< 2 Mpanjaka 4 >
1 Ary nisy vehivavy anankiray, vadin’ ny zanaky ny mpaminany, nitaraina tamin’ i Elisa hoe: Maty ny vadiko mpanomponao; ary ianao mahalala fa natahotra an’ i Jehovah ny mpanomponao; nefa tonga ny tompo-trosa haka ny zanako mirahalahy ho andevony
2 Dia hoy Elisa taminy: Inona ary no hataoko ho anao? Lazao amiko: inona avy no anananao ao an-trano? Fa hoy ravehivavy: Ny ankizivavinao tsy manana na inona na inona ao an-trano afa-tsy diloilo iray tavoara monja.
3 Ary hoy izy: Andeha mindram-bilany amin’ ny namanao rehetra manodidina, dia vilany tsy misy zavatra, nefa aza atao vitsy.
4 Ary rehefa tafiditra ianao, dia aoka hirindrim-baravarana ianao sy izy mirahalahy zanakao, ary manidina amin’ izany vilany rehetra izany, dia atokàny izay feno.
5 Dia niala teo aminy ravehivavy ka nirindrim-baravarana mbamin’ izy mirahalahy zanany, ary izy mirahalahy nitondra ny vilany ho any aminy, fa reniny kosa nanidina ny diloilo.
6 Ary nony feno ny vilany, dia hoy izy tamin’ ny zanany: Itondray vilany iray koa aho. Fa hoy kosa ireo taminy: Tsy misy vilany intsony. Ary dia nitsahatra ny diloilo.
7 Dia avy ravehivavy ka nilaza tamin’ ny lehilahin’ Andriamanitra. Ary hoy kosa izy: Mandehana, amidio ny diloilo, ka anefao izay trosan’ olona aminao, ary izay sisa dia hivelomanao sy ny zanakao.
8 Ary tamin’ ny indray andro Elisa dia nankany Sonema, ary nisy vehivavy mpanankarena teo izay nanery azy hihinan-kanina. Ary isaky ny mandalo izy, dia nivily nankao aminy hihinan-kanina.
9 Ary hoy ravehivavy tamin’ ny lahy; Indro, fantatro fa masìna sady lehilahin’ Andriamanitra ilay mpandalo eto amintsika mandrakariva.
10 Masìna ianao, andeha isika hanao efi-trano kely ambony rihana; ary hasiantsika fandriana sy latabatra sy seza ary fanaovan-jiro ho azy ao; ary raha tonga eto amintsika izy, dia ao no hipetraka.
11 Ary tamin’ ny indray andro dia tonga tao Elisa ka nipetraka tao amin’ ilay efi-trano ambony ary nandry tao.
12 Ary hoy izy tamin’ i Gehazy zatovony: Antsoy ilay Sonemita. Ary rehefa nantsoiny ravehivavy, dia nitsangana teo anatrehany izy.
13 Ary hoy Elisa tamin’ i Gehazy: Mba lazao amin-dravehivavy hoe: Indro, efa niahy anay tamin’ izao fiahiana rehetra izao ianao, koa inona kosa no mba hatao ho anao? Tianao holazaina amin’ ny mpanjaka va ianao, na amin’ ny komandin’ ny miaramila? Dia namaly ravehivavy hoe: Mitoetra atỳ amin’ ny fireneko aho.
14 Ary hoy Elisa: Fa inona ary no hatao ho anao? Dia namaly Gehazy hoe: Tsy hitanao va fa tsy manan-janaka izy, sady efa antitra ny lahy?
15 Ary hoy Elisa: Antsoy ary izy. Ary nony nantsoiny izy, dia nitsangana teo am-baravarana.
16 Dia hoy izy: Raha mby amin’ ny fotoana, raha avy ny taona toy izao, dia hitrotro zazalahy ianao. Ary hoy ravehivavy: Tsia, ry tompoko, lehilahin’ Andriamanitra, aza mandainga amin’ ny ankizivavinao.
17 Koa nefa nanan’ anaka tokoa ravehivavy, ka nony niherina ny taona, dia tera-dahy izy tamin’ ilay fotoana nolazain’ i Elisa taminy.
18 Ary nony efa lehibe ny zaza, dia nankany amin’ ny rainy tany amin’ ny mpijinja vary izy indray andro,
19 Ary hoy izy tamin-drainy: Edrey! ny an-dohako! ny an-dohako! Ary hoy rainy tamin’ ny zatovo anankiray: Ento ho any amin-dreniny izy.
20 Dia notrotroin’ ilay zatovo izy ka nentiny ho any amin-dreniny, ary nampofoiny izy mandra-pitataovovonan’ ny andro, dia maty.
21 Ary ravehivavy niakatra ka nampandry azy teo amin’ ny fandrian’ ilay lehilahin’ Andriamanitra, dia narindriny ny trano, ka nivoaka izy.
22 Ary niantso ny vadiny izy ka nanao hoe: Masìna ianao, asaovy misy zatovo anankiray mankaty amiko mitondra borikivavy anankiray, fa handeha faingana ho any amin’ ny lehilahin’ Andriamanitra aho, dia hiverina indray.
23 Fa hoy ny lahy: Inona no hankanesanao any aminy anio, nefa tsy mba andro tsinam-bolana na Sabata tsinona izao? Ary hoy ravehivavy: Ka nahoana aza?
24 Ary ravehivavy dia nanisy lasely ny borikivavy, ka hoy izy tamin’ ny zatovony: Ampandehano, izy ka mizora; aza miahotrahotra akory amin’ ny fampandehananao azy, raha tsy ampijanoniko ianao.
25 Dia lasa ravehivavy nankany amin’ ny lehilahin’ Andriamanitra tany an-tendrombohitra Karmela. Ary raha vao tazan’ ny lehilahin’ Andriamanitra avy erỳ izy, dia hoy izy tamin’ i Gehazy zatovony: Ilay Sonemita lahy iry;
26 masìna ianao, mihazakazaha hitsena azy, ka ataovy aminy hoe: Tsara ihany va ianao: Tsara ihany va ny vadinao? Tsara ihany va ny zazalahy? Ary hoy ny famaliny: Tsara ihany.
27 Ary rehefa tonga tany amin’ ny lehilahin’ Andriamanitra tany an-tendrombohitra izy, dia nandray ny tongony; fa Gehazy nanatona hampiala azy. Nefa hoy ny lehilahin’ Andriamanitra: Avelao ihany izy, fa ory ny fanahiny ao anatiny, ary Jehovah efa nanafina izany tamiko, fa tsy nanambara tamiko.
28 Dia hoy ravehivavy: Moa naniry zaza taminao va aho, tompoko? Tsy hoy va aho: Aza mamitaka ahy?
29 Ary hoy izy tamin’ i Gehazy: Misikìna, ary ento eny an-tananao ny tehiko, ka mandehana, raha mifanena amin’ olona ianao, aza miarahaba azy; ary raha misy miarahaba anao, aza mamaly azy akory; ary apetraho eo amin’ ny tavan’ ny zazalahy ny tehiko.
30 Ary hoy ny renin’ ny zazalahy: Raha velona koa Jehovah, ary raha velona koa ny ainao, dia tsy hiala aminao mihitsy aho. Ary ilay lehilahin’ Andriamanitra nitsangana ka nanaraka azy.
31 Ary Gehazy nialoha azy ka nametraka ny tehina teo amin’ ny tavan’ ny zazalahy; fa tsy nisy feo na faharenesana. Dia niverina nitsena azy indray izy ka nilaza taminy hoe: Tsy mahatsiaro akory ny zazalahy.
32 Ary rehefa tonga tao an-trano Elisa, indro, maty ny zazalahy sady nampandrina teo am-pandriany.
33 Ary niditra izy, ka nirindrim-baravarana tao izy roa lahy, ary Elisa nivavaka tamin’ i Jehovah.
34 Ary niakatra izy ka nandry niampatra tambonin’ ny zazalahy, ka ny vavany nataony tamin’ ny vavany, ary ny masony tamin’ ny masony, ary ny tànany tamin’ ny tànany, ka dia nafana ny tenan’ ny zazalahy.
35 Dia niasa-dia tao an-trano izy ary niverina niampatra taminy indray; dia nievina impito ny zazalahy, ary nihiratra ny masony.
36 Ary Elisa niantso an’ i Gehazy ka nanao hoe: Antsoy ilay Sonemita. Dia nantsoiny izy. Ary rehefa tafiditra tao aminy izy, dia hoy Elisa: Raiso ny zanakao.
37 Dia niditra ravehivavy ka niantoraka tamin’ ny tongony sady niankohoka tamin’ ny tany, dia nandray ny zanany izy ka lasa nivoaka.
38 Ary Elisa niverina nankany Gilgala; ary nisy mosary tamin’ ny tany; ary ny zanakalahin’ ny mpaminany nipetraka teo anatrehany, ka hoy izy tamin’ ny zatovony: Ataovy eo an-tokoana ny vilany lehibe, ary mahandroa hanina ho an’ ny zanakalahin’ ny mpaminany.
39 Ary ny anankiray nivoaka tany an-tsaha hitsongo anana ka nahita voantangomboalavo maniry ho azy, dia nanangona voany iray trotroana avy amin’ io; ary nony tonga izy, dia nosolatsolarany narotsany tao amin’ ny vilany nisy ny hanina, fa tsy nisy nahafantatra.
40 Ka dia noloarany hohanin’ ny olona izany. Ary raha mbola nihinana izy, dia nitaraina hoe: Ry lehilahin’ Andriamanitra ô, misy mahafaty ao am-bilany. Ary tsy azony nohanina.
41 Fa hoy Elisa: Itondray koba. Dia narotsany tao am-bilany ny koba, ka hoy izy: Andoary amin’ izao ny olona hohaniny. Ary dia tsy nisy zavatra nampaninona intsony tao am-bilany.
42 Ary nisy lehilahy avy tany Bala-salisa nitondra mofo avy amin’ ny voaloham-bokatra ho an’ ny lehilahin’ Andriamanitra, dia mofo vary hordea roa-polo sy salohim-bary maitso tao an-kitapo. Dia hoy Elisa: Omeo ny olona hohaniny ireny.
43 Fa hoy kosa ny mpanompony: Hataoko ahoana no fametraka ity eo anoloan’ ny zato lahy? Ary hoy indray Elisa: Omeo ihany ny olona hohaniny; fa izao no lazain’ i Jehovah: Hihinana izy, ary mbola hisy sisa tsy lany.
44 Dia narosony teo anoloany, ka dia nihinana izy, ary mbola nisy sisa tsy lany aza araka ny tenin’ i Jehovah.