< 2 Mpanjaka 25 >
1 Ary tamin’ ny andro fahafolo tamin’ ny volana fahafolo tamin’ ny taona fahasivy nanjakan’ i Zedekia dia tonga Nebokadnezara, mpanjakan’ i Babylona, sy ny miaramilany rehetra hamely an’ i Jerosalema indray ka nitoby tandrifiny; ary nanao tilikambo manodidina azy izy.
Och det begaf sig i nionde årena af hans rike, på tionde dagen i tionde månadenom, kom NebucadNezar, Konungen i Babel, med all sin magt för Jerusalem, och de lägrade sig der före, och byggde skansar allt omkring.
2 Ary nataony fahirano ny tanàna hatramin’ ny taona fahiraika ambin’ ny folo nanjakan’ i Zedekia mpanjaka.
Alltså vardt staden belagd, allt intill ellofte året af Konung Zedekia rike.
3 Ary tamin’ ny andro fahasivy tamin’ ny volana fahefatra dia mafy ny mosary tao an-tanàna, fa tsy nisy hanina ho an’ ny olona tompon-tany.
Men i nionde månadenom vardt hungren stark i stadenom, så att folket i landena hade intet äta.
4 Ary nisy voabanga ny tanana, dia nandositra alina ny miaramila rehetra tamin’ ny lalana nankamin’ ny vavahady tanelanelan’ ny manda roa, izay eo anilan’ ny sahan’ ny mpanjaka (fa ny Kaldeana nanodidina ny tanàna), ary ny mpanjaka nandeha tamin’ ny lalana mankeny amin’ ny tani-hay.
Då föll man in i staden, och alle krigsmän flydde om nattena, den vägen ifrå porten, som går emellan de två murar åt Konungsträgården. Och de Chaldeer lågo omkring staden. Och han flydde den vägen åt hedmarkena.
5 Ary ny miaramilan’ ny Kaldeana nanenjika ny mpanjaka ka nahatratra azy teny amin’ ny tani-hay any Jeriko; dia nipariaka nandao azy ny miaramilany rehetra.
Men de Chaldeers magt jagade efter Konungen, och grepo honom på hedmarkene vid Jericho. Och alle krigsmännerna, som när honom voro, vordo förskingrade ifrå honom.
6 Ary voasambotra ny mpanjaka ka nentina niakatra ho any amin’ ny mpanjakan’ i Babylona tao Ribla, ka dia notsaraina tao izy.
Men Konungen grepo de, och förde honom upp till Konungen af Babel till Riblath; och de sade en dom öfver honom.
7 Ary ny zanakalahin’ i Zedekia dia novonoiny teo imason-drainy, ary ny mason’ i Zedekia kosa nopotsiriny, dia nafatony tamin’ ny gadra varahina izy ka nentiny nankany Babylona.
Och de slogo Zedekia barn ihjäl för hans ögon, och stungo Zedekia hans ögon ut, och bundo honom med kedjor, och förde honom till Babel.
8 Ary tamin’ ny andro fahafito tamin’ ny volana fahadimy tamin’ ny taona fahasivy ambin’ ny folo nanjakan’ i Nebokadnezara, mpanjakan’ i Babylona dia tonga tany Jerosalema Nebozaradana, lehiben’ ny mpiambina, mpanompon’ ny mpanjakan’ i Babylona,
På sjunde dagen i femte månadenom, det är nittonde året NebucadNezars, Konungens i Babel, kom NebusarAdan hofmästaren, Konungens tjenare i Babel, till Jerusalem;
9 ka nandoro ny tranon’ i Jehovah sy ny tranon’ ny mpanjaka mbamin’ ny trano rehetra tany Jerosalema: ny trano lehibe rehetra dia nodorany tamin’ ny afo avokoa.
Och uppbrände Herrans hus, och Konungshuset, och all hus i Jerusalem, och all stor hus brände han upp med eld.
10 Ary ny manda manodidina an’ i Jerosalema dia noravan’ ny miaramilan’ ny Kaldeana rehetra, izay nanaraka ny lehiben’ ny mpiambina.
Och hela de Chaldeers magt, som med hofmästarenom var, bröt omkull murarna, som omkring Jerusalem voro.
11 Ary izay olona sisa tao an-tanana sy izay efa nandositra nanatona ny mpanjakan’ i Babylona ary ny vahoaka betsaka sisa dia nentin’ i Neborazadana, lehiben’ ny mpiambina, ho babo avokoa.
Men det andra folket, som qvart var i stadenom, och de som till Konungen af Babel fallne voro, och det andra meniga folket, förde NebusarAdan hofmästaren bort.
12 Nefa ny olona malahelo dia nisy navelany ihany ho mpamboatra tanim-boaloboka sy ho mpiasa tany.
Och af de ringesta i landena lät hofmästaren blifva till vingårdsmän, och åkermän.
13 Ary ireo andry varahina teo an-tranon’ i Jehovah sy ny fitoeran-tavin-drano sy ny tavin-drano varahina lehibe izay teo an-tranon’ i Jehovah dia notorotoroin’ ny Kaldeana, ka nentiny ho any Babylona ny varahina.
Men de kopparstodar i Herrans hus, och stolarna, och kopparhafvet, som i Herrans hus var, slogo de Chaldeer sönder, och förde kopparen till Babel.
14 Ary nentiny koa ny vilany fandraofan-davenona sy ny sotron’ afo sy ny antsy sy ny lovia kely ary ny fanaka varahina rehetra izay nenti-nanao fanompoam-pivavahana.
Och grytor, skoflar, knifvar, skedar, och all kopparkärile, dermed man tjente, togo de bort.
15 Ary nentiny koa ny fitoeran-davenon-jiro sy ny lovia famafazana na ny volamena na ny volafotsy dia samy nentiny avokoa
Dertill tog hofmästaren pannor och bäcken, hvad af guld och silfver var;
16 ary ny andry roa sy ny tavin-drano lehibe iray ary ireo fitoeran-tavin-drano, izay nataon’ i Solomona ho amin’ ny tranon’ i Jehovah; ny varahina tamin’ izany fanaka rehetra izany dia tsy hita lanja.
Två stodar, ett haf, och de stolar, som Salomo hade göra låtit till Herrans hus; kopparen af all denna tygen stod icke till vägandes.
17 Valo ambin’ ny folo hakiho ny hahavon’ ny andry iray, ary varahina ny kapitaliny sady telo hakiho ny hahavony; ary varahina avokoa ny harato sy ny ampongabendanitra amin’ ny kapitaliny manodidina; ary tahaka izany koa ny andry faharoa mbamin’ ny harato.
Aderton alnar hög var en stoden, och knappen derpå var ock af koppar, och tre alnar hög; och gjordarne, och granatäplen allt omkring knappen, var ock allt af koppar; vid samma sättet var ock den andre stoden med gjordar.
18 Ary ny lehiben’ ny mpiambina nisambotra an’ i Seraia mpisoronabe sy zefania, mpisorona manarakaraka, ary mpiandry varavarana koa telo lahy;
Och hofmästaren tog Presten Seraja af första skiftet, och Presten Zephania af det andra skiftet, och tre dörravaktare,
19 ary tao an-tanàna no nisamborany ny tandapa anankiray, mpifehy ny miaramila, ary dimy lahy tamin’ izay mpitoetra teo anatrehan’ ny mpanjaka, izay hita tao an-tanàna, ary ny mpanoratry ny komandin’ ny miaramila, izay mpandamina ny ho miaramila, sy ny olona tompon-tany enim-polo lahy, izay hitany tao an-tanàna;
Och en kamerer utu stadenom, som öfver krigsmännerna satt var, och fem män, som allstädes hade ståndit för Konungenom, och i stadenom funne voro, och Sopher, härhöfvitsmannen, som folket i landena strida lärde, och sextio män af landsfolkena, som i stadenom funne voro.
20 dia nosamborin’ i Nebozaradana, lehiben’ ny mpiambina, ireo ka nentiny ho any amin’ ny mpanjakan’ i Babylona tao Ribla.
Dessa tog NebusarAdan hofmästaren, och förde dem till Konungen af Babel till Riblath.
21 Dia novonoin’ ny mpanjakan’ i Babylona tao Ribla any amin’ ny tany Hamata ireo. Toy izany no nitondrana ny Joda ho babo niala tamin’ ny taniny.
Och Konungen i Babel slog dem ihjäl i Riblath, i de landena Hamath. Alltså vardt Juda bortförd utu sitt land.
22 Fa ny amin’ ny olona izay sisa tany amin’ ny tanin’ ny Joda, izay navelan’ i Nebokadnezara, mpanjakan’ i Babylona, dia Gedalia, zanak’ i Ahikama, zanak’ i Safana, no notendreny ho mpanapaka azy.
Men öfver det folk, som qvart blef i Juda land, som NebucadNezar, Konungen i Babel, qvart blifva lät, satte han Gedalja, Ahikams son, Saphans sons.
23 Ary nony ren’ ny komandin’ ny miaramila rehetra mbamin’ ny olom-peheziny avy fa Gedalia no notendren’ i Nebokadnezara, mpanjakan’ i Babylona, ho mpanapaka, dia nankany amin’ i Gedalia tany Mizpa Isimaela, zanak’ i Netania, sy Johanana, zanak’ i Karea, sy Seraia, zanak’ i Tanometa Netofatita, ary Jazania, zanak’ ilay Makatita, dia ireo sy ny olom-peheziny avy.
Då nu allt krigsfolkets höfvitsmän och männerna hörde, att Konungen af Babel hade uppsatt Gedalja, kommo de till Gedalja i Mizpa, nämliga Ismael, Nethania son, och Johanan, Kareahs son, och Seraja, Thanhumeths son, den Netophathiten, och Jaesania, Maachati son, samt med deras män.
24 Ary Gedalia nianiana taminy sy tamin’ ny olom-peheziny ka nanao hoe: Aza matahotra ny amin’ ny mpanompon’ ny Kaldeana, fa mitomoera amin’ ny tany, ary manompoa ny mpanjakan’ i Babylona, fa izany no hahasoa anareo.
Och Gedalja svor dem, och deras män, och sade till dem: Frukter eder intet att vara de Chaldeers underdånar; blifver i landena, och varer Konungenom af Babel underdånige, så går eder väl.
25 Ary tamin’ ny volana fahafito, dia avy Isimaela, zanak’ i Netania, zanak’ i Elisama, isan’ ny fianakavian’ ny mpanjaka, mbamin’ ny olona folo lahy koa ka namely an’ i Gedalia, dia nahafaty azy sy ny Jiosy ary ny Kaldeana izay tao aminy tany Mizpa.
Men i sjunde månadenom kom Ismael, Nethania son, Elisama sons, utaf Konungsliga slägt, och tio män med honom, och slogo Gedalja ihjäl; dertill de Judar och Chaldeer, som med honom voro i Mizpa.
26 Ary niainga ny olona rehetra, na kely na lehibe, mbamin’ ny komandin’ ny miaramila, nankany Egypta, fa natahotra ny Kaldeana izy.
Då reste sig upp allt folket, både små och store, och krigsöverstarna, och kommo in uti Egypten; förty de fruktade sig för de Chaldeer.
27 Ary tamin’ ny andro fahafito amby roa-polo tamin’ ny volana faharoa ambin’ ny folo tamin’ ny taona fahafito amby telo-polo taorian’ ny namaboana an’ i Joiakina, mpanjakan’ ny Joda, tamin’ ny taona vao nanjakan’ i Evila-merodaka, mpanjakan’ i Babylona, dia nasandrany hiala tao an-trano-maizina Joiakina, mpanjakan’ ny Joda.
Uti sjunde och tretionde årena, sedan Jojachin, Juda Konung, bortförd var, på sjunde och tjugonde dagen i tolfte månadenom, hof EvilMerodach, Konungen i Babel, uti första årena af sitt rike, Jojachins, Juda Konungs, hufvud upp utu fängslehuset;
28 Dia nitenenany soa izy, ka ny seza fiandrianany nataony ambony noho ny seza fiandrianan’ ireo mpanjaka namany tao Babylona.
Och talade vänliga med honom, och satte hans stol utöfver de Konungars stolar, som när honom voro i Babel;
29 Ka dia novan’ i Joiakina ny fitafiany fony mbola tao an-trano-maizina; ary nihinan-kanina teo anatrehany mandrakariva izy tamin’ ny andro niainany rehetra.
Och förvandlade hans fängelsekläder; och han åt alltid inför honom i alla sina lifsdagar;
30 Ary ny hanina nohaniny dia hanina nomena avy amin’ ny mpanjaka araka ny tokony ho anjarany isan’ andro isan’ andro tamin’ ny andro rehetra niainany.
Och satte honom före hans del, den man honom alltid gifva skulle af Konungenom, hvar dag, så länge han lefde.