< 2 Mpanjaka 23 >

1 Ary nanirahan’ ny mpanjaka, ka dia vory tany aminy ny loholon’ ny Joda Jerosalema rehetra.
Hivyo mfalme akawatuma wajumbe waliokuwa wamemzunguka wazee wote wa Yuda na wa Yerusalemu.
2 Dia niakatra ho ao an-tranon’ i Jehovah ny mpanjaka, ary nanaraka azy ny lehilahy rehetra amin’ ny Joda sy ny mponina rehetra tany Jerosalema mbamin’ ny mpisorona sy ny mpaminany ary ny vahoaka rehetra, na kely na lehibe; ary novakiny teo anatrehany ny teny rehetra tamin’ ny bokin’ ny fanekena izay hita tao an-tranon’ i Jehovah.
Kisha mfalme akapanda hadi kwenye nyumba ya Yahwe, na watu wote wa Yuda na wenyeji wote wa Yerusalemu pamoja naye, na makuhani, manabii, na watu wote, kuanzia mdogo hadi mkubwa. Kisha akasoma katika masikioni kwao maneno yote ya kitabu cha agano ambalo lililokuwa limepatikana kwenye nyumba ya Yahwe.
3 Ary ny mpanjaka nitsangana teo amin’ ny fitoeran’ andriana, dia nanao fanekena teo anatrehan’ i Jehovah hanaraka Azy sy hitandrina ny lalàny sy ny teni-vavolombelony ary ny didiny amin’ ny fony rehetra sy ny fanahiny rehetra, hankatò ny tenin’ ny fanekena sy izay voasoratra ao amin’ izany boky izany. Ary ny vahoaka rehetra koa dia mba nanaiky ny fanekena.
Mfalme akasimama karibu na nguzo na kufanya agano mbele ya Yahwe, kutembea pamoja na Yahwe na kukumbuka maagizo yake, kanuni zake, na sheria zake, kwa moyo wake wote na kwa roho yake yote, kuthibitisha maneno ya hili agano ambalo lililokuwa limeandikwa kwenye hiki kitabu. Hivyo watu wote wakakubaliana kusimama kwenye agano
4 Ary ny mpanjaka nandidy an’ i Hilkia mpisoronabe sy ireo mpisorona manarakaraka ary ny mpiandry varavarana hamoaka ny fanaka rehetra izay natao ho an’ i Bala sy Astarta ary ho an’ izay rehetra eny amin’ ny lanitra hiala amin’ ny tempolin’ i Jehovah; ka nodorany tany ivelan’ i Jerosalema teny amin’ ny saha amoron’ i Kidrona ireny, ary nentiny ho any Betela ny vovony.
Mfalme akamwamuru Hilkia yule kuhani mkuu, makuhani chini yake, na walinzi wa lango watoe kwenye hekalu vyombo vilivyokuwa vimetengenezwa kwa ajili ya Baali na Ashera, na kwa ajili ya nyota zote za mbinguni. Akivichoma moto Yerusalimu kwenye mashamba ya bonde la Kidroni na kubeba majivu yake kwenda Betheli.
5 Ary natsahany koa ny mpisorona amin’ ny andriamani-tsi-izy, izay notendren’ ny mpanjakan’ ny Joda handoro ditin-kazo manitra eny amin’ ny fitoerana avo tany amin’ ny tanànan’ ny Joda sy tamin’ ny manodidina an’ i Jerosalema, sy izay nandoro ditin-kazo manitra koa ho an’ i Bala, dia ny masoandro, ary ho an’ ny volana sy ny kintana amin’ ny Zodiaka ary ho an’ izay rehetra eny amin’ ny lanitra.
Akawaondoa makuhani waliokuwa wanaabudu miungu ambao wafalme wa Yuda waliwachagua ili kwa ajili ya kufukiza ubani katika mahali pa juu kwenye miji ya Yuda na sehemu zinazoizunguka Yerusalemu-wale waliokuwa wanchoma ubani kwa Baali, kwa juana kwa mwezi, kwa sayari, na kwa nyota zote za mbinguni.
6 Ary ny Aseraha navoakany hiala amin’ ny tranon’ i Jehovah ho any ivelan’ i Jerosalema, ao amin’ ny lohasahan-driaka Kidrona; ary nodorany tao io ka notorotoroiny ho vovoka, ary ny vovony nafafiny teny ambonin’ ny fasam-bahoaka.
Akaiondoa Ashera kutoka kwenye hekalu la Yahwe, nje ya Yerusalemu hata bonde la Kidroni na kuichoma hapo. Akaipiga kwenye mavumbi na kuiyatupa yale mavumbi kwenye makaburi ya watu wa kawaida.
7 Ary noravany ny tranon’ ny olona nanolo-tena hijangajanga ho fanompoan-tsampy izay teo amin’ ny tranon’ i Jehovah, dia ireo nanenoman’ ny vehivavy lay ho an’ i Astarta.
Akavisafisha vyumba vya makahaba ambao walikuwa kwenye hekalu la Yahwe, ambako wanawake waliposhonea nguo kwa ajili ya Ashera
8 Ary nampaka ny mpisorona rehetra avy tamin’ ny tanànan’ ny Joda izy, dia nolotoiny ny fitoerana avo, izay nandoroan’ ny mpisorona ditin-kazo manitra, hatrany Geba ka hatrany Beri-sheba ary noravany ny fitoerana avo tao akaikin’ ny vavahady, dia ilay teo anoloan’ ny vavahadin’ i Josoa, komandin’ ny tanàna, sy ilay teo an-kavia raha miditra amin’ ny vavahadin’ ny tanana.
Yosia akawaleta makuhani wote nje ya miji ya Yuda na kupanajisi mahali pa juu ambako makuhani walipokuwa wakichomea ubani, kutoka Geba hata Bersheba. Akapaharibu mahala pa juu kwenye malango ambayo yaliyokuwa ya kuingilia kwenda kwenye lango la Yoshua (liwali wa mji), upande wa kushoto wa lango la mji.
9 Fa ny mpisorona tamin’ ny fitoerana avo tsy navela hanatitra teo ambonin’ ny alitaran’ i Jehovah any Jerosalema; nefa nahazo niara-nihinana mofo tsy misy masirasira tamin’ ny rahalahiny ihany izy.
Ingawa makuhani wa mahali pa juu hawakuruhusiwa kuhudumu kwenye madhabahu ya Yahwe katika Yerusalemu, wakala mikate isiyotiwa chachu miongoni mwa ndugu zao.
10 Ary nolotoiny koa Tofeta, izay eo amin’ ny lohasahan’ ny taranak’ i Hinoma, mba tsy hisy hampandeha ny zananilahy na ny zananivavy hamaky ny afo ho an’ i Moloka intsony.
Yosia akainajisi Tofethi, ambayo ipo kwenye bonde la Ben Hinomu, ili kwamba mtu yeyote asimuweke mtoto wake wa kiume au binti yake kwenye moto kama sadaka kwa Molaki.
11 Ary ny soavaly izay nohamasinin’ ireo mpanjakan’ ny Joda ho an’ ny masoandro ka nataony teo amin’ ny fidirana ho ao an-tranon’ i Jehovah, teo akaikin’ ny efi-tranon’ i Natana-meleka tandapa, izay tao Parvara, dia nesoriny; ary ny kalesin’ ny masoandro nodorany tamin’ ny afo.
Akawachukua farasi ambao wafalme wa Yuda waliokuwa wametolewa kwa ajili ya jua. Walikuwa kwenye eneo la lango la uingilia kwenye hekalu la Yahwe, karibu na chumba cha Nathani Meleki, msimamizi mkuu wa nyumba ya mfalme. Yosia akayachoma yale magari ya farasi ya jua
12 Ary ireo alitara teo an-tampon-trano ambony amin’ ny tranon’ i Ahaza, izay nataon’ ireo mpanjakan’ ny Joda, sy ny alitara izay nataon’ i Manase tao anatin’ ny kianja roa tamin’ ny tranon’ i Jehovah, dia noravan’ ny mpanjaka ka notorotoroiny, dia nafafiny tany amin’ ny lohasahan-driaka Kidrona ny vovony.
Yosia mfalme akayaharibu madhabahu yaliyokuwa kwenye dari ya juu ya chumba cha Ahazi, ambacho wafalme wa Yuda walikitengeneza, na madhabahu ambayo Manase aliyatengeneza kwenye behewa mbili za nyumba ya Yahwe. Yosia akazivunga vipande vipande na kuvitupa kwenye bonde la Kidroni.
13 Ary nolotoin’ ny mpanjaka ireo fitoerana avo izay teo anoloan’ i Jerosalema, teo amin’ ny ankavanan’ ny tendrombohitra nahitan-doza, dia ireo nataon’ i Solomona, mpanjakan’ ny Isiraely, ho an’ i Astarta, fa havetavetan’ ny Sidoniana, sy ho an’ i Kemosy, fahavetavetan’ i Moaba, ary ho an’ i Milkoma, fahavetavetan’ ny taranak’ i Amona.
Mfalme akapaangamiza mahali pa juu magharibi mwa Yerusalemu, kusini mwa mlima wa uharibifu ambapo Sulemani mfalme wa Israeli alipajenga kwa ajili ya Ashtorithi, chukizo la Wamoabu; sanamu za karaha za Wasidoni; kwa Kemoshi, sanamu za karaha wa Moabu; na kwa Moleki, sanamu wa karaha wa watu wa Amoni.
14 Dia notorotoroiny ny tsangam-baton-tsampy sady nokapainy koa ny Aseraha, ka nofenoiny taolan’ olona ny nitoerany.
Akazivunja nguzo za jiwe kuwa vipande vipande na kuziangusha chini nguzo za Ashera na kuzijaza zile sehemu kwa mifupa ya watu.
15 Ary ny alitara izay tao Betela sy ny fitoerana avo izay nataon’ i Jeroboama, zanak’ i Nebata, ilay nampanota ny Isiraely, dia noravany koa; ary nodorany ny fitoerana avo ka notorotoroiny ho vovoka, ary nodorany koa ny Aseraha.
Yosia pia akaiteketeza kabisa madhabahu iliyokuwa Betheli na mahali pa juu ambako Yeroboamu mwana wa Nebati (ambaye aliwafanya Waisraeli kuasi) aliijenga. Pia aliichoma moto ile madhabahu na mahali pa juu na kupapiga hadi pakawa vumbi. Pia akaichoma moto nguzo ya Ashera.
16 Ary nitodika Josia ka nahita ny fasana teny an-tendrombohitra, dia naniraka naka ny taolana tao am-pasana, ary nodorany teo ambonin’ ny alitara ireny nandotoany azy, araka ny tenin’ i Jehovah, izay notorin’ ilay lehilahin’ Andriamanitra.
Yosia alipotazama kwenye lile eneo, akagundua kwamba yale makaburi yalikuwa juu ya mlima. Akawatuma watu kuichukua mifupa kutoka kwenye yale makaburi; kisha akaichoma kwenye madhabahu, akainajisi. Hii ilitokana na neno la Yahwe ambalo mtu wa Mungu aliliongea, yule mtu aliyekuwa ameongea haya mambo kabla.
17 Dia hoy izy: Tsangam-baton’ iza itsy hitako itsy? Ary hoy ny mponina tao an-tanana taminy: Fasan’ ilay lehilahin’ Andriamanitra izay avy tany Joda io, dia ilay nitory izao zavatra nataonao tamin’ ny alitara eto Betela izao.
Kisha akasema, “Ni ukumbusho wa nani ule ninao uona?” Mtu wa ule mji akamwambia, “Lile ni kaburi la mtu wa Mungu ambaye alikuja kutoka Yuda na kuongea kuhusu haya mambo ambayo ameyafanya dhidi ya madhabahu ya Betheli.”
18 Ary hoy izy: Aoka itsy; aza misy manetsika ny taolany akory. Dia tsy nokasihiny ny taolany sy ny taolan’ ilay mpaminany avy tany Samaria.
Hivyo Yosia akasema, “Mwacheni. Mtu asihamishe mifupa yake.” Hivyo wakaacha mifupa yake, pamoja na mifupa ya nabii ambaye alikuja kutoka Samaria.
19 Ary ny trano rehetra tamin’ ny fitoerana avo, izay teny amin’ ny tanànan’ i Samaria, izay nataon’ ireo mpanjakan’ ny Isiraely ka nahatonga fahatezerana, dia noravan’ i Josia koa ka nataony araka izay rehetra efa navony tany Betela.
Kisha Yosia akahamisha nyumba zote za mahali pa juu ambazo zilikuwa katika mji wa Samaria, ambazo wafalme wa Israeli walizokuwa wamezitengeneza, na ambazo zilizokuwa zimemgadhabisha Yahwe kwa hasira.
20 Ary ny mpisorona rehetra izay teo, dia ny mpisorona amin’ ny fitoerana avo, novonoiny teo ambonin’ ny alitara, sady nandoro taolan’ olona teo koa izy, dia niverina nankany Jerosalema.
Aliwafanyia kile ambacho kilikuwa kimefanyika katika Betheli. Aliwachinja makuhani wote wa mahali pa juu ya madhabahu na aliichoma mifupa ya watu juu yao. Kisha akarudi Yerusalemu.
21 Ary ny mpanjaka nandidy ny vahoaka rehetra hoe: Tandremo ny Paskan’ i Jehovah Andriamanitrareo, araka ny voasoratra ao amin’ ny bokin’ ity fanekena ity.
Kisha mfalme akawaamuru watu wote, akisema, “Itunzeni Pasaka ya Yahwe Mungu wenu, kama ilivyoandikwa kwenye hiki kitabu cha agano.”
22 Fa tsy nisy Paska notandremana toy izany hatramin’ ny andron’ ny mpitsara izay nitsara ny Isiraely, na tamin’ ny andro rehetra nanjakan’ ny mpanjakan’ ny Isiraely sy ny mpanjakan’ ny Joda;
Hiyo Pasaka haijawahi kufanyika tangu siku za waamuzi ambao waliiongoza Israeli, wala katika siku zote za wafalme wa Israeli au Yuda.
23 fa tamin’ ny taona fahavalo ambin’ ny folo nanjakan’ i Josia mpanjaka no nitandremany izany Paska izany ho an’ i Jehovah tany Jerosalema.
Lakini katika mwaka wa kumi na nane wa Mfalme Yosia hii Pasaka ya Yahwe ilisheherekewa katika Yerusalemu.
24 Ary ny nanao azy ho tsindrian-javatra sy ny mpanao hatsarana sy ny terafima sy ny sampy ary ny fahavetavetana rehetra izay hita tany amin’ ny tany Joda sy tany Jerosalema dia nesorin’ i Josia koa, mba hanatanterahana ny tenin’ ny lalàna voasoratra ao amin’ ilay boky hitan’ i Hilkia mpisorona tao an-tranon’ i Jehovah.
Yosia pia akawafukuza wale ambao waliokuwa wameongea na wafu au na roho. Pia aliifukuza miungu ya sananmu, sanamu, na vitu vyote ambavyo ni chukizo vilivyokuwa vinaonekana katika nchi ya Yuda na katika Yerusalemu, hivyo kwa kuthibitisha yale maneno ya sheria ambayo iliyokuwa imeandikwa kwenye kitabu cha Hilkia yule kuhani aliyekuwa amepatikana kwenye nyumba ya Yahwe.
25 Ary tsy nisy mpanjaka tahaka azy teo alohany, izay niverina ho amin’ i Jehovah tamin’ ny fony rehetra sy ny fanahiny rehetra sy ny heriny rehetra araka ny lalàn’ i Mosesy rehetra; sady tsy nisy tahaka azy intsony niseho tao aoriany.
Kabla ya Yosia, hapakuwa na mfalme kama yeye, aliyekuwa amemwelekea yahwe kwa moyo wake wote, roho yake yote, na nguvu zake zote, ambaye alifuata sheria zote za Musa. Hapakuwa na mfalme kama Yosia aliyeinuka baada ya yeye.
26 Nefa Jehovah tsy nitsahatra tamin’ ny firehetan’ ny fahatezerany mafy, dia ilay fahatezerana nirehitra tamin’ ny Joda noho ny fampahatezerana rehetra izay nampahatezeran’ i Manase Azy.
Walakini, Yahwe hakugeuka kutoka kwenye ukali wa hasira yake, ambayo ilikuwa dhidi ya Yuda kwa waabudu wapagani wote pamoja ambao Manase aliokuwa amemgadhibisha.
27 Dia hoy Jehovah: Hesoriko koa ny Joda hiala eo imasoko, tahaka ny nanesorako ny Isiraely, ary holaviko ity tanàna Jerosalema nofidiko ity sy ny trano izay nolazaiko hoe: Ho ao ny anarako.
Hivyo Yahwe akasema, “Pia nitaiondoa Yuda usoni kwangu, kama nilivyoiondoa Israeli, na nitautupilia mbali huu mji ambao nilio uchagua, Yerusalemu, na ile nyumba ambayo niliyokuwa nimesema, 'Jina langu litakuwa humo.”'
28 Ary ny tantaran’ i Josia sisa mbamin’ izay rehetra nataony, tsy efa voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny tantaran’ ny mpanjakan’ ny Joda va izany?
Kama kwa mambo mengine yanayo muhusu Yosia, kila kitu alichofanya, je vimeandikwa kwenye kitabu cha matukio ya wafalme wa Yuda?
29 Tamin’ ny andro nanjakan’ i Josia no niakaran’ i Farao-neko, mpanjakan’ i Egypta, hankany amoron’ ny ony Eofrata hiady amin’ ny mpanjakan’ i Asyria; ary Josia mpanjaka dia nandeha hiady amin’ i Farao. Kanjo nony hitany, dia matiny tao Megido izy.
Katika siku zake, Farao Neko, mfalme wa Misri, alienda kupigana dhidi ya mfalme wa Ashuru huko mto Frati. Mfalme Yosia akaenda kuonana na Neco katika mapigano, na Neko akamuua huko Megido.
30 Ary ny fatiny dia napetraky ny mpanompony tao anaty kalesy ka nentiny niala tao Megido ho any Jerosalema, dia naleviny tao amin’ ny fasany. Ary nalain’ ny vahoaka Joahaza, zanak’ i Josia, dia nohosorany ka nampanjakainy handimby an-drainy.
Watumishi wa Yosia wakambeba kwenye gari la farasi akiwa amekufa kutoka Migido, kumleta Yerusalemu, na kumzika katika kaburi lake mwenyewe. Kisha watu wa nchi wakamchukua Yehoahazi mwana wa Yosia, wakamtia mafuta, na kumfanya kuwa mfalme katika mahali pake.
31 Telo amby roa-polo taona Joahaza fony izy vao nanjaka, ary telo volana no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Hamotala, zanakavavin’ i Jeremia, avy any Libna.
Yehoahazi alikuwa na umri wa miaka ishirini na tatu alipoanza kutawala, na alitawala miezi mitatu katika Yerusalemu. Mama yake alikuwa akiitwa Hamutali; alikuwa binti wa Yeremia wa Libana.
32 Ary nanao izay ratsy eo imason’ i Jehovah izy tahaka izay rehetra nataon’ ny razany.
Yehoahazi alifanya yaliyo maovu usoni kwa Yahwe, kama kila kitu ambacho babu zake walichokifanya.
33 Ary nafatotr’ i Farao-neko tao Ribla any amin’ ny tany Hamata izy, mba tsy hanjakany any Jerosalema, sady nampandoaviny sazy talenta volafotsy zato sy talenta volamena iray ny fanjakana.
Farao Neko akamfunga gerezani huko Ribla katika nchi ya Hamathi, hivyo asiweze kutawala katika Yerusalemu. Kisha Neko akaitoza Yuda talanta mia moja za fedha na talanta moja ya dhahabu.
34 Ary Farao-neko nanendry an’ i Eliakima, zanak’ i Josia, ho mpanjaka hisolo an’ i Josia rainy; ary ny anarany novany ho Joiakima, fa Joahaza kosa dia nentiny ho any Egypta ka maty tany.
Farao Neko akamfanya Eliakimu mwana wa Yosia mfalme katika mahali pa Yosia baba yake, na kubadilisha jina lake kuwa Yehoyakimu. Lakini akamchukua mfalme Yehoahazi kwenda Misri, na Yehoahazi akafia huko.
35 Ary ny volafotsy sy ny volamena dia nomen’ i Joiakima an’ i Farao; kanefa notombanany avokoa ny olona rehetra araka ny didin’ i Farao, ary ny vahoaka rehetra dia samy nampandoaviny vola araka ny tombany avy, mba homeny an’ i Farao-neko.
Yehoyakimu akalipa fedha na dhahabu kwa Farao. Ili akutane na amri ya Farao, Yehoyakimu akaitoza nchi na kulazimisha kila mtu miongoni mwa watu wa nchi wamlipe fedha na dhahabu kulingana na makadirio yao.
36 Dimy amby roa-polo taona Joiakima, fony izy vao nanjaka, ary nanjaka iraika ambin’ ny folo taona tany Jerosalema izy. Ary ny anaran-dreniny dia Zebida, zanakavavin’ i Pedaia, avy any Romaha.
Yehoyakimu alikuwa na umri wa miaka ishirini na tano alipoanza kutawala, na alitawala miaka kumi na moja katika Yerusalemu. Mama yake alikuwa akiitwa Zebida; alikuwa binti wa Pedaia wa Ruma.
37 Ary nanao izay ratsy eo imason’ i Jehovah izy tahaka izay nataon’ ny razany.
Yehoyakimu akafanya yale yaliyo maovu usoni kwa Yahwe, kama waliyoyafanya babu zake.

< 2 Mpanjaka 23 >