< 2 Mpanjaka 6 >
1 Ary hoy ireo zanaky ny mpaminany tamin’ i Elisa: Indro, tsy omby anay ny toerana izay itoeranay eto aminao.
OLELO aku la na haumana a ka poe kaula ia Elisai, Aia hoi, ano o kahi a kakou e noho pu nei me oe, ua pilikia ia kakou.
2 Masìna ianao, aoka hankany Jordana izahay, ka samy haka hazo iray avy any, dia hanao trano ho anay any mba hitoeranay. Ary hoy izy: mandehana ary ianareo.
Ke noi aku nei, e ae mai oe, e hele makou i Ioredane, a e lawe kela kanaka keia kanaka, mailaila mai, i kahi laau, a e hana kakou malaila i wahi no kakou e noho ai. I mai la kela, E hele oukou.
3 Fa hoy ny anankiray: Masìna ianao, aoka mba hiaraka amin’ ny mpanomponao ho any koa ianao. Ary izy namaly hoe: Handeha ihany aho.
A i aku la kekahi, Ke noi aku nei au ia oe, e ae mai oe i ka hele pu me makou. I mai la ia, E hele no wau.
4 Ka dia niaraka taminy izy. Ary nony tonga tany Jordana ireo, dia nikapa hazo.
A hele pu aku la ia me lakou. A hiki lakou ma Ioredane, a kua laau lakou.
5 Fa nony nikapa hazo ny anankiray, dia latsaka tany anaty rano ny lela-famaky; ka dia nitaraina hoe izy: Indrisy, tompoko, nindramina iny.
A i ke kua laau ana a kekahi, poholo aku la ke koi iloko o ka wai: auwe iho la ia, i aku la, Auwe, e ka haku! no ka mea, no hai ia mea.
6 Ary hoy ny lehilahin’ Andriamanitra: Taiza no nahalatsahany? Dia natorony azy izay nahalatsahany. Ary Elisa nanapaka hazo, ka natsipiny teo, dia nitsinkafona ilay lela-famaky.
Ninau aku la ke kanaka o ke Akua, Mahea i poholo ai? Hoike mai la ia i kahi. A oki iho la ia i kahi laau, a hoolei iho la malaila, a laua mai ke koi.
7 Ary hoy izy: Indro, raisonao izy. Dia narosony ny tànany, ka noraisiny.
I aku la ia ia, E lawe mai ia nou. Kikoo aku la kona lima, a lawe mai ia mea.
8 Ary ny mpanjakan’ i Syria niady tamin’ ny Isiraely ka nilaza tamin’ ny mpanompony hoe: Any Anonana no hitobiako.
A kaua mai ke alii o Suria i ka Iseraela, a olelo pu ia me kana poe kauwa, i aku la, Ma kela wahi ka'u e hoomoana'i.
9 Ary ilay lehilahin’ Andriamanitra kosa naniraka tany amin’ ny mpanjakan’ ny Isiraely nanao hoe: Tandremo fandrao mankany Ananona ianao; fa any no hidinan’ ny Syriana.
A hoouna aku la ke kanaka o ke Akua i ke alii o ka Iseraela, i aku la, E malama oe, mai hele oe ma kela wahi; no ka mea, ua iho mai ko Suria malaila.
10 Ary ny mpanjakan’ ny Isiraely naniraka tany amin’ izay nolazain’ ny lehilahin’ Andriamanitra taminy sy nananarany azy, ka nampiambina tany tsy indray mandeha, na indroa aza.
Hoouna aku la ke alii o ka Iseraela i kela wahi a ke kanaka o ke Akua i hai mai ai ia ia, a i hoakaka mai ai ia ia, a malama kela ia ia iho malaila, aole i kekahi manawa, aole hoi i elua wale no.
11 Dia sosotra indrindra ny fon’ ny mpanjakan’ i Syria noho izany zavatra izany; koa niantso ny mpanompony izy ary nanao taminy hoe: Tsy hambaranareo ahy va izay eto amintsika momba ny mpanjakan’ ny Isiraely?
A pihoihoi ka naau o ke alii o Suria uo keia mea; a kahea aku la ia i kana poe kauwa, i aku la ia lakou, Aole anei oukou e hai mai ia'u, owai ka mea o kakou i launa pu me ke alii o ka Iseraela?
12 Ary hoy ny mpanompony anankiray: Tsy misy, ry mpanjaka tompoko; fa Elisa mpaminany ao amin’ ny Isiraely ihany no milaza amin’ ny mpanjakan’ ny Isiraely na dia izay teny lazainao ao amin’ ny trano fandrianao aza.
I mai la kekahi o na kauwa, Aole, e kuu haku e ke alii; aka, o Elisai ke kaula iloko o ka Iseraela, ka mea nana e hai aku i ke alii o ka Iseraela i na mea au i olelo ai maloko o kou keena moe.
13 Ary hoy ny mpanjaka: Andeha, izahao izay itoerany mba hanirahako hisambotra azy. Ary nolazaina taminy hoe: Indro, ao Dotana izy.
I aku la ia, E hele oukou a ike i kona wahi, i hoouna aku ai au e kii ia ia. A haiia mai ia ia, Aia no ia ma Dotana.
14 Ary dia nampandeha soavaly sy kalesy ary miaramila be ho any izy; ka tonga alina ireo ary nanodidina ny tanàna.
Hoouna aku la ia malaila i na lio, a me na halekaa, a me ka poe koa, he nui: a hele aku lakou i ka po, a hoopuni ae la i ke kulanakauhale.
15 Ary rehefa nifoha maraina koa ny zatovon’ ny lehilahin’ Andriamanitra ka nivoaka, dia, indreo, nisy miaramila sy soavaly ary kalesy manodidina ny tanàna. Dia hoy ilay zatovo taminy: Indrisy, tompoko! Ahoana no hataontsika?
A i ke ala ana o ke kauwa a ke kanaka o ke Akua i kakahiaka nui, a hele iwaho, aia hoi, ua puni ke kulanakauhale i ka poe kaua, i na lio, a me na halekaa: i aku la kana kauwa ia ia, Auwe, e kuu haku! pehea la e hanaia'i?
16 Ary hoy Elisa: Aza matahotra; fa ny momba antsika dia be noho ny momba azy.
I mai la ia, Mai makau oe; no ka mea, ua oi aku ka poe me kakou, mamua o ka poe me lakou.
17 Ary Elisa nivavaka hoe: Jehovah ô, mifona aminao aho, ampahirato ny masony mba hahitany. Ary Jehovah nampahiratra ny mason’ ilay zatovo; ary dia nahita izy, ka, indro, ny tendrombohitra feno soavaly sy kalesy afo manodidina an’ i Elisa.
A pule aku la o Elisai, i aku la, E Iehova, ke noi aku nei au ia oe, e wehe ae oe i kona maka, i ike ia. A wehe ae la o Iehova i na maka o ke kanaka opiopio, a ike aku la ia, aia hoi, na paapu ka mauna i na lio, a me na halekaa ahi, a puni o Elisai.
18 Dia nidina nankany aminy ireo, ary Elisa nivavaka tamin’ i Jehovah ka nanao hoe: Mifona aminao aho, ataovy manjambena ireto olona ireto. Ary dia nataony manjambena ireo araka ny tenin’ i Elisa.
A iho mai lakou io na la, pule aku la o Elisai ia Iehova, i aku la, Ke noi aku nei au ia oe, e hahau mai oe i keia poe kanaka i ka makapo. A hahau mai la ia ia lakou i ka makapo, e like me ka olelo a Elisai.
19 Ary hoy Elisa taminy: Tsy ity no lalana, ary tsy ity no tanàna; fa manaraha ahy ianareo, dia hitondra anareo ho any amin’ ny lehilahy tadiavinareo aho. Dia nentiny nankany Samaria ireo.
I aku la o Elisai ia lakou, Aole keia ke ala, aole hoi keia ke kulanakauhale; e hahai oukou ia'u, a e alakai aku au ia oukou i ke kanaka a oukou e imi nei; aka, alakai no ia ia lakou i Samaria.
20 Ary rehefa tonga tany Samaria izy ireo, dia hoy Elisa: Jehovah ô, ampahirato ny mason’ ireto mba hahitany. Ary Jehovah nampahiratra ny masony, dia nahita izy; ka, indro, tao afovoan’ i Samaria izy.
A hiki lakou i Samaria, i aku la o Elisai, E Iehova, e hookaakaa ae oe i ko lakou nei maka, i ike ai lakou. A hookaakaa ae la o Iehova i ko lakou maka, a ike lakou, aia hoi lakou iwaena konu o Samaria.
21 Ary nony nahita azy ny mpanjakan’ ny Isiraely, dia hoy izy tamin’ i Elisa: Ry ikaky ô, hasiako va izy? Hasiako va izy?
I mai la ke alii o ka Iseraela ia Elisai, i kona ike ana ia lakou, E kuu makua, e pepehi anei au? e pepehi anei au ia lakou?
22 Fa izy namaly hoe: Aza asianao izy; moa asianao izay nobaboinao tamin’ ny sabatrao sy ny tsipìkanao? Rosoy mofo sy rano eo anoloany mba hohaniny sy hosotroiny ary handehanany any amin’ ny tompony.
I aku la ia, Mai pepehi oe: e pono anei e pepehi i na mea au i lawe pio ai mo kau pahikaua a me kou kakaka? E kau i ka ai, a me ka wai imua o lakou, i ai ai lakou, a i inu hoi, a hoi aku i ko lakou haku.
23 Dia nanao fanasana lehibe ho azy ny mpanjaka; ary rehefa nihinana sy nisotro ireo, dia nampandehaniny, ary dia nankany amin’ ny tompony izy. Koa dia tsy nankany amin’ ny tanin’ ny Isiraely intsony ny mpitoha adin’ i Syria.
A hoomakaukau iho la ia i ahaaina nui na lakou, a pau ka lakou ai ana, a me ka inu ana, hookuu aku la ia ia lakou, a hele aku la lakou i ko lakou haku. Aole i hele hou mai ka poe hao wale o Suria i ka aina o ka Iseraela.
24 Ary rehefa afaka izany, Beni-hadada, mpanjakan’ i Syria, namory ny miaramilany rehetra, dia niakatra ka nanao fahirano an’ i Samaria.
A mahope iho hoakoakoa ae la o Benehadada, ke alii o Suria, i kona poe kaua a pau, a pii mai la e hoopilikia i Samaria.
25 Dia nisy mosary mafy tany Samaria; fa indro, nanao fahirano azy ireo mandra-pahatongan’ ny loham-boriky ho lafo sekely valo-polo sy ny taim-boromailala ampahefatry ny kaba ho sekely dimy.
A ua wi nui iloko o Samaria: aia hoi hoopilikia lakou ia, a kuaiia ke poo o ka hoki i kanawalu sekela kala, a hookahi hapaha o ke kaba lepo manu nunu i na sekela kala elima.
26 Ary raha nitsangantsangana teny ambonin’ ny manda ny mpanjakan’ ny Isiraely, dia nisy vehivavy nitaraina taminy hoe: Vonjeo aho, ry mpanjaka tompoko.
A i ka hele ana ae o ke alii o ka Iseraela maluna o ka papohaku, kahea mai la kekahi wahine ia ia, i mai la, E kokua mai, e kuu haku, e ke alii.
27 Ary hoy ny mpanjaka: Raha tsy vonjen’ i Jehovah ianao, aiza no hamonjeko anao? Amin’ ny famoloana va, sa amin’ ny famiazam-boaloboka?
I aku la ia, a i ole o Iehova e kokua mai ia oe, ma ka mea hea anei e kokua aku ai au ia oe? ma kahi e hehi ai i ka palaoa anei, a ma kahi e kaomi ai i ka waina anei?
28 Ary hoy koa ny mpanjaka taminy: Inona ary no alahelonao? Ary ravehivavy namaly hoe: Hoy ity vehivavy ity tamiko: Aiza ny zanakao hohanintsika anio, ary ny zanako kosa hohanintsika rahampitso.
Ninau aku ke alii ia ia, Heaha kau? I mai la kela, Ua i mai keia wahine ia'u, E haawi mai i kau keiki, i ai iho ai kaua i keia la, a e ai iho kaua i ka'u keiki i ka la apopo.
29 Ka dia nandrahoinay ny zanako ka nohaninay; ary nony ampitso, dia hoy izaho taminy: Aiza kosa ny zanakao mba hohanintsika? kanjo nafeniny ny zanany.
Hoolapalapa iho la maua i ka'u keiki, a ua ai iho, a i aku la au ia ia i kekahi la, e haawi mai oe i kau keiki; a ua huna ia i kana keiki.
30 Ary nony nandre ny tenin-dravehivavy ny mpanjaka, dia nandriatra ny fitafiany; ary nitsangantsangana teny ambonin’ ny manda izy, ka hitan’ ny olona fa, indro lamba fisaonana no nataony manolo-koditra.
A lohe ae la ke alii i ka olelo a ka wahine, haehae iho la ia i kona aahu; a hele ae la ia maluna o ka papohaku, a nana mai la na kanaka, aia hoi, he kapa inoino maluna o kona kino maloko.
31 Dia hoy izy: Hataon’ Andriamanitra amiko anie izany, eny, mihoatra noho izany aza, raha tsy hotapahina anio ny lohan’ i Elisa, zanak’ i Safata.
I aku la ia, E hana mai ke Akua ia'u pela, a e oi aku hoi, ke waihoia ko poo o Elisai, ke keiki a Sapata, maluna ona i keia la.
32 Fa Elisa nipetraka tao an-tranony, ary ny loholona nipetraka tao aminy; ary ny mpanjaka naniraka olona avy teo aminy; fa raha tsy mbola tonga tany amin’ i Elisa iny iraka iny, dia hoy izy tamin’ ny loholona: Hitanareo va ny nanirahan’ ity zanaky ny mpamono olona ity hanapaka ny lohako? Izahao, ka raha avy ny iraka, dia arindrino ny varavarana, ary atoseho mafy hisakana azy; tsy eo aoriany koa va ny fingadongadon’ ny tongotry ny tompony?
A e noho ana o Elisai iloko o kona hale, a e noho pu ana me ia na lunakahiko; a hoouna aku ke alii i ke kanaka mai kona alo aku: aka, mamua o ka hiki ana'ku o ke elele io na la, i mai la ia i na lunakahiko, E nana oukou ua hoouna mai nei keia keiki a ka mea pepehi kanaka e lawe i kuu poo: e nana, i ka manawa e hele mai ai ke elele, e pani aku i ka puka, a e hoopaa aku oukou ia ia ma ka puka: aole anei e kani ana na wawae o kona haku mahope ona?
33 Ary raha mbola niresaka taminy izy, indro, nidina nankao aminy ny iraka ka nanao hoe: Indro, izao loza izao avy amin’ i Jehovah; ka inona intsony no anantenako an’ i Jehovah?
A i kana kamailio ana me lakou, aia hoi, hiki mai ke elele io na la, i mai la, Aia hoi, no Iehova mai keia ino; no ke aha la au e kali hou aku ai ia Iehova?