandra-pahazavan’ ny andro, ka miposaka ao am-ponareo ny fitarik’ andro;
또 우리에게 더 확실한 예언이 있어 어두운 데 비취는 등불과 같으니 날이 새어 샛별이 너희 마음에 떠오르기까지 너희가 이것을 주의하는 것이 가하니라
20 fa fantatrareo voalohany indrindra fa ny famoahan-kevitry ny faminaniana ao amin’ ny Soratra Masìna dia tsy efan’ ny fisainan’ ny olona fotsiny ihany;
먼저 알 것은 경의 모든 예언은 사사로이 풀 것이 아니니
21 fa tsy nisy faminaniana avy tamin’ ny sitrapon’ ny olona tany aloha rehetra; fa avy tamin’ Andriamanitra no nitenenan’ ny olona araka izay nitondran’ ny Fanahy Masìna azy.
예언은 언제든지 사람의 뜻으로 낸 것이 아니요 오직 성령의 감동하심을 입은 사람들이 하나님께 받아 말한 것임이니라