< 2 Petera 3 >
1 Ry malala, ity no epistily faharoa soratako ho aminareo ankehitriny, ka izy roroa dia samy entiko mampifoha ny sainareo madio amin’ ny fampahatsiarovana,
2 mba hahatsiarovanareo ny teny voalazan’ ny mpaminany masìna rahateo sy ny didin’ ny Tompo sady Mpamonjy izay nentin’ ny Apostoly nirahina ho atỳ aminareo;
3 efa fantatrareo voalohany indrindra fa amin’ ny andro farany dia hisy mpaniratsira avy haniratsira, mandeha araka ny filany
4 ka manao hoe: Aiza ny teny fikasana ny amin’ ny fihaviany? Fa hatrizay nodian’ ny razana mandry dia maharitra tsy miova ny zavatra rehetra; eny, hatramin’ ny nanaovana izao tontolo izao aza.
5 Fa minia jamba ireo ka tsy mahalala fa nisy hatramin’ ny ela ny lanitra, ary nisy tany koa, izay niseho avy tamin’ ny rano, sady rano no nanaovana azy tamin’ ny tenin’ Andriamanitra,
6 ary rano koa no nandravana izao rehetra izao taloha tamin’ ny nanasaforany azy;
7 fa izao lanitra sy tany ankehitriny izao dia hazonin’ izany teny izany ho amin’ ny afo ka tehirizina ho amin’ ny andro fitsarana sy fandringanana ny ratsy fanahy.
8 Nefa, ry malala, izao zavatra iray loha izao no aoka tsy hohadinoinareo: ny indray andro amin’ ny Tompo dia toy ny arivo taona, ary ny arivo taona toy ny indray andro.
9 Ny Tompo tsy mahela ny teny fikasany, araka izay ataon’ ny sasany ho fahelany; fa mahari-po aminareo Izy, ka tsy tiany hisy ho very, fa mba ho tonga amin’ ny fibebahana izy rehetra,
10 Fa ho avy tahaka ny mpangalatra ny andron’ ny Tompo, ary amin’ izany ny lanitra dia ho lasa amin’ ny firimorimoana mafy, ary ho levon’ ny afo ny tenan’ ny zavatra rehetra, ka hodorana avokoa ny tany sy ny asa izay eo aminy.
11 Koa raha ho levona toy izany izao zavatra rehetra izao, dia olona tokony hanao ahoana moa ianareo amin’ ny fitondran-tena masìna sy ny toe-panahy araka an’ Andriamanitra,
12 sady manantena no mampahafaingana ny hihavian’ ny andron’ Andriamanitra, izay hahamay sy hahalevona ny lanitra ary handoro sy hampiempo ny tenan’ ny zavatra rehetra!
13 Kanefa isika, araka ny teny fikasany, dia manantena lanitra vaovao sy tany vaovao, izay itoeran’ ny fahamarinana.
14 Koa amin’ izany, ry malala, satria manantena izany zavatra izany ianareo, efa mazotoa mba ho hita tsy manan-tsiny amam-pondro eo anatrehan’ ny Tompo amin’ ny fihavanana.
15 Ary ny fahari-pon’ ny Tompontsika dia ekeo ho famonjena, tahaka ny voasoratr’ i Paoly, rahalahy malalantsika, taminareo koa araka ny fahendrena nomena azy,
16 tahaka ny ataony ao amin’ ny epistiliny rehetra koa, fa milaza izany zavatra izany ao aminy izy; ary amin’ ireo efa misy zavatra saro-pantarina, izay aolan’ ny olona kely fahalalana sady tsy miorina tsara, tahaka ny anaovany ny teny sasany amin’ ny Soratra Masìna koa, ka mahatonga fahaverezana ho an’ ny tenany.
17 Koa, satria fantatrareo rahateo izany, ry malala, dia tandremo fandrao ho voataonan’ ny fahadisoan’ ny ratsy fanahy ianareo ka ho lavo hiala amin’ izay iorenanareo;
18 fa mitomboa amin’ ny fahasoavana sy ny fahalalana an’ i Jesosy Kristy, Tompontsika sy Mpamonjy. Ho Azy anie ny voninahitra ankehitriny sy mandrakizay. Amena. (aiōn )
The Great Flood