< 2 Petera 2 >

1 Efa nisy mpaminany sandoka teo amin’ ny olona Isiraely, ary hisy koa mpampianatra sandoka tahaka izany eo aminareo, izay hahatonga mangingina sain-diso mahavery ary handà ny Tompo Izay nividy azy aza ka hahatonga fahaverezana tampoka ho amin’ ny tenany.
εγενοντο δε και ψευδοπροφηται εν τω λαω ως και εν υμιν εσονται ψευδοδιδασκαλοι οιτινες παρεισαξουσιν αιρεσεις απωλειας και τον αγορασαντα αυτους δεσποτην αρνουμενοι επαγοντες εαυτοις ταχινην απωλειαν
2 Ary maro no hanaraka ny fijejojejoany; ka ireny no hitenenan-dratsy ny lalan’ ny fahamarinana.
και πολλοι εξακολουθησουσιν αυτων ταις απωλειαις δι ους η οδος της αληθειας βλασφημηθησεται
3 Ary amin’ ny hafatratry ny fitiavany harena no hanaovany varotra anareo amin’ ny teny mamitaka; efa ela izay no tsy nijanonjanona ny fitsarana ireny, ary tsy rendremana ny fahaverezany.
και εν πλεονεξια πλαστοις λογοις υμας εμπορευσονται οις το κριμα εκπαλαι ουκ αργει και η απωλεια αυτων ου νυσταζει
4 Fa raha tsy navelan’ Andriamanitra ny anjely fony nanota, fa noroahiny ho any amin’ ny helo ka natolony ho ao an-davaka maizina mba hotehirizina ho amin’ ny fitsarana, (Tartaroō g5020)
ει γαρ ο θεος αγγελων αμαρτησαντων ουκ εφεισατο αλλα σειραις ζοφου ταρταρωσας παρεδωκεν εις κρισιν τετηρημενους (Tartaroō g5020)
5 ary raha tsy namela izao rehetra izao taloha Izy, fa namonjy an’ i Noa, mpitory ny fahamarinana, sy ireo fito, fony nahatonga ny safo-drano tamin’ ny ratsy fanahy teo amin’ izao tontolo izao, ―
και αρχαιου κοσμου ουκ εφεισατο αλλ ογδοον νωε δικαιοσυνης κηρυκα εφυλαξεν κατακλυσμον κοσμω ασεβων επαξας
6 ary raha nataony nanjary lavenona ny tanàna Sodoma sy Gomora ka nohelohiny horavana ary nataony fananarana ho an’ izay ratsy fanahy ato aoriana, ―
και πολεις σοδομων και γομορρας τεφρωσας καταστροφη κατεκρινεν υποδειγμα μελλοντων ασεβειν τεθεικως
7 fa Lota marina, izay ory dia ory noho ny fijejojejoan’ ny olona ratsy fanahy, no novonjeny ho afaka
και δικαιον λωτ καταπονουμενον υπο της των αθεσμων εν ασελγεια αναστροφης ερρυσατο
8 (fa izany lehilahy marina izany, raha nitoetra teo aminy, dia nahory loatra ny fanahiny marina isan’ andro isan’ andro noho ny nahitany sy ny nandrenesany ny fandikan’ ireo ny lalàna):
βλεμματι γαρ και ακοη ο δικαιος εγκατοικων εν αυτοις ημεραν εξ ημερας ψυχην δικαιαν ανομοις εργοις εβασανιζεν
9 dia fantatry ny Tompo izay hamonjeny ny tsara fanahy amin’ ny fakam-panahy sy ny hitehirizany ny olona tsy marina amin’ ny fijaliana ho amin’ ny andro fitsarana, ―
οιδεν κυριος ευσεβεις εκ πειρασμων ρυεσθαι αδικους δε εις ημεραν κρισεως κολαζομενους τηρειν
10 indrindra fa izay mandeha araka ny fitarihan’ ny nofo hila zava-mahaloto ka manamavo ny manana fahalehibiazana. Ireo efa olona sahisahy, mitompo teny fantatra sady tsy matahotra hiteny ratsy ny manana voninahitra.
μαλιστα δε τους οπισω σαρκος εν επιθυμια μιασμου πορευομενους και κυριοτητος καταφρονουντας τολμηται αυθαδεις δοξας ου τρεμουσιν βλασφημουντες
11 Fa ny anjely aza, izay mihoatra amin’ ny tanjaka sy ny hery, tsy mitondra fiampangana hitenenan-dratsy azy eo anatrehan’ ny Tompo.
οπου αγγελοι ισχυι και δυναμει μειζονες οντες ου φερουσιν κατ αυτων παρα κυριω βλασφημον κρισιν
12 Fa ireo kosa izay miteny ratsy ny zavatra tsy fantany (tahaka ny biby tsy manan-tsaina, fa zava-manan’ aina fotsiny ihany, izay teraka ho fisambotra sy ho famono) dia haringana tokoa amin’ ny fahalotoany,
ουτοι δε ως αλογα ζωα φυσικα γεγενημενα εις αλωσιν και φθοραν εν οις αγνοουσιν βλασφημουντες εν τη φθορα αυτων καταφθαρησονται
13 ary hiharan’ ny ratsy ho valin’ ny faharatsiany izy. Ataony ho zava-mahafinaritra ny velona vetivety amin’ ny fy, ka be pentimpentina sy tsiny izy sady velona amin’ ny fy eo amin’ ny fanasam-pifankatiavany, raha miara-mihinana aminareo.
κομιουμενοι μισθον αδικιας ηδονην ηγουμενοι την εν ημερα τρυφην σπιλοι και μωμοι εντρυφωντες εν ταις απαταις αυτων συνευωχουμενοι υμιν
14 manana maso feno fijangajangana, izay tsy mety mitsahatra amin’ ny fahotana: dia mamitaka ny tsy miorina tsara izy; ary mampaharatra ny fony amin’ ny hafatratry ny fitiavany harena, dia zanaky ny fanozonana izy;
οφθαλμους εχοντες μεστους μοιχαλιδος και ακαταπαυστους αμαρτιας δελεαζοντες ψυχας αστηρικτους καρδιαν γεγυμνασμενην πλεονεξιαις εχοντες καταρας τεκνα
15 efa niala tamin’ ny lalana mahitsy izy ka nivily nanaraka ny lalan’ i Balama, zanak’ i Beora, izay tia ny tambin’ ny tsi-fahamarinana.
καταλιποντες την ευθειαν οδον επλανηθησαν εξακολουθησαντες τη οδω του βαλααμ του βοσορ ος μισθον αδικιας ηγαπησεν
16 nefa voanatra izy noho ny fahotany: ny boriky moana efa nanao feon’ olona ka nisakana ny hadalan’ ilay mpaminany.
ελεγξιν δε εσχεν ιδιας παρανομιας υποζυγιον αφωνον εν ανθρωπου φωνη φθεγξαμενον εκωλυσεν την του προφητου παραφρονιαν
17 Ireo efa loharano ritra, zavona entin’ ny tafio-drivotra, ka efa tehirizina ho azy ny fahamaintisan’ ny maizina.
ουτοι εισιν πηγαι ανυδροι νεφελαι υπο λαιλαπος ελαυνομεναι οις ο ζοφος του σκοτους εις αιωνα τετηρηται (questioned)
18 Fa mandoka fatratra ny zava-poana ireo, ka ny filan’ ny nofo, dia ny fijejojejoana, no entiny mamitaka ny olona izay saiky afaka tsy ho naman’ ny velona eo amin’ ny fahadisoana intsony;
υπερογκα γαρ ματαιοτητος φθεγγομενοι δελεαζουσιν εν επιθυμιαις σαρκος εν ασελγειαις τους οντως αποφυγοντας τους εν πλανη αναστρεφομενους
19 fahafahana no ampanantenainy ireny, kanjo ny tenany aza dia andevon’ ny fahalotoana; efa izay maharesy ny olona dia mahandevo avy.
ελευθεριαν αυτοις επαγγελλομενοι αυτοι δουλοι υπαρχοντες της φθορας ω γαρ τις ηττηται τουτω και δεδουλωται
20 Fa raha misy efa afaka amin’ ny fahalotoan’ izao tontolo izao noho ny fahalalana tsara an’ i Jesosy Kristy, Tompo sy Mpamonjy, nefa voasingotr’ izany indray ka resy, ny farany dia ratsy noho ny voalohany.
ει γαρ αποφυγοντες τα μιασματα του κοσμου εν επιγνωσει του κυριου και σωτηρος ιησου χριστου τουτοις δε παλιν εμπλακεντες ηττωνται γεγονεν αυτοις τα εσχατα χειρονα των πρωτων
21 Fa tsara aminy raha tsy nahalala ny lalan’ ny fahamarinana toy izay hiala amin’ ny didy masìna natolotra azy, rehefa nahalala izany izy.
κρειττον γαρ ην αυτοις μη επεγνωκεναι την οδον της δικαιοσυνης η επιγνουσιν επιστρεψαι εκ της παραδοθεισης αυτοις αγιας εντολης
22 Efa mihatra aminy ny ohabolana marina hoe: “Ny amboa miverina indray amin’ ny loany”, ary: “Ny kisoavavy efa nisasa dia mihosim-potaka indray.”
συμβεβηκεν δε αυτοις το της αληθους παροιμιας κυων επιστρεψας επι το ιδιον εξεραμα και υς λουσαμενη εις κυλισμα βορβορου

< 2 Petera 2 >