< 2 Mpanjaka 8 >

1 Ary Elisa efa niteny tamin-dravehivavy, renin’ ilay zaza maty novelominy, ka nanao hoe: Miaingà, ka mandehana ianao sy ny ankohonanao, ary mivahinia any amin’ izay azonao hivahiniana; fa Jehovah efa niantso ny mosary, sady efa ho tonga izany ka haharitra fito taona amin’ ny tany.
Na kua korero a Eriha ki te wahine nana nei te tamaiti i whakaorangia e ia, kua mea, Whakatika, haere koutou ko tou whare, a e noho ki tau wahi e noho ai koe: kua karangatia hoki e Ihowa he matekai; a ka pa hoki ki te whenua, e whitu tau.
2 Dia niainga ravehivavy ka nanao araka ny tenin’ ilay lehilahin’ Andriamanitra; eny, lasa izy sy ny ankohonany ka nivahiny fito taona tany amin’ ny tanin’ ny Filistina.
Na ka whakatika taua wahine, ka mea i ta te tangata a te Atua i ki ai: a haere ana ratou ko tona whare, noho ana ki te whenua o nga Pirihitini, e whitu nga tau.
3 Ary nony afaka ny fito taona, dia nody avy tany amin’ ny tanin’ ny Filistina ravehivavy; ary lasa nitaraina tamin’ ny mpanjaka izy ny amin’ ny tranony sy ny taniny.
Na, i te takanga o nga tau e whitu, ka hoki atu taua wahine i te whenua o nga Pirihitini: a haere ana ia ki te karanga ki te kingi mo tona whare, mo tana mara.
4 Ary ny mpanjaka niteny tamin’ i Gehazy, zatovon’ ny lehilahin’ Andriamanitra, hoe: Masìna ianao, lazao amiko izay zava-dehibe rehetra nataon’ i Elisa.
Na ko te kingi i te korero ki a Kehati, tangata a te tangata a te Atua; i mea hoki ia, Tena, korerotia mai ki ahau nga mahi nunui katoa i mea ai a Eriha.
5 Ary raha mbola nilazalaza tamin’ ny mpanjaka ny amin’ ny nameloman’ i Elisa ny maty izy dia, indro, ilay vehivavy renin’ ny zaza maty novelominy, nitaraina tamin’ ny mpanjaka ny amin’ ny tranony sy ny taniny. Ary hoy Gehazy: Ry mpanjaka tompoko ô, ity ilay vehivavy, ary io koa ilay zanany maty novelomin’ i Elisa.
A, i a ia e korero ana ki te kingi i tana whakaoranga i te tupapaku, na, ko te wahine nana nei te tamaiti i whakaorangia e ia i te mate, e karanga ana ki te kingi mo tona whare, mo tana mara. Na ka mea a Kehati, E toku ariki, e te kingi, koia ten ei te wahine, a ko tana tama tenei i whakaorangia ra e Eriha.
6 Ary nony nanontanian’ ny mpanjaka ravehivavy, dia nilaza. Ary dia notendren’ ny mpanjaka ny tandapa anankiray ka nomeny teny hoe: Avereno izay azy rehetra, ary onero ny vokatry ny taniny rehetra hatramin’ ny andro nialany tamin’ ny tany ka mandraka ankehitriny.
A, i te uinga a te kingi ki te wahine ra, ka korerotia e ia ki a ia. Heoi ka tukua e te kingi ki a ia tetahi o nga rangatira, ka mea, Whakahokia ana mea katoa, me nga hua katoa o te mara mai o te ra i mahue ai i a ia te whenua a mohoa noa nei.
7 Ary Elisa tonga tany Damaskosy tamin’ i Beni-hadada, mpanjakan’ i Syria, narary; ary nisy nanambara taminy hoe: Indro, tonga atỳ ny lehilahin’ Andriamanitra.
A i haere a Eriha ki Ramahiku; a e mate ana a Peneharara kingi o Hiria; na ka whakaaturia ki a ia, ka korerotia, Kua tae mai te tangata a te Atua ki konei.
8 Dia hoy ny mpanjaka tamin’ i Hazaela: Mitondrà fanomezana eny an-tananao, ka mandehana, mitsenà ilay lehilahin’ Andriamanitra, ary manontania izay tenin’ i Jehovah aminy ka ataovy hoe: Ho sitrana ihany va aho amin’ izao aretiko izao?
Na ka mea atu te kingi ki a Hataere, Maua atu tetahi hakari i tou ringa, ka haere ki te whakatau i te tangata a te Atua, ka ui ki ta Ihowa ki a ia, ka mea, E ora ranei ahau i tenei mate?
9 Dia lasa Hazaela nitsena azy sady nitondra fanomezana tamin’ izay zava-tsoa rehetra any Damaskosy, dia entana entin-drameva efa-polo; ary tonga izy ka nitsangana teo anatrehany ary nanao hoe: Beni-hadada zanakao, mpanjakan’ i Syria, no naniraka ahy ho atỳ aminao hanontany hoe: Ho sitrana ihany va aho amin’ izao aretiko izao?
Na haere ana a Hataere ki te whakatau i a ia, me te mau ano he hakari i tona ringa, i etahi o nga mea papai katoa o Ramahiku, he kawenga na nga kamera e wha tekau, a ka tae, ka tu i tona aroaro, ka mea, Na tau tama, na Peneharara kingi o Hiria ah au i unga mai ki a koe, hei mea, E ora ranei ahau i tenei mate?
10 Ary hoy Elisa taminy: Mandehana, ka lazao aminy hoe: Eny, ho sitrana tokoa ianao. Kanefa Jehovah efa naneho ahy fa ho faty tokoa izy.
Ano ra ko Eriha ki a ia, Haere, mea atu ki a ia, E ora ano koe; otiia kua oti i a Ihowa te whakakite mai ki ahau, tera ia e mate.
11 Ary nibanjina azy mandra-pikaodikaodiny izy; ary dia nitomany ny lehilahin’ Andriamanitra.
Na ka whakatau ia i tona mata ki runga ki a ia, u tonu, a whakama noa ia; ko te tino tangihanga o te tangata a te Atua.
12 Ary hoy Hazaela: Nahoana no mitomany ianao, tompoko? Ary izy namaly hoe: Satria fantatro izay ratsy hataonao amin’ ny Zanak’ Isiraely: ny fiarovany mafy hodoranao, ny zatovony hovonoinao amin’ ny sabatra, ny zanany madinika hotorotoroinao, ary izay bevohoka eo aminy hotatahanao.
Na ka mea a Hataere, Na te aha toku ariki i tangi ai? Ano ra ko ia, No te mea e mohio ana ahau ki te kino e meatia e koe ki nga tama a Iharaira; ko o ratou pa e tahuna e koe ki te ahi, ko a ratou taitamariki e patua e koe ki te hoari, ko a ratou kohungahunga e taia iho e koe, a ko a ratou wahine hapu ka ripiripia e koe.
13 Fa hoy Hazaela: Fa zinona moa ny mpanomponao, dia ity alika ity, no dia hahavita izany zavatra lehibe izany? Fa Elisa namaly hoe: Efa nasehon’ i Jehovah tamiko fa, indro, ianao ho mpanjakan’ i Syria.
Ano ra ko Hataere, Ha! he aha tau pononga, he kuri noa nei, kia meatia e ia tenei mea nui? Ano ra ko Eriha, Kua whakakitea mai e Ihowa ki ahau, ko koe hei kingi mo Hiria.
14 Dia niala tamin’ i Elisa izy ka nankany amin’ ny tompony; ary izy nanontany azy hoe: Ahoana no nolazain’ i Elisa taminao? Dia namaly hoe izy: Nolazainy tamiko fa ho velona tokoa ianao.
Heoi mawehe atu ana ia i a Eriha, a ka tae ki tona ariki; a ka mea tera ki a ia, I pehea mai te kupu a Eriha ki a koe? Ano ra ko ia, E ki ana ia, tera koe e ora.
15 Ary nony ampitso, dia nalain’ i Hazaela ny lamba firakotra ka natsobony tamin’ ny rano ary nasarony ny tavan’ i Beni-hadada, ka dia maty izy; ary Hazaela no nanjaka nandimby azy.
Na, i te aonga ake, ka mau ia ki te kakahu matotoru, a tukua ana ki te wai, a uhia ana ki tona mata, na kua mate: a ko Hataere te kingi i muri i a ia.
16 Ary tamin’ ny taona fahadimy nanjakan’ i Jorama, zanak’ i Ahaba, mpanjakan’ ny Isiraely, no vao nanjakan’ i Jehorama, zanak’ i Josafata, mpanjakan’ ny Joda, tamin’ ny nanjakan’ i Josafata tany Joda.
I te rima o nga tau o Iorama tama a Ahapa kingi o Iharaira, i a Iehohapata e kingi ana ki a Hura, ka kingi a Iehorama tama a Iehohapata kingi o Hura.
17 Roa amby telo-polo taona izy, fony vao nanjaka, ary valo taona no nanjakany tany Jerosalema.
E toru tekau ma rua ona tau i a ia ka kingi nei, a e waru nga tau i kingi ai ia i Hiruharama.
18 Ary nandeha tamin’ ny lalan’ ny mpanjakan’ ny Isiraely izy, dia tahaka ny nataon’ ny taranak’ i Ahaba, fa ny zanakavavin’ i Ahaba no vadiny, eny, nanao izay ratsy eo imason’ i Jehovah izy.
Na haere ana ia i te ara o nga kingi o Iharaira, pera tonu me nga mahi a te whare o Ahapa: i a ia hoki te tamahine a Ahapa hei wahine: a i mahia e ia te mea kino ki ta Ihowa titiro.
19 Nefa Jehovah tsy nety nandringana ny Joda noho ny amin’ i Davida mpanompony, araka ilay nolazainy taminy fa homeny jiro mandrakizay ho an’ ny taranany.
Otiia kihai a Ihowa i pai ki te whakangaro i a Hura, i whakaaro hoki ki tana pononga, ki a Rawiri, i korero hoki ia ki a ia, ka hoatu e ia ki a ia he rama ma ana tamariki mo nga ra katoa.
20 Tamin’ ny androny no niodinan’ i Edoma ka tsy nanoa ny Joda, fa nanangana mpanjaka ho azy;
I ona ra ka maunu a Eroma i raro i te ringa o Hura, a whakakingitia ana he kingi mo ratou.
21 ka dia nankany Zaïra Jehorama, ary ny kalesy rehetra nentiny hiaraka aminy; ary nanaovany latsak’ alina ny Edomita, izay nanodidina azy, mbamin’ ny komandin’ ny kalesy; ary ny olona nandositra nody.
Katahi ka haere a Iorama ki Tairi, me ana hariata katoa i a ia: a whakatika ana ia i te po, a patua iho e ia nga Eromi i karapotia ai ia, ratou ko nga rangatira o nga hariata: e rere ana te iwi ki o ratou teneti.
22 Ary Edoma mbola niodina ka tsy nanoa ny Joda mandraka androany. Ary Libna koa dia niodina tamin’ izany andro izany.
Heoi i maunu a Eroma i raro i te ringa o Hura a tae noa ki tenei ra. Katahi ka maunu ano hoki a Ripina i taua wa.
23 Ary ny tantaran’ i Jehorama sisa mbamin’ izay rehetra nataony, tsy efa voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny tantaran’ ny mpanjakan’ ny Joda va?
Na, ko era atu meatanga a Iorama, me ana mahi katoa, kahore ianei i tuhituhia ki te pukapuka o nga meatanga o nga ra o nga kingi o Hura?
24 Ary Jehorama lasa nodimandry any amin’ ny razany, dia nalevina tao amin’ ny razany tao an-tanànan’ i Davida; ary Ahazia zanany no nanjaka nandimby azy.
Na kua moe a Iorama ki ona matua, a tanumia iho ki ona matua ki te pa o Rawiri; a ko Ahatia, ko tana tama te kingi i muri i a ia.
25 Ary tamin’ ny taona faharoa ambin’ ny folo nanjakan’ i Jorama, zanak’ i Ahaba, mpanjakan’ ny Isiraely, no vao nanjakan’ i Ahazia, zanak’ i Jehorama, mpanjakan’ ny Joda,
Na, i te tekau ma rua o nga tau o Iorama tama a Ahapa kingi o Iharaira, ka kingi a Ahatia tama a Iehorama kingi o Hura.
26 Roa amby roa-polo taona Ahazia, fony izy vao nanjaka, ary herintaona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Atalia, zanakavavin’ i Omry, mpanjakan’ ny Isiraely.
E rua tekau ma rua nga tau o Ahatia i a ia ka kingi nei; a kotahi ona tau i kingi ai i Hiruharama. A ko te ingoa o tona whaea ko Ataria tamahine a Omori kingi o Iharaira.
27 Ary nandeha tamin’ ny lalan’ ny taranak’ i Ahaba izy, ka nanao izay ratsy eo imason’ i Jehovah tahaka ny nataon’ ny taranak’ i Ahaba, fa vinanton’ ny taranak’ i Ahaba ihany izy.
Na haere ana ia i te ara o te whare o Ahapa, a mahia ana e ia te kino ki te titiro a Ihowa, pera tonu me ta te whare o Ahapa: ko ia hoki te hunaonga o te whare o Ahapa.
28 Ary niaraka tamin’ i Jorama, zanak’ i Ahaba, izy mba hiady amin’ i Hazaela, mpanjakan’ i Syria, tany Ramota-gileada; ary ny Syriana nahavoa an’ i Jorama.
Na haere ana ia me Iorama tama a Ahapa ki te whawhai ki a Hataere kingi o Hiria ki Ramoto Kireara: na tu ana a Iorama i nga Hiriani.
29 Dia niverina Jorama mpanjaka mba hotsaboina tao Jezirela amin’ ny feriny tamin’ ny nahavoazan’ ny Syriana azy tao Rama, fony izy niady tamin’ i Hazaela, mpanjakan’ i Syria. Ary Ahazia, zanak’ i Jehorama, mpanjakan’ ny Joda, nidina hamangy an’ i Jorama, zanak’ i Ahaba, teo Jezirela, satria narary izy.
Na hoki ana a Kingi Iorama ki Ietereere kia rongoatia nga tunga i tu ai ia i nga Hiriani ki Rama, i tana whawhai ki a Hataere kingi o Hiria. A haere ana a Ahatia tama a Iehorama kingi o Hura ki raro kia kite i a Iorama tama a Ahapa ki Ietereere, no te mea e mate ana ia.

< 2 Mpanjaka 8 >